Voazava ao amin'ny lesona 2 fa nahataona ireo mpianatra voalohany — i Andrea sy i Jaona, i Petera, i Filipo sy i Natanaela - ho eo amin'i Jesôsy ny fanambarana nataon'i Jaona mpanao batisa. Mety hihevitra isika fa efa nanao ny fanambarany i Jaona mpanao batisa ka hatreo ihany ny anjarany ao amin'ny tantara. Tsy izany anefa fa mbola voaresaka miverimberina ny momba azy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona.
Vakio ny Jao. 3:25-36. Toy ny ahoana no ampitahan'i Jaona mpanao batisa ny tenany amin'i Jesôsy ?
Nisy fifandirana teo amin'ny mpianatr'i Jaona sy ny Jiosy anankiray momba ny fanadiovana; azo inoana fa mikasika ny fanaovam-batisa izany (ampitahao amin'ny Mar. 1:4,5). Mahaliana fa rehefa nanatona an'i Jaona ny mpianany, tsy isalasalana fa ny mba hitady vahaolana, dia nitoroka an'i Jesôsy izy ireo nanao hoe: "Raby ô, llay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy."— Jao. 3:26. Tsy sarotra ny maminavina ny tao an-tsain'izy ireo: nialona an'i Jesôsy izy, noho ny amin'ny tompony sy ny tenany.
Azon'i Jaona natao koa ny nampanjaka ny fialonana tao am-pony, saingy tsy nataony izany satria fantany ny asa nanirahana azy. Nampahatsiahiviny ny mpiamny kosa fa tsy mbola nilaza velively izy fa ny tenany no Kristy. Ny mifanohitra amin'izany aza, ny hampitodika ny olona ho any amin'i Kristy, ny hanomana lalana ho Azy, ny ho vavolombelona hanambara Azy (Jao. 1:6-8), no nahatongavany.
Nampiasa sary an'ohatra momba ny fampakarana izy ka "sakaizan'ny mpampakatra" no ilazany ny tenany, ary i Jesôsy no "mpampakatra". Inoana fa ny vahoakan'Andriamanitra no "ampakarina"(ampitahao amin'ny Hôs. 2:16-23; Isa. 62:1-5). Ary izao teniny izao no mampiseho ny tena fahalehibiazan'i Jaona: "Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena" hoy izy — Jao. 3:30.
Mitohy ny fampitahana an'i Jaona sy i Jesôsy ao amin'ny Jao. 3:31-36, izay maneho ny fahambonian'ny Mesia raha miolotra amin'ny mpialoha IalanaAzy. Vokatry nyfanambaran'i Jaona izay manondro an'i Jesôsy, dia misongadina indray ny Ianjan'ny fanambarana. Izay mandray ny fanambarana ka mino an'i Jesôsy no manana ny fiainana mandrakizay. Izay tsy mandrayAzy kosa dia mitoetra eo ambanin'ny fahatezeran'Andriamanitra. Voasoratra izany. Tian'Andriamanitra tokoa izao tontolo izao ka nirahiny ny Zanany hanavotra izao tontolo izao (Jao. 3:16,17). Izay manda ny fanomezana atolotra azy kosa dia tsy maintsy handoa ny sazin'ny fahotan'ny tenany — dia ny fahafatesana mandrakizay.
Ahoana no hianarantsika nyleson'nyfanetren-tena eoanatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'ny olona? Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny oha-piainan'i Jaona eto momba ny fanetren-tena.