Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Fahatezerana ara-drariny

Daty
Talata 28 January 2025

Na dia misy aza endrika fahatezerana maro tsy araka ny tokony ho izy, пу Baiboly dia mampianatra kosa fa misy ny "fahatezerana ara-drariny".

Alao sary an-tsaina hoe manara-maso ny zanany kely telo taona milalao eo an-tokotany ny renim-pianakaviana iray, no indro misy lehilahy mamely tampoka ilay zanany. Tsy tokony ho tezitra ve izy? Mazava loatra fa mahatezitra izany. Fihetsika ara-dalàna vokatry ny fitiavana ny fahatezerana amin'ny toe-javatra toy izany. Manampy antsika hahatakatra ny maha-ara-drariny пу fahatezeran’Andriamanitra io ohatra io.

Vakio ny Mat. 21:12,13 sy ny Jao. 2:14,15. Diniho ny fihetsik'i Jesôsy manoloana ny fomba nampiasana ny tempoly: inona no ambaran'izany mikasika ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny ratsy?

Naneho hafanam-po masina i Jesôsy raha naneho hatezerana ara-drariny tamin'ireo izay nanao ny tempolin'Andriamanitra ho toerana fivarotana sy "fieren'ny jiolahy", mba hanararaotana ireo mpitondratena sy kamboty ary mahantra (Mat. 21:13; ampitahao amin'ny Jao. 2:16). Nampiasaina hangalarana sy hampahorina ireo izay marefo indrindra ny tempoly sy ny fanompoam-pivavahana, kanefa natao haneho ny fahasoavan'Andriamanitra mamela heloka sy manadio ny mpanota izany. Tsy rariny ve raha tezitra noho izany fahavetavetana izany i Jesôsy?

Ahitana ohatra hafa koa momba io fahatezerana ara-drariny io ao amin'ny Mar. 10:13,14 sy ny Mar. 3:4,5. Rehefa nitondra zaza ho eo amin'i Jesôsy ny olona, ka "niteny mafy ireny" ny mpianatra, dia "tezitra"i Jesôsy. Hoy Izy tamin'ny mpianatra: "Avelao ny zaza hanatona Ahy." - Mar. 10:13,14.

Tamin'ny toe-javatra hafa indray, rehefa nitady izay hiampangana an'i Jesôsy ho mpandika ny Sabata ny Fariseo noho ny nanasitranany olona tamin'izany andro izany, dia nanontany azy ireo i Jesôsy hoe: "Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty?" Mar. 3:4. "Nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony" avy eo dia nositraniny ilay lehilahy (and. 5). Ny hamafin'ny fon'izy ireo no nampalahelo an'i Kristy ka nahatezitra Azy. Hatezerana ara-drariny vokatry ny fitiavana, tsy misy hafa amin'ny fahatezeran'Andriamanitra ao amin'ny TT izany. Tsy tokony ho tezitra amin'ny ratsy ve ny fitiavana, indrindra raha ny "zavatra" tiany no asiana ratsy?

Ahoana no hitandremantsika mba tsy hiezaka hanamarina ny fahatezerantsika feno fitiavan-tena ho toy ny "fahatezerana ara-drariny"? Nahoana no mora tokoa ny ho latsaka amin'izany? Ahoana no hiarovantsika tena tsy ho tratr'izany fandrika tsara afina izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal