Anisan'ny lesona lehibe avy amin'ny tantaran'i Paoly sy ny fanandramany tao Areopago ny tokony hanadihadiana tsara ny toerana hiasana sy handinihana ny fomba tokony hiresahana amin'ireo vondron'olona tsy mpino izay tsy mbola nandre ny fahamarinana; tamin'izany fomba izany no nanjary nampisy vondrona mpino tao Atena.
novembre 2023
Vakio ny Asa. 17:24-34. Ahoana no nanohizan'i Paoly ny fitoriany?
Rehefa nahazo ny fahalianan'ireo mpandinika tao Atena i Paoly dia nampitodika ny mpihaino azy ho amin'llay Andriamanitry ny lanitra.
Vakio ny Asa. 17:24-27. Inona ny fomba fiasan'i Paoly eto mba hanatrarana ireo olona ireo?
Mariho fa tsy nanivaiva ny fivavahan- diso na ny andriamani-tsy izin'ireo Atenianina i Paoly. Nangoniny ireo zavatra tsara hitany, na dia vitsy aza izany, ka nasongadiny.
Vakio ny Asa. 17:22,23. Inona no nataon'i Paoly teo am-piezahany nitory ny Filazantsara tamin'ireo olona ireo?
Na aiza na aiza toerana misy azy dia handeha hitory ny Filazantsara i Paoly izay nahazo iraka avy amin'Andriamanitra. Izany indrindra no notadiaviny hatao tao Atena.
Vakio ny Asa. 17:18-21. Inona avy ireo fihetsika samihafa nasehon'ireo Jentilisa tao an-tsena nanoloana ny lahateny sy ny fanontaniana napetrak'i Paoly?
Izao no nosoratan'i Lioka raha nanoritsoritra izay nataon'i Paoly tany Atena: "Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an- tsena isan-andro." - Asa. 17:17.
Mazava loatra fa ho nahazo aina kokoa i Paoly raha niasa teo amin'ny Jiosy, izay nofony sy rany. Nanda ny hianina amin'ny fiasana eo amin'ny azy ihany anefa i Paoly. Nantsoina hanatratra olona hafa koa izy.
Vakio ny Asa. 17:1-16. Ahoana no nahatongavan'l Paoly tao Atena ary nanao ahoana ny fihetsiny nanoloana ny zavatra hitany tao?
Ny tananan'i Atena dia "feno sampy" (Asa. 17:16). Fantatr'i Paoly tsara ny tantaran'ireo mpiray firenena taminy sy ny fironan'ireo ho amin'ny fanompoan-tsampy (na omena fampitandremana mandrakariva aza), koa nampalahelo an'i Paoly ny nahita ireo sampy rehetra tao Atena koa. Tsy isalasalana fa ny fangorahany ireo Atenianina no nanesika an'i Paoly; ho faty noho ny helony mantsy ireo raha tsy mahafantatra ny amin'llay Andriamanitra marina.
Vakio ny "Asa fanompoana ho an'ny manan-karena" ao amin'ny TMF, toko 14; "Captive Maid Shows Concern for Naaman" ao amin'ny Reflecting Christ, t. 337.
Hain'i Jesôsy ny nanorina fisakaizana tamin'ireo nanana ny maha-izy azy. Tia sy nanaja Azy ny maro tamin'ireny olona ireny, kanefa maro ihany koa tamin'izy ireo no nanao tsinontsinona Azy. Ireo olona nanana ny maha-izy azy tao amin'ny Baiboly izay nanatona mba hitady fanampiana tamin'i Jesosy dia azo antoka fa nahatsapa fa nihevitra azy ireo Izy. Marobe ihany koa anefa ireo mpanankarena sy nanana ny maha-izy azy no tsy sahy nanatona an'i Jesôsy avy hatrany; niandry izy ireo mandra- pahazoany antoka fa Zanak' Andriamanitra tokoa i Jesôsy.