Lesona 13: Ilay fitsaharana fara-tampony

    Hodinihina mandritra ity herinandro ity: Apok. 1:9-19; Mat. 24:4-8, 23-31; Apôk. 14:6-12; Heb. 11:13-16; Fil. 4:4-6.

    Tsianjery: "Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy." - 1 Kôr. 2:9.

    Efa nisy fotoana ve nahatsapanao ny tenanao ho toy ny eo anivon'ny ady mangotraka, toy ny fifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy? Olona maro, eny na ireo olon'izao tontolo izao aza dia efa nahatsapa toy izany koa. Ary mahatsapa izany isika satria izany tokoa no marina. Ao anatin'ny ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy isika, izay ifanandrinan'i Kristy (ny tsara) sy i Satana (ny ratsy).

    Miseho amin'ny endrika roa ny fiainana, ny ratsy sy ny tsara. Mahakasika an'izao tontolo izao ny fifanandrinan'i Kristy sy i Satana, raha ny marina dia izao rehetra ary izao mihitsy no voakasik'izany satria tany an-danitra no niandohany (Apôk. 12:7). Eo anatrehan'ny toe-javatra mifamahofaho dia mora amintsika ny manadino ny hevi-dehiben'ny drafi-panavotan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao. Mampihorohoro antsika ny ady sy ny korontana ara-pôlitika ary ny loza voajanahary, kanefa mitahiry ao an-tsaintsika ny tanjona hitodiantsika sy ny fomba hahatongavantsika amin'izany ny fitarihan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny faminaniana.

    Miantraika amin'ny tsirairay ihany koa ny ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy. Samy miatrika fihaikana ny finoantsika rehetra eo amin'ny fiainantsika andavanandro, ary hiatrika ny fahafatesana koa aza isika raha tsy mahita ny fiavian'i Jesôsy fanindroany amin'ny fahavelomantsika. Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny fomba hahafahantsika mitsahatra ao amin'i Jesôsy eo anatrehan'ny tsy fananam-pitsaharana eto amin'izao tontolo izao, hojerentsika ihany koa ny hoavintsika manokana ety an-tany izay tsy fantatra. Ny hoavintsika rahatrizay kosa dia mahavelom-panantenana tokoa! 

    Nitoetra tao amin'ny fonja tao amin'ny nosy feno harambato iray ilay mpianatra tratra antitra indrindra tamin'ireo izay niaraka tamin'i Jesôsy, lavitra ireo olona akaiky azy sy tiany rehetra. Inona no mety ho tao an-tsain'i Jaona raha tavela tao amin'io nosy io? Hitany rahateo ny niakaran'i Jesôsy tany an-danitra, hitany koa ireo anjely roa teo anilany izay niteny hoe: "Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? Iny Jesôsy Izay nampiakarina niala taminareo dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra". Asa 1:11.

    Toy ny efa an-taona maro izany kanefa tsy mbola niverina i Jesôsy. Niaraka tamin'izay anefa dia efa nodimandry ireo apôstôly hafa nanatri-maso izany, ary ny ankamaroan'izy ireo dia maty maritiora noho ny fijoroany ho vavolombelon´i Jesôsy. Efa taranaka vaovao no tao amin'ilay fiangonana mbola tanora, ary miatrika ny fanenjehana mahatsiravina avy any ivelany sy izay ataon'ireo fihetsehana heretika avy ao anatiny izy. Azo antoka fa nahatsiaro ho manirery sy torovana ary tsy nanam-pitoniana i Jaona. Tampoka teo anefa dia nomena fahitana izy.

    Azonao an-tsaina ve ny fampaherezana azon'i Jaona avy tamin'izany fahitana izany, toy ny ahoana izany? Vakio ny Apok. 1:9-19.

    Izao no nambaran'i Jesôsy tamin'ireo mpanara-dia Azy: "ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao."- Mat. 28:20. Tsy isalasalana fa nampahery an'i Jaona izany teny izany raha tany an-tsesitany manirery izy. Azo antoka fa nampahery azy izany fahitana izany, dia ny "fanambaran'i Jesôsy, satria fantany fa Izy no "Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany"; naseho ity apôstôly natao sesitany ity tamin'ny fomba manokana izany.

    Fahitana maro mikasika ny hoavin'izao tontolo izao no hita aorian'ireo andalan-teny ireo. Haseho manontolo eo anoloan'i Jaona ny fizotry ny tantara, tantara iainan'ny fiangonana kristianina izany ho antsika, fa hoavin'ny fiangonana kosa no nahitany izany. Na dia hisy fizahan-toetra sy fahoriana aza amin'ny hoavy dia naseho azy fa hifarana izany rehetra izany. "Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny."- Apôk. 21:1, 2.

    Nanampy an´i Jaona hitoetra tamin-toky tao amin'ny fitantanan'Andriamanitra sy ny teny fikasany ny fahitana lehibe mikasika ny hoavy naseho azy, izay voarakitra ao amin'ny Apôkalipsy.

    Mety ho sarotra tokoa ny fiainana, mahatahotra aza indraindray. Fantatsika anefa fa mahalala ny hoavy Andriamanitra ary tsara ny hoavy mandrakizay, ahoana no ampaherezan'izany antsika?

    Nasehon'i Jesôsy mazava ny tantara, teo an-tendrombohitra Oliva, raha namaly ny fanontanian'ireo mpianatra Izy: "Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao."- Mat. 24:3.

    Maneho ny fizotry ny tantara nanomboka tamin'ny androny mandra-pahatonga ny fiaviany fanindroany ary ny aorian'izany ny toriteny maro mpahalala nataon'i Jesôsy izay voarakitra ao amin'ny Mat. 24.

    Tian'i Jesôsy ny hanome soritsoritry ny fandaharam-potoanan'Andriamanitra ho an'ny faminaniana mikasika ny andro farany, mba hiomanan'ireo izay miaina amin'ny vaninandro farany hiatrika ny toe-javatra hiseho any am-parany. Tiany isika raha mitoetra amin-toky ao amin'ny fitiavany na dia hikoro aza ny zava-drehetra manodidina antsika.

    Fantatry ny Advantista tsara ny filazalazan'i Daniela ny fotoana "hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena"- Dan. 12:1. Tian'i Jesôsy isika raha ho vonona ho amin'izany toe-javatra izay mialoha ny fiaviany fanindroany izany.

    Ho toy ny ahoana ny Fiaviany fanindroany? Ahoana no ataontsika mba tsy ho voafitaka? Vakio ny Mat. 24:4-8, 23-31.

    Toe-javatra hiseho ara-bakiteny tokoa ny fiavian'i Jesôsy. Manokana tokoa izany, raha dinihina ny fanomezan'ny faminaniana lanja izany, eny na ny toriteny nataon'i Jesôsy koa aza.
    Tamin'ny fotoana farany izay nisian'ny loza voajanahary nahenika an'izao tontolo rehetra izao, dia olona valo monja no vonona hiatrika izany. Ampitahain'i Jesôsy amin'ny Safodrano ny fiaviany fanindroany izay ho avy tampoka (Mat. 24:37-39). Na dia tsy misy mahalala aza ny andro na ny ora hiaviany (Mat. 24:36), dia nomen'Andriamanitra antsika ny fanisana mianoatran'ny faminaniana izay hitantsika mitranga eo amin'ny tontolo manodidina antsika.

    Misy anjara asa apetraka hotanterahinfsika ao amin'izany toe-javatra ara-paminaniana izany. lnona izany? Mifantoha amin'ny Mat. 24:9-14.

    Tsy mpitazana fotsiny isika ao anatin'ny ady ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy eto amin'izao tontolo izao. Tokony ho mpandray anjara mavitrika amin'ny fanapariahana ny filazantsara hatrany amin'ny faran'ny tany isika, izay midika ihany koa fa hiatrika fanenjehana isika.

    lnona ny hevitry ny hoe "maharitra hatramin'ny farany"? Ahoana no hanavaontsika izany? lnona ny safidy tokony hataontsika isan'andro mba tsy hiala an-daharana, satria maro no efa nanao izany ary maro no hanao izany?

    Tsy mamela antsika hipetrapetraka ka tsy hanao na inona na inona afa-tsy ny mijery ny toe-java-miseho fotsiny (toe-javatra izay tsy azontsika fehezina) ny sary lehibe ara-paminanian'ny tantara. Toy izao matetika ny toe-tsaintsika: "Tsy maintsy hiseho araka izay efa nambara ny toe-javatry ny andro farany, inona moa no azo atao afa-tsy ny mijery ny fisehon'izany? Inona rahateo no azoko atao raha izaho irery?"

    Tsy izany anefa no tokony ho fihetsiky ny Kristianina manoloana ireo manodidina azy, indrindra mikasika ireo toe-javatry ny andro farany. Ambaran'ny Apok. 14 ny tokony hataontsika amin'izao vanim-potoan'ny tantara izao, dia ny hilaza amin'ny hafa ny amin'ny fitsaran'Andriamanitra sy hanampy azy ireo hiomana ho amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany.

    Vakio ny Apôk. 14:6-12. Inona no ampianarina eto ary inona no tokony hotorintsika amin'izao tontolo izao? Nahoana izany hafatra izany no maika dia maika?

    Amin'ny maha-Advantista antsika dia inoantsika fa ny "fahamarinana izay efa ao aminareo" (2 Pet. 1:12) dia hita ao amin'ireo andininy izay antsointsika hoe "Hafatry ny anjely telo". Ao no ahitantsika ny votoatin'ny fiantsoana antsika amin'izao vanim-potoan'ny tantaran'ny tany izao.

    Mariho fa manomboka amin'ny "filazantsara mandrakizay" izany, dia ilay vaovao mahafalin'ny fahafatesan'i Kristy sy ny fitsanganany tamin'ny maty, izay iorenan'ny fanantenantsika ny famonjena. Eo ihany koa ny hafatra manao hoe: "fa tonga ny andro fitsarany"- Apôk. 14:7, teboka iray goavana izay manondro ny fiafaran'ny tantaran'ny tany izany. Misy ihany koa ny antso ho amin'ny fiankohofana eo amin'llay "nanao ny lanitra sy ny tany", etsy ankilany ny fampitandremana mahatahotra miantefa amin'ireo izay mijanona ao Babilôna sy miankohoka amin'ny "bibidia sy ny sariny". Ary farany, ao ny fanolorana ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany: "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy."

    Vakio ny Apok. 14:11. Inona no ambaran'io andininy io mikasika ny tsy fananam-pitsaharana ho an'ireo izay miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny?

    Tsy manam-pitsaharana, na andro na alina, ireo izay miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny? Na dia maro samy hafa aza ny hevitra andraisana ny tena tian'izany hambara, dia miray hevitra ny rehetra fa tsy hiaina ny fitsaharana izay atolotr'Andriamanitra ho an'ireo mahatoky Aminy ireo olona ireo.

    Araka ny hevitrao, nahoana ny "filazantsara mandrakizay" no ampahany voalohany amin'ny hafatry ny anjely telo? Nahoana izany fahamarinana mahagaga izany no tokony ho eo anoloantsika mandrakariva rehefa mitory ireo hafatra ireo amin'izao tontolo izao isika? Ahoana no maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny filazantsara ho an'ny tontolon-kevitry ny fitsaharana?

    Efa taonjato maro izay no niandrandran'ny Kristianina ny fiverenan'i Kristy. Izany tokoa ny fara-tampon'ny finoantsika- tsy ny antsika ihany, fa ny fanantenan'ireo nahatoky tamin'Andriamanitra teo amin'ny tantara.

    Vakio ny Heb. 11:13-16. inona ny teny fikasana eto izay tsy ho an'ny olona fahiny ihany fa ho antsika koa?

    Tsy misy heviny ireo andininy ireo raha toa ka marina ny filazan'ny olona, izay iraisan'ny maro, mikasika ny fahafatesana. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo momba ny olona izay "tsy mbola nahazo ny teny fikasana?" Nodimandry izy ireo, ary heverin'ny olona fa any an-danitra ankehitriny mifaly amin'ny valisoany miaraka amin'i Jesôsy. Raha nodimandry i Billy Graham dia imbetsaka no nandrenesantsika ny fanambarana fa efa any amin'ny Paradisa miaraka amin'i Jesôsy izy.

    Misy toe-javatra toy ny maneso ihany koa, mikasika izany fomba fijery izany, satria rentsika matetika izao fiteny izao rehefa misy olona nodimandry: "handry amim-piadanana anie izy". Fa inona no mitranga? Moa ve ireny olona ireny mandry amim-piadanana tokoa, sa any an-danitra manao izay tokony hataony rehetra (toy ny hoe mijery ny "zava-misy" ety ambonin'ny tany)?

    Ahoana ny filazan'i Jesôsy ny fahafatesana? Vakio ny Jao. 11:11.

    Raha ny marina, ny hevitra mikasika ny hoe mandry "amim-piadanana" no marina momba ny fahafatesana, sa tsy izany? Matory tokoa ny maty. "Ho an'ny mino, dia zavatra kely ihany ny fahafatesana. Fotoana fohy no ilazan'i Kristy an'izany. Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.' Ho an'ny Kristianina, torimaso fotsiny ny fahafatesana, fotoana ao anatin'ny fanginana sy ny haizina. Ny fiainana dia miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra, ary raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho Aminy koa amin'ny voninahitra hianareo. Jao. 8:51, 52; Kôl. 3:4."- IFM, t. 846.

    Ampitahain'i Jesôsy amin'ny torimaso lalina ny fahafatesana mandra-pahatongan'ny marainan'ny fitsanganana amin'ny maty (Jao. 11:11, 14), asongadiny ihany koa fa samy handray ny valin'asany aorian'ny fitsanganana amin'ny maty ireo voavonjy sy ireo izay very (Jao. 5:28,29). Nasongadiny ny filana ny fiomanana ho amin'ny fahafatesana, na oviana na oviana no hahatongavan'izany.

    Inona ny fampaherezana azonao avy amin'ny fahafantarana fa mitsahatra ireo olon-tianao efa nodimandry?

    Ny "Google map"(sarintany ao amin'ny internety) angamba no fainpiasantsika indrindra ao amin'ny findaintsika. Maro amintsika no tsy mahatsiaro izay nataontsika talohan'ny nisian'ny fanoroan-dalana amin'ny "GPS" ao anaty finday. Mety ho sahiran-tsaina isika raha handeha any amin'ny toerana tsy mbola nalehantsika mihitsy, saingy rehefa nisy "Google map" ao amin'ny findaintsika dia mandeha amin-toky isika ary mahita lalana any amin'ny tanana izay tsy mbola hitantsika hatrizay. Azo raisina ho sary maneho ny karazam-pitsaharana tian'Andriamanitra homena antsika ao amin'ny faminaniana araka ny filaharany ve izany?

    Misy fotoana anefa mety ho diso ny toerana soratantsika ao amin'ny finday, na koa mety manapa-kevitra ny tsy hanaraka ny torolalany isika satria mahita lala-manivaka. Ao amin'ireo toe-javatra roa ireo, dia mety ho tonga any amin'ny toerana izay tsy nirintsika andehanana akory isika - ary azo antoka fa tsy hanana fitonian-tsaina koa.

    Vakio ny Fil. 4:4-6. Inona no ambaran'i Paoly amintsika momba ny fomba hananana fitsaharana sy fiadanana tena izy, na dia eto amin'ny tontolo feno fahoriana sy tebiteby aza?

    Tsy manambara i Paoly ao amin'io andalan-teny io fa tokony hifaly mandrakariva ao amin'ny fizahan-toetra atrehinao ianao; tsy izany, fa hoy izy hoe: "Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo". Na inona na inona toe-javatra sy fitsapana atrehintsika ankehitriny, raha mitoetra ao amin'Andriamanitra isika, ao amin'ny fahatsarany sy ny fitiavany, ary ao amin'ny sorona nataony ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana, dia afaka mifaly ao Aminy ary hahita fiadanana ny fanahintsika izay reraka.

    Na ny lantompeon'ireo andalan-teny ireo aza dia efa mitory fiadanana sy fitsaharana ary fanantenana fara tampony ny amin'ny zava-misy ankoatra izao tontolo izao.

    Alaivo sary an-tsaina ny fitsaharana ananan'ny fanahintsika raha toa tsy misy na inona na inona mampitebiteby antsika. Toa tsy azo eritreretina ny hisian'izany eto amin'ity tontolo ity (na i Paoly aza dia nitebiteby tamin-javatra maro), fantatsika anefa fa mifehy ny toe-javatra Andriamanitra ary hamonjy antsika Izy ka hitondra antsika any amin'ny fanjakany, hanampy antsika hijery ny toe-javatra mampitebiteby araka ny tokony ho izy.

    "Efa mby akaiky ny Tompo"? Izany hoe, akaiky antsika mandrakariva Izy, ary raha vao mikipy ny masontsika ka mandry ao amin'ny torimasom-pahafatesana isika, dia ny fiverenan'i Kristy no zavatra hitantsika aorian'izay.

    Eny tokoa, feno zava-manahirana ny fiainana, feno fitsapana sy tolona, ary tsy misy afa-miala amin'izany isika rehetra. Azo antoka fa tsy afa-niala tamin'Izany koa ny apôstôly Paoly (jereo ny 2 Kôr. 11). Tiany hasongadina amintsika anefa fa na dia eo aza ny zava-tsarotra iaretantsika ankehitriny, dia azontsika atao ny mifaly amin'izay nomena antsika ao amin'i Kristy, ary azontsika atao ny hahita fiadanana ho an'ny fanahintsika na dia amin'izao andro izao aza.

    Avereno vakina ny Fil. 4:4-6. Fomba ahoana no hahafahanao mampihatra ireo teny mahafinaritra ireo  eo amin'ny fanandramanao ankehitriny, na inona na inona fitsapana sy fahoriana atrehinao?

    "Samy maniry valiny haingana sy mivantana isika rehetra rehefa mivavaka, ary alaim-panahy ho kivy rehefa mitaredretra izany valim-bavaka izany, na miseho amin'ny endrika tsy araka izay nandrandraintsika. Hanao mihoatra lavitra sy tsara kokoa ho antsika Izy noho ny hoe hanatanteraka ny faniriantsika fotsiny. Ary satria azontsika atao ny mitoky amin'ny fahendreny sy ny fitiavany, dia tsy tokony hangataka Azy hanatanteraka ny sitrapontsika isika, ny tokony hataontsika dia ny mikatsaka izay hahatanteraka ny sitrapony. Ny sitrapony no aoka hiankinan'ny faniriantsika sy izay zavatra mahaliana antsika."- GW, t. 2 19 .

    "Kely monja sisa ny fotoana dia ho avy i Jesôsy hamonjy ny zanany sy hampitafy azy ireo ny tsy fahafatesana (...) Hisokatra ny fasana, ary hivoaka avy ao amim-pandresena ny maty ka hihiaka hoe: "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? "Hivoaka avy ao am-pasana ireo malalantsika natory tao amin'i Jesôsy ka hitafy ny tsy fahafatesana."- CS, t. 350.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

    1. Saino ny amin'ny fifanandrinan-kery lehibe. Ahoana ny fahitanao izany eto amin'izao tontolo izao? Ahoana ny amin'ny fiainanao manokana? Tena misy tokoa izany, sa tsy izany? Tena zava-misy mihoatra noho izay heverin'ny ankamaroan'ny olona izany, satria maro no tsy mino fa tena misy tokoa ny devoly. Zava-dehibe manampy antsika hahatakatra ny mahazo an'izao tontolo izao ny fahatakarana ny amin'ny fifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy, nahoana? Mampahery tokoa ny fahatakarantsika fa hisy farany izany fifanandrinana izany, nahoana?

    2. Mety hampikorontana ny saina ny faminaniana raha miezaka manakatra ankoatra izay efa ambara isika. Impiry moa isika mambra no manana olana, mamantatra mialoha ny toe-javatra ho avy isika na koa mino ny filazana mialoha ataon`ny hafa kanjo tsy nitranga akory izany! Ahoana no hiarovantsika ny tenantsika tsy ho latsaka amin'ny fandrika toy izany?

    3. Diniho ao amin'ny kilasy ny Apôk. 14:9-11 sy ny firesahana momba ireo miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny izay tsy manana fitsaharana. Inona no tian'izany hambara?

    4. Misy lohahevitra mampiady hevitra ao amin'ny fiangonana izay milaza fa miankina amin'ny fanaovantsika asa na tsia ny fotoana hiavian'i Kristy. Na inona na inona toerana misy antsika mikasika izany, nahoana no zava-dehibe ny hiasantsika ho fanapariahana ny hafatra mikasika ny fiverenany eto amin'ity tontolo ity?

    Page 1 sur 2

    Please publish modules in offcanvas position.