"Andraikitra mavesatra ny iraka nampanaovina an'i Jônà, kanefa afaka nanohana sy nanampy azy hahavita izany tamim-pahatokiana Ilay naniraka azy. Raha nanaiky tsy tamim-pihambahambana ilay mpaminany, dia ho afa-niala tamin'ny fitsapana maro sy ho nahazo fitahiana be dia be. Na izany aza anefa, dia tsy nahafoy an'i Jônà ny Tompo tamin'ny fotoana nandresen'ny fahakiviana azy. Raha niharan'ny fizahan-toetra mafy nitohitohy izy, dia narahin'ny fitahiana mahagaga koa izany, ka tokony ho nampahatanjaka ny fitokisany an'Andriamanitra sy ny heriny mahavonjy izany." - MM, t. 224.
"An'arivony no mety ho tratra amin'ny fomba mora sy tsotra indrindra. Ny avara-pianarana indrindra izay heverina ho lehilahy sy vehivavy maro talenta indrindra eto amin'izao tontolo izao, no matetika mahazo famelombelomana noho ny teny tsotra ataon'izay tia an'Andriamanitra sy afaka miteny an'izany fitiavana izany amin'ny fomba tsy amboarina, tahaka ny fitenin'ny olona eo amin'izao tontolo izao momba ny zavatra izay mahaliana azy indrindra." - HF, t. 232.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1. "Mpaminanin'Andriamanitra" ve no tezitra toy izao satria nanaiky ny famonjena ilay vahoaka nasain'Andriamanitra nitoriany teny? Ahoana no tokony handraisantsika izany fihetsik'i Jônà izany? Manam-paharetana amin'ny olony tokoa Andriamanitra na dia maneho fihetsika mifanohitra amin'ny fahazavana nomena azy aza izy ireo!
2. Toa mampiseho amintsika ny tantaran'i Jônà fa tsy mihevitra fotsiny ny famonjena ny olom-bery Andriamanitra fa liana fatratra koa te hanova ny mpanara-dia Azy. Ahoana no hananantsika "fo vaovao" sy "fanahy vaovao" na efa mahafantatra ny Tompo sy ny fahamarinana ankehitriny aza isika? Inona no maha-samy hafa ny hoe: mahalala ny fahamarinana sy ny hoe: voaovan'ny fahamarinana?
3. Vakio indray ny bokin'i Joda. Inona ny hafatra fototra ao amin'io boky io, ary nahoana no zava-dehibe indrindra ho antsika izany amin'ny maha-fiangonana antsika?
4. Nahoana ny fiasantsika ho famonjena ny fanahin'ny hafa no maha-tsara ny aim-panahintsika koa?
5. Na inona na inona antony mety ho nahatonga an'i Jona nanda tsy ho any Ninive, dia nasehon'Andriamanitra taminy mazava fa diso tokoa izy. Inona ireo toetra hasehontsika amin'ny hafa, izay mety haneho taratra izany fahadisoan'i Jônà izany koa?