Lesona 11: Maniry ny tsara lavitra

    Hodinihana mandritry ny herinandro: 1 Kor. 10:1-11; Lev. 4:32-35; Jao. 1:29; Heb. 4:1-11; Sal. 95:8-11.

    Tsianjery: "Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny."- 1 Kôr. 10:6.

    Vakio ny 1 Kor. 10:1-11. Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny mpamaky ny taratasiny tao Korinto raha nilaza ny amin'ireo "anatra" izy?

    Ny teny grika ampiasaina ao amin'ny 1 Kôr. 10:6 (ary koa voalaza ao amin'ny 1 Kôr. 10:11), izay nadika hoe "anatra" (nadika ho "ohatra" ao amin'ny ankamaroan'ny Baiboly dikanteny anglisy), dia typos. Ny "type" (teny anglisy) izay ataontsika hoe "tandindona" dia tsy izay tena izy fa karazana fanehoana an-tsary ny zavatra iray.

    Maneho ohatra mikasika izany fifandraisana izany ny Heb. 8:5: "manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra [ireo mpisorona tao amin'ny tempoly tamin'ny TT], tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: `"Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.'"

    Manasongadina ny fifandraisana mivantana misy eo amin'ny zavatra any an-danitra sy ny tety an-tany io andalan-teny io, rehefa izay dia naveriny izay voalazan'ny Eks. 25:9 raha nilaza tamin'i Mosesy Andriamanitra mba hanorina ny tabernakely tany an'efitra, nanao hoe: "araka ny endrika" izay naseho azy tany an-tendrombohitra. Ny fitoerana masina teto an-tany, sy ny fombafomba rehetra natao tao amin'izany dia "endrika", tandindona ary tahadikan'ilay any an-danitra izay iasan'i Jesôsy Mpisoronabentsika.

    Raha hazonintsika ao an-tsaina izany dia ho takatsika kokoa ny zavatra resahin'i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 10. Miresaka ny amin'ireo fanandrarnana sasany niainan'ny vahoakan'Andriamanitra tany an'efitra (ho any amin'ny Tany Nampanantenaina) i Paoly ao amin'ireo andalan-teny ireo. Ny hoe "razantsika" dia manondro ireo Jiosy niala tany Egipta izay nandeha teo ambanin'ny andri-rahona, namaky ny ranomasina, ka natao batisa, araka izany, ho amin'ny fiainam-baovaon'ny fahafahana.

    Raisin'i Paoly ho toy ny tandindona, na ohatry ny batisan'ny tsirairay ireo dingana manan-danja tamin'ny dia nataon'ny Isiraely tany an'efitra. Raha jerena ny lôjikan'ny tenin'i Paoly dia azo heverina fa manondro ny mana ny hoe "fihinam-panahy" (ampitahao amin'ny Eks. 16:31-35). Nisotro rano avy tamin'ny vatolampy ny Isiraely, izay antsoin'i Paoly hoe "Kristy" (1 Kôr. 10:4). Saino ny amin'i Jesôsy, izay atao hoe "mofon'aina" (Jao. 6:48) sy "rano velona" (Jao. 4:10) dia hazava ny hevitr'izany. Hitantsika eto, araka izany, ny fampiasan'i Paoly ny tantara ao amin'ny TT ho ohatry ny fanehoana ny fahamarinana ara-panahy izay azon'ny Kristianina ankehitriny ampiharina.

    Saino ny fanandraman'ireo Isiraellia tao amin'ny Eksôdosy. Inona ny lesona ara-panahy azontsika sintonina avy amin'ny "anatra" nomen'izy ireo, na tsara izany ratsy ?

    Ny rafi-pivavahana sy ny fanatitra tamin'ny TT, toy izay hita ao amin'ny Levitikosy, dia maneho ohatra maro ny amin'izay hitantsika ornaly- tandindona ao amin'ny TT izay manondro fahamarinana voalazan'ny TV. Na dia heverin'ny mpamaky ankehitriny fa tsy mahakasika azy intsony aza ireo fombafombam-pivavahana ireo, dia ahitana fahamarinana ara-panahy izay manana tombambidy lehibe ho an'ireo izay mandinika azy izany.

    Vakio ny torolalana mikasika ny fanatitra noho ny ota izay nasaina nataon'ny Isiraelita, eo amin'ny Lev. 4 :32-35. Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'io fombafombam-pivavahana io, na dia tsy manana tabernakely na tempoly misy alitara fanaovana fanatitra noho ny ota aza isika? Ampifandraiso amin'ny Jao. 1:29 sy ny 1 Pet. 1:18-21 io fombafombam-pivavahana io.

    Fampitana mahomby ny tombambidy sy fahalalana manan-danja ny fombafombam-pivavahana, ary ilaina ny fahatakarana izany araka ny tontolon-keviny. Mitaky fotoana sy toerana manokana ary asa mitohy efa voaomana anefa izany mba hahombiazany. Raha mamaky ireo baikon'ny Baiboly ao amin'ny TT mikasika ny fanatitra isika dia mahita mazava fa nanome tsipiriany mikasika ny biby atao fanatitra Andriamanitra, nomeny koa ny fotoana sy ny toerana ary ny fombafomba sy ny dingana arahina amin'izany.

    Ivon'ireo fombafombam-pivavahana ireo ny ra sy ny fandatsahan-dra ary ny famafazana izany. Tsy mahafinaritra izany, ary tsy natao hahafinaritra satria mahakasika ny zavatra ratsy indrindra eto amin'izao tontolo izao, dia ny fahotana izany.

    Inona ny anjara asa notanan'ny ra, ary nahoana izany no nasaina natao teo amin'ny tandroky ny alitara? Ahitana torolalana mikasika ny fanatanterahana azy ny ankamaroan'ireo fombafombam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina, saingy tsy miaraka amin'izany mandrakariva ny fanazavana. Azo heverina fa efa takatry ny olona izany ka tsy nilana fanazavana, fantatry ny vahoaka teo amin'ny Isiraely rahateo ny lanja sy hevitry ny rà (Lev. 17 :11).

    Manome fanazavana mazava momba ny ohatra nalaina avy tao amin'ny Lev. 4:32-35 anefa ny Lev. 4:35: "ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony." Ny rà  araka izany, no nilaina tokoa teo amin'ny asa fanavotana, izany no hanamarinana ny mpanota eo anatrehan'ilay Andriamanitra masina. Tandindona no hitantsika ao amin'ireo fanatitra, izay maneho ny fahafatesan'i Kristy sy ny asa fanelanelanana ataony ho antsika.

    Saino ny faharatsiana lehiben'ny fahotana izay nitaky ny fanoloran'i Jesôsy ny tenany, Izy ilay Andriamanitra Zanaka, mba hanonerana izany. Inona no tokony hampianarin'izany antsika momba ny tokony hianteherantsika amin'ny fahasoavana fa tsy amin'ny asa? Inona rahateo no azontsika hanampiana ny zavatra efa nataon'i Kristy ho antsika?

    Ankoatra ireo ohatra efa nodinihintsika, dia azo ampiharina amin'ny fanazavan'ny Baiboly ny atao hoe "fitsaharana" ny hevitra mikasika ny aloka sy tandindona. Andeha isika hijery izany ao amin'ny TV, dia ny bokin'ny Hebreo izany.

    Vakio ny Heb. 4:1-11. Inona no tondroin'ny teny fikasana ny amin'ny fidirana ao amin'ny fitsaharany? Inona ny hevitra entin'ny fanandraman'ny Isiraely nandritra ny Fahafahana sy ny fandehanana nirenireny tany an'efitra hanampiana ny hevitra mikasika ny fidirana ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra?

    Zava-dehibe tokoa ny lohahevitra momba ny faharetana sy ny fahatokiana. eto. Na dia miresaka ny amin'ny Sabata andro fahafito aza ireo andalan-teny ireo (sy ny andininy eo alohany; jereo ny Heb. 3:7-19), dia mifantoka kokoa amin'ny antso atao amin'ny vahoakan'Andriamanitra mba haharitra ao amin'ny finoana, izany hoe hitoetra ho mahatoky ao amin'Andriamanitra sy ny filazantsara.

    Mampahatsiahy ny mpamaky handray amim-pahamatorana ny lesona nianarana avy tamin'ny fitarihan'Andriamanitra tamin'ny lasa ireo toko sy andininy ireo, "fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa"- Heb. 4:11. Tandremo fa fampahatsiahivana lehibe izany tsy hahalavo antsika! Nandre ny filazantsara tokoa ny Isiraely saingy tsy nahasoa azy izany teny izany. Raha tokony ho nanamafy ny finoany tamin'ny fitokiana sy ny fankatoavana izy ireo, dia naleony nifidy ny hikomy (ampitahao amin'ny Heb. 3:7-15), vokatr'izany dia tsy niaina ny fanandraman'ny fitsaharana izay nirin'Andriamanitra ho azy mihitsy izy ireo.

    Miresaka ny amin'ny fifandraisana ety misy eo amin'ny finoana sy ny fitsaharana ny Heb. 4:3. Rehefa mino sy matoky Ilay nampanantena fitsaharana, dia i Jesôsy Kristy izay afaka manatanteraka izany isika, vao afaka miditra amin'ny fitsaharany.

    Avereno vakina ny Heb. 4:3. Inona ny olana teo amin'ireo olona voalazan'io andininy io? Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'izany, fa "isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany"- Heb. 4:2?

    Nandray ny fanambarana voalohany avy amin'Andriamanitra (izay antsointsika hoe "Testamenta Taloha") ireo Kristianina voalohany, ary nino izy ireo fa i Jesôsy Kristy no Zanak'ondrin'Andriamanitra, dia ilay fanatitra noho ny otany. Tamin'ny alalan'ny finoany izany sorona izany no niainany ny famonjena tao amin'i Jesôsy  sy ny fitsaharana omena ao Aminy.

    Manampy antsika hiditra amin'ny fitsaharana izay hitantsika ao amin'i Jesôsy ny fahatakarana ny hoe vonjena amin'ny rany (fantatsika fa vonjena amin'ny fahasoavana isika fa tsy amin'ny asa), amin'ny fomba ahoana?

    Vakio ny Heb. 4:4-7 sy ny Sal. 95:8-11. Inona ny fampitandremana omena ao amin'ireo andininy ireo, inona no tian'izany hambara amintsika ankehitriny?

    Miresaka momba ny famoronana ny Heb. 4:4-7 sy ny Sal. 95:11 ao amin'ny tontolon-kevitra miresaka ny amin'ny tsy fahatokian'ny Isiraelita sy ny tsy nahafahany niditra tamin'ny fitsaharana nirin'Andriamanitra ho azy vokatr'izany.

    Mampifandray ny fanandraman'ny Isiraely tany an'efitra amin'ny fitsaharan'Andriamanitra ny Sal. 95:8-11, hita ao ihany koa ny fianianan'Andriamanitra fa tsy hiditra amin'ny fitsaharany ny Isiraely, izay nifandraika tamin'ny Tany nampanantenaina tany am-boalohany.

    Mazava loatra fa niditra tao amin'ny Tany Nampanantenaina ny Isiraely. Taranaka vaovao no niampita ny sisintany, ary naka ny tanàna mimanda sy nitoetra tao, niaraka tamin'ny fanampian'Andriamanitra.

    Tsy niditra tamin'ny fitsaharan'Andriamanitra anefa izy ireo satria maro no tsy niaina ny fanandraman'ny famonjena ao amin'i Jesôsy  noho ny tsy finoany izay niseho niharihary tamin'ny tsy fankatoavana. Na dia nampifandraisina tamin'ny tany aza ny fitsaharana dia mihoatra noho ny tany nonenan'ny olona izany.

    Ambaran'ny Heb. 4:6 fa ireo izay nandre ny teny fikasan'Andriamanitra ny amin'ny fitsaharana tena izy dia tsy niditra tamin'izany noho ny tsy fankatoavana. Inona no ifandraisan'ny tsy fankatoavana sy ny tsy fidirana amin'ny fitsaharana?

    Maneho fahamehana ny hoe "anio", midika izany fa tsy misy intsony ny fotoana holanilaniana foana. Mitaky valinteny sy fanapahan-kevitra eo no ho eo ny hoe "anio".
    Noraisin'i Paoly ny teny hoe semeron, "anio", ary nasongadiny ny maha-zava-dehibe izany ao amin'ny tontolon-kevitry ny fitsaharana. Ny Sal. 95:7,8 kosa dia fampitandremana sy antso atao amin'ny zanak'Andriamanitra mba tsy hamerina ny fahadisoan'ireo razany ka hahatonga azy tsy ho tafiditra amin'ny fitsaharana marina izay tsy hita afa-tsy ao amin'ny famonjena atolotr'Andriamanitra antsika.

    Ahoana no tokony handraisantsika izany raha izao isika no mandre ny teny hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo Aza manamafy ny fonareo"? lnona no maha-zava-dehibe ny teny hoe anio? An'arivo taona lasa no nanambaran'ny bokin'ny Salamo izany, nahoana anefa izany no mbola manan-danja ho an'ny "anio" antsika tahaka ny lanjany tamin'ny lasa?

    Mazava ny famelabelarana ireo hevitra fototry ny Heb. 4 rehefa vakina ny Heb. 4:8-11. Tsy nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely i Josoa. Vokatr'izany, noho ny tsy maha-mpandainga an'Andriamanitra dia mbola misy "fitsaharana" ho an'ny olon'Andriamanitra. Tsy mpino jiosy ihany no mandrafitra io vondron'olona io fa ireo rehetra izay nandray an'i Jesôsy ho Mpamonjiny manokana.

    Vakio ny Gal. 3:26-29 ary mariho ny toetoetr'ireo vahoakan'ny faneken'Andriamanitra talohan'ny hazo fijaliana. Inona ny hevitry ny hoe: tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy, ao amin'ny tontolon-kevitra resahin'i Paoly?

    Matetika no nampiasaina ny Heb. 4 hanasongadinana ny fitandremana ny Sabata andro fahafito, ny hafa kosa nampiasa izany mba hanoherana ny maha-andro fitsaharana ny Sabata noho ny fiheverany fa hisy ny fitsaharana hafa (amin'ny farany). Samy tsy misy maneho ny tena hevitr'izany lahatsoratra izany anefa ireo voalaza ireo. Ambaran'ireo andalan-teny ireo mantsy fa ny fifantohan'ny andro farany amin'ny fitsaharana manokana omen'Andriamanitra dia efa teo amin'ny Famoronana, ary ny fankalazana ny fitsaharan'ny Sabata dia ampahany kely iainana isan-kerinandro izany fitsaharana izany. Ho an'ny Jiosy, ny Sabata dia noheverina ho fanehoana amin'ny ampahany ny 'olamhaba' ("Ilay tontolo ho avy").

    Ny fitsaharana toy ny Sabata izay atao ho an'ny olon'Andriamanitra dia mifamaly amin'ny fitsaharana tamin'ny Sabata voalohany teo amin'ny tantaran'ny tany, izay midika fa afaka mitsahatra amin'ny asantsika isika ary matoky fa hanatanteraka ny teny fikasany ny amin'ny famonjena antsika Izy.

    Mifanohitra amin'izay ambaran'ny mpanazava ny Soratra Masina sasany, io tontolon-kevitra io dia tsy manohana fa efa tanteraka tao amin'ny fitsaharan'ny famonjena izay nentin'i Kristy ny didy mikasika ny Sabata, mahatonga ny fankatoavan'ny Kristianina tsy hanan-kery mantsy izany. Tsy mahasolo ny Sabata andro fahafito voalazan'ny Baiboly ny fitsaharana lehibe izay arnpanantenaina antsika amin'ny alalan'izay nataon'i Kristy ho antsika. Ny mifanohitra amin'izany aza, manamafy ny Sabata andro fahafito izany.

    Ampy hahavonjy sy hanova antsika ny fitsaharana ao amin'i Jesôsy sy ny fitokiana amin'ny fahasoavany. Mifanohitra amin'ny kolontsain'ny tontolo misy antsika izay manome tombambidy lehibe ny olona nahomby noho ny ezaka nataony manokana, sy ny asa mafy ary ny fiezahana mafy hahatratra ny tanjona izany.

    Ahoana no hanampianao ny hafa hahita fitsaharana ao amin'i Jesôsy, raha mihevitra izy fa feno fahoriana loatra ny fony hatrizay, no tsy azo ovana ny fony, na koa tsy misy azo antenaina intsony ny aminy? Inona ny teny ao amin'ny Baiboly hozarainao amin'izy ireny?

    "Tsy vonona hankeo amin'i Jesôsy mandrakariva hitondra ny toe-java-tsarotra sy ny fitsapana mahazo antsika isika. Ny sofin'olombelona indraindray no amborahantsika ny olantsika, ambarantsika amin'ireo izay tsy afaka hanampy antsika akory ny fahoriantsika. Ataontsika tsirambina ny fitantarana ny manjo rehetra amin'i Jesôsy Ilay afaka manova ny lalàna feno alahelo ho lalamben'ny fifaliana sy fiadanana. Manome voninahitra sy fandresena ny hazo fijaliana ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena. Sarobidy tokoa ireo teny fikasan'Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra ny Teniny isika raha tiantsika ny hahalala ny sitrapony. Ny teny avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia hitarika ny tongotsika ho eo amin'ny lalana  mahitsy izay hizorantsika ka tsy Naha-tafintohina antsika, raha toa dinihina amim-pitandremana sy ankatoavina. Raha mba mitondra ny enta-mavesany sy ny zava-manahirana azy eo amin'i Jesôsy mantsy ny mpitandrina sy ny olon-drehetra! Efa vonona handray azy i Jesôsy sy hanome azy fiadanana sy fitsaharana! Tsy mba hanao tsinontsinona ireo izay mametraka ny fitokiany Aminy izy."- ST, 17 Martsa 1887, t. 161.

    "Ry tanora malala, moa ve amim-pifaliana sy amim-panantenana no hiandrasanao ny fotoana izay hanononan'ny Tompo, Ilay Mpitsara marina, ny anaranao eo anatrehan'ny Ray sy ny anjeliny masina? Ny fiomanana mety indrindra azonao atao hitsenana ny fiavian'i Kristy fanindroany dia ny mitsahatra amim-pinoana tsy azo hozongozonina ao amin'ilay famonjena lehibe natao ho antsika tamin'ny fiaviany voalohany. Tsy maintsy mino an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenanao manokana ianao."- OHC, t. 368.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

    1. Inona no mampiavaka ny Sabata andro fahafito izay maneho mialoha ny fitsaharana any an-danitra homen'Andriamanitra ny olony? Ahoana no anehoan'ny Sabata amintsika indray mihelatra ny mandrakizay?

    2. Ny fanavotana dia midika ho fihavanana, ary manondro ny lalana hiverenana amin'Andriamanitra. Saino izao fanambarana manan-danja ao amin'ny Rôm. 5:11 izao: "Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny." Raha misy manontany anao hoe: "inona no atao hoe vita fihavanana amin'Andriamanitra? Ary inona ny fiovana nentin'izany teo amin'ny fiainanao?", inona no havalinao azy?

    3. Ahoana no ataontsika mba tsy hanomezan-danja lehibe ny zavatra madinika eo amin'ny fiainana maha-Kristianina antsika? Ahoana no hifantohantsika amin'izay zava-dehibe ambaran'ny tenin'Andriamanitra?

    4. Saino indray ireo fahadisoana sy tsy fahampiam-pinoana nasehon'ny zanak'Isiraely tany an'efitra. Na dia tsy mitovy amin'izay iainantsika aza ny tsipirian'ny fihaikana natrehin'izy ireo (tsy mirenireny an'efitra midadasika isika), inona kosa ny fitsipika iraisana? Raha lazaina amin'ny teny hafa, ahoana no mety hisetrantsika fihaikana tahaka izay nosetrain'izy ireo, ary ahoana no hisintonantsika lesona avy amin'ny fahadisoana nataony?

    Ao amin'ny "Queens Museum of Art" any New-York no misy ny sary modelin'ny hairafitrano maneho tanana iray, izay lehibe indrindra eran-tany, ireo trano avon'ny tananan'i New -York rehetra no asehon'izany. 870 m2 eo ho eo ny velaran'izany sary modely izany. Tamin'ny taona 1964 no nahavitana izany ka mpanao asan-tànana niisa 100 no niasa nandritra ny 3 taona mahery mba hahatontosana ilay tetikasa. Nohavaozina izany tany amin'ny taona 1990, saingy tsy mbola hita ao ny rafitry ny tanàna amin'izao taona 2021 izao. Mahatalanjona tokoa ny nikaliana izany sy ny fitovian'ny tsipiriany rehetra amin'ny tena izy. Na izany aza dia zavatra nadika ihany izany, izay nalaina tahaka avy tamin-javatra lehibe sy midadasika kokoa, lalina kokoa ary be pitsony kokoa. Tahaka izany avokoa ny tahadika, raha ny marina. Tsy izany no tena izy fa natao ho tandindon'izay tena izy ihany izany. Ny tahadika no manampy antsika hahatakatra ny lanjan'ny zavatra tena izy izay asehony, saingy tsy mahasolo ny toerany. 

    Ny Soratra Masina koa dia ahitana tandindona marobe maneho ireo asa sy foto-kevitra izay manondro zavatra lehibe noho izany, dia ny zavatry ny lanitra. Manampy antsika hahafantatra ny iray amin'izany ny Heb. 4 izay miresaka ny amin'ny fomba fijerin'ny Baiboly ny fitsaharana.

    Please publish modules in offcanvas position.