Maro ireo foto-kevitra entin'ny olona hanoherana ny fitandremana ny Sabata, tsy efa fandrentsika ve izany? Misy milaza fa efa novan'i Jesosy ho Alahady ny Sabata, na efa nofoanan'i Jesôsy ny Sabata, na koa efa nosoloan'i Paoly ho Alahady ny Sabatan'ny andro fahafito ho fanomezam-boninahitra ny fitsanganan'i Jesesy tamin'ny maty, sns. Tato ho ato anefa, efa taona vitsivitsy izay, nihalalina kokoa ny tohan-kevitra ampiasain'izy ireo; toy ny hoe: i Jesôsy no Sabata fitsaharantsika, noho izany dia tsy mila mitandrina na manamasina andro isika, na andro inona na inona. Hisy hilaza mandrakariva koa, mazava loatra, ilay hevitra hafahafa hoe: manamboatra ny lalantsika mankany an-danitra isika rehefa mitandrina ny andro fahafito.
Etsy andanin'izany, misy Kristianina manjary liana kokoa amin'ny atao hoe fitsaharana sy ny andro fitsaharana, ary na mihevitra aza izy fa ny Alahady izany andro izany, na koa tsy mampaninona azy na inona izany andro izany na inona, dia miverina amin'ny fanazavan'ny Baiboly izy ireo, mamantatra ny antony maha-zava-dehibe izany.
Tsy isalasalana fa amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika dia fantatsika tsara ny maha-mandrakizay ny lalana môralin'Andriamanitra, ka ny fankatoavana ny didy fahefatra, araka ny hita ao amin'ny Baiboly, dia tsy manamboatra kokoa lalantsika mankany an-danitra mihoatra noho ny fitandremantsika ny didy fahadimy, na ny fahenina, na ny voalohany, na ny didy hafa rehetra tsy akory.
Handinika misimisy kokoa ny amin'ny fitsaharana omen'Andriamanitra antsika ao amin'ny didy momba ny Sabata isika amin'ity herinandro ity, sy hijery ny antony maha-zava-dehibe izany.