Lesona 9: Ny famantaran'ny fanekena

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1; Eks. 20:8-11; Eks. 16:14-31; Deo. 5:12-15; Sal. 92; Isa. 58:13.
    Tsianjery: "Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaouany azy."- Gen. 2:3.

    Iza no mahazo an-tsaina hoe toy ny ahoana ny namoronana ny hazavana tao anatin'ny haizina, ny namoronana ny ranomasina feno zava-manana aina sy ireo voro-manidina? Ahoana ny namoronana an'i Adama sy i Eva tamin'ny fomba mihoatra ny herin'olombelona? Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy ny fomba nanaovan'Andriamanitra izany.

    Rehefa vita izany asa famoronana rehetra izany dia nifantoka tamin-javatra hafa indray Andriamanitra. Raha atao indray mitopy maso izany dia toa tsy manaitra, tsy toy ny trozona mitsambikina anaty ranomasina na ny volom-borona tsara tarehy. Andro anankiray no noforoniny, dia ny andro fahafito izany, ary nataony manokana tokoa. Na dia tsy mbola niaina tao anatin'ny fiainana feno rarin-tsaina araka ny safidiny aza ny olombelona dia efa nametraka tsangambato velona ho fampahatsiarovana Andriamanitra. Tiany ny hahatonga izany ho fotoana hitsaharantsika sy hifaliantsika amin'ny fiainana - andro iray izay tsy iasana fa ankalazana ny fanomezana natolony - ny ahi-maitso, ny rivotra, ny zavaboary, ny rano, ny olona, ary indrindra indrindra Ilay Mpahary ireo fanomezan-tsoa rehetra ireo.

    Mbola nitoetra izany fanasana izany na dia taorian'ny nandroahana ireo mpivady voalohany tao Edena aza. Nataon'Andriamanitra izay hahazoana antoka fa haharitra ny fitsapan'ny taona maro izany, ary hatrany am-piandohana no nampifamatorany izany amin'ny fotoana.

    Hodinihintsika mandritra ity herinandro ity ny fanasan'Andriarnanitra antsika hiditra ao amin'ny fitsaharana izay miverina isaky ny andro fahafito.

    Teo Andriamanitra tamin'ny voalohany, niteny Izy dia nisy izao tontolo izao. Nampisaraka ny alina tamin'ny andro ny hazavana; tamin'ny andro faharoa no nitenenan'Andriamanitra dia ary ny habakabaka sy ny ranomasina; ny tany maina sy ny zava-maniry kosa no ary tamin'ny andro fahatelo. Namorona ny rafitry ny fotoana sy ny erana Izy, rehefa izany dia nofenoiny zavaboary ireo nandritra ny telo andro manaraka. Nanapaka ny habakabaka ny hazavana, na andro na alina. Samy hafa amin'ny tantara ao amin'ireo kolontsaina tany aloha be tany ny fitantaran'ny Baiboly ny Famoronana izay manambara mazava fa tsy andriamanitra tsy akory ny masoandro amam-bolana ary ny kintana. Tsy nisy izany raha tsy tamin'ny andro fahefatra, ary Andriamanitra no nahary azy tamin'ny teniny.

    Feno aina sy hatsaran-tarehy ny filazalazan'i Mosesy momba ny andro faha-5 sy faha-6 (Gen. 1:20-31). Samy nameno ny toerana efa nomanin'Andriamanitra ho azy ny voromanidina sy ny hazandrano ary ireo biby samihafa.

    Inona no ambaran'ny fahitan'Andriamanitra ny zavaboariny? Vakio ny Gen. 1:1-31.

    Nataon'Andriamanitra lavorary ny toerana noforoniny. Zavaboary marobe no nameno ny tany. Naverimberiny toy ny fiverenan-kira mahafinaritra ny teny hoe "tsara" isaky ny andro iray nohariany.

    Ahoana no maha-samy hafa ny famoronana ny olombelona amin'ireo zavaboary hafa rehetra? Vakio ny Gen. 1:26, 27 sy ny Gen. 2:7, 21-24.

    Niondrika Andriamanitra ary nanomboka namolavola fotaka. Ny famoronana ny olombelona araka ny Endriny dia fanehoana ny fitiavany sy ny fanakaikezany antsika. Nanisy fofon'aina mahavelona ny vavoron'i Adama Andriamanitra ka indro tonga olombelona izy. Zava-dehibe tao anatin'ny herinandron'ny famoronana ny fomba manokana namoronana an'i Eva, avy tamin'ny taolan-tehezan'i Adama. Anisan'ny zavatra noharian'Andriamanitra ho an'ny olombelona ny fanambadiana - fitokiam-piraisana masina hita eo amin'ny ´ish' sy `ishshah, dia ny lehilahy sy ny vehivavy izany.

    Tamin'ity indray mandeha ity, rehefa nijery ny zava-drehetra noforoniny tamin'ny andro fahenina Andriamanitra, dia samy hafa tamin'izay nambarany tany aloha no nolazainy: "Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany."- Gen. 1:31.

    Saino ny maha-samy hafa tanteraka ny tantaran'ny Baiboly mikasika ny Famoronana amin'izay ampianarin'ny olombelona tsy tarihin'ny tenin'Andriamanitra. Inona no ambaran'izany momba ny ilantsika ny fiankinana amin'ny Tenin'Andriamanitra mba hahatakarana ny fahamarinana?

    Nambara fa "tsara indrindra" ireo zavaboary nohariana, saingy tsy mbola feno izany. Nifarana tamin'ny fitsaharan'Andriamanitra sy ny fitahiana manokana ny andro fahafito (ny Sabata) ny famoronana. "Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy."- Gen. 2:3.

    Ampahany lehibe ao amin'ny famoronana nataon'Andriamanitra ny Sabata, izany no fara-tampon'ny Famoronana. Namorona fitsaharana Andriamanitra ary nomeny "toerana" hitsaharany amin'ny asa aman-draharaha fanaony isan'andro ny olombelona (ny ankohonan'i Adama sy i Eva tamin'izany andro izany), ary koa hiarahany mitsahatra teo akaikin'ny Mpamorona Azy.

    Indrisy anefa fa tafiditra teto amin'izao tontolo izao ny fahotana ka nanova ny zavatra rehetra. Tsy nisy intsony ny fifandraisana mivantana amin'Andriamanitra. Fiterahana maharary, asa mafy, fifandraisana mora tapaka sy mikorontana, ary fahoriana mitohy sesilany izay antsointsika hoe fiainana no manjary misy eto amin'ity tontolo lavo ity. Kanefa na dia eo anivon'izany aza dia mitoetra hatrany ny Sabatan'i Jehôvah, izay tandindona maharitry ny namoronana antsika ary koa fanantenana sy teny fikasana ny amin'ny hamoronana indray antsika. Raha nila ny fitsaharan'ny Sabata izy ireo talohan'ny fahotana, moa ve tsy lehibe lavitra noho izany ny ilantsika izany taorian'ny nidiran'ny ota?

    Taona maro taty aoriana, rehefa nanafaka ireo zanany tamin'ny fanandevozana tany Egipta Andriamanitra, dia nampahatsiahy azy ireo indray ny amin'io andro manokana io.

    Vakio ny Eks. 20:8-11. Inona no ampianarin'izany mikasika ny maha-zava-dehibe ny Sabata izay mifandraika amin'ny Famoronana?

    Miantso antsika hahatsiaro ny niandohantsika Andriamanitra amin'ny alalan'io didy io. Mifanohitra amin'izay inoan'ny olona maro, tsy kisendrasendra vokatry ny hery tsy misy aina sy tsy mihevitra antsika ary tsy mahita tsy akory no nampisy antsika. Tsy izany, fa zavaboary nohariana araka ny endrik'Andriamanitra isika. Nohariana mba hanana firaisana Aminy isika. Na dia nandevozina aza ireo Isiraelita ka natao toy ny tsy nanana tombambidy, dia nantsoina isa-tSabata tamin'ny fomba manokana izy ireo mba hahatsiaro ny maha-izy azy, voary nohariana araka ny endrik'Andriamanitra.

    "Koa satria tsangambato fahatsiarovana ny asa famoronana ny Sabata, dia io koa no antoky ny fitiavan'i Kristy sy ny heriny."- IFM, t. 291.

    Saino ny maha-zava-dehibe ny fampianarana mikasika ny famoronana nandritra ny henemana. Inona ihany koa ny fampianarana manan-danja tian'Andriamanitra hanokanantsika ny fiainantsika, isan-kerinandro, hahatsiarovantsika izany? Inona no ampianarin'izany antsika momba ny maha-zava-dehibe ny hahatsiarovantsika ny niaviantsika, araka izay voalazan'ny Genesisy?

    Rehefa avy nirenireny tany an'efitra nandritra ny 40 taona ny zanak'Isiraely, dia taranaka vaovao izay zara raha nanana fahatsiarovana ny zava-nisy tany Egipta no nitombo tamin'izany. Fanandramam-piainana hafa tanteraka tamin'ny an'ny ray aman-drenin'izy ireo no nananany. Nahita maso ny tsy fahampiam-pinoana ombieny ombieny teo amin'ny ray aman-dreniny ity taranaka vaovao ity, vokatr'izany dia tsy maintsy nirenireny tany an'efitra koa izy ireo, tany amin'izay nahafatesan'ireo ray aman-dreniny.

    Nanana tombontsoa izy ireo satria teo anivon'ny lainy ny fitoerana masina, ary hitany ny rahona nihevaheva teo ambonin'ny tabernakely, izay naneho ny fanatrehan'Andriamanitra. Rehefa nifindra toerana izany dia fantatr'izy ireo fa tokony hanamboatra ny entany izy ka hanaraka izany. Fampahatsiahivana mandrakariva ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiahiany azy ny andri-rahona nandritra ny andro, sy ny andri-afo izay nitondra hazavana sy hafanana ho azy nony alina.

    Inona ny fampahatsiahivana manokana momba ny fitsaharan'ny Sabata nomena azy ireo? Vakio ny Eks. 16:14-31.

    Asehon'ireo andalan-teny ireo, izay mifanohitra amin'ny fampianarana izay vohizin'ny maro, fa efa nisy talohan'ny nanomezana ny lalàna tao Sinay ny Sabata andro fahafito.

    Inona no niseho tamin'izany fotoana izany?

    Nomen'Andriamanitra hanina izy ireo, izay nampahatsiahy azy isan'andro fa mamelona ny voary noforonony Ilay Mpamorona. Nanome izay ireo tamin'ny fomba azo tsapain-tanana Izy. Fahagagana ny andro tsirairay izay nahitana ny mana isa-maraina ary levon'ny masoandro nony nafana ny andro. Raha vao namela izany ho tra-maraina ny olona dia lo izany ka maimbo; kanefa rehefa zoma dia nasaina naka avo roa heny amin'izay anjarany isan'andro ny olona, tamim-pahagagana no nitoeran'ireo mana navela hohanina mandritra ny Sabata ho azo hanina tsara.

    Hita teo amin'ny Isiraely izao ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina, nomena azy ireo koa ny lalàna sy ny fitsipika izay voarakitra ao amin'ny Levitikosy sy Nomery. Mbola nampiantso ny vahoaka anefa i Mosesy na dia efa antitra aza, ka namerina taminy ny tantaran'izy ireo sy nitanisa indray ireo lalana nomen'Andriamanitra azy (jereo ny Deo. 5:6-22).

    Efa hiditra ao amin'ny Tany Nampanantenaina ity taranaka vaovao ity ankehitriny. Fiovana lehibe eo amin'ny fitarihana no hatrehin'ny Isiraely ka tian'i Mosesy izay efa antitra anketrihiny ny hahazo antoka fa hahatsiaro ny maha-izy azy sy ny iraka nampanaovina azy ity taranaka vaovao ity. Tsy tiany ny hamerenan'izy ireo ny fahadisoana nataon'ireo ray aman-dreniny. Koa naveriny nambara taminy ny lalàn'Andriamanitra (ny Didy folo) mba tsy hanadinoan'ity taranaka ity izany raha miditra ny tany Kanana izy ireo.

    Ho an'ny tsirairay, ny fiavian'i Jesôsy fanindroany dia toy ny indray mipi-maso aorian'ny fahafatesantsika. Akaiky mandrakariva ny fiaviany, eny, mety antomotra noho izay heverintsika aza. Fomba ahoana no ampahatsiahivan'ny fitandremana ny Sabata amintsika izay nataon'Andriamanitra ho antsika sy izay hataony ho antsika amin'ny fiaviany fanindroany?

    Nitoby tao atsinanan'i Jordana ny Isiraely. Nalain'izy ireo ny tanin'ny mpanjakan'i Basana sy ireo mpanjaka roan'ny Amorita. Nampiantso ny Isiraely indray i Mosesy tamin'izany fotoana manan-danja izany, ary nampahatsiahy azy ireo fa ny fanekena natao tao Sinay dia tsy ho an'ireo ray aman-dreniny ihany fa ho azy ireo koa. Naveriny indray ho ren'izy ireo ny didy folo, fa mahasoa azy izany.

    Ampitahao ny Eks. 20:8-11 sy Deo. 5:12-15. Inona ny fahasamihafana eo amin'ny fomba filazana ny didy mikasika ny Sabata ao amin'ireo andininy ireo?

    Manomboka amin'ny teny hoe "mahatsiarova" ny didy ao amin'ny Eks. 20:8. Ny Deo. 5:12 kosa dia manomboka amin'ny teny hoe "mitandrema"; any amin'ny faramparan'izany didy izany vao ampiasainy ny hoe "tsarovy" (Deo. 5:15). Asaina mahatsiaro ny naha-andevo azy fahiny izy ireo ao amin'io andininy io. Na dia nitombo tao anatin'ny fahalalahana aza ireto taranaka ireto, dia ho teraka tao anatin'ny fahandevozana izy ireo raha toa tsy navotana tamin'ny fomba mahagaga. Ny didy mikasika ny Sabata dia nampahatsiahivana azy fa Ilay Andriamanitra izay niasa tao amin'ny tantaran'ny Famoronana ihany no nanafaka azy: "tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany"- Deo. 5:15.

    Nifanaraka indrindra tamin'ny toe-javatra niainan'ny Isiraelita tamin'izany andro izany io fahamarinana io, raha teo amin'ny sisin'ny tany nampanantenaina izy ireo, 40 taona taorian'ny tsy fahombiazan'ireo taranaka voalohany. Niraviravy tanana izy ireo raha tokony hambabo izany tany izany, tahaka ireo razany raha niala avy tany Egipta ihany. Nilainy Ilay Andriamanitra izay miasa amin'ny "tanana mahery sy sandry nahinjitra". 

    Miampy izao ny antony tokony hitandreman'izy ireo ny Sabata. Tokony hitandrina ny andro Sabata izy satria  Andriamanitry ny fanafahana Andriamanitra (Deo. 5:15).

    Tsy mifanalavitra amin'ny Famoronana ny didy mikasika ny Sabata, eny na izay ao amin'ny Deo. 5 aza, na dia samy hafa aza ny sehatra iresahana izany. Amin'ny lafiny iray, teboka iray manamarika famoronana vaovao ny fanafahana ny Isiraely avy tany Egipta, tahaka ny tantaran'ny famoronana ao amin'ny Genesisy. Vahoaka vaovao noforonin'Andriamanitra ny Isiraely nafahana (jereo ihany koa ny Isa. 43:15).

    Koa satria ny Fahafahana (Eksôdôsy) dia tandindon'ny fahafahana amin'ny ota, izany hoe fanavotana, dia hitantsika ao amin'ny Sabata araka izany ny Famoronana sy ny Fanavotana. Araka izany, ny Sabata dia mampitodika antsika amin'i Jesôsy Ilay Mpamorona sy Mpanavotra antsika.

    Vakio ny Jao. 1:1-13. Inona no ambaran'ireo andalan-tSoratra Masina ireo antsika momba an'i Jesôsy Ilay Mpamorona sy Mpanavotra antsika?

    Nandidy ireo vahoakany mba hitandrina ny andro Sabata Andriamanitra. Nomena niaraka tamin'ny didy mandrara ny famonoana olona sy ny halatra ny fahatsiarovana ny Sabata, na dia tsy nomarihin'ny Baiboly manokana aza ny fomba tokony hitandremantsika izany.

    Rivo-piainana manao ahoana no tokony hamenoantsika ny Sabata? Jereo ny Sal. 92 sy ny lsa. 58:13.

    Koa satria midika ho fankalazana ny Famoronana sy ny Fanavotana ny fitandremana ny Sabata, dia tokony ho fifaliana sy firavoravoana ao amin'i Jehtivah no iainantsika fa tsy fanjombonjombonana.

    Tsy rehefa andro fahafito vao natao hotsaroana ny Sabata. Koa satria ny Sabata no namaranana ny herinandron'ny Famoronana, dia tokony "hahatsiaro ny andro Sabata" isika mandritra ny henemana ary hanomana izany sahady mba hahafahantsika manajanona ny asa fanaontsika ka "hanamasina" izany rehefa tonga ny Sabata. Zava-dehibe ny fanomanana izany, indrindra amin'ny andro fiomanana (Mar. 15:42) na ny zorna, mitondra fifaliana amin'ny fisainana sahady io andro manokana io izany.

    Inona ny lafiny manan-danja amin'ny fitandremana ny Sabata asongadin'ny Lev. 19:3?

    Midika ho fanolokoloana ny fifandraisantsika amin'ny fianakaviantsika sy ny namantsika koa ny fitandremana ny Sabata. Manome fotoana ho an'ny firaisan'ny mpianakavy Andriamanitra, voafaokan'izany fitsaharana izany ihany koa ny mpanompo sy ny biby ompian'ny fianakaviana (jereo ny Eks. 20:8-11). Tsy afa-misaraka ny Sabata sy ny fianakaviana.

    Fitsipika manan-danja ny fotoana itsaharana sy iarahana amin'ny fianakaviana, kanefa ny Sabata dia midika ihany koa ho fandraisana anjara amin'ny fiankohofana amin'Andriamanitra miaraka amin'ireo mpianakavin'ny finoana. Nanatrika sy nitarika fanompoam-pivavahana i Jesôsy fony tety an-tany (jereo ny Lev. 23:3; Lio. 4:16 ary ny Heb. 10:25).

    Mety hirotoroto isika eo amin'ny raharaha fanao isan-kerinandro, kanefa ao am-pontsika lalina dia maniry fatratra ny fitsaharan'ny Sabata, ilay firaisana marina amin'ilay Mpanao antsika. Rehefa mahatsiaro hampitsahatra ny raharaha rehetra isika ka miomana hiaraka amin'Andriamanitra sy hanolokolo ny fifandraisantsika amin'ny hafa, dia miditra ao amin'ny fitsaharan'ny Sabata.

    Inona ny fanandramana niainanao mikasika ny Sabata sy ny fitahiana mety ho azo avy amin'ny fitandremana izany? Fomba ahoana no hahafahanao manao izany ho fotoana masina araka izay tokony ho izy?

    "Nomen'Andriamanitra ny olona ny tsangambaton'ny heriny mamorona, mba hahazoany mahafantatra Azy eo amin'ny asan'ny tanany. Mibaiko antsika ny Sabata hibanjina ny voninahitry ny Mpamorona eo amin'ny asam-pamoronana nataony.(...) Tokony handinika ireo hafatra nosoratan'Andriamanitra teo amin'ny zavaboahary isika (...) Rehefa manatona akaiky ny fon'ny zavaboahary isika dia ataon'i Kristy ho tena misy tokoa ny fanatrehany, ary miteny amin'ny fiadanany sy ny-fitiavany amin'ny fontsika Izy. "- HF, tt. 15, 16.

    "Anisan'ny antony iray lehibe nanafahan'Andriamanitra ny Isiraely avy tany Egipta ny mba hahafahan 'izy ireo mitandrina ny Sabatany masina.(...) Hita mazava fa nohavaozin'i Mosesy sy i Anfina ny fampianarana mikasika ny fahamasinan'ny Sabata, satria niteny tamin'izy ireo i Farao, nanao hoe: "hianareo mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy"- Eks. 5:5. Asehon'izany fa nanomboka nanao fanavaozana mikasika ny Sabata i Mosesy sy i Arôna tao Egipta.

    Tsy natao ho fahatsiarovana ny fanandevozana azy tany Egipta tsy akory ny fitandremana ny Sabata. Ny fitandremana izany ho fahatsiarovana ny famoronana kosa dia natao ho tsiaro mahafaly momba ny fanafahana tamin'ny fampahoriana ara-pivavahana tany Egipta, izay nampanano sarotra ny fitandremana ny Sabata. Ny fanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozana dia nandrehitra mandrakariva tao am-pony ny fiheverana amim-pitiavana ny malahelo sy ireo ampahoriana, ary ny kamboty sy ny mpitondratena."- naoty fanampiny ao amin'ny "From Eternity Past", nosoratan'i Ellen White, t. 549.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Misy Kristianina sasany, misy Advantista vitsivitsy koa aza, mandray ny "fivoarana miandalana tarihin'Andriamanitra" ho fanazavana ny famoronana. Ahoana no anehoan'ny Sabata ny tsy mampitombina io "fivoarana miandalana tarihin'Andriamanitra" io? Inona moa ny tanjon'ny fanamasinana ny andro fahafito raha toa taona maro an-tapitrisany tany aloha no hotsarovana, indrindra raha milaza mazava ny tenin'Andriamanitra fa nohamasinina taorian'ireo henemana voalohany tamin'ny famoronana izany?

    2. Inona no havalinao ny fanambaran'ny olona fa tsy ny andro no zava-dehibe fa ny fananana andro iray itsaharana ao anatin'ny herinandro? Misy ihany koa ny fanambarana fa i Jesôsy  no Sabata fitsaharantsika ka tsy ilaintsika ny mitandrina andro iray ho fitsaharana, ahoana no havalinao izany?

    3. Ahoana no hahatonga ny fanamasinana ny Sabata ho fampahatsiahivana ny fanafahana sy ny fahafahana? Inona no hataontsika mba tsy hahatonga izany ho feno fandrarana sy fandalan-dalana ivelany fotsiny?

    4. Misy olona milaza fa asa atao hahazoam-pamonjena ny fitandremana ny Sabata. Inona ihany koa anefa ny mampitombina ny hoe: miomana ho any an-danitra isika amin'ny alalan'ny fitandremana ny Sabata?

    Please publish modules in offcanvas position.