Vaovao Madagasikara

    Lesona 8: Afaka hanam-pitsaharana

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 2:1-12, 1 Mpanj.18, 1 Mpanj. 19:1-8, Mat. 5:1-3, Isa. 53:4-6, 2 Mpanj. 2:11.

    Tsianjery: "Jehôvah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehôvah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?" - Sal. 27:1

    Ny ankamaroan'ireo izay nihaona tamin'i Jesôsy, fony Izy niasa teto an-tany dia olona marary, indraindray aza olona efa ambavahoan'ny fahafatesana. Nifanizina nankeo amin'i Jesôsy izy ireo mba hositranina sy hampitsaharana ny fahoriany. Ary nahazo tokoa izay nangatahiny Taminy mandrakariva izy ireo. Indraindray miteny fotsiny i Jesôsy dia sitrana izy ireny.

    Indraindray mikasika ny marary izy dia miala amin'ny fomba mahagaga ny aretina. Indraindray koa irahiny mandeha lavitra izy ireo, ary tonga miandalana eny ny fahasitranany. Lehilahy, vehivavy, ankizy, Jiosy, tsy Jiosy, mpanankarena, mahantra, olon-tsotra no nositranin'i Jesôsy. Na ny fahajambana sy habokana faran'izay sarotra sitranina indrindra aza dia tsy nanahirana azy. Eny tokoa na ilay "aretina" ratsy indrindra aza dia sitrany, dia ny fahafatesana izany.

    Eo am-pandinihantsika ilay lohahevitra mikasika ny fitsaharana amin'ny fijaliana sy ny fahoriana, dia hojerentsika koa ny amin'ilay lohahevitra izay efa nampanontany tena antsika rehetra teo amin'ny fiainana maha-kristianina antsika. Inona no mitranga raha tsy voavaly ny fangatahantsika fanasitranana?

    Rehefa marary isika no tena mila fitsaharana. Mila mitsahatra ara-batana isika mba hahazoan'ny tenantsika manamafy ny hery fiarovana.

    Matetika koa no mila mitsahatra ny saintsika. Indraindray tsy hoe zavatra mampidi-doza ny aintsika no miseho fa sery na aretina an-doha. Mitsotra isika, miezaka ny tsy hieritreritra ireo zavatra rehetra tokony hataontsika, kanefa tsy vitantsika tsotra izao izany.

    Indraindray, rehefa zavatra mety hahafaty izany dia tsy mahita tory isika, mitaintaina ny amin'izay mety holazain'ny mpitsabo. Ary eo matetika no manomboka manontany tena isika hoe: nahoana? Vokatry ny fomba fiaina tsy mahasalama ve izao mahazo antsika izao? Ilay fanafody nohanintsika efa roapolo taona lasa ve no nahatonga izany? Nihoatra ve ny lanjantsika tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, ka izany no antony? Sazin'Andriamanitra ve isika noho ny fahotana miafina tsy misy mpahalala ataontsika?

    Vakio ny Mar. 2:1-4. lnona no mitranga eto?

    Mazava ny momba ilay mararin'ny paralysisa eto amin'ity tantara ity. Azontsika jerena ao amin'ny boky "Ilay fitiavana mandresy", tt. 273-278 izany. Nisy zavatra mahamenatra nataon'ity marary ity. Ny fiainam-pahotany no nahatonga ny aretiny, ary tsy nisalasala nanambara izany ireo manam-pahaizana amin'ny ara-panahy. Izy ihany no nahatonga aretina tamin'ny tenany noho ny fahotany, ary tsy misy fanafana izany.

    Mety hiseho matetika izany toe-javatra izany. "Iza no nahatonga izany?" Io no toa mahaliana antsika indrindra. Raha misy heloka vita, tsy maintsy misy olona mandoa ny sazin'izany. Raha misy loza mitranga, tsy maintsy misy olona tokony hotorina any amin'ny fitsarana noho izany. Fanomezan-tsiny na fanamelohana hatrany. Tsy mitondra fanasitranana na fiadanana ho an'ilay marary anefa izany.

    Tsy tao anatin'ny drafitr'Andriamanitra tany am-boalohany ny fijaliana sy ny aretina ary ny fahoriana. Ny fahotana ihany no nitondra aretina teto amin'ity tany ity. Izany no antony nanomezan'Andriamanitra antsika tari-dalana mikasika ny fahasalamana, mba hananantsika fiainana tsara kokoa ankehitriny. Kanefa raha mbola eto amin'ity tontolo mararim-pahotana ity isika, dia tsy ho azo antoka velively ny fahasalamantsika, na toy inona na toy inona fanarahantsika tsara ny fitsipika ara-pahasalamana.

    Ity no vaovao mahafaly: afaka manome fitsaharana antsika Andriamanitra na marary isika na salama; na avy amin'ny nataontsika ny aretintsika na noho ny tsy fitandreman'ny hafa, na manaranaka izany na vokatry ny maha-eto amin'ny tontolo feno fahotana antsika. Hain'Andriamanitra ny manome fitsaharana antsika.

    Rehefa misy olona tratry ny aretina dia tsy tsara ny manomboka manome tsiny. Kanefa koa, amin'ny toe-javatra sasany, nahoana no manampy tokoa mba hahatongavana amin'ny fahasitranana ny fahafantarana ny antony nampisy ilay aretina?

    Nampidinina ho eo anatrehan'i Jesôsy ilay nararin'ny paralysisa, ary nifantoka tany amin'i Jesôsy avokoa ny maso rehetra. Hanasitrana ity lehilahy miharihary fa mpanota ity ve Izy? Hanome tsiny ve Izy noho ilay aretina?

    Ahoana ny fomba nanasitranan'i Jesôsy ilay mararin'ny paralysisa? Inona ny zavatra voalohany nataony ho azy? Vakio Mar. 2:5-12

    Satria matetika isika no tsy mahatsapa ny fisian'ny aretina raha tsy mipoitra ny soritr'aretina, dia matetika isika no mihevitra ny soritr'aretina ho ilay aretina. Mihevitra isika fa sitrana rehefa tsy miseho intsony ny soritr'aretina. Tsy mba toy izany i Jesôsy. Fantany ny fototry ny fahoriana sy ny aretina rehetra, ary io no tiany tsaboina voalohany indrindra.

    Raha ho an'ity lehilahy nararin'ny paralysisa ity, dia tsy ny vokatr'ilay aretina izay nivandravandra no nositraniny voalohany, fa avy hatrany dia tany amin'ny fototra izay nampitebiteby indrindra ilay marary no nohitsiny. Ny fahatsiarovan-tena ho meloka sy ny fisarahany tamin'Andriamanitra no tena namesatra ny fon'ity mararin'ny paralysisa ity, mihoatra noho ny aretiny aza. Mahay miaritra ny karazam-pijaliana rehetra mihatra amin'ny vatany mantsy ny olona manam-pitsaharana ao amin'Andriamanitra eto amin'ity tontolo mararim-pahotana ity. Ary izany no nahatonga an'i Jesôsy nivantana tany amin'ny fototr'ilay aretina ka nanome azy famela-keloka aloha voalohany indrindra.

    Tohina ireo mpitondra fivavahana raha nandre an'i  Jesôsy  nanonona famelan-keloka. Nametraka fanontaniana tamin'izy ireo i Jesôsy  ho valin'ny fiampangana nataony mangina tao am-pony.

    Vakio ny Mar. 2:8,9. Inona ny fampieritreretana nomen'i Jesôsy  ny mpanora-dalàna eto? Inona ilay olana tena tiany ho tsapan'izy ireo?

    Raha ny ankapobeny dia mora ny miteny; tsy izany anefa rehefa Andriamanitra no miteny. Ny fahefan'ny tenin'Andriamanitra no nampisy ny zavatra rehetra (Gen. 1). Na dia zavatra tsy hitan'ny masontsika aza ny famelan-keloka, dia lafo vidy kosa izany. Ny fahafatesan'ilay Zanak'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana no vidiny tsy maintsy naloa mba hahazoantsika famelan-keloka. Tsy misy manan-danja mihoatra noho izany ny zavatra hafa rehetra. Ary mba hanehoana ny herin'ny famelan-keloka sy ny maha-zava-misy izany dia nifidy ny hanasitrana ilay mararain'ny paralysisa i Jesôsy .

    Ny ati-fanahintsika no tian'Andriamanitra hositranina voalohany indrindra. Indraindray Izy manasitrana ny aretintsika ara-batana avy hatrany, ary indraindray koa tsy maintsy miandry ilay marainan'ny fitsanganana amin'ny maty isika vao hanandrana ny fahasitranana ara-batana. Na ahoana na ahoana anefa dia tian'ny Mpamonjy isika hanam-pitsaharanana avy amin'ny fitiavany sy ny fahasoavany ary ny famelan-keloka azo antoka ho antsika, na izao ankehitriny izao aza, na ao anatin'ny fahoriana aza isika.

    Ahoana no hahitantsika fitsaharana sy fiadanana, na dieny izao aza, na tsy mivaly aza ny fangatahantsika fahasitranana avy amin'Andriamanitra? 

    Araka ny ambaran'ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), ny aretina mpahazo indrindra ny olona maneran-tany, izay mahavoa mihoatra ny telonjato tapitrisa amin'izy ireo isan-taona, dia tsy voatery ahitana soritr'aretina mazava mandrakariva. Ny fahaketrahana dia mahatonga fahasembanana ary anisan'ny manana anjara lehibe amin'ny fampitomboana ny taham-pafahatesana eran'izao tontolo izao. 

    Indrisy fa tsy dia resahina loatra ny amin'io fahaketrahana io eo anivon'ny Kristianina; azo heverina ho manambara tsy fahampiam-pinoana mantsy izany. Moa ve tsy tokony ho feno fifaliana mandrakariva sy fiadanana sy ny toy izany rahateo ny Kristianina? Tsy midika ve izany fa misy zavatra tsy milamina eo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra?
    Maro no mahalala fa tsy izany no izy. Mety handalo fahaketrahana tokoa ny Kristianina, eny, na ny Kristianina mahatoky aza, indrindra aorian'ny toe-javatra mampivarahontsana. Tsy manambara tsy fananan-toky na tsy fahampiam-pinoana an'Andriamanitra izany tsy akory. Azontsika vakina koa ny Salamo, dia ho hitantsika ny fijaliana sy ny fahoriana ary ny alahelo manjo ny olon'Andriamanitra mahatoky.

    Misoko mangina ny fahaketrahana indraindray; ary tsy tsapantsika ny fangejany raha tsy efa manery mafy izany. Indraindray koa mamely tampoka izany aorian'ny tranga-javatra mampihetsi-po loatra na faharerahana ara-batana be loatra. I Elia mpaminanin'Andriamanitra ohatra dia ketraka tanteraka, ara-pihetseham-po sy ara-batana, rehefa avy teo an-tendrombohitra Karmela.

    Vao avy nanatri-maso ny fahagagana nataon'Andriamanitra tamin'ny nampidinany afo avy any an-danitra i Elia araka ny no amin'ny 1 Mpanj. 18. Ho valin'ny vavaka nataony dia nilatsaka ny orana rehefa avy nisy hain-tany nandritra ny telo taona. Nahoana anefa no nandositra i Elia rehefa norahonan'i Jezebela? Vakio ny 1 Mpanj. 19:1-5. 

    Efatra amby roapolo ora mahasasatra tokoa no nandalovan'i Elia. Niampy fahatairana tampoka sy fandrahonana ho faty izany ka teo no nanomboka ny fahaketrahany. Nanatrika teo koa moa i Elia rehefa novonoina ireo mpaminanin'i Bala miisa 850 eo ho eo, ary ny tenany aza mety ho nandray anjara tamin'izany (1 Mpanj. 18:40). Ny tranga toy izany, na ara-drariny aza, dia mety hitondra rarin-tsaina tokoa ho an'ireo izay nanatri-maso izany, mainka moa fa ho an'ireo nandray anjara tamin'izany!

    Koa nanomboka nihazakazaka i Elia, niezaka nandositra. Indraindray isika mihazakazaka any amin'ny fitoeran-tsakafontsika ka miezaka mampifaly ny tenantsika amin'ny fihinanana. Indraindray odiantsika tsy hita ny harerahantsika ara-pihetseham-po. Indraindray mitady namana, na asa, na toerana vaovao isika eo am-pandosirana. Ary indraindray isika mamono tena amin'ny fampitomboana ny asa aman-draharaha sy ny tanjona hotratrarintsika, eo piezahana mafy handositra ilay zavatra izay mandrava ny fifaliantsika sy ny fiadanantsika. Mazava loatra fa maro koa ireo mampiasa "fanafody" isan-karazany. Izany rehetra izany no atao dia ho fampihenana ny fijaliana. Amin'ny farany anefa, na dia voasarontsaron'ireny aza ny soritr'aretina, dia tsy voavaha ny olana, ary matetika aza mihombo. 

     Tsy nahavita nihazakazaka intsony i Elia, koa nivavaka indray izy. Hafa tanteraka amin'ilay vavaka feno finoana nataony teo an-tendrombohitra Karmela (1 Mpanj. 18:36,37), izay novalian'Andriamanitra teo imason'ireo mpisorona sy mpaminanin'i Bala, ireo tandapa, ary ireo olon-tsotra, ity vavaka anankiray ity. Vavaka tsotra sy fohy natao tamim-pamoizam-po izany. 

    "Tsy tsara noho ny razako aho", hoy i Elia ao amin'ny 1 Mpanj. 19:4. Inona no tiany hambara?

    Nony afaka nitokana irery i Elia dia nanjary nanamelo-tena. Tsapany fa fotoana mety indrindra ho an'ny fanavaozana lehibe teo amin'ny Isiraely no voasakany noho ny nandosirany. Tsapany fa nandiso fanantenana ireo izay nila azy izy. Ary tsy manan-kery hanao na inona na inona eo anatrehan'izany izy. Koa teo am-pandinihan-tena tao anatin'ny fahorian-tsaina, sady fantany tsara ny tantaran'ny fireneny, dia hitany ny toerana tena misy azy marina.

    Na iza isika na iza, tsy mampahory tokoa ve ny mahita ny tenantsika amin'izay tena toetsika marina? Tokony ho velom-pankasitrahana tokoa isika noho ilay teny fikasana fa, na toy inona aza ny fahotantsika, raha ao amin'i Kristy isika dia i Jesôsy no ho hitan'Andriamanitra rehefa mijery antsika Izy. Azontsika atao izany ny mitaky ny fahamarinan'i Kristy ho antsika! Aiza indray no misy fanantenana lehibe mihoatra noho izany? (Jereo Fil. 3:9).

    Rikoriko tanteraka ny amin'ny tenantsika isika rehefa tratry ny fahaketrahana. Indraindray aza manomboka mihevitra isika fa ny fahafatesana no hany vahaolana.

    Inoana fa izany no nahazo an'i Elia. Tsy nahazaka intsony izy ka nanao hoe: "Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, Jehôvah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho." - 1 Mpanj. 19:4.

    Ny vaovao mahafaly anefa dia izao: tsy mba nanameloka azy Ilay Mpanasitrana lehibe. Andriamanitra no mahalala tsara kokoa ny tena manjo antsika rehefa tratry ny fahaketrahana isika.

    "Eo amin'ny fotoana ivavahantsika, dia mety tsy hahita porofo manokana isika momba ny iondrehan'ny tavan'ny Mpanavotra eo ambonintsika amin'ny famindrampo sy ny fitiavana; nefa tena izany tokoa no izy. Mety tsy hotsaroantsika ny fikasihany antsika hita maso, nefa ny tanany dia eo ambonintsika amim-pitiavana sy amim-pangorahana fatratra." - DHK, t. 111. 

    Fantatr'Andriamanitra fa "lavitra loatra ny alehantsika" (1 Mpanj. 19:7), kanefa indraindray tsy maintsy miandry antsika tsy hihazakazaka intsony Izy aloha, vao afaka miditra an-tsehatra. 

    Indraindray, noho ny fahaverezan-kevitra tanteraka mahazo ny olona eo am-pitolomana mba tsy ho faty an-drano, dia ilay mpamonjy ny ainy indray no asiany mafy, hany ka tsy maintsy miala kely aloha ny mpamonjy voina, miandry azy tsy hahatsiaro tena intsony, vao afaka manatanteraka ny fanavotana azy.

    Inona ny fanantenana sy fampaherezana azonao raisina avy amin'ireto andininy ireto? Sal. 34:18, Mat. 5:1-3, Sal. 73:26, lsa. 53:4-6.

    Fantatr'Andriamanitra fa nahatrotraka an'i Elia ny hazakazaka nataony. Fantany fa mihoatra noho ny harerahana ara-batana ny harerahan-tsainy, ary nitambesatra mafy taminy ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Tahaka izay nataon'i Jesôsy amin'ilay mararin'ny paralysisa taona maro taorian'izany, dia navelan'Andriamanitra ny helok'i Elia, ary nomeny fitsaharana izy. Afaka natory tsara ihany izy nony farany ary nahazo hery.

    Sao diso hevitra isika fa tsy mifarana hatreo tsy akory ny tantara. Tsy tranga miseho indray mandeha ny fitsaharana avy amin'Andriamanitra. Mifandraika amin'ny fahasitranana ny fitsaharana, dia amin'ny fianarana tsikelikely miala amin'ny toe-tsaina miiba sy ireo fahazarana manimba. Tsy mba ataon'Andriamanitra maimaika ny fanasitranana.

    Vakio ny 1 Mpanj. 19:5-8. Ho aiza indray i Elia izao? Nahoana?

    Rehefa avy niala sasatra i Elia dia niverina nihazakazaka indray. Tamin'ity indray mandeha ity dia nitari-dalana azy tao anatin'ny fihazakazahany Andriamanitra. Fantatr'Andriamanitra fa mahatonga fahaketrahana eo amin'ny olona ny fiainana eto amin'ity tontolo feno ota ity. Fantany fa manesika antsika hihazakazaka izany, kanefa tiany handeha amin'ny làlana tokony ho izy isika. Tiany hihazakazaka ho any Aminy isika fa tsy hiezaka hiarina samirery ka hanimba ny tenantsika. Ary raha vao manomboka mihazakazaka ho any Aminy isika dia tiany hampianarina hihaino ilay "feo nitsoka malemy" izay hanome antsika fitsaharana (1 Mpanj. 19:12).

    Tsy nanan-kery hiarenana sy handehanana hihaona amin'Andriamanitra i Elia. Andriamanitra no manome hery azy ho amin'izany ka mampanantena hoavy mamiratra kokoa. 

    Rehefa nipetraka teo ambanin'ny anjavidy mantsy i Elia ka naniry ho faty, dia nihevitra fa tsy hisy andro mihiratra ho azy intsony.

    Vakio 1 Mpanj. 19:15,16 sy 2 Mpanj. 2:11. Inona no niandry an'i Elia?

    Fantatr'Andriamanitra fa tsara ny hoavy miandry an'i Elia. Ny fahasitranan'ity mpaminany ity dia ho tonga eo am-panarahany an'Andriamanitra amin'izay itondrany azy sy rehefa manaiky ny fitsaharana omeny izy. Mbola nisy mpanjaka tokony hohosorany, ary mpandimby azy tokony hotendreny. Efa fantatr'Andriamanitra ny momba an i Elisa, izay ho tonga akaiky indrindra an'i Elia toy ny zanany. Fantany fa hampidina afo avy any an-danitra koa i Elisa noho ny finoany (2 Mpanj. 1:10). Tsy fahafatesana feno famoizam-po teo ambanin'ny anjavidy tsy akory no niandry an'i Elia, fa kalesy afo izay nitondra azy niakatra ho any amin'ilay fitsaharan'ny lanitra.

    Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'ny tantaran'i Elia mikasika ny antony tsy tokony hampilavo lefona antsika na ratsy toy inona aza ny fahatsapantsika ny tenantsika? 

    "Noho ny fiovaovana tsy mitsahatra eo amin'ny toe-java-mitranga, dia miova koa ny fiainantsika; ary mitarika ho amin'ny fahasambarana na ho amin'ny fahaketrahana izany. Tsy manam-pahefana hanova ny fifandraisan'Andriamanitra amintsika kosa anefa izy ireny. Tsy miova Izy omaly sy anio ary mandrakizay; ary manasa antsika Izy hatoky tanteraka ny fitiavany." - HP, t. 120.

    "Afantohy amin'i Jesôsy ny masonao, manandrata vavaka mangina, mamikira amin'ny heriny, na tsapanao mazava izany na tsia. Mandrosoa hatrany, toy ny hoe tonga eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ny vavaka tsirairay ataonao ka valian'Ilay mitana ny teny fikasany. Mandehana ka mihirà mandrakariva ao am-ponao ho an'Andriamanitra, na dia rehefa ketraka aza ianao noho ny fahatsapana vesatra sy alahelo. Zava-marina no ambarako anao: ho tonga ny fahazavana, hifaly isika, hisava ny zavona sy ny rahona, ary hiala amin'ny haizina mampijaly isika ho amin'ilay hazavan'ny masoandron'ny fanatrehany." - SIM, b. 2, tt. 242,243.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1. Matetika no manahirana tokoa ny manampy olona mikorotan-tsaina na tratry ny fahaketrahana. lnona ny drafitr'asa tsara ataon'ny fiangonana misy anao mba hahaizanareo mikarakara amim-pahombiazana ireny olona tratry ny fahaketrahana ireny?

    2. Miezaka mandrakariva isika mamboraka ny ao am-pontsika amin'Andriamanitra sy ho mahatoky eo anatrehany. Vakio ankapobeny ny sasany amin'ireo salamo ao amin'ny Baiboly. Hatraiza ny famborahan'ireo mpanoratra ny Baiboly ny ao am-pony sy ny fahatokiany amin'Andriamanitra? Ahoana ny fomba ahafahantsika mampivelatra ireo toetra ireo bebe kokoa ao amin'ny fiangonana misy antsika?

    3. Matetika no sarotra amintsika ny mivavaka rehefa tratry ny fahaketrahana isika. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny herin'ny vavaka fanelanelanana ho an'ireo izay tsy mahay mivavaka ho an'ny tenany.

    4. Nahoana no zava-dehibe ny tsy hanadinoantsika fa ny finoana dia tsy fihetseham-po? Ny fahaketrahana, ny hakiviana, ny tahotra, ny tebitebintsika dia tsy midika ho tsy fahampiam-pinoana na tsy fitokiana amin'Andriamanitra tsy akory. Tsotra ihany, samy mandalo amin'izany avokoa ny olona rehetra amin'ny fotoana samy hafa eo amin'ny fiainany. Ahoana no ianarantsika fa amin'ny fotoana toy izany, ny fandehanana amim-pinoana dia iankinan'aina tokoa, na dia mety ho sarotra aza izany?

    5. Inona ny fanantenana lehibe azonao raisina avy amin'ny tantaran'ilay mararin'ny paralysisa, indrindra raha nahatonga aretina taminao ny fomba fiainanao feno fahotana?

    Please publish modules in offcanvas position.