- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 3: Mitsahatra ao amin’i Kristy
- Lesona 7: Fitoniana sy fifandraisana ary fanasitranana
Fampidirana
Voampanga ho nanao fanararaotana ara-nofo tamina vehivavy iray ny lehilahy anankiray. Notondroin'ity vehivavy ity ho nanao izany izy nandritra ny famotopotorana ireo voampanga tamin'izany. Na dia tsy misy mazava aza ny porofo maha-meloka azy dia niziriziry tamin'ny heviny ilay vehivavy ka nilaza fa i "Johnny" no nanao izany heloka izany.
Nampidirina am-ponja i Johnny, araka izany. Nijanona tao an-tranomaizina nandritra ny 14 taona noho ny heloka tsy nataony akory izy. Nony hita ny porofo, tamin'ny alalan'ny "ADN", izay nandiso ny fanamelohana azy vao nahatsapa ilay vehivavy, "Joan" , fa nanao hadisoana.
Naniry ny hihaona tamin'i Johnny izy taorian'ny nivoahan'ity farany ny fonja. Inona ary no hataon'ity lehilahy izay niaritra fahoriana be ity rehefa mifanatrika amin'ilay vehivavy izay nanimba ny fiainany nandritra ny taona maro?
Tao anaty efitrano iray ilay vehivavy, niandry an'i Johnny hiditra. Rehefa niditra izy dia nifampijery izy ireo, nitomany i Joan.
"Niondrika i Johnny ary nandray ny tanako, nijery ahy izy ary niteny hoe: mamela anao aho." Tsy nampino tokoa izany. Indro lehilahy iray izay nankahalaiko sy niriko ho faty, no eo anoloako ary milaza amiko, dia izaho izay nanao ny tsy rariny taminy, fa mamela ny heloko izy! Tamin'izay fotoana izay vao nanomboka takatro ny atao hoe fahasoavana, ary tamin'izay ihany koa vao nanomboka sitrana sy nahazo fitoniana aho."
Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny momba ny famelan-keloka sy ny vokatr'izany eo amin'ny fon'olombelona tsy mety manam-pitoniana.