Lesona 6: Mahita fitsaharana eo anivon'ny ankohonana

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 34; Heb. 11:17-22; Deo. 4:29; 1 Jao. 3:1,2; Gen. 39; Efes. 6:1-13.
    Tsianjery: "Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena." - 2 Pet. 3:17,18.

    Fahoriana, olam-pifandraisana, ary tebiteby no nanaraka an'i Josefa teny an-dalana ho any Egipta, izay hivarotana azy ho andevo. Tsy nilamina ny diany teo am-piezahany nihazona ny ranomasony.

    "Raha mbola nizotra nianatsimo nankany Egipta ny andiam-pivahiny nitondra an'i Josefa, dia tazan'ilay zatovo nanjavozavo tery lavitra ery ny havoana nisy ny tobin'ny rainy. Raha nisaintsaina ny alahelo sy ny maha-irery ilay rainy efa antitra izy, dia nipotrapotraka aoka izany ny ranomasony. Tsaroany indray ilay toe-javatra mampahory indrindra niseho tao Dotana; toa hitany ny fijerin'ny rahalahiny azy feno fankahalana; toa reny indray ireo teny feno eso sy latsa izay nanao tsinontsinona ny fitarainany mafy feno famoizam-po. Nampihorohoro azy ny fitsinjovana ny hoavy. Endrey izany fiovana teo amin'ny fiainany! Izy izay zanaka malala, dia ho tonga andevolahy hatao tsinontsinona sy hotsiratsiraina! Inona re no hanjo azy any an-tany lavitra any, irery sy tsy manan-tsakaiza? Dia vonton'alahelo sy feno tahotra ny fon'i Josefa. (...)

    "Tsy ela akory i Josefa dia nampitodika ny fisainany nankany amin'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainy izay efa nampianarina azy hatramin'ny fahazazany ny ho tia Azy. Impiry koa moa izy no efa nandre ny tantaran'i Betela raha mbola tao an-dain-drainy (...) Izany fampianarana sarobidy rehetra izany dia samy indray nibosesika tao an-tsain'i Josefa avokoa, ary natoky izy fa Ilay Andriamanitry ny rainy dia ho Andriamaniny koa. Ka dia tsy nisalasala intsony izy fa niantoraka teo an-tsandrin'ny Mpamorona, ary niangavy an'llay mpiandry an'i Isiraely mba ho heriny koa any amin'ny tany fahababoany." - PM, tt. 197,198 (Np).

    Misy kolontsaina sasany manasongadina ny fiarahamonina ambonin'ny isam-batan'olona, ary misy hafa koa manasongadina ny isam-batan'olona kokoa. Ao amin'ny Soratra Masina dia antsoina hanolo-tena ho an'Andriamanitra avokoa na ny olona tsirairay na ny daholobe. Nanomboka nahita fitsaharana i Josefa teo amin'ny ara-pifandraisana rehefa nanapa-kevitra ny hanaraka an'Andriamanitra.

    Inona no ampianarin'ireto andininy ireto antsika momba ny fanoloran-tenan'ny isam-batan'olona? (Deo. 4:29, Jos. 24:15, 1 Tant. 16:11, Sal. 14:2, Ohab. 8:10, Isa. 55:6).

    Ny isam-batan'olona no tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hanaraka an'Andriamanitra raha te hahita fitsaharana. Na dia malaza ho manam-panahy aza ny razam-bentsika, izany finoana sy aim-panahy izany dia tsy lovain'ny taranany tsy akory. Tsarovy fa tsy mba manan-jafikely Andriamanitra fa zanany avokoa ny olona rehetra. 

    Nahoana no zava-dehibe ny mifidy hanolo-tena ho an'Andriamanitra isan'andro, eny isam-potoana aza? Inona no mitranga raha tsy manao izany ianao? 

    Raha nanantena ny handositra ka hiverina any an-tranony i Josefa, dia rava izany fanantenany izany rehefa tonga tany Egipta izy, izay nivarotana azy indray tamina fianakaviana mitana toerana ambony teo amin'ny fiarahamonina. Izao no voalaza ao amin'ny Gen. 39:1: "Ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita." Tafatsofoka tampoka tao anaty kolontsaina sy fiteny vaovao sy hafahafa ilay zatovolahy.

    Miankina betsaka amin'ny ankohonantsika sy izay mifanerasera akaiky amintsika ny fivelaran'ny maha-isika antsika. I Josefa dia nitombo tao anatin'ny finoana fa izy dia olona manokana - lahimatoan'ilay vady tian'i Jakôba indrindra izy (Gen. 29:18). Tsy iadian-kevitra fa izy no tian'ny rainy indrindra, ary izy irery no nanana akanjo lava misoratsoratra (Gen. 37:3,4).

    Iza anefa izy ankehitriny? Andevo, olona izay azo amidy sy vidina araka izay tiana. Akory ny fivadihan'ny toe-javatra mitranga amin'ny fiainany ankehitriny!

    Eny tokoa, Iesona izay tokony hianarantsika rehetra no nianaran'i Josefa teto. Raha ny hafa no ianteherantsika hanambara amintsika ny tombam-bidintsika dia hananosarotra sy hanahirana tokoa ny toerana hisy antsika, satria tsy ny rehetra no hankasitraka ny maha-izy antsika sy ny mombamomba antsika. Ny tombam-bidintsika dia tsy ao amin'izay andraikitra tanantsika ankehitriny tsy akory fa ao amin'izay fiheveran'Andriamanitra momba antsika - manao ahoana ny fahitan'Andriamanitra antsika?

    Ahoana ny fahitan'Andriamanitra antsika? (Isa. 43:1; Mal. 3:17; Jao. 1:2; Jao, 15:15; Rom. 8:14; 1 Jao. 3:1,2).

    Amin'ny solomasom-pahasoavana no ijeren'Andriamanitra antsika tsirairay avy. Fahaiza-manao, hakanto, ary talenta tsy takatry ny saintsika no hitany. Efa niomana ho faty ho antsika mihitsy aza Izy mba hahatonga antsika ho araka izay namoronany antsika tany am-boalohany. Na dia maneho ny maha-mpanota antsika sy ny sandany tsy maintsy naloa mba hanavotana antsika aza ny hazo fijaliana, dia manambara ny tombam-bidy lehibe omen'Andriamanitra antsika sy ny fitiavany izany. Na inona na inona mety ho fihevitry ny olona na fiheverantsika momba ny tenantsika, dia tia antsika Andriamanitra ary te hanavotra antsika ho afaka amin'ny gejan'ny fahotana Izy, kanefa tsy izany ihany fa te hanafaka antsika amin'ilay fahafatesana mandrakizay entin'izany koa Izy.

    Ny fanontanina tena tokony hapetraka araka izany dia izao hatrany: inona no asetrintsika ny fitiavan'Andriarnanitra izay naseho tao amin'i Jesôsy Kristy?

    Maro ny olona mampirisika antsika ho tia ny tenantsika araka ny maha-isika antsika ka hanaiky izany tsy amim-pisalasalana. Nahoana no famitahan-tena ihany izany raha ny marina? Nahoana no zava-dehibe ny hoe: aleo izay ivelan'ny tenantsika no manome tombam-bidy antsika, dia Ilay nahary antsika sy mahalala ny tena fahafaha-manaontsika?

    Tsara fanombohana ihany ilay tantaran'i Josefa tao Egipta. Niantehitra tamin'Andriamanitra izy ka notahiany, ary nisandratra ho amin'ny toerana ambony izay tsy noeritreretiny velively tao an-tranon'i Pôtifara.

    Inona no nahitana fa nisy fitahian'Andriamanitra tokoa ny fiainan'i Josefa? Nanao ahoana ny fifandraisan'i Josefa tamin'ny hafa? Vakio ny Gen. 39:1-6.

    Na toa tsara aza ny fiarahan'i Josefa sy i Pôtifara, ary toa nilamina ny fifandraisany tamin'ny mpiara-miasa taminy, na tao an-trano na am-perinasa, dia efa nananontanona ny olana. Nisy olona ratsy fanahy tao an-trano. 

    Olam-pifandraisana inona no tojo an'i Josefa eto? Nifidy ny hiatrika izany tamin'ny fomba ahoana izy? Vakio Gen. 39:7-10.

    Nanana olana tamin'ny vadin'i Pôtifara i Josefa. Izao angamba no tokony hilazantsika azy: ny vadin'i Pôtifara no nanana olana. "Zavatra" azony ampiasaina sy atao amin'izay tiany no niheveran'ity vehivavy ity ny hafa. Te "hampiasa" an'i Josefa izy. "Bikana sady tsara tarehy" no amaritana an'i Josefa ao amin'ny Gen. 39:6. Tsy dia fanaon'ny Baiboly ny milazalaza ny endriky ny olona ara-batana satria "tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehôvah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehôvah kosa mijery ny fo." - 1 Sam. 16:7. Teto, ny hatsaran-tarehin'i Josefa dia vao mainka toa vato misakana fa tsy nanampy azy teo amin'ny fikatsahany fahadiovana sy fahatokiana amin'ireo fitsipik'Andriamanitra.

    Na nikiry aza ity vehivavy ratsy fanahy ity, ny nataon'i Josefa dia toa tsy araka izay nanampoizana azy. Nampihariny teo amin'ny fifandraisany tamin'ny olona rehetra, anisan'izany ny vadin'ny Pôtifara, ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy mba lany andro tsy akory ireo fitsipika ao amin'ny Baiboly ireo; ny fiainan'ireo olona izay efa nizaka ny vokatry ny fahotana (izany hoe ny olona rehetra) dia maneho mazava izany.

    Araka ny fitantaran'ny Baiboly dia tsy indray mandeha tsy akory no nitrangan'ity fakam-panahy ity. Nitorikisina taminy isan'andro ny vadin'i Pôtifara (Gen. 39:10). Niezaka nanazava ny anton'ny fanapahan-keviny i Josefa saingy toa tsy nahomby izany (Gen. 39:8,9). 

    Tsapan'i Josefa fa tsy afaka hanery ny hafa amin'ny safidy ataony izy. Na izany aza dia nanapa-kevitra ny hiaina, hitia, ary hifandray amin'ny hafa amin'ny fomba izay manome voninahitra an'Andriamanitra izy. Efa nianatra niaina teo ambanin'ny fanatrehan'Andriamanitra i Josefa, ary io fahalalana io no nanampy azy hahatohitra ny fakam-panahy.

    Efa nanandrana nampihatra ireo fitsipika ara-Baiboly teo amin'ny fifandraisanao rehetra ve ianao, na dia amin'ny fifandraisanao amin'ny olona "tsy madio saina" aza? Nanao ahoana ny fisehony? Vakio Mat. 5:43-48. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny manana fomba fiaina toy izany? 

    Araka ny hitantsika ao amin'ny tantara (Gen. 39:11-20) dia nampitondra fahoriana an'i Josefa ny fanapahan-keviny hanaraka fitsipika. Naiditra am-ponja izy. Azon'i Pôtifara natao ny namono azy avy hatrany tsy misy fanazavana amin'ny maha-fananany an'i Josefa. Mazava loatra fa tsy nino ny vadiny i Pôtifara saingy tsy maintsy nanao izany izy mba hiarovana ny lazany tsy ho voaloto. Teo anivon'izany toe-javatra mampihoron-koditra izany dia mbola hoy ny Soratra Masina hoe: "Jehovah nomba an'i Josefa" - Gen. 39:21. 

    Feno tsy rariny ny fiainana eto an-tany. Tsy voavaly soa mandrakariva ny tsara atao, ary tsy ampiharana sazy avy hatrany ny ratsy atao. Misy ihany anefa ny vaovao mahafaly: nahita fitsaharana i Josefa na dia tao am-ponja aza satria nomba azy Andriamanitra. Azon'i Josefa natao ny nisaintsaina ny tsy rariny nanjo azy sy nizaka irery izany ary nandao an'Andriamanitra mihitsy aza. 

    Inona no nataon'i Josefa tamin'izy tao an-tranomaizina? Nanao ahoana ny fifandraisany tamin'ireo iray fonja taminy? Vakio Gen. 39:21-23; 40:1-22.

    Niasa sy niaina tamin'ny zava-misy i Josefa tao an-tranomaizina. Naneho fiaraha-miasa izy; nanampy ny hafa izy na dia tsy ny tranomaizina aza no toerana tsara indrindra niriny ifandraisana amin'ny hafa. Tsy nisalasala nangataka fanampiana ihany koa izy rehefa nila izany. Rehefa nanazava ny nofin'ilay mpitondra kapoaky ny mpanjaka i Josefa dia niangavy fanampiana taminy.

    Vakio ny Efes. 6:1-13. Inona ny hevi-dehibe hazavain'i Paoly eto mikasika ny fifandraisana? 

    Santionany kely amin'ilay fifanandrinana lehibe, izay efa nisy hatrany an-danitra, ifanaovan'Andriamanitra sy i Satana, ny olam-pifandraisantsika. Midika izany fa tsy misy fifandraisana tonga lafatra. Ny fifandraisana rehetra dia tsy maintsy mivoatra, ary mahafaly an'i Satana ny mampiasa izany - indrindra ny fifandraisantsika amin'ireo olona akaiky antsika - handratrana antsika sy hanakanana ny sitrapon'Andriamanitra tsy ho tanteraka eo amin'ny fiainantsika. Ary ny fahendrena izay nampanantenain'ny Tompo antsika ao amin'ny Jak. 1:5 dia natao ho an'ny fifandraisantsika koa. Tahaka ny nataon'Andriamanitra tamin'i Josefa, dia momba antsika ihany koa Izy rehefa misy manahirana eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa.

    Saintsaino ilay teny fikasan'Andriamanitra ao amin'ny Jak. 1:5, ka manokàna fotoana hivavahana, angatahana fahendrena amin'Andriamanitra ao anatin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Ahoana no ahafahanao manaiky ny hiasan'ny Fanahy Masina ao anatinao eo am-pifandraisanao amin'ny hafa? 

    Nitazan-davitra ilay tovolahy, nikarokaroka ny fijeriny. Hitany ihany nony farany ireo rahalahiny izay notadiaviny efa andro maro. Rehefa nanatona izy, nikopa-tanana sy niantso azy ireo, dia endrika manjombona sady tsy faly no nitsena azy. Hay te hamono azy ho faty ireto rahalahiny, izay iray tampo aminy. Raha tsy noho i Robena dia tsy ho nisy tantara nitohy. Nandresy lahatra ny sisa tamin'ny rahalahiny i Robena mba tsy hampijaly azy be loatra fa hanipy azy ao an-davaka fotsiry, izay tsy nisy rano. Taorian'izany dia nanao kajikajy indray i Joda, nanan-kevitra ny hanary azy izy sady hahazo vola amin'ny alalan'ny fivarotana azy amin'ireo mpivarotra andevo nandalo.

    Fikorontanana re izany ao anatin'ny fianakaviana izany! 

    Betsaka ny safidy azontsika atao eo amin'ny fiainana, fa tsy isika kosa no mifidy ny ankohonana misy antsika. Tsy misy olona tanteraka, ary tsy misy amintsika manana ankohonana tonga lafatra sy tanteraka eo amin'ny fifandraisana. Misy amintsika manana tombontsoa ka manana ray aman-dreny sy iray tampo ary fianakaviana izay ahitana taratra ny fitiavan'Andriamanitra. Maro anefa no tsy mba toy izany, ary tsy fidiny ho azy izany. Manahirana ny fifandraisana eo anivon'ny ankohonana, ka matetika izany no mampahory, mandratra, mampitondra enta-mavesatra ny fontsika, izay amesarantsika ny hafa ihany koa avy eo. 

    Ahoana no mety hahitantsika fitsaharana eo amin'io lafim-piainantsika io? Hijery ny tantaran'i Josefa sy ny ankohonany isika amin'ity herinandro ity mba hahitantsika ny fiasan'Andriamanitra ho famerenana amin'ny laoniny sy fanomezana fitsaharana ara-pihetsehampo na eo aza ny fikorontanana eo amin'ny fifandraisan'ny mpianakavy. 

    Nanoratra toy izao i Ellen G. White momba izay niseho teo amin'i Josefa sy ny vadini Pôtifara: "Ohatra ho an'ny taranaka rehetra monina eto an-tany izany. (...) Eo mandrakariva Andriamanitra manampy, ary ny Fanahiny no ampinga. Na dia fakam-panahy mahery indrindra aza no manodidina azy ireo, dia misy Loharanon-kery izay azony ampiasaina ho fanoherana ireny. Nasiana mafy tokoa ny ati-fanahin'i Josefa. Olona manana fahefana no niezaka namabo azy, olona afaka nampivaona azy mora foana. Na teo aza izany dia voatohiny avy hatrany izany sady tamin'ny fomba hentitra. (...) Napetrany teo an-tanan'Andriamanitra ny lazany sy ny momba azy rehetra. Ary na dia nampahoriana nandritra ny fotoana ela ihany aza izy, mba hanomanana azy ho amin'ny andraikitra lehibe, dia narovan'Andriamanitra ny lazany izay efa nolotoin'ilay mpanendrikendrika ratsy fanahy, ka amin'ny fotoana mety, izay voatendrin'Andriamanitra any aoriana, dia hamiratra indray izy. Hatramin'ny fonja aza dia nataon'Andriamanitra fitaovana nanandratana an'i Josefa. Ny hatsaran-toetra dia hovalian-tsoa tokoa amin'ny fotoany. Ny tahotra an'Andriamanitra no ampinga niaro ny fon'i Josefa, ary nahatonga azy ho mahatoky sy marina tamin'ny tompony sy tamin'ilay Andriamanitra marina. Naharikoriko azy ny toetra tsy mahay mankasitraka izay ho nitaona azy hamitaka ny tompony, na mety tsy ho fantatry ny tompony mandrakizay aza izany." - SP, b. 1, t. 132. 

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

    1. Ny fitondrana ny anarana hoe Kristianina na ny fananana kolontsaina advantsita dia tsy hanampy antsika velively hahita fitsaharana eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Inona no maha-samy hafa ny hoe manana kolontsaina advantista sy ny hoe tena mpino marina?

    2. Vao tsy ela no tonga nivavaka tao am-piangonana i ramatoa, tsy mpino ny vadiny. Tiany io vadiny io saingy ilay lehilahy kosa dia tsy nankasitraka ny fiovana hitany teo aminy. Inona ny torohevitra azonao omena io mambra vaovao io araka ny foto-kevitra ao amin'ny Baiboly?

    3. Nanoratra toy izao i Leo Tolstoy, mpanoratra rosianina iray: "Mitovy avokoa ny ankohonana sambatra rehetra, fa ireo ankohonana tsy misy fahasambarana kosa dia samy manana ny karazan'olany avy." Samy manana olana avokoa, na be na kely, ny ankohonana rehetra, satria samy mpanota avokoa ny olona ao anatiny, ary samy mitondra ny olany ao anatin'ny fifandraisan'ny fianakaviana ny tsirairay. Ahoana no ahafahantsika tsirairay avy mitandrina ireo fitsipi-pitiavana ao amin'ny Baiboly: ny famelan-keloka, ny fifampitondrana izay mavesatra, sns, mba hahatsara ny fifandraisana eo anivon'ny ankohonantsika?

    4. Olona maro tokoa no efa niaina toe-javatra toy izao: mandeha tsara sy milamina ny zava-drehetra eo aminy sy ny fianakaviany no indro tonga tampoka ny loza. Amin'ny fotoana tahaka izany, nahoana no iankinan'aina tokoa ny fifikirana amin'ny finoana sy ny teny fikasana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra? Nahoana no ilaina tokoa ny mivonona ara-panahy ho amin'izay zava-dratsy hitranga, indrindra rehefa mizotra tsara ny fiainana? 

    Mahafantatra tsara ny atao hoe fikorontanan'ny tokantrano i Josefa. Nanomboka tamin'ireo ray aman-drenibeny Abrahama sy Saraha izany. Rehefa tsapan'i Saraha fa tsy afaka miteraka intsony ny tenany dia nampirisihiny i Abrahama ho any amin'i Hagara mpanompovaviny. Raha vao nitoe-jaza i Hagara dia nanomboka ny fifandrafiana. Tao anatin'izany rivo-piainana izany no naha-lehibe an'i Isimaela sy Isaka, ary tongan'izy ireo hatrao amin'ny ankohonany avy izany tsy fifankahazoana izany. Niangaran'i Isaka hatrany i Esao, ary i Jakoba kosa nandany ny androm-piainany nanao izay hahazoana sitraka tamin-drainy. Taty aoriana, noho ny fitaka, dia nanjary nanambady mirahavavy i Jakôba. Tsy nifankahazo ireo mpirahavavy ireo ary nifaninana niteraka ho an'i Jakôba, ka tonga hatramin'ny fanomezany ny mpanompovaviny hitondra ny zanak'i Jakôba izany.

    Vakio ny tantara ao amin'ny Gen. 34. inona ny mety ho akon'io trangan-javatra io, ara-pihetsehampo sy ara-pifandraisana, teo amin'ilay fianakaviana sy teo amin'i Josefa raha mbola tanora izy?

    Mazava loatra fa nisy fiantraikany teo amin'ny zanany ny fifandrafian'ireo reny roa ireo ka nanjary vonon-kiady mandrakariva izy ireo. Raha mbola zatovo ireo zokin'i Josefa no efa namono ny lehilahy rehetra tao an-tananani Sekema. I Robena, ilay lahimatoa, dia naneho fanjakazakana sy fanoherana ny rainy efa antitra ka nandry tamin'i Bila, mpanompovavin'i Rahely sady renin'ny zanak'i Jakoba maro (Gen. 35:22). Nandritra izany fotoana izany dia niteraka kambana tamin'ny vinantovaviny mpitondratena i Joda rahalahin'i Josefa, rehefa noheveriny ho vehivavy janga izy (Gen. 38).

    Nanampy trotraka izany olana teo amin'ny fianakaviana izany ny nanomezan'i Jakoba akanjo lava misoratsoratra sy lafo vidy an'i Josefa (Gen. 37:3). Raha fianakaviana mikorontana no resahina dia maty ho anisan'ny voalohany amin'izany ny an'ity patriarika ity.

    Raha heverina izany fifandraisana feno fisavorovoroana eo anivon'ny fianakaviana izany, nahoana ary, araka ny hevitrao, no notanisaina ho anisan'ny olo-malazan'ny finoana i Abrahama sy Isaka ary Jakôba ao amin'ny Heb. 11:17.

    Matetika ireo mahery fon'ny finoana ireo no manao fahadisoana sy tsy mitondra tena araka izay anantenan'Andriamanitra azy akory. Tsy noho ny fikorontanana nisy teo anivon'ny fianakaviany tsy akory no nanononana azy ireo ao amin'ny Heb. 11, fa notanisaina ny anaran'izy ireo na teo aza izany. Matetika tamin'ny fomba henjana no nianaran'izy ireo ny amin'ny finoana, ny fitiavana, ary ny fitokiana amin'Andriamanitra, teo am-piezahany mafy hamaha izany olam-pianakaviana izany.

    Inona ny olana efa nisy ela teo amin'ny fianakavianao ka mihatra aminao ankehitriny? Mety hanampy anao ho tafiala amin'izany lasitra izany, farafahakeliny amin'ny hoavy, ny fametrahanao ny momba anao rehetra eo an-tanan'Andriamanitra; amin'ny fomba ahoana?

    Please publish modules in offcanvas position.