Vakio ny Mat. 11:20-28, raha nilaza i Jesôsy hoe: "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa izaho no hanome anareo fitsaharana." Inona ny tontolon-kevitr'io fanambarana io? Fomba ahoana no anomezan'i Jesôsy antsika fitsaharana?
Nanana ny tontolon-keviny hatrany ny teny nambaran'i Jesôsy, tahaka ny antsika ihany. Mba hahatakarantsika izay lazainy dia ilaintsika ny mahatakatra ny tontolon-kevitra manodidina ny zavatra iray manokana ambarany, indrindra raha tsy tiantsika ny handray izany amin'ny heviny diso.
Manamarika kihon-dalana iray ao amin'ny filazantsaran'i Matio ny Mat. 11. Ny teny nataon'i Jesôsy izay manameloka ireo tanàna nanana ny maha-izy azy tao Galilia no fitenenana mafy indrindra tao amin'ny filazantsara. Tsy nitady sitraka Izy fa izay nilain'ny olona horenesina no nambarany; nisakaiza tamin'ireo "mpanota" Izy (Mat. 9:9-13); nanafintohina ireo mpitari-pivavahana ny fanambarany fa azony atao ny mamela heloka (Mat. 9:1-8).
Nanao teny mahery nanameloka ireo olona ireo tokoa i Jesôsy, nampitaha azy tamin'i Sodôma aza, izay toerana noheverina tamin'izany andro izany fa nisehoan'ny faharatsiam-panahy lehibe indrindra (tahaka ny amin'izao andro izao). "Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. "-Mat. 11:24.
Nihahenjana ny teny natao, kanefa tampoka teo, tao anatin'izany, dia niova ny lohahevitra noresahin'i Jesôsy, ka nanolotra fitsaharana ho an'ny olona Izy. Azony atao izany satria "natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray"- Mat. 11:27. Ny maha-Andriamanitra Azy sy ny firaisany amin'ny Ray no hahafahany manome fitsaharana.
Ilaintsika ny mahatakatra fa tsy vitantsika ny mitondra irery ny enta-mavesatra, amin'izay vao hanatona isika ka hanala izany eo an-tsorotsika. Raha ny marina, ny ankamaroantsika dia tsy hanatona mihitsy raha tsy efa niaiky ny toerana misy azy marina. Miorina amin'izay ilaintsika ny fanasana ataon'i Jesôsy.
Filaza mandidy amin'ny teny grika no fiantombohan'ny teny nataony ao amin'ny Mat. 11:28. Tsy manome safidy ny hoe "mankanesa", izany no fepetran'ny fahitana fitsaharana. Ny hoe "mankanesa" dia midika fa mila manolotra ny fifehezana ny fiainantsika ho Azy isika. Amin'izao fotoana izay ahafahantsika mifehy zavatra maro eo amin'ny fiainantsika amin'ny alalan'ny finday izao, dia tsy mandeha ho azy ho antsika ny mankeo amin'i Jesôsy. Ny manome ny fifehezana ny fiainany ho an'Andriamanitra no ampahany sarotra indrindra eo amin'ny fiainana kristianina, ho an'ny ankamaroan'ny olona.
Tiantsika ny miresaka ny amin'izay rehetra ataon'Andriamanitra ho antsika ao amin'i Kristy sy ny tsy fahafahantsika mamonjy ny tenantsika sy ny hafa. Marina tokoa izany; kanefa amin'ny farany dia tsy maintsy manao safidy voahevitra tsara ny "hankeo" amin'i Jesôsy isika, izany hoe mametraka ny momba antsika eo Aminy. Amin'izay no hahatonga ny safidy malalaka ho ivon'ny fiainana kristianina.
Inona ny enta-mavesatra lanjainao? Ahoana no hianaranao mitondra izany eo amin'i Jesôsy sy miaina ny fitsaharana atolony, izay novidiny lafo ho antsika?