Olona maro no toa mikely aina fatratra mba hahita fiadanana sy filaminana kely. Vonona handoa vola ho amin'izany izy ireo. Misy irony efitrano tsy misy internety irony any amin'ny tanan-dehibe sasany, izay hofaina isaky ny ora. Hentitra ny fitsipika amin'izany: tsy mahazo mitabataba, tsy mandray mpamangy. Vonona handoa vola ny olona hahazoana mipetrapetraka amim-pilaminana mba hisaintsainana na hatoriana kely. Misy irony tranokely fatoriana azo hofaina irony any amin'ny seranam-piaramanidina, na koa fanampenan-tsofina izay mampihena ny feo re. Misy koa aza karazana lamba manarona ny loha hatreo amin'ny tratra, natao ho an'ny isam-batan'olona, izay azo vidina sy ampiasaina any amin'ny toeram-piasana mandritra ny fotoam-pakana aina vetivety eny anelanelam-potoana.
Misy vidiny koa ny tena fitsaharana marina. Miezaka ireo mpanoro hevitra havanana amin'ny fitenenana amin'ny haino aman-jery, manao izay hinoantsika fa isika ihany no mifehy ny fiainantsika, ka ny fitsaharana dia miankina amin'ny fomba fandaminantsika ny fotoantsika. Rehefa dinihina amin'ny saina tsy miangatra anefa izany dia tsapantsika ny tsy fahaizantsika manome fitsaharana marina ny fontsika. Nanambara izany mazava i Augustine, pretra, ao amin'ilay boky malaza nosoratany hoe "Confessions". Hoy izy "Ho anao no namoronanao anay, ary mitebiteby ny fonay mandra-pahitanay fitsaharana ao Aminao." - b. 1.
Hijery ankapobeny ny fiainan'ilay olona "araka ny fon'Andriamanitra" (Asa. 13:22) isika amin'ity herinandro ity mba hahitantsika ny fomba nahalalany ny tena vidin'ny fitsaharan'Andriamanitra marina.