Sabata hariva
Tsara tarehy tokoa ny hazo "aravaha" ("tremble", karazan-kazo maniry amoron'ny renirano sy rano mikoriana, tany Syria sy Palestina). Mahatratra 15 hatramin'ny 30 metatra ny haavony. Mampaniry azy tsara ny toetrandro mangatsiaka, sy ny lohataona tsy dia mafana loatra. Ampiasaina amin'ny fanamboarana afokasoka sy taratasy ny hazo aravaha. Matetika ny diera sy ny biby hafa no mihinana ny hazo aravaha tanora mandritra ny ririnina mamirifiry satria be otrikaina mahavelona ny hoditr'izany hazo izany. Mila tara-masoandro be dia be ny hazo aravaha, ary maniry - mandritra ny taona - na amin'ny ririnina aza, ka tonga sakafon'ny biby samihafa mandritra io tonontaona io.
Fantatra kokoa amin'ny fananany faka lehibe indrindra noho ny zava-maniry rehetra ny aravaha. Misandrahaka any ambanin'ny tany amin'ny alalan'ireo vololon-kazo ny fakany, ary miitatra haingana tokoa izany. Mety hahatratra 150 taona ny fahaveloman'ny hazo aravaha anankiray, an'arivo taona kosa no hahaveloman'ny fakany any ambanin'ny tany.
Mandritra ny lesona amin'ity herinandro ity no handinihantsika ireo faka mahatonga antsika tsy hanam-pitsaharana. Zavatra maro no manakana antsika tsy hahita fitsaharana marina ao amin'i Jesôsy. Miseho miharihary ny sasany amin'izy ireny ka tsy mila fandinihana ela loatra, ny hafa kosa mety tsy ho hitantsika avy hatrany, tahaka ny fakan'ny hazo aravaha any ambanin'ny tany. Mety-tsy ho tsapantsika mandrakariva ny toetra sy ny zavatra ataontsika izay mampisaraka antsika amin'ny Mpamonjy.