- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 3: Mitsahatra ao amin’i Kristy
- Lesona 1: Miaina ao anaty fiarahamonina tsy misy fitsaharana
Fampidirana
Nipaipaika tsy an-kijanona ny famataranandro teo amin’ny rindrina. Ora roa sisa dia hanomboka ny Sabata. Nisento i Mary raha nanopy maso ny tao an-tranony; mbola niparitaka eraky ny efìtrano fandraisam-bahiny ny kilalaon’ny ankizy; nikorontana tanteraka ny tao an-dakozia. Matory eo am-pandriana i Sarah, ilay zanany faravavy, manavy; kanefa ny ampitson’io dia hampandroso ny olona ao am-piangonana i Mary, izay midika fa tsy maintsy hiainga ao an-trano antsasak’adiny mialoha ny fotoana mahazatra izy ireo. Tena maniry fitsaharana re aho rahampitso! Hoy ny vetsovetson'i Mary.
Tamin’izay ora izay ihany koa, any amin’ny toeran-kafa, indro i Josh, vadin’i Mary, milahatra hividy ny sakafo ilain’izy ireo isan-kerinandro. Nitohana izaitsizy ny fìfamoivoizana. Lava dia lava ny filaharana eo amin’ny fandoavam-bola, toy ny hoe niantsena andro io avokoa ny olon-drehetra. Mila mitsahatra aho, tsy vitako intsony izao! hoy i Josh niteny anakampo. Mba misy zavatra tsara kokoa noho izao kosa amin'ity fiainana ity.
Rotoroto, ora maro iasana, fifamotoana amin’ny mpitsabo, resaka atao amin’ny fitaovan-tserasera, fiantsenana, sy ny entimody samihafa no mibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika. Na mampiasa ny fitaovam-pitaterana ho an’ny besinimaro isika na mitondra motosikileta na koa mitondra ny ankohonantsika amin’ny fiarantsika, dia mandrahona hamono izay zava-manan-danja tokoa ny rotoroton’ny raharaha ataontsika eo amin’ny fiainantsika.
Ahoana no ahitantsika fitsaharana ao anatin’izao fikoropahana etsy sy eroa izao?