Lesona 9: Manompo sy mamonjy

Hodinihana mandritry ny herinandro : Isa. 41; Isa. 42:1-7;Isa. 44:26-28; Isa.45:1-6;Isa. 49:1-12

Tsianjery : "Indro ny Mpanompoko, izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy" - Isa. 42:1.

"Betsaka no mahatsapa fa ho tombotsoa lehibe ny hamangy ny toerana sehatry ny Kristy teto an-tany, ny mandeha eo amin'izay nodiaviny, ny mijery ny farihy izay tiany ny nampianatra teo akaikiny, ary ny havoana sy ny lohasaha izay nitopazarn'ny masony matetika tokoa. Tsy ilaintsika anefa ny mankany Nazareta, Kapernaomy na Betania, mba hanaraka ny dian'i Jesôsy."- IFM, tt. 688, 689

Niresaka ny amin'ny mpanompon'Andriamanitra izay manao asam-pamindrampo tahaka izany i Isaia: "Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy (...) Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana" - Isa. 42:3,7.

Andeha hojerentsika izany Mpanompo izany, ny momba Azy, sy ny asa ataony. 

Miresaka ny amin'ny "Isiraely mpanompoko" Andriamanitra ao amin'ny Isa. 41:8 ary manolotra ny "mpanompoko " Izy ao amin'ny Isa. 42:1. Iza izany mpanompo izany?

Moa ve i Isiraely/Jakôba, ilay razamben'ny Isiraelita izany? Moa ve ny firenen'i Isiraely izany? Sa ilay Mesia/Kristy izay antsoin'ny TV hoe Jesôsy?

Karazana mpanompon'Andriamanitra roa no resahina ao amin'ny Isa. 41 hatramin'ny toko faha-53. Antsoina hoe "Isiraely" na "Jakôba" ny mpanompo anankiray, tahaka ny ao amin'ny Isa. 41:8; Isa. 44:1,2, 21; Isa. 45:4; Isa. 48:20. Amin'ny vanim-potoana ankehitriny no iresahan'Andriamanitra amin'i Isiraely/Jakôba; maneho izany fa ny hoe "Jakôba" dia manondro ny firenena izay taranany. Manamafy izany ny fanavotana an'i "Jakôba mpanompon'Andriamanitra izay notanterahina tamin'ny fotoana namoahana azy niala tao Babilôna (Isa. 48:20).

Tsy nomena anarana ilay mpanompon'Andriamanitra iray hafa tahaka ny ao amin'ny Isa. 42:1; Isa. 50:10; Isa. 52:13 ary ny Isa. 53:11. Tsy miharihary avy hatrany ny momba azy rehefa voatonona voalohany ao amin'ny Isa. 42:1 izany mpanompo izany. Rehefa mamelabelatra ny momba azy anefa i Isaia ao amin'ny andalan-teny manaraka, dia mihamazava fa izy no ilay mamerina indray ny fokon'i Jakôba (Isiraely) amin'Andriamanitra (Isa. 49:5,6), ary manolotra ny ainy ho sorona ho an'ny mpanota (Isa. 52:13--53:12; jereo koa ny Isa. 49:5,6). Tsy mitovy amin'ilay firenena anefa izy; mazava araka izany fa mpanompon'Andriamanitra roa no resahin'i Isaia: maneho vondron'olona ny iray (firenena), ary olon-tokana kosa ny iray. 

Inona no anjara asan'ilay firenena mpanompo? Isa. 41:8-20.

Manome toky ny Isiraely Andriamanitra fa mbola mpanompony ny firenen'izy ireo: "Mpanompoko hianao, efa nofidiko ka tsy mba nariako" Isa. 41:9. Rehefa izay dia nomeny ho an'ny Isiraely ny iray amin'ireo teny fikasana mahafinaritra indrindra ao amin'ny Baiboly: "Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho" - Isa. 41:10. Iray amin'ireo anjara asa fototra napetraka tamin'ny Isiraely eto sy ao amin'ny andininy manaraka ny matoky fa hamonjy azy ilay Andriamanitra marina (mba tsy hanaovany tahaka izay nataon'i Ahaza mpanjaka) ka tsy hitokiany amin'ny andriamani-kafa sy ny sarin'izy ireo, tahaka izay ataon'ny firenen-kafa (Isa. 41:7, 21-24, 28,29).

Mariho ny fiantsoan'Andriamanitra an'io firenena io hoe kankana ao amin'ny Isa. 41:14. Inona no tiany hasongadina amin'izany? Jereo ny toko iray manontolo mba hahitanao ny valiny mazava kokoa. Inona no tokony hampianarin'izany antsika momba ny ilantsika ny fiankinana tanteraka amin'Andriamanitra? 

Inona no anjara asan'ilay mpanompon'Andriamanitra tsy voatonona anarana izay nofidiny sy nametrahany ny Fanahiny? Isa. 42:1-7. 

Fidio ny valinteny na fitambarana valinteny mety indrindra:

1. Manome rariny ny firenena Izy.

2. Manatanteraka ireo fikasany mangingina sy amim-pahalemem-panahy Izy kanefa mahomby amin'izany.

3. Mpampianatra Izy.

4. Fanekena eo amin'Andriamanitra sy ny olona Izy.

5. Mitondra fahazavana sy fanantenana Izy amin'ny fanasitranana ny jamba sy fanafahana ny mpifatotra.

6. Ireo voalaza eo ambony rehetra ireo. 

Inona no itovian'ny asan'io mpanompo io amin'ny an'ilay "Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese" izay ametrahan'Andriamanitra ny Fanahiny koa (Isa. 11)?

Asehon'ny Isa. 42 fa miara-miasa amim-pirindrana amin'Andriamanitra Ilay mpanapaka taranak'i Davida ao amin'ny Isa. 11, ka mitondra fahamarinana sy fanafahana ho an'ireo ao anaty fahoriana ary koa fahendrena sy fahalalana an'Andriamanitra. Hitantsika fa io "solofo mitsimoka" sy "fototra" io no Mesia, ilay Zanak'Andriamanitra ao amin'ny Isa. 9:5,6, izay mitondra "fiadanana (...) eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany (...) Amin'ny rariny sy ny hitsiny" - Isa. 9:6. Hita mazava, araka izany, fa ny Mesia io mpanompo resahin'ny Isa. 42 io.

Ahoana ny filazan'ny TV momba ilay mpanompo ao amin'ny Isa. 42:1-7, izay manome rariny? Mat. 12:15-21. 

Namerina andalan-teny avy ao amin'ny Isa. 42 ny Mat. 12, ary mampifandraika izany amin'ny asam-panasitranana mangingina nataon'i Jesôsy ilay Zanaka malalan'Andriamanitra izay sitrany (Isa. 42:1; Mat. 3:16,17; Mat. 17:5). Ny asa fanompoana ataony no manorina indray ny fifandraisam-panekena eo amin'Andriamanitra sy ny olony (Isa. 42:6; Dan. 9:27).

Nanao izay rariny ho an'ny olona i Jesôsy sy ireo mpianatra ka nanafaka azy ireo tamin'ny fahoriana sy ny tsy fahalalana an'Andriamanitra ary ny gejan'ireo fanahy ratsy, vokatry ny fampahorian'i Satana (Lio. 10:19). Rehefa izany dia maty mba hanamafy ny "fanekena" (Mat. 26:28) i Jesôsy, ary mba hanao izay rariny ho an'izao tontolo izao ka nandroaka an'i Satana, ilay nisandoka ho "andrianan'izao tontolo izao" - Jao. 12:31-33.

Jereo ao amin'ny Isa. 42:1-4 ny filazalazana momba an'i Kristy. Manokàna fotoana handinihanao ny fiainan'i Jesôsy. Lafiny inona amin'ny asany no tena ahitana ny fahatanterahan'io faminaniana io? Inona ny lesona azontsika sintonina amin'ny fomba tokony hanompoantsika ny hafa tahaka izany? 

lnona ny fanambarana mialoha izay mahatalanjona, hita ao amin'ny Isa. 44:26-28; Isa.45:1-6?

Nanomboka teo amin'ny 745 TlK teo ho eo ny asa fanompoan'i Isaia ary nifarana tany amin'ny taona 685 TlK tany ho any. Rehefa avy nilaza ny amin'ny mahery avy any atsinanana sy avy any avaratra (Isa. 41:2, 3, 25) i Isaia dia toy ny nanambara fa teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema izany (Isa. 41:27); nambarany mazava ny anaran'i Kirosy ary nolazalazainy ny asa hataony. Avy any avaratra sy atsinanan'i Babilôna tokoa izy ary nandresy an'i Babilôna tamin'ny 539 TlK, nanompo an'Andriamanitra i Kirosy raha nanafaka ny Jiosy tamin'ny fahababoany tany Babilôna; ary nanome lalàna ny hananganana indray ny tempolin'i Jerosalema izy (jereo ny Ezra 1).

Diniho tsara io fanambarana mialoha io. 146 taona no manelanelana ny fotoana nahafatesan'i Isaia sy ny faharavani Babilôna, izany hoe taonjato-iray sy tapany mialoha ny nitrangan'ny toe-javatra no naminaniany izany. Toy ny hoe i George Washington milaza mialoha ny amin'ny lehilahy iray antsoina hoe Jeneraly Dwight Eisenhower hanafaka an'i Eorôpa amin'ny 1945 izany!

Tsy azo iadian-kevitra ny fahamarinan'ny faminanian'i Isaia satria voaporofon'ireo lahatsoratra fahagola izany, anisan'izany ny vato fisaka fiandraketan'ny Babilônianina ny tantara, ny tatitra noraketin'i Kirosy tao amin'ny "Cylindre de Cyrus" (tanimanga miendrika varingarina misy fanambarana momba an'i Kirosy mpanjaka) ary ny Baiboly (2 Tant. 36:22,23; Ezra 1; Dan. 5; Dan. 6:29; Dan. 10:1). Izany dia manamafy ny finoan'ireo olona mino fa mandray ny fanambarana mialoha avy amin'Andriamanitra, Ilay mahalala mialoha lavitra ny hoavy, ny mpaminany marina.

Nahoana Andriamanitra no niantso an'i Kirosy hoe "voahosony" - Isa. 45:1?

Ny teny hebreo ilazana ny hoe "voahosotra" eto no nahazoana ny teny hoe Messiah. Entina iantsoana ny mpisorona voahosotra io teny io any amin'ny boky hafa ao amin'ny Baiboly (Lev. 4:3, 5, 16; Lev. 6:22), ary koa iantsoana ny mpanjaka Isiraelita voahosotra (1 Sam. 16:6; 1 Sam. 24:7, 11; 2 Sam. 22:51), na ny Mesia izay mpanjaka taranak'i Davida sy mpanafaka ho avy (Sal. 2:2; Dan. 9:25-26). Araka ny fijerin'i Isaia dia mpanjaka ho avy i Kirosy, izay nirahin'Andriamanitra hanafaka ny olony. Mesia tsy mahazatra anefa izy satria tsy Isiraelita. Hanao izay hataon'ny Mesia izy, handresy ny fahavalon'Andriamanitra sy hanafaka ny olony izay babo, saingy tsy hitovy amin'ny Mesia satria tsy taranak'i Davida. 

Nanaporofo ny maha-Andriamanitra tokana Azy - ilay hany mahalala ny hoavy - Andriamanitra tamin'ny nilazany mialoha ny momba an'i Kirosy, (Isa. 41:4, 21-23, 26-28; Isa. 44:26). Nanolo-tanana an'i Kirosy ihany koa Izy: "Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no  Jehôvah/zay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely» - Isa. 45:3.

Eritrereto ireo faminaniana hafa ao amin'ny Baiboly izay efa tanteraka araka ny nanambarana izany (anisan'izany ireo fanjakana ao amin'ny Dan. 2 afa-tsy ny iray farany, ny Dan. 7, na koa ny momba an'i Kristy ao amin'ny Dan. 9:24-27). lnona ny fanantenana atolotr'ireo faminaniana ireo ho antsika?

Manelingelina ireo olona tsy mino ny fandraisan'ny mpaminany ny fanambarana mialoha avy amin'Andriamanitra ny nilazan'i Isaia mazava ny anaran'i Kirosy. Raisin'izy ireo eo anatrehan'izany ny petra-kevitra manambara fa misy mpaminany hafa "Isaia faharoa" velona tamin'ny andron'i Kirosy, ary io mpaminany io no nanoratra ny Isa. 40 hatramin'ny toko faha-66. Heverin'izy ireo ho "notsofana", araka izany, ny bokin'i Isaia, tahaka izay noheverina hatramin'izay ho natao tamin'ilay mpaminany ihany (jereo ny Heb. 11:37). 

Tsy misy fotoana ho an'ny asan'ny devoly 2 Pet. 3:11,12 

Tsy misy anefa ny tantara manamarina ny fisian'ny "Isaia" faharoa. Raha nisy izany dia hafahafa ny tsy filazan'ny Baiboly izany, noho ny maha-zava-dehibe ny hafatra entiny sy ny asasorany miavaka. Na ny sora-tanan'ny Baiboly tranainy indrindra aza, ny horonan-taratasin'i Isaia avy amin'ny "Qumran", dia tsy ahitana fiatoana manelanelana ny Isa. 39 sy 40, izay mety maneho fiampitana ho amin'ny asasoratry ny mpanoratra iray hafa. 

Tsy miova ny hafatra fototra ambaran'i Isaia manerana ny boky nosoratany: matokia ´ marina, ao anatin'izany ny fitokiana amin'ilay Mpanafaka Mesiany, fa aza miankina amin'ny fahefana hafa. Marina ny fanambaran'ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly amin'ny filazana fa miresaka momba an'i Asiria ny Isa. 1-39; ny toko faha-40 hatramin'ny fiafaran'ny boky kosa dia miresaka momba ny fotoana hitoeran'ny vahoakan'Andriamanitra ho babo any Babilôna. Marina tokoa fa manasongadina fitsarana ny Isa. 1--39 ary fampiononana kosa no asongadin'ny Isa. 40--66. Maro koa anefa ny fampiononana sy toky omen'Andriamanitra ao amin'ireo toko any aloha, ary ny toko aty aoriana toy ny Isa. 42:18-25 sy ny Isa. 43:22-28 ary ny Isa. 48:1-11 dia miresaka ny amin'ny fitsaran'Andriamanitra an'i Joda noho ny nahafoizany Azy. Ny fanambarana mialoha nataon'i Isaia momba ny fampiononana dia maneho fa hisy ny fahoriana eo anelanelan'izany. 

Na dia niatrika loza mahatsiravina vokatry ny fahotan'ny vahoaka aza ny firenen'i Joda dia tsy nanary toky ny sasany tamin'izy ireo. Nifikitra tamin'ny teny fikasan'Andriamanitra izy ireo, toy izay hita ao amin'ny Lev. 26:40-45. Vakio tsara ireo andalan-teny ireo. Mipetraha amin'ny toeran'ireo Hebreo velona taorian'ny nandresen'ny Babilôna ny fireneny. lnona ny fanantenana hitanao ao amin'ireo teny ireo? 

lnona ny fitsipika ara-panahy hitanao ao amin'ireo andalan-teny ao amin'ny Levitikosy ireo? Inona no ambaran'i Jehôvah amin'ny lsiraely eto? Ahoana no fiasan'izany fitsipika izany eo amin'ny fiainantsika manokana? 

Iza ilay mpanompon'Andriamanitra ao amin'ny Isa. 49:1-12? 

Efa niantso azy hatrany am-bohoka Andriamanitra, nanao ny vavany tahaka ny sabatra maranitra, ary homem-boninahitra ao aminy. Mampiasa izany mpanompo izany Andriamanitra mba hampiverina ny firenen'i Isiraely Aminy, ho fahazavan'ny famonjena ho an'izao tontolo izao, ho fanekena, ary hanafaka ny mpifatotra. Mifanandrify io filazalazana io sy ny ao amin'ny Isa. 42 izay ahitantsika fa ny Mesia izany mpanompon'Andriamanitra izany. Ao amin'i Jesôsy Kristy, amin'reo fiaviany anankiroa, no ahitan'ny TV ireo toetran'io mpanompo io: Mat. 1:21; Jao. 8:12; Jao. 9:5; Jao. 17:1-5; Apôk. 1:16; Apôk. 2:16; Apôk. 19:15.

Raha toa ka ny Mesia io mpanompo io, nahoana Andriamanitra no miantso Azy hoe "Isiraely" (Isa. 49:3)

Hitantsika teo aloha ao amin'ny ampahan'ny bokin'i Isaia fa firenena no tondroin'ny "Isiraely/Jakôba" rrpanompon'Andriamanitra. Eto kosa dia olona no tondroin'izany anarana "Isiraely" izany (tsy misy ny fiantsoana azy amin'ny anarana hoe "Jakôba"), Izy no hamerina indray ny firenena ho amin'Andriamanitra (Isa. 49:5). Nanjary nisolo tena ilay firenena io mpanompo io, dia ilay firenena izay tsy nahomby ka nanala baraka ny anarana hoe "Isiraely" (Isa. 48:1).

Inona ny zavabaovao hita eto? Isa. 49:4,7.

Eto no anambarana voalohany ny fahasarotan'ny asan'ny mpanompo. Toy izao ny fitarainany: "Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko" - Isa. 49:4, hevitra iray mifandraika amin'izay voalazan'ny Dan. 9:26: "hovonoina ny Mesia, ka tsy hanana na inona na inona intsony". Mifikitra amin'ny finoana anefa izy: "kanefa ao amin'i Jehôvah ny rariny tokony ho Ahy" - Isa. 49:4. Izao no fandinihana nataon'i J. Mec Motyer: "Nahita mialoha Mpanompo iray nitafy ny maha-olombelona i Isaia; nozahan-toetra tahaka antsika izany mpanompo izany ary hita teo Aminy ny maha-Tompo sy mpanefa ny finoantsika Azy, finoana marina izay mbola afaka miantso hoe `Andriamanitro' rehefa hita ho tsy misy  antenaina intsony ny zavatra rehetra." - The Prophecy of Isaiah: An Introduction and Commentary (Downers Grove, Illinois: InterVarsity Press, 1993), t. 387.

Manaitra ny saina ny Isa. 49:7. "Hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mparapaka" ilay mpanompo kanefa izao no lazain'i Jehôvah aminy: "Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehôvah, Izay nahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao."

Ataovy jery todika ny asa fanompoan'i Kristy. Moa ve Izy tsy nanana antony tokony hahakivy, hatramin'ny farany? Nitoetra ho mahatoky anefa Izy na dia teo aza ny toe-javatra ivelany. Inona ny lesona ho antsika mba hanaovantsika toy izany - na dia eo aza ny toe-javatra miseho? 

Vakio ny fitantaran'i Ellen G. White ny asa fanasitranana sy fampianarana nataon'i Jesôsy ao amin'ny fizarana "Tao Kapernaomy", IFM, toko 26.

"Ilana fahaiza-manao sy fahendrena lehibe ny asa fihazana fanahy. Tsy mba nanafina ny fahamarinana mihitsy ny Mpamonjy kanefa tamim-pitiavana hatrany no nanambarany izany. Nampiasa ny fahaizana lehibe indrindra mifandray tamin'ny olona Izy, ary naneho toetra malemy fanahy sy mihevitra ny hafa. Tsy mba nivatravatra fiteny mihitsy Izy, na nanao teny henjana tsy amin'ny antony, na koa nampalahelo be fahantany ny fanahy mora tohina. Tsy nanome tsiny ny fahalemen'ny olombelona Izy fa nampangainy tsy amin-tahotra kosa ny fihatsarambelatsihy, ny tsy finoana, sy ny fanaovan-dratsy, nefa tamin-dranomaso no nitenenany raha nanao ireo faniniana nandratra fo Izy. Tsy mba nataony ho tsy misy antra ny fahamarinana fa fangorahana lalina no nasehony ny olombelona. Sarobidy teo imasony avokoa ny fanahy tsirairay. Nitondra tena mandrakariva tamin'ny fahamendrehan'Andriamanitra Izy, nefa koa niondrika mba hijery amim-pitiavana lehibe indrindra ny mambra tsirairay ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra. Fanahy lavo izay nanirahana Azy hovonjena no hitany teo amin'ny olona rehetra." - GW, t. 117. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Vakio amin'ny kilasy ny teny nosoratan'i Ellen G. White etsy ambony mikasika ny fomba fiasan'i Kristy teo amin'ny hafa. lfanakalozy hevitra ny fitsipika hita ao, ary koa ny fomba anehoan'ny fiangonana misy anao ireo fitsipika ireo.

2. Mahafantatra "volotara torotoro" na "lahin-jiro manetona" (Isa. 42:3) ve ianao? Inona no azonao atao hanampiana izany olona izany kanefa tsy "manapaka" na "mamono" azy? Fomba ahoana no hampitodihanao izany oiona izany ho amin'Andriamanitra? Inona no asainao ataony mba ho fanampiana sy fanasitranana azy?

3. Ny foto-kevitra manambara fa tsy afaka milaza mialoha ny hoavy tahaka izay nataon'i Isaia ny oiona no niaingan'ny hevitra mikasika ny fisian'ny mpanoratra roa samy hafa nanoratra ny bokin'i Isaia. Inona ny olana fototr'izany fanambarana izany, ary nahoana isika no tokony hitsipaka ankitsirano izany amin'ny maha-Kristianina antsika? 

Famintinana: Ilana Mpanafaka ny fanafahana. Mpanafaka roa no hanafaka ny firenena mpanompon'Andriamanitra: i Kirosy izay hanafaka ireo babo atao sesitany any Babilôna, sy ilay Mpanompo tsy voatonona anarana izay aseho miandalana ny maha-Mesia Azy. lo Mpanompo io no hampitoetra indray ny rariny sy hitondra ireo sisa hiverina amin'Andriamanitra.