Lesona 8: Ampionony ny oloko

 

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 40:1,2; Isa. 40:3-8; Isa. 40:9-11; Isa. 40:12-31. 

Tsianjery : "Miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; lazao amin'n„ tananan'ny Joda hoe: `Indro Andriamanitrareo!" - Isa. 40:9 

Mbola tany am-piafenana tao anatin'ny alan'i Guam i Shoichi Yokoi, miaramila Japôney iray, no nifarana ny Ady Lehibe faharoa tamin'ny taona 1945. Nanaparitaka trakta ireo fiaramanidina amerikanina nanambara ny fifaranan'ny ady, saingy noheverin'i Yokoi ho fitaka izany. Miaramilan'ny amperora izy, ary mahatoky sy tia tanindrazana; koa tsy nekeny velively ny hilavo lefona. Tsy nifandray tamin'iza na iza izy, noho izany dia izay hitany tany an'ala no nivelomany; fiainana feno fahantrana sy fahasahiranana tokoa izany.

Tamin'ny taona 1972, 27 taona taorian'ny nifaranan'ny Ady Lehibe faharoa, dia nisy mpihaza nifanojo tamin'i Yokoi raha teo am-panjonoana izy. Teo no nahafantarany marina fa tapitra tokoa ny ady. Efa am-polo taona maro ireo iray firenena taminy no nisitraka ny fandriampahalemana; efa am-polo taona maro kosa izy no niaritra tsy fisiana sy niaina tao anatin'ny tebiteby. (Altar Call [Berrien Springs, Mich.: Diadem, 1999], Roy Gane, t. 304, nasiam-panamboarana).

Taonjato maro tany aloha tany no nanambaran'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Isaia mpaminany fa tapitra hatreo ny tebiteby sy ny fahorian'ny olony: "Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo; mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tanan'i Jehôvah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony" - Isa. 40:1,2. 

Mampionona ny olony Andriamanitra ao amin'ny Isa. 40:1,2. Nifarana ihany ilay fotoana namaizana azy ireo. Inona izany famaizana izany?

Misy valiny maro io fanontaniana io. Teo ny famaizana nataon'i Asiria, ilay tsorakazon'ny fahatezeran'Andriamanitra (Isa. 10:5), izay nampiasainy hanafahana an'i Joda tamin'ny nandringanany ny tafik'i Sankeriba tamin'ny taona 701 TlK (Isa. 37). Teo koa ny famaizana nataon'i Babilôna, izay nahaverezan'i Joda olona sy fananana maro noho ny nampisehoan'i Hezekia ny hareny ho hitan'ireo iraka avy any amin'i Merodaka-baladana (Isa. 39). Ary teo ny famaizana avy amin'ireo firenena hafa izay nanoratan'i Isaia fampitandremana (Isa. 14--23).

Na dia in-43 aza no iverimberenan'ny teny hoe "Asyria" na "Asyrianina" ao amin'ny Isa. 7:17 ka hatramin'ny 38:6, dia indray mandeha monja no ahitana izany ao anatin'ny bokin'i Isaia manontolo, ankoatra ireo efa voalaza ireo, dia ny ao amin'ny 52:4, izay milaza ny fampahorian'i Egipta tamin'ny fotoana lasa, ary avy eo koa ny "Asyrianina". Ambara ao amin'ny ampahany farany amin'ny bokin'i Isaia ny fanafahana ny vahoaka amin'ny fahababoana tany Babilôna (Isa. 43:14; Isa. 47:1; Isa. 48:14,20), ary i Kyrosy Persianina, ilay natao hanafaka ireo vahoakan'i Joda babo, no namabo an'i Babilona tamin'ny taona 539 TlK (Isa. 44:28; Isa. 45:1; Isa. 45:13).

Asongadina ao amin'ny Isa. 1--39 ireo tranga izay nitarika ho amin'ilay fanafahana tamin'ny fangejan'ny Asirianina tamin'ny taona 701 TlK. Eo amin'ny fiantombohan'ny toko faha-40 anefa dia mandingana taonjato iray sy tapany avy hatrany ny bokin'i Isaia mankamin'ny fiafaran'i Babilona, tamin'ny taona 539 TlK, sy ny fiverenan'ny Jiosy ho any Jerosalema fotoana fohy taorian'izany. 

Misy ifandraisany amin'izay efa nitranga tany aloha ao amin'ny Isaia ve ity lohahevitra mikasika ny fiverenana avy any Babilona ity? Raha eny, inona?

Ny toko 39 dia mampitohy ireo toko eo alohany amin'ireo toko sisa manaraka, amin'ny alalan'ny fanambarany mialoha ny fahababoana any Babilôna, farafaharatsiny ho an'ny taranak'i Hezekia sasany (Isa. 39:6,7). Ankoatra izany, manambara mialoha ny faharavan'i Babilôna sy ny fanafahana entin'izany ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ireo faminaniana ao amin'ny Isa. 13,14 sy 21: "Fa Jehôvah hamindra fo amin'i Jakôba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ( ...) Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehôvah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao, dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao (... )" - Isa. 14:1-4. Mariho ny fifandraisan'izany akaiky amin'ny Isa. 40:1,2, izay anomezan'Andriamanitra toky ny olony fa hifarana ny fahoriany.

Midika inona ho anao, ao anatin'ny zava-tsarotra lalovanao, ireo teny fikasana ao amin'ny Baiboly momba ny fifaranan'ny fahoriana? Inona no ilantsika finoana raha tsy misy ireo teny fikasana ireo? Nahoana ary no zava-dehibe tokoa ny mifikitra amin'izany, na inon-kidona na inon-kihatra? 

Amin'ny fomba ahoana no ahazoan'ny vahoakan'Andriamanitra fampiononana? (Isa. 40:1-8)

Manambara ny mpitondra hafatra iray tsy fantatra anarana fa tonga haneho ny voninahiny Andriamanitra (Isa. 40:3-5). Misy feo iray hafa koa milaza fa na dia mandalo ihany toy ny ahitra aza ny olombelona, "ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay" kosa - Isa. 40:8.

Taorian'ny fahababoana dia azon'ny vahoakan'Andriamanitra indray izay efa nomena azy ireo teo an-tendrombohitra Sinay, dia izay veriny tanteraka noho ny fihemorany, izay antony namaizan'Andriamanitra azy ireo. Tsy inona izany fa ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny Teniny. Ireo no singa fototra mandrafitra ilay fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely, izay voarakitra ao amin'ny fitoerany masina eo anivon'ny Isiraely (Eks. 25:8,16). Noho ny fandikan'izy ireo ny Teniny dia nandao ny tempoliny Andriamanitra (Eks. 9--11), kanefa indro Izy miverina indray. Mitondra fiononana sy fanafahana ary fanantenana ny fanatrehany sy ilay Teniny mahatoky mandrakizay.

Inona ny fiomanana ilaina ho amin'ilay fahatongavan'ny Tompo? Isa. 40:3-5

Tsy mendrika ho an'ny mpanjaka ny misahirana mandeha amin'ny lalana mikitoantoana. Noho izany dia misy fanamboaran-dalana atao mialoha ny hiaviany. Mainka moa fa ho an'Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka! Ny fiaviany, izay fantatra fa avy any atsinanana, toerana niarahany tamin'ny olony tany an-tany fahababoana "fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany" - Ezek. 11:16), dia nilana fanamboaran-dalana lehibe tokoa. Ny fanamboarana lalambe mahitsy ara-bakiteny, izay manivaka eo aminireo havoana mideza sy be vato any atsinanan'i Jerosalema, dia ho sarotra tokoa na ampiasana dinamita sy bildôzera (fitaovana vaventy fitrongisana tany) aza. Andriamanitra irery ihany no afaka hanao izany asa izany; "ny mikitoantoana halamako tsara" hoy Izy Isa. 42:16. Kanefa tsy mila làlana ara-bakiteny Izy mba handehanany satria ananany ny kalesy manidina entin'ny kerobima (Ezek. 1; 9-11).

Ampiasain'ny TV amin'ny fomba mazava tsara io faminanian'i Isaia momba ny fanamboaran-dalana ara-panahy io, ilazany ny amin'ny toritenin'i Jaona mpanao batisa (Mat. 3:3). Izao no hafatra nentiny: "Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra" - Mat. 3:2, ary "batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka" no batisa nataony - Mar. 1:4.

Koa fibebahana izany ilay fanamboaran-dalana, fahavononana hiala amin'ny fahotana, mba handraisana fampiononana avy amin'ny famelan-keloka sy ny fanatrehan'Andriamanitra.

Tamin'ny fotoana mety dia hafatra ara-panahy mitovy amin'izany no nambara ho an'ireo vahoakan'i Joda babo, ao amin'ny Jeremia. 31:31-34, mba hahatakaran'izy ireo hoe toy inona ny fanamboaran-dalana tsy maintsy ataony ho an'Andriamanitra. Ao amin'ireo andininy ireo dia mampanantena fiaingana vaovao Andriamanitra ho an'ireo izay maniry izany, dia "fanekena vaovao", izay ametrahany ny lalany (lalan'Andriamanitra) ao am-pon'izy ireo, ka Izy ho Andriamaniny, ary izy ireo ho olony. Koa mahalala an'Andriamanitra sy ny toetrany izy ireo satria navelany heloka.

Vakio tsara ny Isa. 40:6-8. Inona ny fanantenana azonao raisina, ho anao izay mora maina sy malazo tahaka ny ahitra avy amin ireo andininy ireo? Inona no fampitandremana omen'izany antsika mikasika izay tokony hametrahantsika ny fitokiantsika? 

Inona ny zava-mifranga voalaza ao amin'ny Isa. 40:9-11?

Ahitana mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema any arnin'ny faramparan'ny bokin'i Isaia (Isa. 41;27; Isa. 52:7), ka anarana mpanondro ny lahy ("au masculin") no amaritany azy. Ao amin'ny Isa. 40:9 kosa, ilay mpitondra teny avy eo an-tendrombohitra manao hoe: "`Indro Andriamanitrareo! '", dia voalaza amin'ny anarana mpanondro ny vavy ("au feminin"), ary hita mazava amin'ny teny hebreo izany.

Midera an'Andriamanitra i Davida ao amin'ny Sal. 68:6 satria "Manome trano ho an'ny rnanirery Andriamanitra. Manafaka ny voafonja Izy ka manome azy fanambinana" (DIEM). Na dia ilay Fanafahana (na Eksôdôsy) ny vahoaka tamin'ny fanandevozan'ny Egiptianina aza no resahin'io andininy io dia ampiasain'i Isaia koa izany hevitra izany eto mba hanambarana ilay Fanafahana faharoa, dia ny fiverenana avy any Babilôna, avy amin'ny fahababoana. 

Etsy andanin'izany, mampiasa ny Isa. 40:3-5 ny TV mba hanambarana Jaona mpanao batisa izay manomana lalana ho an'i Kristy, dia i Kristy Ilay Teny mandrakizay tonga nofo, nay tompo "nonina tamintsika" Jao. 1:14.

Efa nisy olona hafa talohan'i Jaona aza nanambara ny vaovao mahafalin'ny fiavian'i Kristy voalohany. Anisan'ny voalohany amin'izany i Simeona sy i Ana, efa anti-panahy, izay nahita an'i Jesôsy raha nentin'ny ray aman-dreniny tao an-tempoly Izy mba hatolotra ho an'ny Tompo (Lio. 2:25-38). Tahaka ireo mpitondra hafatra ao amin'ny bokin'i Isaia dia lahy sy vavy ihany koa izy ireo. Niandry ny fampiononana ny Isiraely i Simeona; ny Mesia no nandrandrainy (Lio. 2:25,26).

Araka ny faminanian'i Isaia, dia tsy kisendrasendra ny nahatonga an'i Ana, mpaminanivavy, ho voalohany nanambara ampahibemaso tao amin'ny tempoly, tamin'ny vahoakan'i Jerosalema, fa tonga ny Tompo: "Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema"- Lio. 2:38. Eto no miandoha ny fitoriana ny filazantsara kristianina araka ny fahafantarantsika azy, dia ny fanambarana ny vaovao mahafalin'ny fahatongavan'i Jesôsy Kristy mba hitondra famonjena. Taty aoriana dia vehivavy iray koa, i Maria Magdalena, no nanambaran'i Jesôsy voalohany ilay vaovaom-pandresena, dia ny fitsanganany tamin'ny maty (Jao. 20:17,18), izay fahatanterahan'ny asa fitoriana ny Filazantsara nataony teto amin'ity tany ity. Toy ny ahitra ny nofo, fa ny Tenin'Andriamanitra tonga nofo kosa dia maharitra mandrakizay! (Jereo ny Isa. 40:6-8) 

Vakio ny Isa. 40:11 Inona ny sary an'ohatra asaho eto? Toy ny ahoana  hoe "ondry" andrasan'ny Tompo izany? Manorata paragrafy ho an'ny tenanao  manokana mikasika ny fanandramana niainanao momba izany. Nahoana no tsara ny mamerimberina ao an-tsainao  ny fomba nitantanan'Andriarnanitra fiainanao? 

Ahoana no amelabelaran'ny Isa. 40 ireo lohahevitra momba ny famindrapo sy ny herin'Andriamanitra ?

Manerana io toko io dia mifandray ny famindrampo sy ny herin'Andriamanitra, ary mifangaro mihitsy aza (jereo etsy ambany), satria ilaina avokoa izy roa ireo mba hahazoan'Andriamanitra mamonjy ny olony. Te hanavotra azy ireo Izy satria be famindrampo; ary afaka mamonjy azy ireo Izy satria mahery. 

Famindrampo (Isa. 40:1-5): fampiononana, ny fahatongavan'ny Tompo hanafaka.

Hery (Isa. 40:3-8): voninahitra, ny faharetan'ny Tenin'Andriamanitra manoloana ny fahosan'ny olombelona.

Famindrampo (Isa. 40:9-11): vaovao mahafalin'ny fanafahana, Mpiandry ny vahoakany Andriamanitra.

Hery (Isa. 40:12-26): Andriamanitra Mpamorona tsy manan-tsahala.

Famindrampo (Isa. 40:27-31): Andriamanitra Mpahary mampahatanjaka ny reraka.

 

Rehefa nampiseho ny herin'Andriamanitra i Isaia, tamin'ny alalan'ny voninahiny sy ny maha-mandrakizay Azy (Isa. 40:3-8), dia nanasongadina mazava ny fahefany sy ny fahambonian'ny fahendreny, ka bitika sy tsinontsinona ny tany sy ny mponina ao aminy eo anatrehany. Ny fomba fanoratan'i Isaia eto, ireo teny tsara lahatra sy fanoharana mazava ataony momba ny tany sy ireo zavatra eo aminy dia misy itoviana amin'ilay valinteny nomen'Andriamanitra an'i Jôba (Jôba 38-41). 

Inona no valin'ny fanontaniana  mampieritreritra  napetrak'Isaia hoe : "Koa ampitovianareo amin'iza moa Andriamanitra? (Isa. 40:18)?

Na ho an'i Isaia na ho an'i Jôba dia mazava loatra ny valiny: tsy misy mitovy Aminy. Tsy manam-paharoa Andriamanitra. Kanefa niverenan'i Isaia ny fanontaniany ary noresahiny ny amin'ny valintenin'ny ankamaroan'ny olona tamin'izany andro izany. Na tsy namaly mivantana aza ireo olona ireo dia fantatra mazava amin'ny aIalan'ny zavatra nataony kosa ny valinteniny, dia ireo sampy nataony andriamanitra (Isa. 40:19,20).

Mamaly i Isaia ho setrin'izany. Efa hita ho fahadalana rahateo ny manao sarin-javatra voasokitra ampitovina amin'Andriamanitra, fa mba hampahazava tsara amin'ny olona ny tiana ambara dia asongadiny ny maha-tokana sy tsy manan-tsahala an'Andriamanitra, ka ilay hevitra tsy azo lavina momba ny maha-Mpamorona Azy no nentiny hanohanana izany (Isa. 40:21-26). 

Ahoana no anehoan'ny and. 27 ny toetratr'ireo olona iresahan'Isaia eto? Manana toetra ratsy toy izany koa isika indraindray, amin'ny fomba ahoana?

Ny tanjon'ny hafatr'Andriamanitra dia ny hampionona ireo izay mila izany! Tahaka an'i Jôba, dia nanahiran-tsaina sy nahakivy azy ireo ny fahoriana ka nampisalasala azy ny amin'ny toetran'Andriamanitra. 

Diniho ireo andininy natao hovakina androany. Tsy ny famindrampon'Andriamanitra sy ny heriny ihany no resahina ao fa ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra ihany koa. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny tokony hahatakarana izany fahamarinana izany? Manampy amin'ny fanamafisana izany teboka manan-danja lehibe izany ny Sabata isan-kerinandro; amin'ny fomba ahaoana? 

Satria soloan'ny fanompoan-tsampy zavatra hafa Andriamanitra, dia potehiny ny fifandraisana ety sy tsy manan-tsahala amin'Andriamanitra (Eks. 20:4,5; Isa. 42:8). Koa «fijangajangana» ara-panahy no ilazan'ny mpaminany ny fanompoan-tsampy (Jer. 3:6-9, Ezek. 16:15-19).

Vakio ny Isa. 41:29. Ahoana no amariparitan'i Isaia ny fanompoan-tsampy? Ahoana no fahazoanao ny zavatra ambarany eto momba izany? Nahoana no marina tokoa izany famaritana ny toetry ny sampy izany, na manao ahoana na manao ahoana karazany?

Nino ireo mpanompo sampy fahiny fa andriamanitra mahery no nivavahany tamin'ny aialan'ireo sary sy tandindona maneho azy. Ny fivavahana amin'ny sampy maneho andriamani-kafa dia mandika ilay didy voalohany manao hoe: 'Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany." Fa raha natao anehoana Ilay Andriamanitra marina kosa ny sampy iray, tahaka ilay ombilahy kely volamena (Eks. 32:4,5), dia lavin'Andriamanitra ny fitovian'izany Aminy satria tsy misy olona na iza na iza mahay maneho ny endriny (Deo. 4:15-19), ary tsy misy na inona na inona azo ampitahaina amin'ny voninahiny sy ny fahalehibiazany. Araka izany, ny sampy na ny sarin-javatra voasokitra mihitsy no andriamani-kafa, ary ny fiankohofana aminIzany dia fandikana ny didy voalohany sy ny faharoa.

Tsy ilain'ny vahoakan'Andriamanitra ny sampy, satria ilay shekinah (teny hebreo, jereo ny Eks. 24:16,17) mariky ny fanatrehan'Andriamanitra mihitsy no efa. miaraka amin'izy ireo ao amin'ny fitoerany masina. Ny fivavahana amin'ny sampy, noho izany, dia fanoloana sy fandavana ilay tena fanatrehan'Andriamanitra. 

Inona avy ireo karazany sampy mety ananantsika ankehitriny amin'ny maha-fiangonana antsika? Tsy miseho amin'ny endriny mivantana ny fanompoan-tsampy ao amin'ny fiangonana ankehitriny. Izany tokoa ve? Raha eny, amin'ny fomba ahoana? "Maro arnin'ireo izay mitondra ny anarana hoe Kristianina no manompo andriamanitra hafa ankoatra ny Tompo. Fanoloran-tena tanteraka no tadiavin'ny Tompo amintsika, sy ny fametrahantsika Azy ho lohalaharana amin'ny zavatra rehetra. Izay rehetra mampihena ny fitiavantsika an'Aridriamanitra, na manakantsakana ny fanompoana tokony hataontsika ho Azy, dia manjary sampy." — SDABC, b. 2, tt. 1011-1012.

Hitantsika avy amin'ireo asasoratra tranainy fa manintona ny fanompoan-tsampy satria mahakasika ny vola sy harena ary ireo zavatra eto aminhao tontolo izao izany. Tatnin'ny alalan'ny ireo fombafombam-pivavahana izay mifanaraka amin'ny sain'ny olona no nanomezan'ny mpanompo sampy voninahitra ireo hery izay ninoany fa afaka hanome azy fahavokarana sy fanambinana. Mifototra amin'ny herin'ny tena io fivavahana io. Mampahatsiahy anao inona izany?

Mialoha kelin'ny fiavian'ny Tompo indray, rehefa voaomana ny lalany, amin'ny alalan'ny hafatra fampihavanana entin'ilay Elian'ny andro farany (Mal. 3 :19-24), dia ireto ihany no safidy hisy, tahaka ny tamin'ny andron'i Isaia: Hivavaka aminilay Andriamanitra Mpamorona ve ianao sa hivavaka arnin-javatra hafa (Apôk. 13,14?) Raha ny marina mantsy dia tsy misy ny eo anelanelany fa tsy maintsy manana «zavatra» ivavahana mandrakariva isika (Apôk. 13,14)

Vakio ny "Indro Andriamanitrareo" ao amin'ny MM, tt. 259-266. 

«Nohamaizinin'ny tsy fahalalany an'Andriamanitra ny toe-panahin'ny olona tamin'ny andron'Isaia. Niezaka hampino ny olona nandritra ny fotoana ela i Satana fa ny Mpahary no niavian'ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Koa nihevitra ireo olona voafitany tamin'izany fa Andriamanitra dia Andriamanitra tsy mifaditrovana sy mila voa tsy ary ka mandinika azy ireo hiampangana sy hanamelohana azy ary tsy mandray ny mpanota mankeo Aminy. Ny lalàm-pitiavana mifehy ny fanjakan'ny lanitra dia nasehon'ilay mpamitaka lehibe ho famelezana ny fahasambaran'izy ireo sy ho zioga mavesatra tokony hialany amin-kafaliana. Lazain'i Satana fa tsy azo atao ny hitandrina ny fitsipika amin'io lalàna io ary ny fanasaziana raikitra amin'ny fandikana izany, dia atao amin'ny fomba jadona - MM, t. 259. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Fintino amin'ny fomba filazanao azy manokana ny Isa. 40:12-31. Soraty izany ka mampiasa sary an'ohatra moderina, toy ny valina fikarohana ara-tsiansa vao tsy ela, izay mampiseho mazava kokoa aza ny fahalehibiazan'ny herin'llay Andriamanitsika. Zarao amin'ny iray kilasy ny famintinana nataonao. 

2. Midika inona ho anao, manoloana ny fahatahoranao ny fahafatesana, ny famariparitan'i Isaia ny faharetan'ny Tenin'Andriamanitra izay mifanohitra amin'ny fiainantsika olombelona izay marefo sy miheiina ihany (Isa. 40:6-8)? Inona no ifandraisan'izany amin'ny fanantenanao ny fitsanganana amin'ny maty (Joba 19:25-27; Dan. 12:2; 1 Kôr. 15:51-57; 1 Tes. 4:13-18)? 

3. Raha raisina am-po izay voa1aza ao amin'ny Isa. 40:12-31, anoana no mety hahasitrana ny olona amin'ny aretin'ny fireharehana sy ny avonavona?

Famintinana: Mampahery sy mampionona ireo izay niaritra fahoriana Andriamanitra amin'ny alalan'i Isaia. Nifarana ny androm-pahorian'izy ireo, ary niverina taminy indray Andriamanitra. Mahazo matoky an'Andriamanitra izy fa afaka mampiasa ny heriny amin'ny maha-Mpamorona Azy Izy ho azy ireo, ka tsy tokony ho kivy na very hevitra izy.