Lesona 7: Ny faharesen'ny Asirianina

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 36:1; Isa. 36:2-20; Isa. 36:21-22 ; 37:1-20; Isa. 37:21-38; Isa. 38; 39.
Tsianjery: "Ry Jehôvah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany" - Isa. 37:16.

Alaivo sary an-tsaina ny lehilahy iray mahia dia mahia mandeha tsy mikiraro miaraka amin'ny zanany lahy anankiroa. Misy fianakaviana iray hafa koa mametraka ny fananany rehetra eo ambony sarety tarihin'ny omby kaozatina. Lehilahy iray no mandroaka ireo omby ireo ary vehivavy roa no mipetraka eo ambonin'ny sarety. Ny olona mahantra kosa tsy manana sarety ka entiny eo an-tsorony ny entany.

Eny rehetra eny ny miaramila. Kanontabe no mandona mafy ny vavahadin'ny tanàna. Mamely ireo mpiaro ny manda amin'ny zana-tsipika ny mpitifitra. Faty olona mahatsiravina no miampatra etsy sy eroa.

Alaivo sary an-tsaina indray ny mpanjaka iray mipetraka amim-boninahitra eo amin'ny seza fiandrianany. Manatona azy ny sasany amin'ireo babo, manandra-tanana, mitalaho famindrampo. Ny hafa indray mandohalika na mitorovoka. Izao teny izao no anombohana ny filazalazana ny amin'ny mpanjaka ao anatin'ireo toe-javatra ireo: "Sankeriba, mpanjakan'izao tontolo izao, mpanjakan'i Asiria", ary tohizana amin'ny hoe: "nipetraka teo amin'ny nêmedu - seza fiandrianana, ary nandalo teo anatrehany ireo babony tao amin'ny tanànan'i Lakisy." - The Writing on the Wall (Winona Lake, Indiana: Eisenbrauns, 1999), John Malcolm Russell, tt. 137,138.

Ao amin'ny tranom-bakoka "British museum" ankehitriny no ahitana ireo kisarisary izay nandravaka ny rindrin'ny rovan'i Sankeriba, izay nantsoina hoe "Rova tsy manan-tsahala". Tantara mahatalanjona no tantarain'izany momba ny fahorian'ny vahoakan'Andriamanitra.

Inona no nitranga tamin'ny Joda? 2 Mpanj. 18:13; 2 Tant. 32:1; Isa. 36:1.

Fanjakana izay tsy nanana fahaleovantena feno intsony nr nolovain'i Hezekia rehefa maty i Ahaza rainy. Novidin'i Ahaza ny fanampian'ny Asirianina azy ireo tamin'ny niadiana tamin'i Siria sy Isiraely ka voatery nanohy ny fandoavana ny "vola ho fiarovana" izy ireo hanehoana ny fanomezam-boninahitra an'i Asiria (jereo ny 2 Tant. 28:16-21). Nanjary narefo ny fanjakan'i Asiria nony nodimandry tany amin'ny tanim-piadiana tany lavitra i Sargema II mpanjakany ka nodimbiasan'i Sankeriba tamin'ny taona 705 TlK. Porofo avy amin'ny lahatsoratra asirianina sy ny Baiboly no manambara fa nanararaotra izany fotoam-pahalemena izany i Hezekia ka niodina taminy (jereo ny 2 Mpanj. 18:7). Nandray fepetra mahery vaika izy ka nitarika fikomiana nanohitra ireo Asirianina, teo amin'ireo firenena madinika manodidina azy.

Diso anefa i Hezekia tamin'ny fanamaivanana ny herin'ny Asirianina. Rehefa voafehin'i Sankeriba ireo faritra hafa tao amin'ny fanjakany dia hery lehibe no nandravany an'i Siria sy Palestina, sy namelezany mafy ny firenen'i Joda.

Nanao ahoana ny fiomanan'i Hezekia hiady amin'i Asiria? 2 Tant. 32:1-8.

Rehefa hitan'i Hezekia fa nikasa hamely an'i Jerosalema renivohitra i Sankeriba dia nanao fiomanana samihafa izy hiadiana amin'ny Asirianina. Nohamafisiny ireo manda ary nampitomboiny ny fitaovan'ny miaramilany sy ny fandaminana azy ireo; nampitomboiny koa ny fiarovana ny fitarihan-drano ho ao Jerosalema (jereo koa ny 2 Mpanj. 20:20; 2 Tant. 32:30). Raha mitsidika ny lakan-dranon'i Siloama ianao dia mahita soratra mikasika ny nanamboarana izany. Inoan'ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly fa tamin'ny fotoana niomanan'i Hezekia hiady tamin'i Asiria no nanaovana izany lakan-drano Siloama izany.

Zava-dehibe tahaka ny fahaiza-mitarika ara-tafika sy ara-pandaminana ny fananan'i Hezekia fahaiza-mitarika ara-panahy; nanao izay hampaherezana ny vahoakany izy nandritra izany fotoana mahatahotra izany. "Efa nanapa-kevitra hanao izay farany azo atao anefa ny mpanjakan'ny Joda mba hanoherana azy. Rehefa vita izay rehetra tratran'ny fahaizana sy ny herin'olombelona natao, dia nangoniny ny miaramilany ary namporisika azy ireo mba hanana herim-po izy." - MM, t. 293.

Nahoana i Hezekia no nanao ezaka lehibe toy izany kanefa nitoky tamin'i Jehovah? Moa ve nanda ny finoany ny asany? Jereo ny Fil. 2:12,13 mikasika ny fiaraha-mlasa amln'Andriamanitra izay hahazoana ny hery mahomby tokoa.

Tsy hoe ratsy fanahy fotsiny ireo mpanapaka asirianina fa mahira-tsaina koa. Tsy fandravana ihany no tanjony fa ny nahazo harena sy fahefana koa (ampitahao amin'ny Isa. 10:13,14). Nahoana no hampiasa fitaovana maro mba hahazoana tanana iray raha azo atao ihany ny mandresy lahatra mponina ao mba hitolo-batana? Izany no tao an-tsain'i keriba. Raha niady tamin'i Lakisy izy dia naniraka an'i bsake, tandapa manana toerana ambony, mba haka an'i Jerosalema amin'ny alalan'ny rripielezan-kevitra.

Inona ny teny nalahatr'i Rabsake mba hampitahorana ny vahoaka Joda? Isa.36: 2-20; jereo koa ny 2 Mpanj. 18:17-35; 2 Tant. 32:9-19.

Tohan-kevitra mafonja maromaro no nambaran'i Rabsake tamin'ireo Joda: tsy afaka toky amin'i Egipta ianareo satria malemy sy tsy azo itokiana izy; tsy afaka mitoky amin'Andriamanitra hanampy anareo ianareo satria nanao izay nahatezitra Azy i Hezekia in'ny nandravany ny fitoerana avo sy ny alitara manerana an'i Joda sy ny nilazany in'ny vahoaka mba hiankohoka eo amin'ny alitara iray any Jerosalema. Miandany in'i Asiria Andriamanitra ka nilaza tamin'i Sankeriba mba handrava an'i Joda. Ary tsy ana lehilahy voaofana afaka hitaingina soavaly 2000 akory aza ianareo.

Mba tsy hanaovana fahirano anareo, izay tsy hanananareo hanina sy rano hosotroi(na, dia milefera mba tsy hanasiana ratsy anareo. Tsy mahavonjy anareo i Hezekia, ary noho tamin'ireo andriamanitry ny firenena rehetra izay tsy nahavonjy azy tamin'ny tanan'i iria, dia azo antoka fa tsy hahavonjy anareo koa ny Andriamanitrareo.

Nilaza ny marina ve i Rabsake?

Maro tamin'izay nambarany no marina ka naharesy lahatra tokoa ny teny nataony. Nanohana ny teniny ny hevitra roa tsy nolazainy akory. Voalohany, niverina avy tany Vkisy tokoa izy, 48 km mahery miala eo, izay nanehoan'ny Asirianina ny fiafaran'ny ana mimanda iray sahy nanohitra azy ireo. Faharoa, nisy andiana miaramila mahery Waraka taminy (Isa. 36:2). Noho ny fahafantaran'ireo mponina tao Joda ny nahazo ireo Ofiky ny tanana hafa (anisan'izany i Samaria, renivohitry ny faritra avaratr'Isiraely: 2 panj. 18:9,10) izay resin'i Asiria, dia tsy hisalasala izy ireo fa ho rava i Jerosalema, raka ny fijery maha-olombelona (ampitahao amin'ny Isa. 10:8-11). Marina ihany koa ny nambaran'i Rabsake fa noravan'i Hezekia ireo toerana maro fanaovana fanatitra ka ny tempolin'i Jerosalema no notendreny ho hany toerana hiankohofana (2 Mpanj. 18:4; Tant. 31:1). Nahatezitra ilay Andriamanitra hany fanantenan'ny olona ve anefa izany fnavaozana izany? Moa ve Izy afaka mamonjy azy ireo, ary hanao izany va? Andriamanitra ihany no afaka mamaly izany fanontaniana izany!

Efa niaina toe-javatra sahala amin'izany ve ianao, izay nahitanao araka ny fomba fijerin'olombelona fa tsy misy azo antenaina intsony? Taiza ianao no nitady Vonjy tamin'izany? Raha tianao, miomana hizara amin'ny kilasy ny fanandramana ny nataonao tamin'izany sy izay niseho vokatrizany.

Nanao ahoana ny fiantraikan'ny kabary feno hafetsena nataon'i Rabsake teo amin'i Hezekia sy ireo tandapany? 2 Mpanj. 18:37; 19: 1-4; Isa. 36:21,22; 37:1-4.

Natahotra mafy i Hezekia ary nitafy lamba fisaonana; nitodika tamin'Andriamanitra izy ka tamim-panetren-tena no nitadiavany ny fanelanelanan'i Isaia, ilay mpaminany nanoro hevitra ny rainy saingy nataon'ito farany tsinontsinona.

Ahoana no nampaherezan'Andriamanitra an'i Hezekia? Isa. 37:5-7.

Fohy ihany ilay hafatra saingy feno. Niandany tamin'ny olony Andriamanitra. Nambaran'i Isaia fa handre siosio i Sankeriba; hahavariana azy izany ka tsy hanafika an'i Joda izy. Tanteraka avy hatrany izany.

Diso fanantenana i Sankeriba tamin'izay fotoana izay kanefa tsy namela ny toe-javatra hijanona amin'izao izy fa nandefa hafatra nampihorohoro tamin'i Hezekia: "Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao hianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asiria ( ...) Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako?" - Isa. 37:10,12; Jereo ihany koa ny 2 Tant. 32:17.

Nandeha tany amin'ny tempoly avy hatrany i Hezekia ka namelatra izany teo anatrehan'i Jehôvah Tompon'ny maro, "izay mipetraka eo amin'ny kerôbima" Isa. 37:14,16.

Ahoana no anehoan'ny vavak'i Hezekia ny hasarotry ny toe-javatra nisy tao Jerosalema? Isa. 37:15-20.

Nataon'i Sankeriba mihitsy izay hamelezana ny fiarovana mafy indrindran'i Hezekia: ny finoany an'Andriamaniny. Tsy nanaiky ho resin'izany anefa i Hezekia fa nangataka an'Andriamanitra haneho ny maha-Izy Azy "mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao irery ihany no Jehôvah" Isa. 37:20.

Mivavaha eo am-pamakiana ny vavaka nataon'i Hezekia (Isa. 37:15-20). Inona ny lafin-javatra ifantohan'Andriamanitra? Inona ny fitsipika hitantsika ao amin'io vavaka Io, izay mampahery antsika sy mampijoro antsika ho mahatoky eo amin'ny toe-java-tsarotra atrehintsika manokana?

Nambaran'i Sankeriba ao amin'ny diariny fa tanàna mimanda 46 no nalainy ho azy; nanao fahirano an'i Jerosalema izy ary i Hezekia Jiosy dia nataony "gadra tany Jerosalema, fonenany amin'ny maha-mpanjaka azy, tahaka ny vorona ao anatin'ny tranokeliny." - A ncient Near Eastern Textes Relating to the Old Testament (Princeton, New Jersey: Princeton University Press, 1969), James B. Pritchard, editor, t. 288. Na dia tiany aza ny fampielezan-kevitra ho fanindrahindrana ny tenany, dia tsy nisy ny lahatsoratra na sary nanehoany fa azony i Jerosalema. Mahatalanjona ny tsy nilazany izany, raha ny fijerin'olombelona, satria mpanjaka nanana fahefana lehibe tsy azo nivalozana i Sankeriba kanefa nitarika fikomiana nanohitra azy i Hezekia. Tsy nahazo nanantena ny ho velona intsony anefa izay nikomy tamin'i Asiria, ary mahatsiravina ny fomba nahafatesany.

Eken'ny manam-pahnizana fa na dia tsy nanana ny fitantaran'ny Baiboly aza isika dia tsy maintsy ho niaiky fa nisy fahagagana niseho tamin'izany andro izany. Nofenoin'i Sankeriba sary sokitra mitantara ny nanaovany fahirano an'i Lakisy ny rindrin'ny "lapa tsy manan-tsahala"; azo heverina fa nataony izany mba hanajan'ny olona azy hatrany. Noho ny fahasoavan'Andriamanitra no tsy nahitana an'i Jerosalema teo amin'ireo sary ireo! Tsy notantarain'i Sankeriba ny tohin'ny tantara fa notantarain'ny Baiboly kosa.

Ahoana ny tohin'ny tantara? Isa. 37:21-37.

Hafatra manome toky an'i Joda no nampitondrain'Andriamanitra ho setrin'ny vavaka nataon'i Hezekia tamim-pinoana. Nirehitra tamin'ny mpanjakan'i Asiria ny fahatezeran'Andriamanitra noho ny fahasahiany niteny ratsy ny anaran'ny Mpanjakan'ny mpanjaka (Isa. 37:23). Notanterahin'Andriamanitra avy hatrany ny fampanantenany ny hiaro an'i Jerosalema (2 Mpanj. 19:35-37; 2 Tant. 32:21,22; Isa. 37:36-38).

Fahagagana lehibe no ilaina ao anatin'ny olana lehibe, ary indro fa tanteraka tokoa izany. Betsaka no maty tamin'izay fotoana izay: 185 000 ka tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nody i Sankeriba, ary tao amin'ny tranony ihany no nahafaty azy (ampitahao amin'ny faminanian'i Isaia ao amin'ny Isa. 37:7-38).

"Nandresy ny Asiriana mpiavonavona ny Andriamanitry ny Hebreo. Novaliana teo imason'ny firenen-kafa izy noho ny voninahitr'i Jehovah. Dibo-kafaliana ny fon'ny mponina tao Jerosalema (...)"- MM, t. 299. Raha nandresy an'i Jerosalema i Sankeriba dia ho nentiny ho babo ny Joda ka ho very ny maha-izy azy ireo, tahaka ny faritra avaratr'Isiraely. Raha ierena amin'ny lafiny hafa izany dia tsy ho nisy ny vahoaka jiosy izay nahaterahan'ny Mesia satria ho tapitra hatreo ny tantaran'izy ireo. Nohazonin'Andriamanitra ho velona anefa ny fanantenana.

Raha misy olona tsy mino ny Baiboly na ilay Andriamanitry ny Baiboly mametraka izao fanontaniana izao, dia inona no havalinao: Rariny ve ny nanjo ireo miaramila asirianina marobe izay tsy nisafidy ny ho teraka teo amin'izany tany izany kanefa niara-maty ireo? Ahoana ny fahatakaranao manokana ny zavatra nataon'Andriamanitra eto?

Mifanakaiky ny fotoana namonjen'Andriamanitra an'i Hezekia tamin'ny tanan'i Sankeriba sy ny toe-javatra hita ao amin'ny Isa. 38 sy 39 ; (2 Mpanj. 20), na dia mbola tsy nitranga aza ny fanafahana resahin'ny Isa. 37 (jereo koa ny 2 Mpanj. 19). Hita ao amin'ny Isa. 38:5,6 sy ny 2 Mpanj. 20:6 fa mbola niatrika ny fandrahonan'ny Asirianina izy ireo.

"Vonona ny hanao izay hahafatesan'i Hezekia sy handravana an'i Jerosalema i Satana; noheveriny tamin'izany fa raha tsy eo intsony i Hezekia dia hitsahatra ny ezaka ataony amin'ny fanavaozana, ka ho mora foana ny handrava an'i Jerosalema." - SDABC, b. 4, t. 240.

Inona no ambaran'ny teny eo ambony amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny fahaiza-mitarika ho an'ny vahoakan'Andriamanitra?

Inona ny famantarana nomen'Andriamanitra an'i Hezekia mba hampiorenanc ny finoany? 2 Mpanj. 20:8-10; Isa. 38:6-8.

Ny fandavan'i Ahaza ny famantarana natolotr'Andriamanitra azy (Isa. 7) no niantombohan'ny fisehoan'ireo toe-javatra nitarika ho amin'ny olana teo amin'ny Joda sy i Asiria. Mangataka famantarana anefa i Hezekia izao (2 Mpanj. 20:8). Koa nampaherezin'Andriamanitra izy mba hiatrika ny toe-java-tsarotra izay nihatra tamin'ny firenen'i Joda vokatry ny nataon-drainy. Tsy azo atao ny mamerina ny aloka teo amin'ny. dialin'i Ahaza raha tsy amin'ny alalan'ny fahagagana irery ihany.

Nianatra momba ny fihetsehan'ny zavatra hita maso eny amin'ny habakabaka ireo Babilônianina ary nandrakitra izany an-tsoratra mazava. Azo heverina araka izany fa tsikaritr'izy ireo ny toe-javatra tsy fahita teo amin'ny masoandro ary nanontany tena ny amin'ny hevitr'izany izy. Tsy kisendrasendra ny nandefasan'ny mpanjaka Merodaka-baladana iraka tamin'izany fotoana izany. Tamin'izany no nandrenesan'ireo Babilônianina ny fifandraisan'ny fahasitranan'i Hezekia sy ilay famantarana mahagaga.

Fantatsika izao ny antony nifidianan'Andriamanitra io famantarana manokana io. Tahaka ny nampiasany ny kintana tany Betlehema taty aoriana mba hitarihana ireo mau avy any atsinanana no nampiasany ny fanemorana ny ora (ny masoandro) mba hitarihana ireo mpitondra hafatra avy any Babilôna. Fotoana manokana ho azy ireo izany hianarany momba ilay Andriamanitra marina. Nandany ny fotoana nanjakany iray manontolo tamin'ny fiezahana hahazo fahaleovantena avy amin'i Asiria i Babilôna. Nila mpiara-dia mahery izy noho izany; manazava ny fahavononany hifandray amin'i Hezekia izany. Raha ny masoandro aza mihetsika noho ny fangatahan'i Hezekia, inona kosa no hataony amin'i Asiria?

Nanana fotoana lehibe hanomezam-boninahltra an'Andriamanitra sy hampitodihana ny Babilônianina Aminy I Hezekia saingytsy nanao izany, nahoana? Inona ny vokatr'izany? Isa. 39. Ny "voninahitry ny tenany" no nasehon'i Hezekia raha tokony ho nijoro ho vavolombelona tamin'izy ireo momba an'Andriannanitre izy. Inona ny lesona ho antsika amin'izany?

"Ny fanelanelanan'Andriamanitra mivantana irery ihany no afaka hampihemotra any aloha ambaratonga folo eo amin'ny tavam-pamantara-masoandro. Koa izany famantarana izany no hanaporofo amin'i Hezekia fa nandre ny vavaka nataony ny Tompo. `Ary Isaia nitaraina tamin'i Jehôvah Izay nampiverina ny aloka hadiny (ambaratonga) folo teo amin'ilay nidinany teo amin'ny dialin'i Ahaza'- and. 8-11 "- MM, t. 285 "

"Nanolotra fotoana tsy nampoizina an'i Hezekia hanehoana ny fahatsaran'llay Andriamanitra velona ireo iraky ny mpanjaka avy any an-tany lavitra ireo. Endrey ny naha-mora atao ny fanambarana tamin'ireo olona ireo ny momba Ilay Mpahary ny zava-manan'aina rehetra sy ny hilazana aminy fa Izy no nampitombo ny androm-piainany raha very ny fanantenana rehetra! (...) Kanjo ny avonavona sy ny fieboeboana no nandresy ny fon'i Hezekia. Ary mba hiderany tena dia nampiseho ireo zava-tsoa nomen'Andriamanitra ny vahoakany hampanan-karena azy tamin'ireo ambasadaoro babyloniana feno fitsiriiitana ireo izy. 'Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra' - Isa. 39:2. Tsy mba hanomezana voninahitra an'Andriamanitra no antony nanaovany izany, fa ny hanandratany tena teo imason'ireo filoha avy amin'ny firenen-kafa." - MM, tt. 286, 287.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Inona no mampitovy an'i Satana sy i Rabsake asirianina? Marina ve ny fanambarany fa nanota ianao (Zak. 3:1)? Ahoana no avaiin'Andriamanitra izany? Jereo ny Zak. 3:2-5. Inona no hany fanantenanao manoloana ny fiampangan'i Satana? Rôm. 8:1.

2. Mampitsahatra ny fiampangany ve i Satana rehefa avela ny helokao? Jereo ny Apôk. 12:10. Na dia efa navelan'Andriamanitra aza ny helokao dia mbola milaza aminao ihany i Satana fa azy ianao satria nanota; inona no ilazana izany fiampangany izany? (Vakio ny Deo. 19:16-21, izay miresaka ny amin'ny Ialàna mikasika ny lainga sy ny fijoroana ho vavolombelona mandainga).

Famintinana: Namonjy ny olony sy naneho ny maha-Izy Azy Andriamanitra ho setrin'ny fitalahoan'ny mpanjaka mahatoky iray. Nasehony fa Izy no Tsitohan'ny Isiraeiy izay mifehy ny tantaran'ny tany. Tsy mandringana ireo izay mikasa handringana ny olony fotsiny Izy fa manome fahafahana ny hafa ho tonga olony koa, na dia "Babilônianina" aza ireo.