Lesona 6: Manao ny tenany ho Andriamanitra

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 13; Isa. 13:2-22; Isa. 14; Isa. 24, 25, 26, 27.
Tsianjery: "Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehôvah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika" - Isa. 25:9.

Nandona fo ny toriteny nataon'ny mpitandrina iray momba ny fireharehana. Rehefa avy nandre izany ny vehivavy iray dia niandry azy ary nilaza taminy fa sahiran-tsaina mafy. Misy fahotana iray lehibe tiany aboraka aminy. Nanontanian'ilay mpitandrina azy izany fahotana izany.

" 'Ny fahotan'ny fireharehana' hoy izy namaly, efa andro maromaro izay, raha nandany ora iray teo am-pijerena fitaratra aho, dia finaritra ery nandinika ny hatsaran-tarehiko.' " 'Ô', hoy ilay mpitandrina, 'tsy fahotan'ny fireharehana izany fa fahotan'ny fiheveran-diso!'" — C. E. Macartney, nangonin'i Paul Lee Tan, p. 1100.

Hatramin'ny nisian'ny ota tao am-pon'ny anjely mahery iray dia nohajambain'ny avonavona na ny anjely na ny olona, ka tsy mahita intsony ny zava-misy marina. Olana lehibe izany ao amin'ireo izay feno fireharehana ara-panahy. Mampalahelo tokoa fa heniky ny faharatsiana loatra izy ireo ka tsy misy vonjy ho azy raha tsy hery hafa ivelan'ny tenany.

Anisan'ny hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny hoe: avy aiza ny avonavona sy ny fanandratan-tena? Ireo roa ireo no voalohany indrindra amin'ny fahotana.

Ny Isa. 13:1 dia lohateny milaza an'i Isaia ho mpanoratra ilay faminaniana (ampitahao amin'ny Isa. 1:1, Isa. 2:1); toa maneho fiantombohana fizarana vaovao ao amin'ilay boky koa izany. Mirakitra faminaniana momba ny fitsarana hihatra amin'ny firenena maro samihafa ny toko 13-23. Andeha hojerentsika ny amin'izany.

Nahoana no manomboka amin'i Babilôna ireo faminaniana mampitandrina ny firenena ireo?

Efa nanonona fitsarana ho an'i Asiria, ilay nampidi-doza indrindra tamin'ny andron'i Isaia, ny Isa. 10:5-34. Mamerina milaza fohifohy ny drafitr'Andriamanitra ny amin'ny handreseny an'i Asiria ny Isa. 14:24-27, fa ny tena votoatin-dresaka ao amin'ny toko 13-23 dia ireo loza hafa mandindona, ka i Babilôna no lehibe indrindra amin'izany.

Nanana lova efa tranainy maro samihafa ara-kolontsaina, ara-pivavahana, ary ara-pôlitika i Babilôna. Nanjary fahefana lehibe sy matanjaka izy taty aoriana, izay nandresy sy namabo an'i Joda. Tarnin'ny andron'i Isaia anefa, araka ny fijerin'olombelona, dia tsy mbola hita ho loza mananontanona ny vahoakan'Andriamanitra i Babilôna. Nandritra ny ankamaroan'ny fotoana niasan'i Isaia dia nanjaka tamin'i Babilôna i Asiria. Hatramin'ny taona 728 TlK, rehefa lasan'i Tiglato-Pilesera III ho babo i Babilôna ka tonga mpanjakan'i Babilôna izy tamin'ilay anarana hoe: Pulu (na "Pola", jereo ny 2 Mpanj. 15:19, 1 Tant. 5:26), dia efa imbetsaka no namaboan'ireo mpanjaka asirianina an'i Babilôna (tamin'ny taona 710 TlK, 702 TlK, 689 TlK, sy 648 TlK). Nony farany anefa dia i Babilôna ihany no nanjary fahefana matanjaka indrindra nandrava ny fanjakan'i Joda.

Vakio ny Isa. 13. Mariho ny hamafin'ny teny ambara ao. Nahoana Ilay Andriamanitra fitiavana no manao izany zavatra izany? Na nahoana no avelany hitranga izany? Tsy isalasalana fa hisy olona tsy manan-tsiny hiharan'ilay fahoriana (Isa. 13:16), sa tsy izany? Ahoana no fahazoantsika izany nataon'Andriamanitra izany?

Ity Iahatsoratra ity sy ireo Iahatsoratra hafa ao amin'ny Baiboly, izay milaza momba ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny fahotana sy ny faharatsiana, tsy tokony hanambara amintsika ny toetra mamohehatra ananan'ny fahotana sy ny faharatsiana ve izy ireo? Tsy efa ampy anehoana amintsika ny maha-ratsy ny fahotana ve ny fanehoan'llay Andriamanitra fitiavana fihetsika toy izany eo anatrehan'ny ota? Aoka tsy hohadinointsika fa i Jesôsy no manao ireo fampitandremana ireo amin'ny alalan'i Isaia, dia Ilay Jesôsy Izay mpamela heloka, mpanasitrana, mifona ho an'ny mpanota sy miangavy azy ireo mba hibebaka.

Ho anao manokana, ahoana no nahatakaranao io lafin-toetran'llay Andriamanitra fitiavana io? Apetraho amin'ny tenanao koa ity fanontaniana ity: Tsy noho ny fitiavany tokoa ve no mahatonga azy haneho fahatezerana? Raha eny, amin'ny fomba ahoana? Na, hevero koa ity fomba fijery anankiray ity: nitondra ny fahotan'izao tontolo izao teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy; mafy indrindra ny fahoriana niaretany, dia tahaka izay tsy mbola nanjo ny olona, na dia ireo "tsy manan-tsiny" nijaly noho ny fahotan'ny fireneny aza. Manampy antsika amin'ny famaliana ireo fanontaniana sarotra ireo ny fahoriana niaretan'i Kristy teo ambonin'ny hazo fijaliana; amin'ny fomba ahoana?

Rehefa nametraka ny tenany ho mpanjakan'i Babilôna i Nabôpôlasara, Kaldeanina, tamin'ny taona 626 TlK  dia namerina tamin'i Babilôna indray ny voninahiny. Izy no nanomboka ny tarana-mpanjaka babilônianina vaovao, ary nandray anjara (niaraka tamin'ny medianina) tamin'ny fandresena an'i Asiria. I Nebokadnezara II, zanany, no mpanjaka nandresy sy namabo an'i Joda.

Nanao ahoana ny niafaran'ilay tanànan'i Babilôna? Jereo ny Dan. 5.

Rehefa nobaboin'i Kyrosy Persianina ho an'ny Medianina sy ny Persianina ny fanjakan'i Babilôna (jereo ny Dan. 5), dia very mandrakizay ny fahaleovantenany. Nofaranan'i Xerxes I tamin'ny fomba feno herisetra ny fikomian'i Babilôna tamin'ny lalàna persianina tamin'ny taona 482 TlK. Nesoriny ny sarivongan'i Merodaka, ilay andriamaniny lehibe, ary fantatra koa fa noravany ireo toerana mimanda sy tempoly sasany.

Nalain'i Aleksandra Lehibe teo an-tanan'ny Persianina i Babilôna tamin'ny taona 331 TlK, ary tsy tamin'ny alalan'ny ady no nanaovany izany. Na teo aza ny fikasany hanao an'i Babilôna ho renivohiny any atsinanana, saingy tsy naharitra izy (i Aleksandra Lehibe), dia nitotongana nandritra ny taonjato maro ilay tanàna. Tamin'ny taona 198 TrK dia hitan'ilay Rômanina Septimus Severus i Babilôna, lao tanteraka. Nilaozana i Babilôna; izany no niafarany. Misy Irakianina vitsivitsy ihany monina any amin'ny faritra sasany amin'io tanàna tranainy io ankehitriny, saingy tsy nanorina izany indray tsy akory izy ireo.

Nanafaka ny taranak'i Jakôba teo ambanin'ny fampahorian'i Babilôna ny loza nanjo azy (nanjo an'i Babilôna) voalaza ao amin'ny Isa. 13 (Isa. 14:1-3). Tamin'ny alalan'ny namaboan'i Kyrosy an'i Babilôna tamin'ny taona 539 TlK no nahatanteraka izany. Na dia tsy nandrava ilay tanàna aza izy dia izany no niandohan'ny fifaranan'ny fanjakan'i Babilôna, ary tsy natahorana hiverina hampijaly ny vahoakan'Andriamanitra intsony izy.

Asehon'ny Isa. 13 ho fitsarana avy amin'Andriamanitra ny fianjeran'i Babilôna. Miaramilan'Andriamanitra ireo mpiady naka ilay Tanàna (Isa. 13:2-5). Natao hoe "andron'i Jehôvah" ilay andro fitsarana (Isa. 13:6, 9), ary mafy indrindra ny fahatezeran'i Jehôvah ka niantraika tamin'ny kintana, ny masoandro, ny volana, ny lanitra, ary ny tany (Isa. 13:10,13).

Ampitahao amin'ny Mpits. 5, izay misy ny fihirana nataon'i Debôra sy Baraka, milaza ny nandehanan'ny Tompo ka nampihorohoro ny tany sy nampilatsaka ny ranonorana avy any an-danitra izany fandehany izany (Mpits. 5:4). Voalaza ao amin'ny Mpits. 5:20,21 fa miady amin'ilay fahavalo avy any amin'ny firenen-kafa ireo singa ao amin'ny natiora, anisan'izany ny kintana.

Alaivo sary an-tsaina hoe ao anatin'ny fisandratan'ny voninahiny indrindra Babilôna, ary mamaky izay voasoratra ao amin'ny Isa. 13:19-22 manokana ny olona iray izay mponina ao. Fahadalana tokoa angamba no nandraisany izany! Inona ihany koa ireo faminaniana hafa tsy mbola tanteraka ka toa fahadalana amintsika, ary tsy azontsika an-tsaina velively aza ny mety hitrangany? Nahoana anefa no adala isika raha mihevitra fa tsy ho tanteraka izy ireny?

Manoloana ny fianjeran'i Babilôna (Isa. 13), izay fanafahana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra (Isa. 14:1-3), dia manao fanoharana ny Isa. 14:4-23, maneso ny mpanjakan'i Babilôna (jereo koa ny Mika 2:4, Hab. 2:6). Miendrika tononkalo izany, mazava loatra fa sary an'ohatra no antitranteriny satria mpanjaka efa maty no lazainy fa mitsena ilay namany vaovao any amin'ny fiainan-tsi-hita (Isa. 14:9,10), ka kankana sy olitra no ilafihany sy mandrakotra azy (Isa. 14:11). Fomba fanehoan'Andriamanitra ny tiany ambara fotsiny izany, fa haetry ny mpanjaka miavonavona, dia tahaka ireo mpanapaka be rehareha teo alohany ihany. Tsy famaritana ny toetoetry ny maty tsy akory izany !

Fomba ahoana no ifandraisan'ny Isa. 14:12-14 amin'ny mpanjakan'i Babilôna?

Nanome tombam-bidy ny tenany tokoa ireo mpanjakan'i Babilôna (Dan. 4, 5). Kanefa ny faniriana "ho tahaka ny Avo Indrindra" - Isa. 14:14 dia efa fanindrahindrana tafahoatra ny tena. Na dia nitady fifandraisana ety tamin'ireo andriamaniny aza ny mpanjaka dia teo ambanin'ny sitrapony kosa. Hita miharihary izany isan-taona, rehefa tonga ny andro fahadimy fankalazana ny taom-baovao babilônianina. Mandritra izany lanonana izany dia asaina manaisotra ireo marika famantarana ny maha-mpanjaka azy ilay mpanjaka mialoha ny hankanesany eo anatrehan'ilay sarivongan'i Merodaka, mba hahazoana manamafy ny fiandrianany. Koa noheverina ho fahadalana, eny famonoan-tena mihitsy aza, ny famindrana toerana ny andriamanitra iray, na dia andriamanitra ambany aza izany.

Tahaka ny ao amin'ny Isa. 14 dia milaza ny amin'ny fiavonavonan'ny mpanapaka teo amin'ny tanàna iray, izay nihaika an'Andriamanitra koa ny Ezek. 28. Eto ihany koa dia mihoatra lavitra noho ny famariparitana ny mpanjaka eto an-tany no ambara eto. Ary dia mihamazava ny tena tian'Andriamanitra ambara : Tao amin'ny saha Edena ity mpanjaka ity, kerobima voahosotra manaloka, tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra, tsy nanan-tsiny hatramin'ny andro namoronana azy ka mandra-pahita heloka tao aminy, noroahin'Andriamanitra, ary holevoniny amin'ny afo amin'ny farany (Ezek. 28:12-18). Lalina loatra izany sary an'ohatra izany, ka raha olombelona no ampiasana ireo voambolana manokana ireo dia tsy hisy heviny izany. Ny Apôk. 12:7-9 anefa dia mitantara tokoa ny amin'ilay anjely mahery izay noroahina niaraka tamin'ireo anjely namany tsy ho ao an-danitra intsony, dia "izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao" - Apôk. 12:9, sy namitaka an'i Eva tao Edena koa (Gen. 3).

Nirehareha fatratra tao am-pony i Satana: "(...) hoy hianao: `Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina, nefa olona ihany hianao, fa tsy Andriamanitra tsinona - Ezek. 28:2. Hanaporofo ny tsy maha-andriamanitra azy ny fahafatesany. Mifanohitra amin'i Kristy dia ho levona ao anatin'ny farihy afo sy solifara i Satana (Apôk. 20:10), ary tsy hiverina hamitaka izao tontolo izao intsony mandrakizay.

Ampitahao ireto toko sy andininy ireto: Isa. 14:13,14; Mat. 11:29, Jao. 13:5, sy Fil. 2:5-8. Milaza inona amintsika momba ny toetran'Andriamanitra sy ny toetran'i Satana ny fifanoherana hita ao? Inona no azontsika Iazaina mikasika ny fomba fijerin'ny Tompo ny fireharehana sy ny avonavona ary ny fanambonian-tena?

Ao amin'ny Isa. 14, ireo eson-teny momba an'i Satana, "ilay fitarik'andro" (na Losifera amin'ny dikan-teny anglisy KJV), "zanaky ny maraina" lavo (Isa. 14:12), dia mifangaro amin'ireo eson-teny atao amin'ny mpanjakan'ny Babilôna. Nahoana? Ampitahao amin'ny Apôk. 12:1-9 izany, izay ahitana ilay dragona, atao hoe Satana (Apôk. 12:9), miandry ny hahaterahan'ny zaza iray mba handrapaka azy raha vao teraka. Voaseho mazava ao amin'ny Apôk. 12:5 fa i Kristy izany zaza izany, ary i Herôda mpanjaka kosa no nanao izay hahafaty an'i Jesôsy raha mbola kely Izy (Mat. 2). Sady maneho an'i Satana no maneho ny fahefana Rômanina, izay soloan'i Herôda tena, ilay dragona eto. Mampiasa ny olornbelona ho fitaovana koa mantsy i Satana mba hanatanterahany ny asany. Tahaka izany ihany, i Satana no tao ambadiky ny mpanjakan'i Babilôna sy ny mpanjakan'i Tyro.

Nahoana I "Babilôna" no maneho an'i Rôma (1 Pet. 5:13) sy fahefana iray ratsy fanahy ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy tatY aoriana (Apôk. 14:8; 16:19; Apôk. 17:5; Apôk. 18:2,10, 21)?

Tahaka ilay Babilôna ara-bakiteny dia niavonavona koa i Rôma sy ny "Babilônan'ny Apôkalipsy", izay fahefana lozabe mampahory ny vahoakan'Andriamanitra. Jereo manokana ny Apôk. 17:6, fa "leon'ny ran'ny olona marina" izy. Mikomy amin'Andriamanitra izy ireo, efa tafiditra ao amin'ny hevitr'ilay anarana hoe: "Babilôna" rahateo izany. Babili no ilazana azy amin'ny teny babilônianina, midika hoe: "vavahadin'(ireo) andriamanitra", izay maneho fa eo no fidirana ho amin'ny fanjakan'(ireo) andriamanitra. Ampitahao amin'ny Gen. 11 izany, izay mitantara ny nanorenan'ny olona ny Babela mba hanatrarany ny maha-andriamanitra amin'ny herin'ny tenany, ka ho afaka madiodio amin'ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra.

Rehefa avy nanonofy ny amin'ilay tohatra mampifandray ny lanitra sy ny tany i Jakôba dia nihoraka hoe: "tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra"- Gen. 28:17. Mariho fa ilay "tranon'Andriamanitra" dia "vavahadin'ny lanitra" ihany; izany hoe, fidirana ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nomen'i Jakôba anarana hoe: "Betela" izany toerana izany, izay midika hoe: "tranon'Andriamanitra".

Samy fomba hanatrarana ny fanjakan'Andriamanitra na ny "vavahadin'ny lanitra" tao Betela na ilay "vavahadinlireo) andriamanitra" tany Babilôna, saingy mifanipaka. Andriamanitra no naneho ilay tohatr'i Jakôba; avy any an-danitra ambony no niavian'ilay tohatra. Ireo tilikambon'i Babilôna sy ireo tempoliny miendrika piramida kosa dia olombelona no nanorina azy, ary miainga avy eo amin'ny tany no miakatra izany fanorenana izany. Ireo fifanoherana ireo dia maneho lalana roa mankamin'ny famonjena, izay mifanipaka: ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra sy ny asan'ny olombelona. Miorina amin'ilay ohatry ny fanetren-tena teo Betela avokoa ny tena fivavahana marina rehetra: "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana"- Efes. 2:8,9. Ny fivavahan-diso rehetra kosa, anisan'izany ny fanindrahindrana ny lalàna sy ny fandalana ny maha-olona "araka izao tontolo izao", dia mifototra amin'ilay ohatr'i Babilôna feno avonavona. Jereo ny fanoharana nataon'i Jesôsy momba ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra (Lio. 18:9-14), mba hahitanao ny fifangarihan'ireo fomba fijery roa ireo.

Nandany taona maromaro tao amina monasitera Zen (miompana amin'ny fandinihan-tena amim-pivavahana eo am-pipetrahana tahaka an'i Bouddha) iray i Leonard Cohen, mpamoron-kira kanadianina. Na izany aza dia hoy izy tamin'ny mpanao gazety iray: "Tsy voavonjy aho". Araka ny levona androany, inona no olany raha ny hevitrao? Inona momba ny famonjena no nilainy ho fantatra?

Aorian'ny faminaniana loza ho an'ireo firenena tsirairay ao amin'ny Isa. 13--23, dia ambara ao amin'ny Isa. 24, 25, 26, 27 kosa ny faharesen'ny fahavalon'Andriamanitra maneran-tany sy ny fanafahana ireo olony.

Mitovy amin'ny famariparitan'i Isaia ny tany, izay foana sy lao (Isa. 24), ny fanehoan'i Jaona ireo tranga mifandraika amin'ny arivo taona izay manaraka ny fiavian'i Jesôsy fanindroany (Apôk. 20). Nahoana?

Toy izay hita ao amin'ny Isa. 13,14 dia mifanaraka amin'ny toetoetr'i Babilôna ara-bakiteny ireo fahefana tatý aoriana; ary maneho ny fitambaran'ireo olombelona mpanapaka kosa ny «mpanjakan'i Babilôna», miaraka amin'ilay atidoha mpiketrika ao ambadiny, dia i Satana izany. Koa ilay hafatra manambara ny faharavan'i Babilôna (Isa. 21:9) dia mety hiverina any aoriana (Apôk. 14:8Apôk. 18:2), ary ho levona ihany i Satana amin'ny farany, amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany (Apôk. 20:10). Na dia fitsaran'Andriamanitra aza ilay «andron'i Jehôvah» nandravana an'i Babilôna ara-bakiteny (Isa. 13:6,9), dia efa mby an-dalana koa ilay "andron'i Jehôvah, ilay lehibe sady mahatahotra" (Joe. 3:4, Mal. 3:23, ampitahao amin'ny Zef. 1:7).

Toy izany koa, ny fahitana ao amin'ny Isa. 24 dia manambara toe-javatra efa fantatra tamin'ny andron'i Isaia, "hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehôvah , Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema"-Isa. 24:23. Tsy isalasalana fa nihevitra tokoa i Isaia fa mikasika ilay Jerosalema fantany ilay fahitana. Manazava anefa ny bokin'ny Apôkalipsy fa any amin'ilay Jerosalema vaovao no hahatanterahan'izany (Apôk. 21:2). "Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy" - Apôk. 21:23.

Handringana ny ratsy fanahy tokoa ve Andriamanitra? Vakio ny Isa. 28:21, izay mitantara ny asa fandringanana ataon'Andriamanitra, dia "tsy ilay vitainy mandrakariva".

Tsy zavatra fanaon'Andriamanitra izany satria tsy tiany ny manao izany, kanefa ataony na asany ihany izany na izany aza. Marina tokoa fa miteraka fahafatesana ny ota (Jak. 1:15). Kanefa manam-pahefana hanome fiainana Andriamanitra ary manana ny fanalahidin'ny fahafatesana, Izy no mamaritra ny fotoana sy ny toerana ary ny fomba hitrangan'ilay fandringanana farany (Apôk. 20). Koa tsy mitombina ny fiheverana fa tsy hanao na inona na inona Andriamanitra ho famaranana hatreo ny ozon'ny ota fa hamela izany hizotra fotsiny ho amin'ny fiafarany, dia araka ilay vokatra aterany rahateo.

Izay hitantsika ao amin'ny Isa. 24, 25, 26, 27 no hitantsika taratra manerana ny Baiboly manontolo, dia ny hoe: tsinontsinona ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny alahelo ankehitriny, fa amin'ny farany dia handresy ny faharatsiana Andriamanitra sy ny fahatsarana. Inona àry izany no hany azontsika atao raha tiantsika ny hiombona anjara amin'izany fandresena farany izany? Ohab. 3:5-7, Rôm. 10:9.

"lzao no fanontaniana hipetraka: Fomba ahoana no ahazoantsika izany? Misy fepetra ve ahazoantsika ny famonjena? Tsy ilana fepetra velively ny fanatonantsika an'i Kristy. Ary raha manatona an'i Kristy kosa isika dia inona no tokony hataontsika? Ny mifikitra mafy sy tanteraka, amin'ny alalan'ny finoana velona, amin'ny fahamendrehan'ny ranilay Mpamonjy voahombo sy nitsangana tamin'ny maty. Raha manao izany isika dia manao ny asan'ny fahamarinana. Kanefa rehefa Andriamanitra no miantso ny mpanota eto amin'izao tontolo izao ka manasa azy, dia tsy misy fepetra izany. Miantso antsika amin'ny alalan'ny fanasan'i Kristy Izy, ary tsy misy hoe: tsy maintsy manao zavatra ianao ankehitriny mba ahazoanao manatona an'Andriamanitra. Tamy ny mpanota, ary eo am-panatonany no ahitany Kristy voasandratra eo amin'ilay hazo fijalian'i Kalvary. Ataon'Andriamanitra mifantoka amin'izany izy, axy hitany flay fitiavana tsy takatry ny sainy, flay mihoatra noho izay rehetra visavisainy. Io fitiavana io no ifikirany." — MRs, b. 6, t. 32.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Diniho izay voalazan'i Ellen G. White etsy ambony, ary raiso araka ny tontolon-kevitry ny lesona Alarobia izany. Mariho ireto singa roa mandrafitra ny lalana kristianina ireto ao amin'ilay fanambarany: ny finoana, ary avy eo ny asa. Ahoana ny fomba nanavahany azy ireo?

2. Nahoana ny fireharehana sy ny avonavona no fahotana mampidi-doza tokoa ? Nahoana no sarotra indrindra ny miala amin'izany? Sa eta foetr'ireo fahotana ireo mihitsy ny manajamba ny olona mba tsy ahitan'izy ireo ny antony tsy maintsy hialany amin'izany? Raha mirehareha ianao, dia mihevitra ny tenanao rahateo ho tsara; ary raha mihevi tena ho tsara ianao, maninona moa raha mijanona amin'izao fa inona indray no mbola ilanao fiovana? Manasitrana ny arefin'ny fireharehana sy ny avonavona ao amin'ny olona rehetra ny fisaintsainana mandrakariva ny hazo fijaliana Ilay hany fomba ahazoan'ny olona famonjena); amin'ny fomba ahoana?

3. Misy fananantenana ve ho an'ireo vahoaka any amin'ny firenen-kafa raha araka ny fahltan'i Isaia? Jereo ohatra ny Isa. 25:3, 6; Isa. 26:9 (Ampitahao amin'ny Apôk. 19:9).

Famintinana: Hitan'i Isaia fa aorian'i Asiria dia hamabo an'i Joda 1 Babilôna Hitany ihany koa anefa to na dia eo aza ny fanapahana sy ny fanjakana ary ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao (Efes. 6:12), izay miasa amin'ny alalan'ireo olombelona fahayalon'Andriamanitra, sady manao ny tenany ho Andriamanitra, dia Andriamanitra no hahazo ny fandresena tanteraka farany ka hitondra fiadanana mandrakizay eto amin'ity tanintsika feno olana ity.