Lesona 5: Andrian'ny fiadanana

Hodinihina mandritra herinandro: Isa. 9:1-4; Isa. 9:5,6; Isa. 9:7-20,10:1-34; Isa. 11; Isa. 12:1-6.
Tsianjery: "Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana" Isa. 9:5.

Niseho teo anatrehan'ny fivorian'ny antenimieran-doholona sy ny antenimieram-pirenena amerikanina ny dr. Robert Oppenheimer indray andro; izy no nanara-maso akaiky ny famoronana ny baomba atômika voalohany. Nanontany azy ny mpivory raha toa ka misy zavatra azo atao hisorohana izany fitaovam-piadiana izany. "Eny tokoa", hoy ilay fizisianina malaza.

"Tsy inona izany fa ny..."

Dia nijery ireo mpanatrika izay nangina sy liana dia liana tamin'ny valinteniny ny dr. Oppenheimer, ary niteny tamin'ny feo malefaka hoe: "ny fandriampahalemana" - Encyclopedia of 7.700 Illustrations: Signs of the Times (Rockville, Md.: Assurance Publishers, 1985), Paul Lee Tan, t. 989.

Nofinofy manjavozavo ihany ny fandriampahalemana ho an'ny taranak'olombelona. Notombanana fa teo amin'ny 8 isanjaton'ny fotoana hatramin'izay nandraketana ny tantara ihany no niainan'izao tontolo izao tao anatin'ny fandriampahalemana. Nandritra izany taona rehetra izany dia fifanekena tsy latsaky ny 8000 no nodikaina (Paul Lee Tan, t. 987, nasiam-panamboarana). 2 minitra ihany no nisian'ny fandriampahalemana isaky ny taona iray isian'ny ady, nandritra ny 50 taona taorian'ny Ady Lehibe voalohany izay noheverina ho namarana ny ady rehetra.

Tamin'ny taona 1895, i Alfred Nobel, izay namorona ny vanja mahery, no nanokana tahirim-bola hanomezana loka ho fankasitrahana ireo olona mandray anjara amin'ny fomba miavaka mba hisian'ny fandriampahalemana (Paul Lee Tan, t. 988, nasiam-panamboarana). Taona maromaro anefa izao no nahitana fa na ny sasany amin'ireo mpandresy nahazo ny Loka Nobel momba ny fandriampahalemana aza dia nandray anjara tamina fifandonana mahery vaika.

Hovakintsika mandritra ity herinandro ity ny momba Ilay hany afaka mitondra fandriampahalemana sy fiadanana tena izy ary maharitra mandrakizay.

Nahoana ny Isa. 9:1 no ahitana ny teny hoe "anefa" izay manondro hevitra manohitra ny teny eo alohany? ("Ny haizina ao amin'ilay tany anefa, dia tsy ho toy ny tamin'ny fotoam-pahoriana", DIEM)

Milazalaza ny amin'ny toerana tsy misy fanantenana iainan'ireo izay mitoky amin'ny herin'ny maizina fa tsy amin'ilay Andriamanitra marina ny Isa. 8:21,22. Na aiza na aiza jereny dia tsy hahita afa-tsy "fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana izy, ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy"- Isa. 8:22. Ho avy anefa ny fotoana hahitan'ny "olona izay mandeha amin'ny maizina (...) mazava lehibe" - Isa. 9:1. Ny mponina ao Galilia no voalaza eto fa handray fitahiana manokana, dia ny "mazava lehibe". Hamaroina izany firenena izany ary hifaly satria hotapahan'Andriamanitra ny "tsorakazon'ny mpampiasa azy" - Isa. 9:3.

Nahoana i Galilia no notononin'i Isaia? Iray amin'ireo ampahan-tany voalohany an'ny Isiraely very tamin'ny ady i Galilia. Nalain'i Tiglato-Pilesera III i Galilia sy ny faritra Transjordanie any amin'ny faritra avaratr'Isiraely ho setrin'ny fangatahana fanampiana nataon'i Ahaza taminy; nitondra olona maromaro tao ho babo izy ary nataony ho isan'ny faritanin'ny Asirianina ireo faritra ireo         (2 Mpanj. 15:29). Izao no hafatra nentin'i Isaia araka izany: ny tany azo babo voalohany no hahazo fanafahana voalohany. 

Iza no nampiasain'Andriamanitra hanafaka ny olony? Isa. 9:5,6.

Oviana ary tamin'ny fomba ahoana no nahatanterahan'ny faminanian'ny Isa. 9:1- 4? Mat. 4:12-25. 

Tsy kisendrasendra ny nanombohan'i Jesôsy ny asany tany amin'ny faritanin'i Galilia, ka nitondrany fanantenana tamin'ny nanambarany ny vaovao mahafalin'ny fanjakan'Andriamanitra sy nanasitranany ny olona, ary koa nanafahany ireo demôniaka tamin'ny herin'ny maizina (Mat. 4:24).

Eto no ahitantsika ohatra mazava indrindra maneho ny fandraisan'ny Baiboly toe-javatra nitranga tamin'ny andron'ny TT ary ampiasany izany ilazana mialoha izay hitranga amin'ny andron'ny TV. Nampifangaroin'Andriamanitra ny sary avy amin'ny vanim-potoana iray sy ny amin'ny vanim-potoana iray hafa, toy ny ao amin'ny Mat. 24, rehefa niresaka ny amin'ny handravana an'i Jerosalema amin'ny taona 70 TrK sy ny fandravana amin'ny andro farany i Jesôsy.

Raha misy olona manontany anao hoe nafahan'i Jesôsy tamin'ny inona ianao, inona no havalinao izany? Inona ny fijoroana ho vavolombelona manokana azonao atao mikasika ny herin'i Kristy eo amin'ny fiainanao? 

Ity no fahaterahana manokana fahatelo resahin'ny bokin'i Isaia, aorian'ny filazana ny fahaterahan'i Imanoela sy Mahera-Salala-hasi-baza. 

Inona no mampiavaka ilay Zaza hita ao amin'ireto andininy ireto? Isa. 9:5,6.

Mariho fa maro ny anarana iantsoana io Mpanafaka io izay milazalaza Azy amin'ny fomba samy hafa. Nanana anarana marobe ireo mpanjaka sy andriamanitra tany Proche Orient fahiny, ho fanehoana ny fahalehibiazany.

Ambaran'i Isaia fa "Mahagaga" izany Zaza izany (Isa. 9:5). Izany koa no anarana nolazain'Ilay Anjelin'i Jehôvah tamin'ny rain'i Samsôna: "anarana mahagaga izany" - Mpits. 13:18. Fototeny hebreo iray ihany no niavian'ny teny adika hoe "mahagaga" ao amin'ireo toko sy andininy ireo. Rehefa izay dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara nandoroan'i Manoa ny fanatitra ho an'i Jehovah ilay Anjely (Mpits. 13:20); tamin'izany no nanehoany mialoha ny hanolorany ny Tenany ho fanatitra arivo taona mahery aty aoriana.

Ambara ihany koa fa avy any an-danitra io Zaza io ("Andriamanitra Mahery") sy Mpamorona mandrakizay ("Rain'ny mandrakizay"; jereo ny Lio. 3:38: "zanak'i Adama, zanak 'Andriamanitra. ").

Mpanjaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida Izy; ary haharitra mandrakizay ny fanjakan'ny fiadanany.

Raha jerena ireo anarana ireo, dia iza izany Zaza izany? Jereo ny Lio. 2:8-14.

Nisy olona niezaka nampitovy Azy tamin'i Hezekia mpanjaka kanefa mihoatra lavitra ny filazalazana momba ny olombelona tsotra ny fanoritsoritana atao Aminy. Olona iray ihany no mendrika izany, dia i Jesôsy Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra sy Mpamorona (Jao. 1:1-3,14; Kôl. 1:5-17; Kôl. 2:9; Heb. 1:2), izay teraka teto amintsika mba hamonjy antsika sy hanome antsika ny fiadanana. Efa nandray ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany Izy, ary momba antsika mandrakariva (Mat. 28:18-20). Tao Aminy hatrany ny maha-Andriamanitra Azy kanefa tonga olona koa Izy ka mahay miara-mitondra ny fahalementsika (Heb. 4:15). "Fa Zaza no teraka ho antsika" (...) mandrakizay!

"Teto i Satana rehefa tonga tety an-tany i Kristy, ary nanao izay azony natao rehetra haminganana Azy isaky ny indray mandingana, hatrany amin'ny fihinanam-bilona ka hatreny Kalvary. Nampangain'i Satana ho nitaky ny fahafoizan-tenan'ny anjely Andriamanitra kanefa tsy nahalala akory izay hevitr'izany, ary tsy nandà ny Tenany ho an'ny hafa koa aza. Izany no fiampangana nataon'i Satana mikasika an'Andriamanitra tany an-danitra; ary rehefa noroahina avy tany an-danitra ny ratsy dia notohizany ny fiampangana an'Andriamanitra ho mitaky hotompoina kanefa tsy mahafoy ny Tenany. Tonga teto amin'izao tontolo izao i Kristy mba hanohitra ireo fiampangana diso ireo ary mba haneho amintsika ny Ray." - S1M, b. 1, tt. 406, 407.

Inona no ambaran'io teny nambaran'i Ellen G. White io momba ny toetran'Andriamanitra? 

Manazava ny Isa. 9:1-4 ity fizarana ity, izay maminany ny amin'ny fanafahana ireo olona ao anatin'ny haizina sy ny fahoriana, dia ireo izay nitoky tamin'ny fanahy ratsy ka resin'ny miaramila ary nentiny ho babo: "izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana" - Isa. 9:3. 

Vakio ny fahoriana nihatra tamin'ireo vahoakan'Andriamanitra araka izay asehon'ny andininy eo ambony. Ampitahao amin'ny ozona ao amin'ny Lev. 26:14-39 izany. Nahoana no nataon'Andriamanitra tsikelikely ny famaizana ny olony fa tsy indray mandeha? Inona no asehon'izany mikasika ny toetrany sy ny tanjona tiany hahatongavana?

Raha ny handringana ny olony no fanirian'Andriamanitra dia mety efa ho natolony teo an-tanan'ny Asirianina avy hatrany izy ireo. Mahari-po anefa Izy ka "tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra" - 2 Pet. 3:9. Tahaka ny tamin'ny andron'ireo "mpitsara", dia navelan'Andriamanitra hiaina ny vokatry ny fahadalany ny vahoakan'i Joda sy Isiraely mba hahatakarany ny zavatra nataony sy hahafahany manao safidy tsara kokoa. Rehefa ninia nanohy ny ratsy nataony izy ka nanamafy ny fony hanohitra an'Andriamanitra sy ny antso nalefany tamin'ny alalan'ireo mpitondra ny hafany dia nesoriny tsy ho eo amin'izy ireo intsony ny fiarovany. Mbola nikomy hatrany anefa izy ireo. Niverimberina izany toe-javatra izany ka tonga tamin'ny fitotonganana izay tsy nahafahan'Andriamanitra nanao na inona na inona ho azy intsony. 

Vakio ny Isa. 9:8-20;10:1,2. Inona ny heloky ny olona? iaminiza no nanaovan'izy ireo izany? Iza no meloka teo amin'izy ireo? 

Hitantsika eto ny herin'ny safidy malalaka. Noharian'Andriamanitra hanana fahalalahana ny olombelona (tsy maintsy nanao izany Izy raha tsy izany dia tsy afaka ny hitia Azy marina izy ireo); tafiditra ao anatin'ny fahalalahana ny safidy ny hanao ny ratsy. Na dia manao izay hisarihana antsika imbetsaka aza Andriamanitra ka maneho ny fitiavany sy ny toetrany amintsika dia avelany hiatrika ny vokatry ny safidy ratsy ataontsika isika, izany hoe ny fahoriana, ny tahotra, ny fanaintainana, sns. Izany rehetra izany dia ny mba hahatakarantsika ny vokatry ny fiodinana Aminy. Na dia eo aza izany, impiry moa ny olona no mbola mifikitra amin'ny fahotany ihany ka tsy manatona an'Andriamanitra. Tsara ny safidy malalaka, satria tsy olona isika raha tsy nomena izany. Loza kosa ho an'izay mampiasa izany tsy araka ny tokony ho izy. 

Ahoana no nampiasan'Andriamanitra ny fahoriana teo amin'ny fiainanao mba hampialana anao eo amin'ny lalan-dratsy nizoranao? (sa ve mbola tsy voarainao ny hafatra tiany hampitaina aminao?) 

Iza ilay "Solofo" mitsimoka "eo amin'ny fototr'i Jese" ao amin'ny Isa. 11:1? Jereo koa ny Zak. 3:8; Zak. 6:12.

Raisin'ny Isa. 11:1 ny fanoharana ny amin'ny hazo voakapa ao amin'ny Isa. 10:33,34. Ny "fototr'i Jese" dia maneho fa hiala amin'ny fanjakan'i Davida (zanak'i Jese) ny fahefany (Dan. 4:10-17; 20-26). Hisy "solofo / rantsana" hitsimoka anefa avy amin'izany "fototra" simba izany, izany hoe mpanapaka taranak'i Davida. 

Nahoana ilay mpanapaka taranak'i Davida no antsoina koa hoe "Solofon'i Jese" (Isa. 11:10)? Inona no hevitr'izany? Apôk. 22:16.

I Jesôsy Kristy irery ihany no mifanandrify amin'izany fiantsoana izany: "Solofo sy taranak'i Davida" - Apôk. 22:16. Zanak'i Davida i Kristy (Lio. 3:23-31), izay zanak'i Adama, "zanak'Andriamanitra" (Lio. 3:38) satria i Kristy no nahary Azy (jereo ny Jao. 1:1-3, 14). Sady razamben'i Davida i Kristy, araka izany, no taranany! 

Ahoana no nataon'iiay Mpanjaka vaovao taranak'i Davida mba hamahana ny olan'ny fahotana sy ny fihemorana? Vakio ny Isa. 11.

Misaina sy miasa amim-pirindrana amin'Andriamanitra Izy, mitsara araka ny fahamarinana, mamaly ny ratsy fanahy ary mitondra fiadanana. Rehefa hanafaka Izy dia hamerina indray sy hampijoro ary hanambatra ireo sisa mahatoky amin'ny Joda sy ny Isiraely Andriamanitra (Isa. 10:20-22). Hisy fanjakana tokana sy lehibe tahaka ny tamin'ny andron'i Davida mpanjaka izay nandresy ny Filistina sy ireo vahoaka hafa. Lehibe lavitra noho i Davida anefa izany Mpanjaka Vaovao izany satria hamerina indray ny fiadanana ho amin'ny toetrany tamin'ny famoronana Izy: tsy hihinana hena intsony ireo biby mpihaza ary hiara-monina amim-piadanana amin'ireo hazany fahiny (Isa. 11:6-9).

Ny fiavian'i Kristy voalohany ihany ve no resahin'ny Isa. 11, sa ny faharoa ihany, sa izy roa? Diniho io faminaniana io ary ampifandraiso ny andalan-teny sy ny fiavian'i Kristy resahiny. 

Sary iray no anehoan'ny Isa. 11 ny fiavian'i Jesôsy voalohany sy faharoa. Mifandray ireo satria ampahany roa amin'ny tontolon-kevitra iray lehibe; tahaka ny andaniny roa amin'ny zavatra fisaka izany. Ilaina ho amin'ny fahatanterahan'ny drafi-panavotana ireo fiavian'i Jesôsy roa ireo: ny voalohany izay efa nitranga, sy ny faharoa izay andrasantsika ho fahatanterahan'ireo zavatra nantenaintsika rehetra amin'ny maha-Kristianina antsika.

Inona no nataon'i Kristy tamin'ny fiaviany voalohany izay manome toky antsika ny amin'ny fiaviany fanindroany? Inona no tanjon'ny nahatongavan'i Kristy voalohany tety raha tsy mitondra ho amin'ny fiaviany fanindroany?

Salamo fohy midera an'Andriamanitra noho ny fampiononany lehibe sy feno famindrampo ny Isa. 12. Mampitovy ny fanafahana nampanantenaina amin'izay natao tamin'ireo Hebreo tamin'ny fanafahana tany Egipta (jereo ny Isa. 11:16) ny Salamo natao tao am-bavan'ny iray tamin'ireo sisa izay naverina avy tamin'ny fahababoana. Toy ny hira nataon'i Mosesy sy ireo Isiraelita rehefa novonjena tamin'ny tanan'ny miaramilan'ny Farao tany amin'ny Ranomasina Mena izany (jereo ny Eks. 15). 

Ampitahao amin'ny hiran'i Mosesy sy ny Zanak'ondry ao amin'ny Apok. 15:2-4 io hira ao amin'ny Isa. 12 io. lnona no anton'ny fiderana an'Andriamanitra ao amin'ireo hira roa ireo? 

Hita soritra ao amin'ny Isa. 12:2 ny fanondroana fa i Jesôsy ilay Mpanafaka ho avy, amin'ny filazany hoe: "Andriamanitra no famonjena ahy" ary "efa famonjena ahy Izy". "Jehovah no Mpamonjy" no hevitry ny anarana hoe Jesôsy (ampitahao amin'ny Mat. 1:21). 

Nahoana no zava-dehibe ny anarana hoe Jesôsy ? lnona no ambaran'izany ny amin'izay hataon'Andriamanitra?

Tsy hoe mitondra famonjena fotsiny Andriamanitra (Isa. 12:2) fa Izy mihitsy no famonjena. Zava-drehetra ho antsika ny maha-eo anivontsika Ilay Iray Masin'ny Isiraely (Isa. 12:6). Momba antsika Andriamanitra! Tsy nanao fahagaga fotsiny i Jesôsy fa "tonga nofo (Izy) ka nonina tamintsika" (Jao. 1:14). Tsy nitondra ny fahotantsika teo amin'ny hazo fijaliana fotsiny izy fa tonga ota ho antsika (2 Kôr. 5:21). Tsy mampihavana fotsiny Izy fa Izy mihitsy no fihavanantsika (Efes. 2:14

Tsy mahagaga raha toa "ny solofon' i Jese, (...) hitsangana ho fanevan'ny firenena" Isa. 11:10. Mitaona ny olona rehetra hanatona Azy Izy rehefa asandratra eo amin'ny hazo fijaliana (Jao. 12:32,33) ! Hisy sisa hiverina amin'"Andriamanitra Mahery" (Isa. 10:21), dia ilay Zaza teraka ho antsika, ilay "Andrian'ny fiadanana" - Isa. 9:5. 

Halalino misimisy kokoa ny hoe Jesôsy  famonjena ho antsika. Vakio ny Rom. 3:24. Ambaran'io andininy io fa ao amin'i Jesôsy  no misy fanavotana; tao Aminy no nisy fanavotana, ary amin'ny alalan'ny fahasoavana sy ny famindrampon'Andriamanitra no hananantsika anjara amin'izany fanavotana izany. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao: manjary antsika amin'ny alalan'ny finoana fa tsy asa ny fanavotana ao Aminy, satria tsy ampy hamonjena antsika ny asa rehetra ataontsika. Ny asa nataon'i Kristy, izay atolony antsika amin'ny alalan'ny finoana ihany no afaka mitondra famonjena. Ahoana no anomezan'izany fahamarinana izany anao fanantenana sy toky momba ny famonjena, indrindra rehefa mahatsapa tanteraka ny tsy fahamendrehanao ianao? 

"Malahelo ny zanany ny fon'ny ray olombelona. Mijery ny endriky ny zanany kely izy, ka toran-kovitra rehefa mieritreritra ny loza eo amin'ny fiainana. Iriny tokoa ny hiaro ny malalany amin'ny herin'i Satana, ny hihazona azy tsy ho tratran'ny fakam-panahy sy ny ady. Hiatrika ady mafaitra sy misy zava-doza mampahatahotra be lavitra no nanomezan'Andriamanitra ny Zananilahy tokana, mba ho azo antoka ho an'ireo zanatsika kely ny lalan'ny fiainana. `Indro ny fitiavana'. Aoka ho gaga ny lanitra ary hitolagaga ny tany!" - IFM, t. 38.

"I Kristy mihitsy no nanaiky hanao izay rehetra ilaina hamonjena ny olombelona. Tsy nisy anjely na olombelona mahatanteraka izany asa lehibe izany. Ny Zanak'olona ihany no tsy maintsy hasandratra; satria Izay tsy manam-petra ihany no mahatanteraka ny asam-pamonjena. Nanaiky hifandray tamin'ny tsy marina sy ny mpanota i Kristy, nandray ny maha-olombelona, nanolotra ny rany sy ny fanahiny ho sorona noho ny otantsika. Norefesina ny heloky ny olombelona tany amin'ny filan-kevitry ny lanitra, notombanana ny fahatezeran'Andriamanitra noho ny ota, kanefa nambaran'i Kristy fa Izy no hiantsoroka ny fanatanterahana ireo fepetra ilaina mba hisian'ny fanantenana ho an'ny taranaka lavo." - ST, 5 Martsa, 1896. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

Asehon'Andriamanitra amin'ny sary iray ihany ny fiavian'i Kristy anankiroa, araka izay hitantsika ao amin'ny Isa. 11. Ahazoantsika ampaham-panazavana ny antony tsy nandraisan'ny Jiosy sasany an'i Kristy tamin'ny fiaviany voalohany izany, noho izy ireo niandrandra ireo zavatra izay tsy hitranga raha tsy amin'ny fiaviany fanindroany. lnona no ambaran'izany amintsika momba ny lanjan'ny fahatakarana ny toetry ny fiavian'i Kristy fanindroany? Hanomana ny olona ho amin'ny fitaka lehiben'i Satana amin'ny andro farany ny fomba fijery diso, momba ny fiaviany fanindroany ohatra; amin'ny fomba ahoana? (jereo ny HM, toko 39) 

Famintinana: Nampanantena Andriamanitra, tamin'ny andron'i Isaia izay midika hoe "Jehôvah no famonjena", fa hamonjy ny olony amin'ny fampahoriana hihatra aminy vokatry ny fihemoran'izy rehetra iray firenena. Ao amin'i Jesôsy no hahatanterahan'jzany faminaniana mitory fanantenana izany, Jesôsy izay manana anarana midika hoe: "Jehovah no Mpamonjy".