Lesona 4: Fomba henjana kokoa

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 7:14-16; Isa. 7:17-25; Isa. 8:1-10; Isa. 8:11-15; Isa. 8:16-22.

Tsianjery"Ary hiandry an'i Jehôvah aho izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, ka hanantena Azy ihany aho" - Isa. 8: 17.

Tavela teo am-baravarakelin'ny rihana fahefatra ny tovovavy jamba iray, nandritra ny fahamaizan'ny Izao tontolo izao no trano iray tao Harlem, New York. Kivy ny mpamono afo. Tsy tafiditra teo anelanelan'ireo trano tokony hisy azy ilay fiara misy ny tohatra, ary tsy hain'izy ireo ny nampitsambikina ilay tovovavy ho eo amin'ny kidoro fitantazana, izay tsy hitan'ny masony rahateo.

"Nony farany dia tonga ny rainy niaraka tamin'ny fanamafisam-peo, niantsoantso fa efa misy kidoro hanantazana azy, ka vantany vao mibaiko izy dia ny mitsambikina no tokony hataony. Nitsambikina ary ilay tovovavy, tony tanteraka izy hany ka tsy nisy tapaka ny taolany, tsy nisy voa ny hozany, kanefa avy eny amin'ny rihana fahefatra no nianjerany. Natoky tanteraka ny rainy mantsy izy, koa rehefa reny ny feony nanambara izay mety indrindra tokony hataony, dia notanterahiny izany." - 1500 Illustrations for Biblical Preaching (Grand Rapids, Mich.: Baker Books, 1989), Michael P. Green, t. 135.

Toy izany koa, nanome porofo miharihary Andriamanitra fa ny tsara indrindra no ninny ho an'ny zanany. Nolavin'izy ireo anefa ny fahamoram-po nasehony azy tamin'ny voalohany; koa voatery nitrerona sy nahatonga safo-drano Izy.

Inona ireo lesona azontsika tsoahina avy amin'ny fahadisoan'izy ireo?

Ao amin'ny Isa. 7:14-16, i Imanoela dia famantarana mifandraika amin'ilay olana manokana nanahiran-tsaina an'i Ahaza: mbola tsy mahalala hisafidy ny sakafo hohaniny i Imanoela zaza dia "ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo" - Isa. 7:16. Ny tanin'i Siria sy ny faritra avaratr'i Isiraely miaraka amin'ny mpanjakany avy no ambara eto (jereo ny Isa. 7:1,2, 4-9), ary mamerina indray ilay teny fikasan'Andriamanitra izany, dia ny hahafoana tsy ho ela ireo fahefana ireo. 

Nahoana no faritan'i Isaia fa "rononomandry sy tantely" no ho fihinan'ilay zazalahy? Isa. 7:15.

Hopotehin'ny Asirianina ny voly sy ny sahan'i Joda (Isa. 7:23-25). Koa ho voatery ny vahoaka, anisan'izany ilay Imanoelan'ny TT, na iza izy na iza (Isa. 7:14,15), hiverina indray amin'ny fiainan'ny mpifindrafindra monina (Isa. 7:21,22). Na dia ho sahirana aza izy ireo amin'izany, dia hanana ny ampy ihany hivelomany.

Oviana no nahatanterahan'ilay faminaniana momba an'i Siria sy ny faritra avaratr'i Isiraely? 2 Mpanj. 15:29,30; 2 Mpanj. 16:7-9; 1 Tant. 5:6, 26.

Tamin'ny taona 734 TLK teo ho eo no nahazoan'i Isaia io faminaniana io. Ho setrin'ilay fanomezan'i Ahaza dia nataon'i Tiglato-Pilesera III ihany izay mety ho nataony na tsy nisy aza izany fanomezana izany: noravany ilay fiaraha-mitantana amin'ny faritra avaratr'i Isiraely, nalainy ireo tanin'i Galilia sy ny avaratr'i Isiraely, nataony sesitany ny sasany tamin'ireo mponina tao, ary novany ho faritany asirianina ireo tany ireo (734-733 TLK). Avotra ny sisa tamin'ny Isiraely rehefa novonoin'i Hosea i Peka mpanjaka, ka nandoa hetra sy nilefitra tamin'i Tiglato-Pileresa izy. Nobaboin'i Tiglato-Pilesera i Damaskôsy, renivohitr'i Siria tamin'ny taona 733-732 TLK. Rehefa izany dia nataony faritany asirianina i Siria. Koa tamin'ny taona 732, roa taona teo ho eo taorian'ny faminanian'i Isaia, dia resy i Siria sy i Isiraely, ary tsy afa-nanao na inona na inona intsony ireo mpanjaka roa nampitahotra an'i Ahaza.

Tsy ela taorian'ny nandimbiasan'i Salmanesera V an'i Tiglato-Pelesera III tamin'ny taona 727 TLK, dia nikomy nanohitra an'i Asiria i Hosea mpanjakan'ny Isiraely, ary nanimba ny fireneny (ny firenen'i Hosea ihany) tokoa ny nanaovany izany. Nalain'ny Asirianina ny renivohitr'i Samaria tamin'ny taona 722 TLK, ary Isiraelita aman'arivony no natao sesitany tany Mezôpôtamia sy Media, izay nanjary niray tanteraka tamin'ireo mponina tao nony farany, ka veriny ny maha-izy azy (jereo ny Isa. 7:8 —"ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony"). Efa nambaran'Andriamanitra mialoha izay hitranga amin'ny fahavalon'i Joda, fa ny tiany nambara tamin'i Ahaza dia izao: ho nitranga foana ihany izany na tsy nisy aza ny fanampian'i Asiria.

Alaivo sary an-tsaina ny fiainanao raha toa ka nonina tany amin'ny fanjakana Avaratra (fanjakan'i Isiraely) nandritra ireo tranga rehetra ireo; ho sarotra tokoa ny mbola hananana finoana hatrany. lnona no azontsika atao ankehitriny, dieny izao, mba hahaizantsika mitahiry ny finoantsika, ka rehefa tonga ny Iozan'ny ampitso dia tsy ho voahozongozona ny finoantsika? 

Vakio ny andininy voalaza etsy ambony. Inona no ambaran'ny Tompo fa hitranga amin'ny firenena? Nahoana no tsy tokony hanaitra antsika izany fisehoan-javatra izany?

"Antso niverimberina no nalefa tamin'ny Isiraelita mba hanasa azy ireo hiverina amin'ny fahatokiany amin'i Jehôvah. Tamin'ny fitiavana manao ahoana re no nitenenan'ny mpaminany tamin'ireo mpiodinal Koa noho izany dia nitondra vokatra ho voninahitr'Andriamanitra ny fitaomana niredareda ho amin'ny fibebahana nataon'izy ireo."- MM, t. 269 (Nasiam-panitsiana).

Araka izany, ity no vaovao mahafaly avy amin'Andriamanitra ho an'i Ahaza, ilay olon'ny tahotra fa tsy olon'ny finoana: tsy ho olana intsony i Siria sy i Isiraely. Ny vaovao ratsy kosa dia izao: i Asiria izay nofidiny sy nalainy ho "namana" hanampy azy dia hivadika ho fahavalo mampidi-doza lavitra noho i Siria sy i Isiraely efa natahorany. Ny fandavany ilay fanafahana natolotr'Andriamanitra azy tamim-pitiavana no nahatonga ny faharesen'i Ahaba ho azo antoka. Koa raha nihevitra i Ahaza fa tena mahakivy tanteraka ny zava-niseho nanodidina azy tamin'io fotoana io, dia indro mbola ho ratsy lavitra noho izany aza no hitranga!

"Tsara ny matoky an'i Jehôvah noho ny matoky ny mpanapaka"- Sal. 118:9. Dia mbola ninoan'i Ahaza ihany fa ho afa-po amin'ny famaboana ny faritra avaratr'i Isiraely i Tiglato-Pilesera III ka tsy hikitika an'i Joda! Na ny asasoratra asirianina aza, dia ireo bokin'ny mpanjaka asirianina, dia manambara fa tsy nety afa-po tamin'ny fitadiavam-pahefana izy ireo.

Vakio ny 2 Mpanj. 16:10-18 sy ny 2 Tant. 28:20-25. Inona no nitranga tamin'i Ahaza? Fitsipika ara-panahy inona no hitantsika misongadina eto? Nahoana no tsy tokony hahagaga antsika ny zavatra nataony?

Voafintina mazava ao amin'ny 2 Tant. 28:20-23 ny zava-niseho vokatry ny nangatahan'i Ahaza fanampiana tamin'i Asiria fa tsy nitokiany tamin'ny Tompo.

Mora amintsika ny mitoky amin'izay hitan'ny masontsika, rentsika, andramantsika, ary tsapantsika - dia ireo zavatra eo amin'izao tontolo izao. Fantatsika anefa fa mora levona ireny zavatra ireny. Diniho ny 2 Kôr. 4:18. Inona no ambaran'izany amintsika? Ahoana no ampiharantsika izany eo amin'ny fiainantsika manokana? Raha manao izany isika, inona no fiovana entiny ho antsika?

Azonao an-tsaina ve ny hilalao baolina miaraka amin'ny zanakalahin'i Isaia faharoa? Mandra-piteninao aminy hoe: "Mahera-salala-hasi-baza, atsipazo aty amiko ny baolina!" dia efa diso aoriana loatra. Kanefa mbola lava noho izany anarana izany aza ny heviny: "Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana".

Mazava ny hafatra ao amin'ilay anarana fa hisy ny famaboana faingana, kanefa iza no hamabo an'iza? Isa. 8:4.

Manamafy ny hafatra ao amin'ny toko faha-7 ny Isa. 8:1-10.Mialoha ny hahatraran'ny zaza ambaratongam-pitomboana voafaritra dia hobaboin'i Asiria ireo renivohitr'i Siria sy ny faritra avaratr'i Isiraely. Ankoatra izany, satria nolavin'i Joda ny toky nomen'Andriamanitra azy, izay asehon'ny ranon'i Siloa misononoka, dia ho resin'ilay fahefana maherin'ny Asiria izy, izay asehon'ny rano be sady manonja amin'ny Ony Eofrata.

Satria nila vonjy tamin'i Asiria i Ahaza, dia naneho an'i Joda sy ny faritra avaratr'i Isiraely ny anaran'ny zanakalahin'i "Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana" - kanefa "izay sisa Jakoba dia hiverina". Nahoana no mbola nisy azo nantenaina? Satria mbola nanana ilay teny fikasana hoe: "Aminay Andriamanitra" - Isa. 8:10 izy ireo na dia hanenika ny tanin'i Imanoela aza i Asiria (Isa. 8:8). Io lohahevitra hitantsika eto io tokoa no manerana ny bokin'i Isaia manontolo, dia ny hoe: na dia mahatonga fitsarana amin'ireo fahavalony aza Andriamanitra ao Joda sy any amin'ireo firenena hafa, izay miseho amin'ny alalan'ny ady ara-tafika sy fahoriana ary famaboana, dia homba ireo olony mitoetra ho mahatoky Aminy kosa ny Tompo ary hitondra azy hiverina amin'ny taniny indray.

Nahoana no ambaran'i Isaia amintsika fa noraketiny an-tsoratra tamin'ny fomba ara-dalàna ny anaran-janany, ary noresahiny koa ny niraisany tamin'ny vadiny (ilay mpaminanivavy)? Isa. 8:1-3.

Manan-danja tokoa, amin'ny maha-famantarana azy, ny fotoana nahaterahan'io zanakalahy io. Tahaka ilay famantarana momba an'i Imanoela, vao nanomboka nitsaika tao an-kibo ilay zaza ka hatramin'ny fotoana nahaterahany, tsy mbola hahay hiantso ny rainy sy ny reniny akory izy, dia efa ho resin'i Asiria i Siria sy i Isiraely (Isa. 8:4). Ny fanoratan'i Isaia ny anaran'ny zanany lahy na tsy mbola nisy akory aza izany zaza izany, dia faminaniana teo imason'ny rehetra, tamin'ny alalan'ilay zanany sy ny anarany, koa ireo tranga niseho taorian'izany dia azo nanaporofoana ny fahamarinan'ilay faminaniana.

Na dia eo aza ny fahadisoana miverimberina ataon'ireo izay manao azy ho olon'Andriamanitra, dia mbola naniry hanavotra azy ireo ihany Izy. Ahoana no ahazoantsika mandray izany lesona izany ka mampihatra azy eo amin'ny fiainantsika manokana, indrindra rehefa tsy mahomby na Iavo isika eo amin'ny fiainantsika ara-panahy?

Hijoro ireo mahatoky Hoy i Franklin D. Roosevelt, filoha amerikanina, tamin'ny kabarim-pitokanana voalohany nataony ho an'ny firenena iray izay kivy noho ilay Olana Lehibe ara-Toekarena ("Great Depression"): "Ny tahotra ihany no hany tokony hatahorantsika" — U.S. Capitol, Washington, D.C. (March 4, 1933). Izao kosa no hafatr'i Isaia ho an'ireo vahoaka kivy: "Tsy misy tokony hatahorantsika raha matahotra an'Andriamanitra isika".

Nampitandrina an'i Isaia Andriamanitra mba tsy hatahotra izay atahoran'ny vahoaka fa mba hatahotra Azy kosa (Isa. 8:12,13). Lohahevitra manan-danja tokoa izany ao amin'ny Soratra Masina. Ao amin'ny Apôk. 14:6-12, ohatra, dia misy hafatra ambaran'ireo anjely amin'izao tontolo izao: Matahora an'Andriamanitra ary omeo voninahitra Izy, fa aza matahotra na manome voninahitra ny fahefan'ilay bibidia eto an-tany voalaza ao amin'ny toko 13.

Ahoana no fahazoanao izany hoe: "matahotra" an'Andriamanitra? Inona no hevitrizariy, indrindra manoloana ilay didy mibaiko antsika mba ho tia Azy koa (Mat. 22:37)?

Ny tahotra marina an'Andriamanitra dia midika fa ekenao Izy amin'ny maha-fahefana faratampony Azy eo amin'izao tontolo rehetra izao. Na tia Azy ianao na tsia, ny tahotra toy izany dia mandresy ny tahotra hafa rehetra. Raha momba anao Izy dia tsy misy na iza na iza mahazo mikasika anao raha tsy mahazo lalana avy Aminy. Raha tsy miandany aminao kosa Izy satria nikomy nanohitra Azy ianao, dia azonao atao ny mandositra saingy tsy afaka miafina ianao!

Tsy mifanohitra amin'izay voalaza ao amin'ny 1 Jao. 4:18 ve ny hoe tokony hatahotra an'Andriamanitra isika? "Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana".

Misy tahotra karazany roa. Raha namanao ny olona iray manana fahefana ambony, raha misy fifankatiavana eo aminareo, dia tsy hanahy na hatahotra velively ianao andrao hanisy ratsy anao izy. Anananao kosa anefa ilay karazan-tahotra noho ny fahafantaranao sy ny fanajanao ny fahefan'io namanao io, ary mahatonga anao koa tsy hihoatra ny fetra izay efa napetrakareo hifehy ny fifandraisanareo izany.

Misy zavatra tsy tokony hatahorantsika ve amin'ny maha-Kristianina antsika kanefa atahoran'ny hafa? Raha misy, inona avy izany? Ary inona kosa ny zavatra atahorantsika kanefa tsy atahoran'ny hafa? (Vakio ny Mat. 10:28 sy ny Jer. 10:2,3).

Vakio ny Isa. 8:16-22. Inona no resahin'ireo andininy ireo? Inona no ambaran'izany amintsika momba an'i Ahaza? Fintino ireo hevi-dehibe voalaza ao.

Tafaroboka lalina tao anatin'ny fanompoan-tsampy i Ahaza (2 Mpanj. 16:3,4,10-15; 2 Tant. 28:2-4,23-25), izay mifandray amin'ny fivavahana amin'ny fanahy ratsy (vakio ny Deo. 32:17: "Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia (...) izy'"; 1 Kôr. 10:20). Ny filalaovana ody ankehitriny dia misy fifandraisana manaitra amin'ireo fombafomba fahiny tany Proche-Orient, araka ny hita ao amin'ireo asasoratra tranainy ankoatra ny Baiboly. Eny tokoa fa na ireo fombafomba "New Age" (araka ny finoan'ny taonjato faha-20 sy faha-21 izay mifototra amin'ny fomba fijerin'ny tena manokana sy ireo fomba fijery isan-karazany tsy voafetra koa, momba ny ara-panahy) amin'izao fotoana izao aza dia tsy inona fa fivavahana amin'ny fanahy ratsy tahaka ny tamin'ny andron'ny Baiboly ihany saingy amin'ny endriny môderina.

Ny famariparitan'i Isaia ny fahaverezan-kevitra manjo ireo izay mitoky amin'ny fanahy ratsy fa tsy miankina amin'ny Tompo (Isa. 8:21,22) dia mifanaraka tsara amin'izay mitranga amin'i Ahaza (ampitahao amin'ny 2 Tant. 28:22,23). Ambaran'i Isaia amin'izany fa hisafoaky ny hatezerana amin'ny mpanjakany ny olona (Isa. 8:21). Natao ho fampitandremana an'i Ahaza izany fa noho ny nitaomany ny vahoaka ho amin'ny fivavahana amin'ny demonia dia hanozona azy io vahoaka io. Nony maty tokoa i Ahaza dia navahana ny fandevenana azy, izay mariky ny tsy fanajana azy: "dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely" - 2 Tant. 28:27.

Inona no ambaran'ireto andininy ireto momba ny asa sy ny herin'ny maizina? Lev. 20:27; Deo. 18:9-14.

Ny fialana amin'ny asan'ny maizina dia resaka fahatokiana amin'Andriamanitra. Hita amin'ny tantaran'ny mpanjaka Saoly ao amin'ny 1 Tant. 10:13,14 izany hevitra izany: "Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitaeldremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra ary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehôvah ; ka dia novonoiny izy, ary nafi.ndrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana".

Diniho ny fiainanao sy ireo zava-mahataona manodidina anao. Tandindomin-doza ianao, na tsy amin'ny fomba mivantana aza, ho voafandrik'ireo fiheverana ao ambadiky ny fivavahana amin'ny fanahy ratsy sy ny fiantsoana avelo miseho amin'ny endriny maro samihafa; amin'ny tomba ahoana? Na tsy voasakanao tanteraka aza izy ireny, inona kosa no azonao atao mba hampihena ny heriny mitaona anao na ny ankohonanao?

Vakio ny «Afaka hifanerasera amin'ny maty ve isika?» ao amin'ny boky HM, tt. 575-586.

«Tamin'ny andron'ny Hebreo dia nisy antokon'olona izay nihambo, tahaka ny ataon'ireo mpamoha angatra ankehitriny, ho mifandray amin'ny maty. Fa ny natao hoe `zavatra manindry, izay niantsoa na ireo mparnangy avy any an-koatra, dia lazain'ny Baiboly ho fanahin'ny demonia'. (Ampitahao: Nom. 25:1-3; Sal. 106:28; 1 Kôr. 10:20; Apôk. 16:14)

Ny fifandraisana amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra dia nolazaina fa fahavetavetana teo Jehovah, ary norarany mafy dia mafy ka nomelohina ho faty izay nanao izany. (Jereo Lev. 19:31; 20:27) Ankehitriny na ny anarana hoe `sikidy' aza dia fanazimbazimba. Raisina ho anganom-bavy antitra ninoana tamin'ny fotoan'andro nanjakan'ny haizina ny fihamboan'ny olona ho afaka mifampiraharaha amin'ny fanahy ratsy. Ny fiantsoana avelo kosa, izay miisa aman-ketsiny ny mpanaraka azy, eny an-tapitrisany aza, dia tafatsofoka hatrany amin'ny fikambana n 'ny mpahay (siansa', tafabosesika hatrany am-piangonana, ankasitrahana ao amin'ny antenimiera mpanao lalàna, ary na dia hatrany amin'ny lapan'ny mpanjaka aza io fitaka goavana dia goavana io dia tsy inona tsy akory fa fifoha zan'ny sikidy amin'ny endrika vaovao, izay nomelohina sy norarana mafy fahiny.» - HM, t. 580.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN.KEVITRA:

1. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny fiantsoana avelo na ny filalaovana angatra araka izay hita amin'ny sarimihetsika, boky, fahitalavitra, ary ny kolontsain'ny olona ankapobeny. Raha tsy misy azo atao hampitsaharana izany, dia ahoana kosa no ahazoantsika manaitra ny olona mba tsy ho tratry ny Ioza aterak'izay heveriny ho fialamboly tsy misy maha-ratsy azy? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fahafantarana tsara araka ny tokony ho izy ny toetry ny maty, izay miaro ny olona tsy ho azon'izany fitaka izany?

2. Vakio ny Isa. 8:20. Soraty amin'ny fomba filazanao azy manokana izany. Aoka hisy olona maro ao amin'ny kilasy hifandimby hamaky mafy izay nosoratany araka izany fomba fahazoany azy izany. Inona no ambaran'ny Tompo amintsika eto?

3. Saintsaino lalina ny hoe: sady fia no matahotra an'Andriamanitra. Izany tahotra izany no iavian'ny fitiavantsika; amin'ny fomba ahoana? Sa avy amin'ny fitiavantsika kosa no iavian'ilay tahotra? Ifanakalozy hevitra.

Famintinana: Nohamafisin'Andriamanitra tamin'ny alalanlny asan'i 'scia sy ny ankohonany ary koa ny teniny ilay hafatra fampitandremana sy mitondra fanantenana: tsy misy lalana azo antoka afa-tsy ny matoky fa mahalala ny ataony Andriamanitra. Tia antsika lzy ary afaka mitantana sy miaro ary manampy ireo izay manaiky Azy. Fahoriana sy alahelo kosa no hany anjaran'ireo izay mile vonjy amin'ny hery hafa ankoatra ny Azy.