Lesona 2: Olana eo amin'ny fitarihana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 6:1-4; Isa. 6:5-7; Isa. 6:8; Isa. 6:9-13.

Tsianjery: "Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly" - Isa. 6:1.

Inona no mampiavaka ny atao hoe: fitondrana mahomby?", hoy ny mpianatr'i Confucius nanontany; "Sakafo ampy, fitaovam-piadiana ampy, ary ny fitokian'ny vahoaka' hoy izy.

"Ary raha toa ka tsy manan-tsafidy ianao fa tsy maintsy ajanona ny iray amin'ireo telo ireo, dia inona no hajanonao?', hoy ilay mpianatra nanontany.

"`Ny fitaovam-piadiana', hoy i Confucius.

"Ary raha tsy maintsy ajanonao indray ny iray amin'ireo roa tavela ireo, dia inona no hajanonao?' Hoy ihany ilay mpianany nikiry.

"`Ny sakafo', hoy i Confucius namely. `Ny hanoanana mantsy efa mpanjo ny olona rehetra, fa ny mpitondra tsy itokian'ny vahoaka intsony dia tent' very tokoa.' — 1500 Illustrations for Biblical Preaching (Grand Rapids, Mich.: Baker Books, 1989), Michael P. Green, t. 215.

Mila mpitarika mahery sy azony itokiana tokoa ny vahoaka. Nisoratra anarana ho amin'ny fe-potoam-piasana fanindroany ny miaramila fray. Nanontany azy ilay mpiandraikitra ny fiantsoana miaramila ao amin'ny tafika momba ny anton'ny faniriany hiverina indray. "Niezaka niaina ny fiainan'xiy olon-tsotra aho", hoy izy "saingy tsy misy miandraikitra ianao any".

Hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny olan'ny fitarihana teo amin'ny firenen'i Joda, sy ny vokatra mampalahelo naterak'izany.

Miresaka momba ny nahafatesan'i Ozia mpanjaka ny Isa. 6:1. Vakio ny 2 Tant. 26 ary valio ity fanontaniana ity: midika inona ny fahafatesan'i Ozia mpanjaka? Misy fomba fijery samy hafa azo andraisana ny fahafatesan'ity mpanjaka ity:

1. Na dia naharitra sy feno fanambinana aza ny fotoana nanjakan'i Ozia, "Raha vao nahery anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra fahavoazana ho an'ny tenany izany" - 2 Tant. 26:16 (DIEM), ary niditra tao amin'ny tempoly izy, handeha handoro ditin-kazo manitra. Rehefa nosakanan'ireo mpisorona izy, satria tsy taranak'i Arona ka tsy manana fahafahana hanao izany (2 Tant. 26:18), dia tezitra. Tamin'io fotoana io, rehefa nanda anatra ny mpanjaka, dia namely azy avy hatrany tamin'ny alalan'ny habokana ny Tompo. Boka izy "ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehôvah intsony izy." - 2 Tant. 26:21. Toa maneso ny fahitana azon'i Isaia, izay nahitany Ilay Andriamanitra Mpanjaka mandrakizay feno fahadiovana tao amin'ny fonenany, na ny tempoliny, tamin'ilay taona nahafatesan'ny mpanjaka indrindra, izay olombelona feno fahalotoana.

2. Misy fifanoherana manaitra eo amin'i Ozia sy i Isaia. Tamin'ny fahasahian-dratsy no nikatsahan'i Ozia fahamasinana; antony diso no nanesika azy (ny avonavona), ka nanjary tsy masina izy ary tsy afaka nanao fanompoana tao amin'ny tempoly intsony. I Isaia kosa dia namela ny fahamasinan'Andriamanitra hikasika azy. Niaiky ny fahalemeny tamim-panetren-tena izy, ary naniry ny hadio ara-panahy. Voarainy tokoa izany fahadiovana izany (Isa. 6:5-7). Toy ilay mpamory hetra voalaza ao amin'ny fanoharana nataon'i Jesôsy dia nohamarinina i Isaia: "fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra" - Lio. 18:14.

3. Manaitra ny fitovian'ny habokana nahazo an'i Ozia amin'ny faharatsiam-pitondrantenan'ny vahoaka nentiny: "(...) tsy misy izay tsy marary, fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao" - Isa. 1:6.

4. Ny fahafatesan'i Ozia, tamin'ny taona 740 TrK, dia nanamarika ny fisian'ny olana lehibe teo amin'ny fitarihana ny vahoakan'Andriamanitra. Ny fahafatesan'ny mpitondra na mpanapaka firenena iray dia mahatonga izany firenena izany ho marefo mandritra ny fotoam-piandrasana ny famindram-pahefana. Kanefa notandindomin-doza manokana ny firenen'i Joda satria tonga mpanjakan'i Asiria i Tiglato-pilesera III, taona vitsy talohan'izany, tamin'ny taona 745 TrK, ary avy hatrany dia niditra tamin'ny ady izy. Izany no nahatonga ny fireneny hatanjaka indrindra ka nandrahona ny fahaleovantenan'ireo firenena rehetra tany Proche-Orient. Nampaherezin'Andriamanitra i Isaia nandritra izany fotoan-tsarotra izany ka nasehony azy fa mbola Izy no mifehy ny toe-javatra rehetra.

Diniho tsara izay voalaza ao amin'ny 2 Tant. 26:16. Amin'ny fomba ahoana no mety hahatonga ny tsirairay avy amintsika hanao tahaka izany koa? Miaro antsika tsy ho latsaka amin'izany fandrika izany ny fibanjinana mandrakariva ny hazo fijaliana; amin'ny fomba ahoana?

Mariho ny zava-mitranga eto, ao amin'ireo andininy efatra voalohany amin'ny Isa. 6. Tao anatin'ny korontana lehibe ara-politika no nahafatesan'ilay mpanjaka (vonon-kiady ny Asirianina). Inoana fa fotoana nampatahotra an'i Isaia tokoa izany raha tsy azony antoka hoe iza no mifehy ny toe-javatra.

Inona àry no nitranga taorian'izay? Nahazo fahitana i Isaia, hitany nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany Andriamanitra, miaraka amin'ny famirapiratan'ny voninahiny; reny ny anteman'ireo serafima mamirapiratra ("Ireo mirehitra") miantsoantso hoe: "masina, masina, masina"; tsapany ny fihovitrovitry ny tany teo ambanin'ny tongony vokatr'izany, ary hitany ny setroka nameno ny tempoly. Fanandramana nanaitra ilay mpaminany tokoa izany. Tsy isalasalana fa fantatr'i Isaia ankehitriny hoe Iza no mifehy ny toe-javatra rehetra, na dia eo aza ireo tranga miseho ivelany.

Aiza no misy an'Andriamanitra ao amin'io fahitana io? (Jereo ny Isa. 6:1). Nahoana Andriamanitra no miseho amin'i Isaia eo amin'io toerana io fa tsy toerana hafa? Jereo ny Eks. 25:8; Eks. 40:34-38.

Samy tany an-tanin'olona avokoa, na i Ezekiela na i Daniela na i Jaona, no nahazo fahitana ao amin'ny Ezek. 1, Dan. 7:9,10 sy ny Apôk. 4;5. Nila fampiononana sy fampaherezana tahaka an'i Isaia koa izy ireo, nila nahafantatra fa Andriamanitra no mitantana ny zavatra rehetra na dia mahakivy tanteraka aza ny toe-javatra miseho manodidina azy. (Babo tany amin'ny firenena mpanompo sampy i Daniela sy i Ezekiela, dia firenena namotika ny firenen'izy ireo; i Jaona kosa dia natao sesitany tany amin'ny nosy mitokana iray noho ny tsy fankasitrahan'ny fahafena ara-politika iray.) Inoana tokoa fa nanampy azy ireo izany fahitana izany, ary nanome azy izay ilainy mba hitoerany ho mahatoky hatrany na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

"Raha mbola nibanjina ny voninahitra sy ny fiandrianan'ny Tompo izay niseho teo imasony toy izany Isaia dia toy ny foana ny tenany noho ny fahatsapany ny fahadiovana sy ny fahamasinan'Andriamanitra. Fifanoherana manao ahoana re no nisy tamin'ny fahatanterahana tsy manam-paharoa teo amin'ny Mpamorona azy sy tamin'ny fiainam-pahotana ananan'ireo izay anisan'ny vahoaka voafidy tahaka azy hatry ny elabe, dia ny ho Isiraely sy Joda ! " MM, t. 254.

Ilay fahamasinan'Andriamanitra, izay fahamasinana lehibe sy misongadina ao amin'ilay fahitana nomena an'i Isaia no fototra iorenan'ny hafatra entiny. Andriamanitra dia masina, ary takiny ho masina ny olony. Omeny azy izany fahamasinana izany raha mibebaka izy ireo, raha miala amin'ny fomba ratsiny, ka milefitra tanteraka Aminy amim-pinoana sy fankatoavana.

Samy efa tojo toe-javatra mahakivy avokoa isika rehetra, ka toa mahavery fanantenana ny fisehony ivelany. Na tsy nahazo fahitana ny "voninahitr'i Jehôvah" tahaka an'i Isaïa eto aza ianao, dia tantarao ny fomba efa nampaherezan'Andriamanitra anao sy ny finoanao nandritra ny zava-tsarotra nolalovanao. Inona ny lesona voarainao avy amin'izany fanandramana izany ka azonao zaraina amin'ny hafa?

Ny mpisoronabe irery ihany no mahazo manatona ny Lohahevi-dehiben'ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny Efitra masina indrindra, Ary tsy maintsy miaraka amin'ny setroka izy ho fiarovana azy, mba tsy hahafaty azy (Lev. 16:2,12,13). Nahita ny Tompo i Isaia na dia tsy mpisoronabe aza, kanefa tsy nandoro ditin-kazo manitra izy! Feno setroka ny tempoly (Isa. 6:4), mampahatsiahy antsika ilay rahona manarona ny voninahitr'Andriamanitra izany, izay miseho amin'ny Andro fanavotana (Lev. 16:2). Taitra mafy i Isaia, nihevitra fa tapitra hatreo ny aminy (ampitahao amin'ny Eks. 33:20; Mpits. 6:22,23); niantsoantso izy, niaiky ny helony sy ny an'ireo iray firenena aminy (Isa. 6:5). Mampahatsiahy ny fiaiken-keloka ataon'ny mpisoronabe amin'ny Andro fanavotana koa izany (Lev. 16:21).

"Raha mbola nijoro teo amin'ny fahazavana mamirapiratra avy amin'ny fanatrehan'Andriamanitra teo amin'ny Masin'ny Masina Isaia dia fantany fa tsy hahavita na oviana na oviana ny iraka niantsona azy izy raha avela hijanona amin'ny tsy fahatanterahany sy ny tsy fahombiazany." - MM, t. 255

Nahoana ilay serafima no naka vainafo avy eo amin'ny alitara mba hanadiovana ny molotr'i Isaia? Isa. 6:6,7.

Nanazava ilay serafima fa mahafaka ny heloka amam-pahotan'i Isaia ny fikasihana ny molony toy izany (Isa. 6:7). Tsy voafaritra manokana ilay fahotana, kanefa tsy voatery ho fahadisoana eo amin'ny fitenenana ihany izany; ny molotra mantsy dia tsy maneho ny resaka atao fotsiny fa ilay olona manontolo izay manambara izany. Afaka manandratra fiderana madio eo anatrehan'Andriamanitra i Isaia ankehitriny satria voadio ara-panahy.

Fitaovana enti-manadio ny afo satria manala ny tain-drendrika izany (Jereo ny Nom. 31:23). Kanefa vainafo avy amin'ilay afo manokana sy masina teo amin'ny alitara no nampiasain'ilay serafima, dia afo izay Andriamanitra mihitsy no nandrehitra azy, ary mirehitra mandrakariva izany (Lev. 6:12). Nohamasinin'ilay serafima i Isaia, araka izany ary nodioviny koa. Ny tena antony hakana vainafo avy eo amin'ny alitara, amin'ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia ny mba handoroana ny ditin-kazo manitra. Ampitahao amin'izay voalaza ao amin'ny Lev. 16:12,13 izany, izay ahitana ny mpisoronabe maka vainafo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara mba handorana ditin-kazo manitra. Ao amin'ny Isa. 6 anefa dia natehik'ilay serafima tamin'ny vavan'i Isaia ilay vainafo fa tsy tamin'ilay ditin-kazo. Naniry handoro ditin-kazo manitra i Ozia, fa i Isaia kosa dia tonga ditin-kazo manitra mihitsy! Tahaka ny andrehetan'ny afo masina ny ditin-kazo mba hamenoana hanitra ny tranon'i Jehôvah no andrehetany koa ilay mpaminany mba hampielezany ilay hafatra masina. Tsy kisendrasendra  izany ny nanirahan'Andriamanitra an'i Isaia ho any amin'ny vahoakany (Isa. 6:8 sy ny manaraka).

Vakio amim-bavaka ilay valinteny nasetrin'i Isaia ilay fahitana avy amin'Andriamanitra (Isa. 6:5). Ahoana no ahitantsika taratra eto ny tena olana fototra, dia ny fisian'ny vahoaka mpanota eo anivon'ny tontolo izay noharian'Ilay Andriamanitra "masina, masina, masina" - Isa. 6:3? Nahoana no i Kristy eo amin'ny hazo fijaliana no hany vahaolana? Inona no nitranga teo amin'ny hazo fijaliana ka namaha lo oiana io?

"Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: inty, aho, iraho aho." - Isa. 6:8.

Avy hatrany dia namaly ny antson'Andriamanitra i Isaia rehefa voadio. Nanaiky ho solontena irahin'Andriamanitra amin'ny Anarany izy. Raha ny voambolana ao amin'ny TV no ampiasaina dia apôstôly no ho niantsoana an'i Isaia, izany hoe "ilay nirahina".

Mahaliana fa tsy tahaka ireo boky faminaniana sasany ny bokin'i Isaia, ka tsy mba manomboka amin'ny famariparitana ilay fiantsoana avy amin'Andriamanitra mba haminany (ampitahao amin'ny Jer.1:4-10, Ezek. 1, 2, 3). Izany hoe raha ny marina, efa voantso ho mpaminany i Isaia talohan'ireo tranga miseho ao amin'ny Isa. 6 ireo. Mampiseho tokoa ny Baiboly fa mampahery ny mpaminany ny fisehoan'Andriamanitra aminy, na dia efa aorian'ny nanombohany ny asany amin'ny maha-mpaminany aza (Mosesy: Eks. 34; Elia: 1 Mpanj. 19). Misy ohatra sasany ihany koa izay ahitana an'Andriamanitra manambara amin'ny olona fa tokony haminany izy. Mifanohitra amin'izany kosa ny ao amin'ny Isa. 6, izay ahitana ilay mpaminany manolo-tena ho amin'ny iraka manokana. Hita ao amin'ny Isa. 1-5 ny toe-javatra niainana tamin'ny vanim-potoana niantsoana voalohany an'i Isaia ho mpaminany, ka taorian'izany dia nampaherezin'Andriamanitra tao amin'ny tempoly izy mba hanohizany ny asany, ary nohamafisina taminy ilay iraka nampanaovina azy amin'ny maha-mpaminany mpitondra ny hafatr'Andriamanitra azy.

Nampahery an'i Isaia tao an-tempoliny Andriamanitra. Misy porofo hafa ve ao amin'ny Baiboly, izay maneho fa toerana fampaherezana ny fitoerana marina? Sal. 73 (jereo ny Sal. 73:17), Heb. 4:14-16, Heb. 10:19-23, Apok. 5. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo amintsika?

Hery lehibe mahatalanjona no mameno ny fitoerana masin'Andriamanitra, ary tsy izay ihany fa ao no fialofana ho an'izay osa sy be fahadisoana. Koa manana toky isika satria fantatsika fa Andriamanitra dia miasa ho famonjena antsika amin'ny Kristy, Ilay mpisoronabentsika.

Nahita an'i Kristy tahaka ny zanak'ondry efa voavono ihany koa i Jaona (Apôk. 5:6). Tsy mahafinaritra ny maso ny mijery izany. Manambara io fahitana io fa na efa nitsangana tamin'ny maty aza i Kristy ary niakatra ho any an-danitra, dia mbola eny Aminy hatrany ny mariky ny hazo fijaliana. Ary mbola asandratra Izy mba hitaona ny olona rehetra hanatona Azy eo amin'ny alitarany.

Efa niditra sy nivavaka tao amin'ilay tempoly any an-danitra ve ianao tamin'ny alalan'ny finoana? Ahoana no nampaherezan'izany fanandramana izany anao? Manasa anao hanatona ny seza fiandrianan'Andriamanitra amim-pahasahiana ny Heb. 4:16 "mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory." Raha misy olona manontany anao hoe: 'ahoana no nahazoanao fahasoavana sy famindrampo tamin'ny andro nilanao izany?' dia inona no havalinao?

Rehefa naniraka indray an'i Isaia Andriamanitra, nahoana no hafatra hafahafa toy izany no nampitondrainy ilay mpaminany ho an'ny vahoakany (Isa. 6:9,10)?

Mba tsy hiheverantsika fa diso fandre i Isaia na tsy manan-danja io hafatra io, dia nampiasa ireo andininy ireo i Jesôsy nanazavany ny antony nampianarany tamin'ny alalan'ny fanoharana (Mat. 13:13-15).

Tsy tian'Andriamanitra hisy ho very ny olona (2 Pet. 3:9), koa izany no nahatonga Azy haniraka an'i Isaia ho any amin'ny firenen'i Joda sy nanirahany an'i Jesôsy ho eto amin'izao tontolo izao. Tsy ny fandringanana no sitrak'Andriamanitra fa ny famonjena mandrakizay. Misy ireo izay mamaly tsara ny antsony, kanefa ao koa ireo izay manamafy ny fony amin'ny fanoherana Azy. Na izany aza dia miantso azy ireo mandrakariva Andriamanitra mba hananan'izy ireo tombontsoa fanararaotra hatrany hahazoany mibebaka. Izao anefa, araka ny hanoherany izany no vao mainka hahamafy ny fon'izy ireo. Koa amin'io lafiny io dia manjary manamafy ny fony izay ataon'Andriamanitra ho azy, na dia tokony hanalefaka azy aza izany. Tsy miova ny fitiavan'Andriamanitra antsika; miankina amin'izay asetrintsika izany fitiavany izany ny anjara miandry antsika. Ny anjaran'ireo mpitory, tahaka an'i Mosesy, Isaia, Jeremia, Ezekiela, na i Kristy koa aza, dia ny miantso hatrany, na manda tsy handray ilay hafatra aza ny olona. Hoy Andriamanitra tamin'i Ezekiela: "Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy" - Ezek. 2:5. Ny manoro azy ireo ny adidy tokony hataony no asan'Andriamanitra sy ny mpanompony, mba hahatonga ny fampitandremana azy ireo hitombina tsara (ampitahao amin'ny Ezek. 3:16-21), na dia hisafidy ny fandringanana sy ny fandosirana ihany aza izy ireo amin'ny farany (Isa. 6:11-13).

Araka ny fandinihanao izany hevitra izany, ahoana no fahazoanao ny anjara asan'Andriamanitra tamin'ny nanamafisany ny fon'i Farao?

Hoy Andriamanitra ao amin'ny Eks. 4:21: "ary Izaho hanamafy ny fony". Intsivy Andriamanitra no niteny fa hanamafy ny fon'i farao, ka io voalaza io no voalohany amin'izany. Intsivy koa anefa no ahitana an'i Farao manamafy ny fon'ny tenany ao (jereo ohatra ny Eks. 8:15,28 (32); Eks. 9:34).

Hita mazava eto fa nanana fahalalahana hisafidy ihany i Farao matoa afaka nanamafy ny fony. Kanefa ny fanamafisan'Andriamanitra koa ny fon'i Farao dia manambara fa avy Aminy no niavian'ireo tranga izay nosafidian'i Farao holavina; nisafidy handy ireo famantarana nomen'Andriamanitra azy izy. Raha nifidy hanaiky ireo famantarana ireo Farao dia ho nanalefaka ny fony ireo fa tsy ho nanamafy azy.

Eo amin'ny fanandramanao manokana miaraka amin'Andriamanitra, efa nisy fotoana ve nanamafisanao ny fonao ka nanoheranao ny Fanahy Masina? Saintsaino izay nahatonga izany. Raha tsy nampaninona anao izany tamin'io fotoana io (efa fanaon'ny olona mafy fo rahateo izany), ahoana no fahitanao izany ankehitriny? Inona ny vahaolana? Jereo ny 1 Kôr. 10:13.

"Nanjaka niaraka tamin'ny fanehoan-kery tafahoatra teo amin'ny saranga rehetra tamin'ny mponina ny tsy fahamarinana, hany ka nalaim-panahy matetika hanaiky ho azon'ny fahakiviana sy ny famoizam-po ireo olom-bitsy nitoetra nahatoky tamin'Andriamanitra. Ary toa efa an-dalan'ny hahafefika azy mihitsy aza ny fikasan'Andriamanitra momba an'Isirely, ary efa hihatra tamin'ilay firenena mpiodina ny anjara mitovy amin'izay nanjo an'i Sodoma sy Gomora."

"Tsy mahagaga àry raha teo anatrehan'ny toe-javatra tahaka izany no saiky nampihemotra an'i Isaia tamin'ny antso nalefa taminy mba hitondra ny hafa-panairana sy fananarana ho an'ny fanjakan'iJoda tamin'ny taona farany nanjakan'i Ozia. Tsy niafina taminy mantsy fa hifandona amin'ny fanoherana tsy leo tohika izy. Ary koa, raha nahatsapa ny tsy hahazoany manao na inona na inona teo anoloan'ny toe-javatra toy izany izy, ary nisaintsaina ny hamafisam-po tamin'ny tsy finoan'ny vahoaka izay niantsoana azy hiasana, dia noheveriny fa tsy hahita fahombiazana ny asa hataony. Ka moa holaviny ve ny iraka nampanaovina azy raha teo amin'ny famoizampo izy ka handao an'i Joda eo amin'ny fanompoan-tsampiny? Moa havela hanjaka eto an-tany ve ireo andriamanitr'i Ninive ka hihaika ny Andriamanitry ny lanitra?", - MM, t t. 253,254.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Raha misy olona mpiroaroa saina na tsy mino ny fisian'Andriamanitra manontany anao hoe: «Ahoana no hanaporofoanao fa ny Andriamanitrao no mifehy ny zavatra rehetra?», dia inona no havalinao azy?

2. Raha Andriamanitra ary no mifehy ny toe-javatra, nahoana no iharam-pahoriana ny tsy manan-tsiny? Midika ve ny voalaza ao amin'ny Isa. 1:19,20 fa tsy misy ratsy tokony hanjo ny olon'Andriamanitra mahatoky, ary tsy misy fitahiana velively ho an'ireo mpiodina eto amin'izao fiainana izao? Ampitahao amin'ny Jôba 1;2; Sal. 37; Sal. 73. Azontsika atao ve ny mahatakatra ny toetran'Andriamanitra fitiavana eo anivon'ny zava-dratsy mitranga amin'ny olona? Ilaintsika ve ny hahatakatra izany?

3. Nahoana no misy ifandraisany betsaka amin'ny Andro Fanavotana ny voalaza ao amin'ny Isa. 6? Saino fa amin'io andro fitsarana isan-taona io no anadiovan'Andriamanitra ny olony mahatoky ho afaka amin'ny fahotana (Lev. 16:30) ary hamongorany kosa ireo izay tsy mahatoky (Lev. 23:29,30).

Famintinana: Tamin'ny fotoan'ny tsy fandriam-pahalemana, izay naha-osa ny fitondran'olombelona, ary mampalahelo tokoa fa niharihary izany, dia nahazo fahitana miezinezina avy amin'llay Mpitondra sy Mpitarika faratampon'izao tontolo rehetra izao i Isaia. Natahotra mafy izy noho ny tsy fahavitany na inona na inona, saingy nodiovina izy ary nampaherezina tamin'ny alalan'ny famindrampo, ka vonona izao ny ho ambasadaoron'Andriamanitra eo anivon'ny tontolo feno fikomiana.