Lesona 10: Fanabeazana ao amin'ny haikanto sy ny siansa

Hodinihina inandritra ny herinandro: Rom. 1:18-21; Sal. 19:1-6; 96:9; Gen. 3:6; 1 Tim. 6; Ohab. 1; Joba 38.
Tsianjery: "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriarnanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tanany" - Sal. 19:1.

Tafiditra ao anatin'ny fanabeazana ny atao hoe "haikanto sy siansa". Kanefa rehefa ianarantsika na ampianarintsika araka ny fijerin'ny Baiboly izany ny haikanto sy ny siansa izany, dia inona no ambarany? Haka andininy notsongaina avy ao amin'ny Soratra Masina fotsiny ve isika ohatra, izay mifandraika amin'ny Iafiny manokana amin'ny fitsaboana moderina na ny tantaran'ny zavakanto? Raha manao izany isika dia afaka mampifandray ny fampiharana ny fianarantsika amin'ilay herin'Andriamanitra mahagaga, Izay namorona ity tontolo be kojakojany misy antsika ity. Ny fampidirana fotsiny andinin-tSoratra Masina ao anatin'ny bokin-desona anefa dia ampahany kely monja amin'ny tena fanabeazana marina - dia ilay fanabeazana izay mitondra famonjena sy fanavotana.

Mba hahatonga ny fanabeazana toy izany hahomby dia mila ny Tenin'Andriamanitra isika hampahafantatra antsika ny fomba fampianarana ny taranja rehetra, manomboka amin'ny siansa momba ny olombelona izany ka hatramin'ny biôlôjia momba ny môlekiola (momba ny zava-miaina bitika indrindra ka tsy hitan'ny maso). Raha tsy izany dia ho very tsy ho ao an-tsaintsika ny fahalehibiazan'Andriamanitra, ny fahefany amin'ny maha-Mpamorona Azy sy Mpamelona ity izao tontolo izao misy antsika ity. Rehefa mianatra ny fomba fijerin'Andriamanitra ny voariny isika, amin'ny maha-zava-manana aina sy manana antom-pisiana izany, dia manjary mahatakatra kokoa ny fomba ahafahana sy tokony hampianarana ireo taranja sasany. Hijery fitsipika vitsivitsy isika amin'ity herinandro ity, izay tafiditra ao anatin'ny fomba ahafahantsika mampianatra ny haikanto sy ny siansa amin'ny fomba fijery kristianina.

Ahitana porofon'ny fisian'Ilay Andriamanitra velona eo amin'ny voariny rehetra. Efa matetika loatra no namerimberenana izany filazana izany, hany ka manjary tsy mahataitra intsony. Raha jerentsika ohatra, ny fon'Andriamanitra be fitiavana teo

am-pamoronana izao tontolo izao efa noravan'ny olombelona sy nosimbany, dia mety ho takatsika kokoa ny fomba tsara indrindra hahazoana mampianatra ny haikanto sy ny siansa.

Andeha horaisintsika ohatra ny fitondran'ny olombelona vohoka. Mampianatra antsika ny biôlôjia fa ny fahaterahan'ny olombelona dia avy amin'ny atody iray vokatry ny firaisan-tsela lahy sy vavy, izay mitombo ka tonga zazakely rehefa tonga amin'ny fitomboany. Hita manerana izany fihodinkodinan'ny fiainana izany ny mariky ny fitiavan'Ilay Andriamanitra Mpahary. Afaka mahita ny fitiavan'Andriamanitra feno hamoram-panahy isika en amin'ilay toerana itomboan'ny zaza ao am-bohoka, dia eo ambanin'ny fon-dreniny izay mitepotepo. Arakaraka ny itomboan'ilay zaza ao am-bohoka no abitan'ilay reniny ny kibony mitombo eo anatrehany. Eo ambanin'ny mason'ilay reny mitondra vohoka hatrany ny zanany, dia tahaka ilay Raintsika koa izay manara-maso ny zanany mandrakariva.

Vakio ny Rôm. 1:18-21; Sal. 19:1-6 sy ny Neh. 9:6. lnona no ambaran'ireo amintsika momba ny asan'Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona Azy?

Na dia 6000 taona taorian'ny fisian'ny fahotana aza, ary arivo taona maro taorian'ny nandravan'ny Safodrano ny tany, dia voaporofo amin'ny fomba mahery vaika fa misy Ilay Andriamanitra Mpamorona, ary tsy izany ihany fa eo koa ny hery sy ny fitiavana ary ny hatsaram-panahin'io Andriamanitra io amin'ny maha-Mpahary antsika Azy. Mafonja tokoa ny hevitra ambaran'i Paoly ao amin'ny Rom. 1:18-21, fa ireo izay manda io Andriamanitra io dia "tsy hanan-kalahatra" amin'ny andro fitsarana, satria ampy ny fahalalana azon'izy ireo norantnvina avy arnin'ny zavaboarin'Andriamanitra momba Azy. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia izao: tsy afaka hiteny izy ireo hoe: tsy nahalala aho!

Amin'izao andro sy fotoana izao, izay efa nivavahan'ny maro tamin'ny zavaboary fa tsy Ilay Mpahary, dia ilaina indrindra, ao amin'ny fanabeazana kristianina momba ny haikanto sy ny siansa, ny fanantitranterana hatrany fa Andriamanitra na Mpamorona sy Mpamelona izao zavatra ary rehetra izao. Amin'ny farany, ireo foto-kevitra sy tombantombana rehetra izay manda na manao tsinontsinona an'Andriamanitra dia tsy mitondra afa-tsy amin'ny lalan-diso. Ny fanabeazana araka izao tontolo izao dia tsy miorina afa-tsy amin'ny fiheverana fa tsy misy Andriamanitra. Tsy tokony ho latsaka amin'io fandrika io ny fanabeazana kristianina, na koa hanisika fampianarana izay mifototra amin'ny tsy fisian'Andriamanitra. Samy mitondra ny olombelona ho amin'ny fahadisoan-kevitra avokoa ireo roa ireo.

Saintsaino ny hakanton'ireo zavatra mahavariana eto amin'ity tanintsika ity, izay fatratra indrindra na dia taorian'ny fahotana aza. Ahoana no ianarantsika mandray fanantenana sy fiononana avy amin'izany, indrindra amin'ny andro fitsapana sy fahoriana Ialovan'ny tenantsika manokana?

Hoy ny Sal. 96:9 hoe: "Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra." Ahoana no fahazoantsika ny hoe: "Fihaingoana masina"? Inona no tokony ho hevitr'izany ho an'ny Kristianina? Tokony hisy akony eo amin'ny fampianarantsika mikasika ny zavakanto sy ny hatsaran-tarehy izany, izay matetika ampifandraisina amin'io andian-teny io; amin'ny fomba ahoana?

Na lazaina aza fa miankina amin'ny maso mijery ny fahatsaran-tarehy, dia tsy azontsika hadinoina ity: Iza ilay nahary ny maso hatrany am-piandohana? (Jereo ny Ohab. 20:12). Na dia tokony hitandrina aza isika. mba tsy hivavaka amin'ny zavaboary (jereo ny lesona omaly), dia afaka mianatra ny momba an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hakanton'ny voary isika, indrindra ny fitiavany ny tsara. Raha hitantsika fa mbola mitafy hatsaran-tarehy hatrany ity tontolontsika lavo ity, iza re no mety hahazo an-tsaina ny hakantony talohan'ny Fahalavoana e?

Araka izany, ny fianarana momba ny haikanto sy ny siansa dia afaka ary tokony hampanakaiky antsika bebe kokoa amin'ny fon'Andriamanitra. Koa satria anisan'ny asan-tanana kanto nataon'Andriamanitra isika, ary koa zava-mahatalanjona ara-tsiansa, dia azontsika ianarana misimisy kokoa ny maha-isika antsika ao amin'i Kristy.

"Tian'Andriamanitra raha ny zanany rehetra no hankasitraka ny asany, ka hifaly amin'ny hatsaran-tarehy tsotra sady milamina, izay nentiny nandravaka ity tany onenantsika ity. Mpitia ny tsara tarehy izy, ary tia ny tsara tarehy ara-panahy, mihoatra noho izay rehetra. madera ivelany fotsiny. Tiany raha kolokolointsika ny fahadiovana sy ny fahatsorana, dia ireo endrika mahafinaritra sy milamina ananan'ny voninkazo" - DHK, t. 97.

Vakio ny Gen. 3:6. Inona no ampianarin'izany antsika mikasika ny hatsaran-tarehy izay tsy voatery ho tsara na masina?

Manana fahavalo isika, izay manimba sy manararaotra izany, dia tahaka ny ataony amin'ny zavatra rehetra noharian'Andriamanitra ihany. Tsy tokony hahagaga ary raha toa ka azo ampiasaina ho amin'ny tanjona tsy mahasoa antsika ny hatsaran-tarehy sy ireo hevitra manodidina izany. Noho izany, ny fanabeazana kristianina ara-Baiboly, indrindra ny mikasika ny haikanto, dia tokony hanampy antsika hahay hitandrina ny amin'ny fahazoana ilay hevitra hoe: tsy voatery ho tsara na masina avokoa tsy akory izay rehetra manana hatsaran-tarehy.

Mitanisa zavatra vitsivitsy, izay "tsara tarehy" kanefa tsy voatery ho masina sy tsara, na koa zavatra tsara tarehy kanefa azo ampiasaina amin'ny ratsy sy manjary tsy masina, araka ny toe-java-miseho. Inona ny fitsipika ampiasaintsika mba hahaizantsika manavaka izany?

Fantatsika fa maro tokoa ny zavakanto sy ny foto-pisainana eto amin'ity tontolo misy antsika ity no tsy manome voninahitra an'Andriamanitra. Maro no milaza fa tsy tokony handinika lalina izany lohahevitra izany akory ny Kristianina. Tokony ho amim-pahamalinana tsara no hiheveran'ny Advantista mitandrina ny Andro Fahafito ny asa fivelomany, ny toerana falehany, ary ny zavatra fihainony sy fijeriny.

Omena torolalana mazava isika ao amin'ny 1 Tim. 6 momba ireo toetra ratsy tokony hialana; manome antsika fanazavana maro mikasika izany koa anefa io toko io. Ao amin'ny 1 Tim. 6:9,10. Inona ireo zavatra tsy tokony hatao izay ampitandreman'i Paoly antsika?

Vakio ny tohin'ny 1 Tim. 6. Inona kosa ireo zava-dehibe asain'i Paoly katsahintsika?

Mariho fa mampitandrina i Paoly ao amin'ny 1 Tim. 6:20 mba hialantsika "amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy". Mbola azo ampiharina tsara izany fitsipika izany na dia ao anatin'ny tontolon-kevitra hafa aza no iresahan'i Paoly eto. Izany hoe, saino ny amin'ireo hevitra, fampianarana, sy foto-pinoana rehetra, tsy amin'izao fotoana izao ihany fa teo amin'ny tantaran'ny taranak'olombelona manontolo, izay diso tanteraka.

Nandritra ny 2000 taona teo ho eo no ninoan'ireo olona lalin-tsaina indrindra teto ambonin'ny tany, sy ireo manam-pahaizana, fa tsy mihetsika eo afovoan'izao tontolo rehetra izao ny tany, ary manao faribolana manodidina azy ny kintana sy ny planeta. Matematika sy siansa lalina indrindra no nampiasaina hanohanana izany hevitra izany, kanefa hita fa saika diso amin'ny lafiny rehetra mihitsy izany. Noho izany, azontsika lazaina fa lohany amin'ny fanaovana fahadisoana ireny manam-pahaizana ireny, ary inoana fa "atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy" izany fampianarana izany.

Ny siansa ankehitriny, ohatra, dia milaza fa an'arivony tapitrisa taona lasa izay no nipoiran'ny aina, vokatry ny kisendrasendra, tsy nisy Andriamanitra namorona na nokendrena ho amin'ny tanjona manokana. Nandritra izany fotoana izany dia niavosa izaitsizy ny fikarohana ara-tsiansa, izay sarotra sy be tsipirian-javatra, mifototra amin'izany fampianarana izany. Araka izany, tsy handray lesona ve isika fa mety ho lohany amin'ny fanaovana fahadisoana tokoa ny olona? Tokony hisy akony eo amin'ny fanabeazana kristianina ankapobeny, indrindra eo amin'ny fampianarana ny siansa, ny fahafantarana izany; amin'ny fomba ahoana?

Vakio ny Ohab. 1. Araka ny voalaza ao, tokony hiompana amin'ny inona ny tena fanabeazana kristianina marina?

Mampitaha ny fahadalana amin'ny fahendrena mandrakariva ny Baiboly. Tsara tokoa ny ampahatsiahivan'ny bokin'ny Ohabolana antsika ny amin'ireo fitondrantena tsy hendry sy ny fiarahana amin'ny adala, izay mety hampidi-doza. Mazava tsara ny tsy fitoviana eto: tian'Andriamanitra hikatsaka fahendrena ny olony, handala izany ary hampitombo izany ao aminy.

Mampiasa ny talentany ny mpianatra momba ny haikanto sy ny siansa mba hampitombo ny fahalalany sy hisondrotany ambony kokoa hatrany amin'ny fianarany. Toy izany koa ireo mpampianatra izany taranja izany. Azontsika atao ny ho tonga havanana amin'ny haikanto sy hahataka-javatra ara-tsiansa noho ny fahalalana sy ny fahaizana ananantsika.

Araka ny fomba fijery kristianina anefa, inona no tena liana ny fahalalana momba ny haikanto sy ny siansa raha toa ka tsy hay akory ny manavaka ny mety amin'ny tsy mety, ny tsara amin'ny ratsy, ary ny marina amin'ny diso? Jereo fotsiny ohatra ny fiainan'ireo izay heverina fa mpahay zavakanto malaza indrindra eto ambonin'ny tany mba hahitanao fa ny fananam-pahaizana sy talenta lehibe dia tsy midika velively ho fananana fiainana tsara sy mahitsy. Azo lazaina ihany koa fa manan-talenta sy fahaizana ambony ireo mpahay siansa malaza, amin'ny lafiny famoronana fitaovam-piadiana biolojika sy simika matanjaka dia matanjaka; kanefa inona moa no voka-tsoa entin'ny asan'izy ireo? Araka ny voalaza teo aloha, raha ny fahalalana fotsiny ihany, dia tsy voatery ho zavatra tsara.

Vakio ny Ohab. 1:7. Ahoana no anambaran'io andininy io ny amin'izay zava-dehibe eo amin'ny fanabeazana kristianina?

Olona iray nahazo loka Nobel, izay tsy mino ny fisian'Andriamanitra, ary nianatra momba izao rehetra ary izao sy ny hery fizika ao anatiny no nanoratra hoe: "Arakaraka ny toa ahatakarantsika ny momba izao rehetra ary izao no ahitantsika izany ho tsy misy heviny." Tsy tokony hilaza amintsika ve izany fa ny fahalalana, raha tsy misy an'Andriamanitra, dia tsy misy dikany ary mitondra ho amin'ny fiheveran-diso mihitsy aza?

Vakio ny Joba 38. lnona no ampianarin'io toko io antsika momba an'Andriamanitra, tsy amin'ny maha-Mpamorona Azy ihany fa amin'ny maha-Mpamelona azy koa? Manao ahoana no tokony ho fiantraikan'io fahamarinana lehibe io eo amin'ny fahazoantsika ny atao hoe haikanto sy siansa?

Ampianarina matetika fa manana aina sy hery ho azy ny natiora, ka dia misosa fotsiny, mizotra manaraka ireny lalàna tsy miova sy tsy azon'Andriamanitra ialana ireny izy. Izany fampianaran-diso izany dia tsy eken'ny Tenin'Andriamanitra mihitsy. Ny zavaboary dia mpanompon'Ilay Mpahary azy (...) Maneho fahendrena sy fanatrehana ary hery miasa araka ny lalàn'ny  zavaboary izay manambara ny asa tsy miato ataon'ny Ray sy ny Zanaka. Hoy i Jesôsy: `Ary Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho - PM, tt. 95,96.

Mampalahelo anefa, araka ny voalaza teo aloha, fa ny ankamaroan'ny fikarohana ara-tsiansa dia mifototra amin'ny zavatra ara-nofo sy amin'ny finoana ny tsy fisian'Andriamanitra. Midika izany fa afaka mahita zavatra tena kanto sy lafatra ary koa saro-takarina ny mpahay siansa, kanefa mbola milaza ihany izy ireo fa vokatry ny kisendrasendra izany ary tsy nisy fikasana na sitrapo namorona izany.

Raha ny marina dia izany mandrakariva no ankalazain'ny siansa. Ny fiainana eto an-tany, miaraka amin'ny hakantony sy ny maha-saro-takarina azy, manomboka amin'ny lolo kely ka hatramin'ny olombelona, izay ambarany fa vokatry ny tranga simika efa an'arivony tapitrisa taona lasa. Teo, hoy ihany izy, no nisian'ny sela iray niforona izay nandalo fiovana ka tamin'ny alalan'ny sivana ataon'ny zavaboary no nivoarany, ary io no nampisy izao zava-manana aina sy mihetsika rehetra hitantsika izao.

Manambara ny siansa ankehitriny fa ny fiheverana ny fisian'ny Mpamorona izay manana hery mihoatra ny an'ny olombelona dia fiheverana "tsy siantifika", satria tsy azo porofoina ara-tsiansa, ka tsy azon'ny siansa idirana ny momba izany. Raha ny siansa dia tsy mampianatra izany hevitra izany (toa mampianatra ny mifanohitra amin'izany tokoa mantsy ny siansa satria ny hakanton'izao tontolo izao sy ny maha-saro-takarina azy dia maneho ny fisian'ny Mpamorona iray), saingy ny mpahay siansa kosa no nametraka izany foto-pisainana izany ho fitsipika tsy maintsy arahina.

Ny olana anefa dia mampianatra ny Soratra Masina, fa nahary ny zavatra rehetra Andriamanitra, ary tsy izany ihany fa Izy koa no Mpamelona ny zavatra rehetra. Midika izany fa ny tena fanabeazana kristianina marina rehetra, rehefa mampianatra momba ny siansa, dia tokony hiavaka tanteraka amin'ny fampianarana isan-karazany voizin'ny siansa ankapobeny. Azo antoka ny hisian'ny fifanoherana, indrindra rehefa ny fiandohan'izao rehetra izao no resahina.

Ireto misy antony roa mahatonga ny siansa hahalala fahamarinana maro, kanefa diso hevitra tanteraka momba ny niandohan'ny zavatra rehetra: voalohany, tsy maintsy ao amin'ny natiora ihany ny siansa no mitady valiny rehefa mandalina momba ny zavaboary; faharoa, manambara ny siansa fa tsy miova ny lalan'ny natiora. Samy diso avokoa anefa ireo roa ireo rehefa ny fiandohan'ny zavatra rehetra no resahina.

Andeha hojerena ilay antony voalohany. Mitombina izany raha hanara-maso ny fivoaran'ny rivo-doza, saingy tsy mety ary tsy misy heviny raha hanazavana ny niandohan'izao rehetra izao, izay miantomboka amin'ny hoe: "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany"- Gen. 1:1. Koa inona no azon'ny siansa ampianarina antsika momba ny fiandohan'izao rehetra izao, izay avy amin'ny hery ivelan'ny maha-olombelona, kanefa mandà ny fisian'izany hery ambonin'ny an'ny olombelona izany izy?

Ahoana indray ny amin'ny lalan'ny natiora izay tsy miova? Toa mitombina ny voalaza, saingy ny Rôm. 5:12, izay manao hoe: "Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra", dia manambara fa nisy zavatra tsy nitohy intsony teo amin'ny natiora, ary niova ny toetrany raha mitaha amin'izay zavatra hitan'ny siansa ankehitriny. Samihafa tanteraka amin'izay mety hodinihintsika ankehitriny ny fisian'ny tontolo iray izay tsy misy fahafatesana, ary ny filazana fa mitovy ireo dia mitondra ho amin'ny fahadisoan-kevitra ihany koa.

Noho izany, diso hevitra ny siansa raha ny momba ny niandohan'izao fiainana izao satria laviny ireto lafin-javatra roa lehibe mikasika ny Famoronana ireto, dia ny fisian'ny hery ambonin'ny an'ny olombelona nahary izao rehetra izao, sy ny fahasamihafana tanteraka misy eo amin'ny voary tany am-piandohana sy izay atrehintsika ankehitriny.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Resaho ao amin'ny kilasy ny amin'ny fahatsaran-tarehy. Inona no atao hoe hatsaran-tarehy? Ahoana no hamaritantslka izany? Mety ho hafa amin'ny an'ny Kristianina ny fomba famaritana sy ny fahazoaniny tsy Kristianina ny atao hoe hatsaran-tarehy; amin'ny fomba ahoana?

2. Azon'i Kristy natao ny ho tonga teto an-tany amin'ny mana-mpahay siansa maranitra Azy, mba hahazoany valisoa lehibe noho ny fikarohana mitondra fiovana goavana ataony. Azony natao ny hahazo voninahitra aman-daza amin'ny maha-mpahay mozika manan-talenta Azy. Tsy izany anefa fa tonga teto Izy, nianatra sy nietry ho mpandrafitra. Teo Izy tamin'ny Famoronana izao rehetra izao, saingy nlanatra ny ho olon-tsotra ary nanao ny andraikiny tamim-pankatoavana. Inona ny fampaherezana azontsika avy amin'izany, na manao ahoana na manao ahoana asa ataontsika sy fanabeazana azontsika?

3. Tsy mangataka ny olona rehetra mba ho mpampianatra any an-tsekoly tsy akory Andriamanitra. Maro ireo Kristianina no mampianatra amin'ny alalan'ny fitoriany an'i Jesôsy amin'ny olona. Maneho Azy ihany koa izy ireo eo amin'ny fiainany isan'andro, amin'ny alalan'ny asany sy ny fitondrantenany. Inona ireo toetra tokony hananan'ny Kristianina amin'ny maha-mpianatr'i Jesôsy azy, sy amin'ny maha-mpampianatra azy koa, izay mampianatra ny olona rehetra eto ambonin'ity tany ity?