Lesona 9: Ny fiangonana sy ny fanabeazana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 10:30-37; Mat. 5:14-16; Lio. 4:18-23; Jer. 29:13: Mat. 7:7; 1 Tes. 2:6-8.

Tsianjery: "Ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay. Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriarnanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo" - 1 Tes. 2;6-8.

Nanomboka tamin'ny fotoana voalohany nivorian'ny mpino mba hiankohoka amin'Andriamanitra - tany amin'ny synagoga sy ny trano ary ny trano fiangonana - no nanehoan'ny Baiboly ireo olona naniry fatratra ny hahafantatra an'Andriamanitra sy hahatakatra ny sitrapony eo amin'ny fiainany. Nianatra ny Soratra Masina izy ireo ary nanao fanompoam-pivavahana. Averimberin'ny Baiboly matetika ihany koa fa ny fiangonana no toerana fanaovana fifanakalozan-kevitra matotra sy mahasoa, ary koa toerana hahafahan'ny olona mitombo amin'ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny sitrapony eo amin'ny fiainan'izy ireo.

Matahotra mametraka fanontaniana isika indraindray, kanefa hitantsika matetika ao amin'ny Baiboly fa ampiasaina hitarihana ny olona hahatakatra mazava kokoa ny momba an'Andriamanitra ny fanontaniana. Tahaka izany koa no ampiasana ny tantara manerana ny Baiboly, mba hahafahan'ny olona mandinika indray momba ny fanoloran-tenany. Nifantoka manokana tamin'izany karazam-panabeazana izany i Jesôsy raha niaraka tamin'ireo mpianany sy mpanara-dia Azy.

Raha toerana natao hanabeazana ny fiangonana dia tokony hanome toerana ny fifanakalozan-kevitra marina. Tahaka ny hamerimberenantsika amin'ny mpianatra any an-tsekoly hoe: "tsy misy ny fanontaniana adaladala", dia tokony hisy ny fiarahamonina azo antoka ao amin'ny fiangonana, hahafahan'ny tsirairay mitombo amin'ny fahasoavana sy fahatakarana ny momba an'Andriamanitra sy ny drafiny ho an'ny fiainan'izy ireo.

Indro ny tantaran'ny raby iray izay nahita fa te hatory ireo tovolahy mpianany nipetraka tao amin'ny efitrano fianarana, ka nanontany azy ireo hoe: "Rahoviana no fantatra fa lasa ny alina ary tonga ny maraina?"

Maro tamin'ireo mpianatra no nanangana ny tanany tamim-pitandremana. "Raby ô! Moa ve rehefa hainao ny manavaka ny hazo aviavy sy ny hazo oliva ?" 

Nanangana ny tanany ny mpianatra iray hafa: "Moa ve rehefa hainao ny manavaka ny ondry sy ny osy?" Nandre valinteny marobe ilay mpampianatra, ka izao no nambarany taorian'izay: "Ry mpianatra malala, fantatrao fa efa Iasa ny alina ary tonga ny maraina rehefa mijery ny endrik'olona iray tsy mbola hitanao hatrizay ianao kanefa hitanao eo amin'izany olona tsy fantatrao izany fa rahalahinao na anabavinao izy. Mandra-pahatonga izany fotoana izany, na mazava toy ny ahoana aza ny andro, dia mbola alina hatrany".

Vakio Lio.10:30-37: Inona no zavatra asongadin'i Jesôsy  ao amin'io tantara io. Inona no ambaran'izany momba izay zavatra tokony hampidirina ao amin'ny fanabeazana Kristianina marina.

Fitahiana be dia be no nomena antsika Advantista Mitandrina ny Andro fahafito tamin'ny Raby  ny hery mifanandrina, raha tsy hitanisa afa-tsy fampianarana vitsy isika. Maro amin'ny olona ao amin'ny tontolo kristianina no tsy mbola mahatakatra ireo. Na toy ny ahoana aza anefa fahalehibiazan'ireo fahamarinana ireo, inona moa no soa azontsika amin'izany raha toa isika tsy maneho fahatsaram-panahy amin'ny hafa; raha toa isika mifampitsaratsara, ary koa manjary mahatonga antsika hanambany ny hafa ny fanavakavahana ara-kolontsaina sy ara-tsaranga ataontsika amin'ny manodidina antsika?

Ny fanabezazana kristianina marina, raha ny tsara indrindra, dia tokony hahatonga antsika hihoatra ireny faharatsiana sy fahalemen'olombelona ireny, ka hijery ny hafa amin'ny fijerin'i Kristy azy ireo, dia voary izay nanolorany ny tenany ho faty, voary izay nentiny teo amin'ny hazo fijaliana ny fahotany, voary izay novidina tamin'ny sanda tsy hita fetra. Rehefa manandratra ny hazo araka ny tokony ho izy isika dia hahita ny tombambidy sy ny lanjan'ny olombelona tsirairay avy, ary hitondra ny hafa araka ny tokony ho izy, amin'ny fitandroana ny tombambidy omen'Andriamanitra azy. Tokony ho tafiditra ao anatin'ny fanabeazana kristianina izany fampianarana izany, raha tsy izany dia tsy mendrika akory ny anarana hoe "kristianina".

Inona no hevitra  mibahana mialoha ampitain'ny kolo-tsaina sy ny fiarahamonina misy anao na amin'ny fomba  mivantana izany na ankolaka izay tokony hihoaranao amin'ny maha- Kristiana anao.

Na aiza na aiza jerentsika dia toy ny hoe mihodinkodina fotsiny eo amin'ny tenany ity planetantsika ity, ifandimbiasan'ny haizina sy ny hazavana. Hita ho akaiky antsika kokoa anefa ny haizina rehefa mieritreritra ny fanandramana niainantsika eto amin'ity tontolo feno zava-tsarotra sy fihaikana ity isika. Isika ihany koa dia mahatakatra ny zava-mahatsiravina miseho ea amin'ny fiainana raha miady amin'ny aretina, miatrika ny famoizana ny olon-tiana, mijery ireo ankohonana maro miafara amin'ny fisaraham-panambadiana, ary mitolona mafy mba hahatakatra ny hevitry ny faharatsiana miseho eo amin'ny fiarahamonina sy ny kolontsaina misy antsika. Ao anatin'izany fitotonganana ara-pitondrantena sy fahamaizinana ara-panahy izany anefa, eo anivon'ny tabataba ao anatintsika sy any ivelany, dia mandre ny tenin'i Jesôsy isika hoe:

Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tapon-tendrombohitra. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany niasa soa ataonareo ka hankalazany Ny rainareo Izay any an-danitra. Mat. 5:14,16. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fomba fiainana tokony hananantsika, amin'ny maha-Kristianina antsika eo amin'ny fahitan'ny hafa an'Andriamanitra. 

Nipetraka teo amoron'ny ranomasin'i Galilia ny olona hihaino an'i Jesôsy  tamin'izay andro izay, nafana dia nafana ny andro, ahoana moa no hahatakaran'izy ireo ny teny ambarany? Nahafantatra momba ny fahazavana sy ny haizina ireo izay nandre ny tenin'i Jesôsy , ary azo antoka fa be loatra ny haizina nampatahotra azy. Niaina teo ambany fanapahan'ny Rômanina izy ireo, tao anatin'ny fiarahamonina notantanan'ny miaramila; tsy nisy fifandraisana an-tariby sy solosaina ary Internety tamin'izany andro izany saingy nahomby tahaka ny antsika, ary azo ambara ho mahatahotra kokoa aza.

Teny rehetra teny ny Rômanina  nampahatsiahy ireo vahoaka teo amin'ny havoana fa ireo izay minia mitondra fikorontanana dia hampahorina, ary hahatra aminy ny fahafatesana eo amin'ny hazo fijaliana rômanina ka esorina aminy ny fitafiany rehetra amin'izany.

Indro anefa i Jesôsy miantso azy ireo ho tonga fahazavana, ho tia famindrampo, hanana fo madio, ho mpampihavana. Araka izany, tokony ho tafiditra ao anatin'ny fanabeazana kristianina ny fampianarana ny mpianatra beazintsika ho tonga fahazavan'izao tontolo izao, mba hahaizan'izy ireo manao safidy tsara sy mandray fanapahan-kevitra izay maneho ny maha-misy marina an'Andriamanitra sy ny fahatsarany amin'ny hafa. 

Raha tian'ny fiangonana ny ho tonga herin'ny fanabeazana kristianina, dia tsy maintsy miara-miainga amin'i Jesôsy isika. Niantso ireo mpianatra Izy ary nanofana azy ireo hanao iraka tamin'ny fiarahany nandeha tamin'izy ireo. Nomeny azy ireo ny tombontsoa hifandray amin'ireo olona nasaina nokarakarainy sy notiaviny. Nanasa azy ireo isan'andro i Jesôsy hanana ny fomba fijeriny ny amin'izay mety ho toetry ny tany raha toa ny olona ka manomboka mifandray toy ny mpiray tampo. 

Vakio ny Lio. 4:18-23. Inona ny hafatra ampitain'i Jesôsy amintsika rehetra izay mpanara-dia Azy?

Nandritra ny telo taona no nandinihan'ireo mpianatra an'i Jesôsy ilay mpampianatra azy. Nasehon'i Jesôsy teo amin'ny fiainany ny fenitry ny fanjakan'ny lanitra - fenitra izay hita ao amin'ny toriteny voalohany nataony tao amin'ny sinagoga tany Nazareta. Nifampitantana amin'ny famelan-keloka sy ny fahasoavana ary ny fitiavana ny maha-irery sy ny fanoloran-tena ary ny fiatrehana zava-tsarotra. Raha nisy ny lesona natao hosintonina dia izao izany: tsy zavatra natao hamaivamaivanina ny maha-mpianatra. Tsy indray andro ihany no maha-mpianatra fa mandritra ny fiainana manontolo. 

"Mahafaoka ny mpino rehetra ny iraka nampanaovin'ny Mpamonjy ny mpianatra. Mahafaoka ny mpino (...) rehetra hatramin'ny faran'ny andro izany. (...) Izay rehetra nandray ny aingam-panahy avy any an-danitra, dia hanankinana ny Filazantsara. Izay rehetra mandray ny fiainan'i Kristy dia baikoina hiasa ho amin'ny famonjena ny mpiara-belona aminy. Io asa io no nanorenana ny fiangonana, ary izay rehetra manao voady masina amin'ny fiangonana, dia manaiky amin'izany ho mpiara-miasa amin'i Kristy" - IFM, t. 880.

Amin'ny maha-mpianatr'i Jesôsy antsika ankehitriny dia tokony hahazo antoka isika fa Izy hatrany no ivon'ny firahalahiantsika sy ny fiankohofantsika. Tsara ny mahatsiahy fa i Jesôsy  no namorona ny fanarahana Azy. Na dia nanintona olona maro hanaraka azy ireo aza ny raby tamin'izany andro izany, i Jesôsy kosa dia niantso ny lehilahy sy ny vehivavy hanara-dia Azy. Tsy mba tao an-tsain'ireo raby fa ny fanarahana an'i Jesôsy dia manan-danja mihoatra ireo fitsipika marobe napetrak'izy ireo. 

Mpianatr'i Jesôsy isika; tsy hoe manaja ny olona rehetra fotsiny isika amin'izany fa hiasa koa mba hanomezana azy ireo toerana hahafahany mitombo sy mivelatra.

Araka izany dia tokony ho hita ao amin'ny fanabeazana kristianina rehetra izany fahatsapana ny iraka ampanaovina sy ny tanjona hotratrarina izany, tsy ho amin'ny fivelomana ihany fa mba hanaovantsika izay asain'i Jesôsy ataontsika eo amin'ny manodidina antsika: ny hanaraka ny diany eo amin'ny asa atao amin'ireo mahantra, ary koa ny hizara amin'izy ireo ny vaovao mahafalin'ny filazantsara. 

Izao no nosoratan'ingahy Albert Einstein, izay antsoina matetika hoe rain'ny fizika môderina: "Zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana mandrakariva. Manana ny antom-pisiany ny fahalianana. Tsy mitsahatra ny mitolagaga ny olona rehefa mibanjina ny zava-miafin'ny mandrakizay sy ny fiainana ary ny firafitra mahatalanjon'ny fisiana. Ilaina ny fiezahana hahatakatra zavatra kely amin'izany zava-miafina izany isan'andro. Aoka tsy hiala ao aminao ny fahalianana mahasoa." 

Monina eto amin'ny tontolo be zava-miafina isika, sa tsy izany? Naneho amintsika hasaro-javatra tsy mampino izay misy saiky eo amin'ny arnbaratongam-pisiana rehetra ny siansa moderina. Raha izany no misy eo amin'ny tontolo ara-materialy, moa ve tsy manoatra izany ny eo amin'ny tontolo ara-panahy?

Inona no ampianarin'ireto andalan-teny manaraka ireto mikasika ny fikatsahana ny fahamarinana sy ny valin'ny fanontaniana maro izay mety hipetraka? Jer. 29:13; Mat. 7:7; Asa. 17:26,27; Sal. 25:5; Jao. 16:13; Jao. 17:17.

Feno tantaran'olona liana tahaka antsika izao ao amin'ny Baiboly , lehilahy sy vehivavy izay manana fanontaniana, tahotra, fanantenana sy fifaliana; olona izay nikatsaka ny fahamarinana araka ny fombany, ary nitady valiny teo anatrehan'ireo fanontaniana saro-baliana eo amin'ny fiainana.

"Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany" - Mpitt. 3:11. Inona no tian'i Sôlômôna hambara eto? Adikan'ny olona sasany hoe "mandrakizay" ny teny hebreo hoe "olam"; ny hafa kosa mandika izany ho "fahatakarana momba ny lasa sy ny hoavy". Araka io andalan-teny io dia napetrak'Andriamanitra ao am-pon'ny olona sy ao an-tsainy ny fahatakarana momba ny lasa sy ny hoavy, dia ny mandrakizay izany. Amin'ny maha-olona antsika dia azontsika atao ny misaina ny amin'izay antsoina hoe "fanontaniana manan-danja" momba ny fiainana sy ny fisiantsika ankapobeny.

Mazava loatra fa eo indrindra no itanan'ny Soratra Masina anjara lehibe. Iza moa isika? Nahoana isika no eto? Toy ny ahoana no tokony ho fomba fiainantsika? Inona no mitranga rehefa maty isika? Nahoana no misy ny haratsiana sy ny fahoriana? Ireo no fanontaniana napetraky ny olona nikatsaka ny fahamarinana hatry ny fiantombohan'ny tantara voarakitra.

Tombontsoa sy andraikitra goavana ny fahafahana manampy ireo olona mikatsaka fahamarinana ireo hahita valinteny amin'izao fotoana izao. Inona moa ny fanabeazana kristianina raha tsy hampitodika ny olona amin'ireo valinteny ireo, izay hita ao amin'ny tenin'Andriamanitra?

Nahoana ny Soratra Masina no tokony hitana anjara toerana lehibe eo amin'ny famaliana ireo fanontaniana manan-danja eo amin'ny fiainana? 

Vakio ny 1 Tes. 2:6-8. Inona ny zavatra ambaran'i Paôly izay azontsika aseho ary tokony ho hita taratra eo amin'ny sekoly sy ny fiangonantsika?

Eo anatrehan'ny fitotonganana sy ny faharavan'ny fiarahamonina ankehitriny dia velona amin'ny fotoana izay maha-zava-dehibe ny fampianaran'ny Baiboly mikasika ny fiangonana indrindra isika. Araka izay ampahatsiahivan'i Mat. 18:20: "Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho". Tany an-tokantranon'ny mpino no niandohan'ny fiangonana sy ny fiarahamonin'ny mpino tamin'ny andron'ny TV. Tany no toerana nihaonan'ny fiarahamonin'ny mpino tao amin'ny tarika madinika, nivavahan'izy ireo sy nihirany ary nanaovany ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo, ary koa nianarany sy nifampizarany ny tenin'i Jesôsy.

Ireo tarika niara-nivavaka ireo ihany koa no tonga sekoly voalohan'ny fiangonana; tao mantsy no toerana nampianarana azy voalohany ny Baiboly sy ny fiainana vaovao ananany ao amin'i Jesôsy . Ny teny nosoratan'i Paoly, tahaka ny Rôm. 12:2: "Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina" dia manoro hevitra ny handraisan'ny fiangonana amim-pahamatorana indrindra ny asa fanabeazana. 

Tsy ela dia hitan'ireo mpino voalohany ireo fa ny fiarahamonina no toerana mety indrindra iainana ny filazantsara. Azontsika atao ny mihira mafy kokoa ao anaty ao, mivavaka amin-kafanam-po bebe kokoa, ary mihevitra ny hafa sy maneho fangorahana kokoa. Rehefa mandre ny hafa miresaka momba ny fahatsaran'Andriamanitra isika dia mahatsapa ny fahatsarany amintsika koa; rehefa mandre ny amin'ny tolona atrehan'ny hafa sy ny fahoriany isika dia mahatsapa ny fanasitranan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, ary mahatsapa indray ny faniriana ho tonga fitaovana hampita ny fahasoavany sy ny fanasitranany.

Ambaran'i Paoly ao amin'ny toko sy andininy nodinihina androany fa ny filazantsaran'Andriamanitra dia mahafaoka ireto rehetra ireto: ny herin'ny hazo fijaliana, ny fananganana ny Tompo tamin'ny maty ary ny fampanantenana ny amin'ny fiaviany indray. Tsy misy vaovao mahafinaritra noho izany manerana izao tontolo  izao, ary nanokana ny androm-piainany manontolo ho amin'ny fihaikana iray ataony lohalaharana i Paoly, dia ny hizara ny tantaran'i Jesôsy amin'ny fahitsiana sy fanoloran-tena lehibe. 

Ambaran'i Paoly etoana fa ny fomba tsara indrindra hahatakarana ny hafatry ny filazantsara dia ny fizarana izany amin'ny hafa sy ny fiaraha-miaina amin'izy ireo. Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa mandinika akaiky dia akaiky antsika ny olona, mba hahitany raha toa maneho taratra ny hafa-pahasoavana hita ao amin'ny Baiboly ny fiainantsika. Saino lalina ny momba ny fiainanao, ary anontanio ny tenanao hoe: "Vavolombelona toy ny ahoana aho eo anatrehan'ireo manodidina ahy?" 

"Nandiso ny fanantenan'ny olona momba ny fahalehibiazana araka izao tontolo izao i Kristy, Tao amin'ny toriteny teo an-tendrombohitra no niezahany mafy hamaha ny asa izay efa notanterahin'ny fanabeazana diso, sy hanome fahalalana araka izay izy momba ny fanjakany sy ny toetra amam-panahin'ny tenany ho an'ny mpihaino  Azy. Tsy namely mivantana ny hevi-diso teo amin'ny olona izy na dia izany aza. Hitany ny fahantran'izao tontolo izao raha ny momba ny fahotana, nefa tsy nasehony teo anatrehany ny sary velona maneho ny fahoriany. Zavatra tsara lavitra noho izay efa fantany no nampianariny azy. Tsy nanohitra ny heviny momba ny fanjakan'Andriamanitra izy, fa nolazainy  taminy ny fepetra hidirana ao, ka navelany izy ireo no hisintona ny fehin-keviny ny amin'ny toetran'izany fanjakana izany. Tsy latsa-danja ho antsika ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana izay nampianariny mihoatra noho ny ho an'ny vahoaka marobe izay nanaraka Azy. Ilaintsika tsy latsaka noho ireo ny hianatra ny foto-kevitra iorenan'ny faniakan'Andriamanitra'- IFM, tt. 312, 313. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Teraka tany Edinburgh, Ecosse, tamin'ny taona 1850 i Robert Louis Stevenson. Notantarain'ingahy Stevenson ny zava-niseho indray alina, raha handeha hampandry azy eo amin'ny fandriany ny mpitaiza azy. Nankeo amin'ny varavarankely izy, nahita zavatra nahavariana teo. Tsy inona izany fa lehilahy mpandrehitra ny jiro eny an-dalambe, izay nitety ireo jiro misy tongony. Faly tokoa ity zaza ity niantso ny mpitaiza azy  hankeo aminy, ary hoy izy taminy: "Jereo ange io lehilahy io e ! " Manisy lavaka amin'ny haizina izy ! "Inona ny anjara asa nomen'Andriamanitra anao amin'ny fitondrana hazavana sy fitiavana eo amin'ny fiarahamonina misy anao? Raha tsy mahazo antoka ianao, manasà mambran'ny fiangonana maro hiara-mipetraka aminao ary hiady hevitra ny amin'izay mety azonareo tanferahina miaraka.

2. Tokony hiteny tahaka an'i Jesôsy hanao araka izay nataony isika fiangonana, raha hiara-miasa amin'Andriamanitra hanatratra izao tontolo lzao. Ny nahatongavan'Andriamanitra ho nofo - mba hiaina teto amin'ny tontolontsika, hitolona sy hiara-miaina ny zavatra rehetra amintsika - dia mampahatsiahy fa antsoina isika hiahy ireo manodidina antsika. Ahoana no hanaovana izany? Ahoana no hampiasana ny tanora ao amin'ny fiangonana mba hitondra fanampiana amin'izany asa izany? 

3. Eritrereto ny andralkitra apetraka amintsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, dia ny hampianatra ny hafa  ireo fahamarinana mahatalanjona nomena antsika. Amin'ny fomba ahoana no tokony hitanan'ny fiangonana anjara asa eo amin'ny fampianarana ireo fahamarinana ireo amin'ny helo? Ahoana ihany koa no hahatonga ny fiangonana ho toerana mety indrindra hifanakalozan-kevttra momba ireo fahamarinana ireo, miaraka amin'ireo olona mametraka fanontaniana saro-baliana mikasika izany? Inona no azonao atao mba hampisy fiaraha-miaina hahafahana miresaka momba ireo fanontaniana manan-danja?

4. Resaho ao amin'ny kilasy ny hevitra mibahana mialoha ara-kolontsaina, ao amin'ny fiarahamonina misy anao. Inona ny fomba hahafahan'ny fiangonanao mampianatra ny hafa hihoatra ireny hevitra mibahana mialoha ireny ka hanaraka kosa ny fampinaran'ny Soratra Masina?