Vakio ny Gen. 1:26,27 sy ny Gen. 5:1,3. Inona no ambaran'ireo andininy ireo mikasika ny fomba namoronan'Andriamanitra antsika tany am-boalohany? Inona no nitranga tamin'ny olombelona taorian'ny nahalavoany?

Nahasarika ireo mpandinika Baiboly nandritra ny taon-jato maro ilay teny hoe: "tahaka ny endriny". Inona izany endrika namoronana ny olombelona voalohany izany? Midika ve izany, ohatra, fa nijery fitaratra Andriamanitra ka nataony mitovy amin'ireny endriny ity voariny vaovao ity? Sa milaza izany fa ny olombelona no manahaka indrindra an'Andriamanitra raha mitaha amin'ny zava-manana aina hafa rehetra? Sa midika kosa izany fa misy fitoviana sy fifandrindrana ara-panahy sy ara-tsaina eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona nohariany? Tsy manambara mazava ny amin'izany ny Soratra Masina na dia nanao tsoa-kevitra maro hanazavana io andalan-teny io aza ny mpandinika maro. Na izany aza, hitantsika taorian'ny fahalavoana fa niova io endrika io, ka izany no antony nanoratan'i Ellen G. White fa ny tanjon'ny fanabeazana kristianina dia ny hamerina ny olona ho amin'ilay endriky ny Mpanao azy (Education, tt. 14-16).

Ahoana no hahatraran'ny fanabeazana izany tanjona lehibe izany?

Voalohany, ilaintsika ny mahatsiahy fa nataon'Andriamanitra hanana fifandraisana Aminy isika, tahaka ny ray aman-dreny sy ny zanany. Nataon'Andriamanitra araka ny endriny isika, dia toy ny zanaka mitovy endrika amin'ny ray aman-dreniny (Gen. 5:1), mba hahafahany manabe antsika tahaka ny zanany izay ao anatin'ny ankohonany. Afaka miresaka amintsika sy manorina fifandraisana maharitra amintsika ihany koa Izy. Koa ilay endrik'Andriamanitra dia manambara kokoa "endrika ara-tsaina" izay mahatonga ny fisainan'ny lanitra sy ny fisainan'ny olombelona hifanojo. Izany indrindra no mitranga ao anatin'ny fanabeazana, eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ao an-tokatrano aloha, avy eo any an-tsekoly, rehefa ny mpampianatra no manabe ny zanakao. Azo inoana fa drafitr'Andriamanitra io fomba fanabeazana io, izay fantatsika loatra, rehefa namorona antsika Izy ho tahaka ny endriny sy rniaraka amin'ny sary hafa rehetra. Hahafahany mampianatra antsika sy hahafahantsika mianatra Aminy mantsy izany, amin'izay dia ho hita taratra eo amintsika ny "endriny" (ny fisainany).

Ny tantaran'ny fanavotana dia tantaran'ny fanabeazana, manomboka amin'ny famoronana ka hatramin'ny fotoana nahaterahan'i Jesôsy teto an-tany, ary mitohy hatrany amin'ny fotoana hanavaozana ny zavatra rehetra. Andriamanitra no mpampianatra, ary ny lanitra no sekolintsika amin'ny fotoana rehetra (jereo Education, t. 301). Nahoana izany hevitra izany no tokony hitarika antsika hanao izay rehetra azo atao, amin'ny maha-Kristianina, mba hanome ny fanabeazana tsara indrindra ao an-tokantrano, any am-piangonana, any an-tsekoly, any amin'ny Oniversite, ary mandritra ny fiainantsika?