Lesona 8:Ny fanabeazana sy ny drafi-panavotan'Andriamanitra

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 1:26,27; Isa. 11:1-9; 2 Tim. 3:14-17; 1 Mpanj. 4:29-34 (1 Mpanj. 5. 9-14); Jao. 14:17; 1 Kôr. 2:1-16.

Tsianjery: "Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana"- 2 Tim. 3:16.

Miompana amin'ny tantaran'Andriamanitra sy ny olony ny Baiboly. Indraindray toy ny tantaram-pitiavana tsy nizotra araka izay niheverana azy izany. Indraindray koa toy ny tantaran'ny Ray anankiray sy ny zanany maditra, izay miverina eo aminy ihany amin'ny farany.

Araka ny tanjon'ny lesontsika amin'ity herinandro ity anefa dia hijery lohahevitra hafa isika ao amin'ny tantara ara-Baiboly, dia ny tantarana mpampianatra iray sy ny mpianany. Tsy mety afa-panadinana ireto mpianatra, kanefa manam-paharetana ny mpampianatra mamerimberina amin'izy ireo ny lesona mandra-pahaizan'izy ireo na ny sasany amin'izy ireo izany amin'ny farany.

Mampahatsiahy antsika ny tantaram-piainantsika olombelona, izay saika voafehintsika tsara, ny tantara ara-Baiboly. Azo antoka fa tsara fiafara sy tonga amin'ny tanjona nokendreny ny tantaran'Andriamanitra sy ny olony ao amin'ny Baiboly. Azo antoka izany vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra izany amin'ny olony. Maro no tsy mahatakatra, ary manahy aza ny amin'ny anjaran'ny olombelona ao anatin'io fifandraisan'Andriamanitra aminy io, ka mihevitra fa ezaka mafy no takina amin'ny olombelona mba hahazoany famonjena. Tsy izany anefa no votoatin'ny Baiboly fa fanasana omen'Andriamanitra ny mpanota mba hahafantarany Azy sy hahatakarany ny sitrapony. Ny mianatra mba hahafantatra an'Andriamanitra no tena tokony havalintsika ny fahasoavany. Tsy voavidintsika izany fahasoavana izany fa ny mianatra ny momba izany no azontsika atao. Inona tokoa moa no atao hoe fanabeazana kristianina raha tsy ny fampianarana momba ny fahasoavan'Andriamanitra no ivony?

Vakio ny Gen. 1:26,27 sy ny Gen. 5:1,3. Inona no ambaran'ireo andininy ireo mikasika ny fomba namoronan'Andriamanitra antsika tany am-boalohany? Inona no nitranga tamin'ny olombelona taorian'ny nahalavoany?

Nahasarika ireo mpandinika Baiboly nandritra ny taon-jato maro ilay teny hoe: "tahaka ny endriny". Inona izany endrika namoronana ny olombelona voalohany izany? Midika ve izany, ohatra, fa nijery fitaratra Andriamanitra ka nataony mitovy amin'ireny endriny ity voariny vaovao ity? Sa milaza izany fa ny olombelona no manahaka indrindra an'Andriamanitra raha mitaha amin'ny zava-manana aina hafa rehetra? Sa midika kosa izany fa misy fitoviana sy fifandrindrana ara-panahy sy ara-tsaina eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona nohariany? Tsy manambara mazava ny amin'izany ny Soratra Masina na dia nanao tsoa-kevitra maro hanazavana io andalan-teny io aza ny mpandinika maro. Na izany aza, hitantsika taorian'ny fahalavoana fa niova io endrika io, ka izany no antony nanoratan'i Ellen G. White fa ny tanjon'ny fanabeazana kristianina dia ny hamerina ny olona ho amin'ilay endriky ny Mpanao azy (Education, tt. 14-16).

Ahoana no hahatraran'ny fanabeazana izany tanjona lehibe izany?

Voalohany, ilaintsika ny mahatsiahy fa nataon'Andriamanitra hanana fifandraisana Aminy isika, tahaka ny ray aman-dreny sy ny zanany. Nataon'Andriamanitra araka ny endriny isika, dia toy ny zanaka mitovy endrika amin'ny ray aman-dreniny (Gen. 5:1), mba hahafahany manabe antsika tahaka ny zanany izay ao anatin'ny ankohonany. Afaka miresaka amintsika sy manorina fifandraisana maharitra amintsika ihany koa Izy. Koa ilay endrik'Andriamanitra dia manambara kokoa "endrika ara-tsaina" izay mahatonga ny fisainan'ny lanitra sy ny fisainan'ny olombelona hifanojo. Izany indrindra no mitranga ao anatin'ny fanabeazana, eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ao an-tokatrano aloha, avy eo any an-tsekoly, rehefa ny mpampianatra no manabe ny zanakao. Azo inoana fa drafitr'Andriamanitra io fomba fanabeazana io, izay fantatsika loatra, rehefa namorona antsika Izy ho tahaka ny endriny sy rniaraka amin'ny sary hafa rehetra. Hahafahany mampianatra antsika sy hahafahantsika mianatra Aminy mantsy izany, amin'izay dia ho hita taratra eo amintsika ny "endriny" (ny fisainany).

Ny tantaran'ny fanavotana dia tantaran'ny fanabeazana, manomboka amin'ny famoronana ka hatramin'ny fotoana nahaterahan'i Jesôsy teto an-tany, ary mitohy hatrany amin'ny fotoana hanavaozana ny zavatra rehetra. Andriamanitra no mpampianatra, ary ny lanitra no sekolintsika amin'ny fotoana rehetra (jereo Education, t. 301). Nahoana izany hevitra izany no tokony hitarika antsika hanao izay rehetra azo atao, amin'ny maha-Kristianina, mba hanome ny fanabeazana tsara indrindra ao an-tokantrano, any am-piangonana, any an-tsekoly, any amin'ny Oniversite, ary mandritra ny fiainantsika?

Mampiasa teny maro ny Baiboly ho famaritana an'i Jesôsy. Zanak'Andriamanitra Izy, Mesia, Zanak'olona, Mpamonjy, Mpanavotra, Tompo, ary Zanak'ondrin'Andriamanitra. Kanefa ho an'ireo olona izay nahafantatra Azy tsara kokoa nandritra ireo telo taona mahery nanaovany asa teny anivon'ny vahoaka, tany Jodia sy Galilia, dia mpampianatra Izy. "Mpampianatra" na "Raby" no niantsoan'ireo Azy, izay samy midika hoe "mpanabe” avokoa.

Noho izany, ny asan'i Jesôsy amin'ny maha-Mpampianatra Azy no fomba nahomby indrindra teo amin'ny fanatanterahany ny asam-pamonjena ny olona. Azo lazaina fa ny asa fampianarana nataon'i Jesôsy dia mitovy ihany amin'ny asa fanavotana. Ankoatra izay dia efa voalazan'ny mpaminanin'ny filazantsara mialoha ny momba izany.

Vakio ny Isa. 11:1-9. Inona no ambaran'ireo andininy ireo mikasika ny asan'i Jesôsy amin'ny maha-Mpampianatra Azy?

Ao amin'ny Isa. 11 no ahitantsika ny iray amin'ireo faminaniana manaitra indrindra momba ny Mesia ao amin'ny Soratra Marina. Asehon'ny and. 1-3 tahaka ny Mpampianatra ilay Mesia ho avy, izay manome fahalalana, tolo-tsaina, fahendrena, ary fahazavan-tsaina. Ity teny fikasana lehibe ity no mamarana ireo andininy ireo: "Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehôvah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina" - Isa. 11:9. Ny fampianarana avy ao amin'ny Baiboly toy izany angamba no nahatonga an'i Ellen G. White hilaza fa ny asa fanabeazana sy ny asa fanavotana dia iray ihany.

Vakio ny Jao. 3:1-3. "Raby" no niantsoan'i Nikôdemosy an'i Jesôsy. Nekeny ho avy amin'Andriamanitra ihany koa ny fampianarani Jesôsy noho ireo famantarana maro nataony, dia ireo fahagagana nataony sy ny fahalalany ny hevitra fonosin'ny fiainana. Neken'i Jesôsy ilay anarana niantsoan'i Nikôdemosy Azy sy ny maha-avy amin'Andriamanitra ny fampianarany rehefa 'nilaza tamin'i Nikôdemosy Izy fa tsy maintsy hateraka indray (i Nikôdemosy) raha te hahita, hahafantatra sy hiditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Milaza izany fa avy amin'Andriamanitra ny fahefana amin'ny maha-Mpampianatra, na dia ny fahefan'i Jesôsy aza.

Marina tokoa fa fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ny fampianarana. Iraka nampanaovin'Andriamanitra izany, notanterahin'i Jesôsy, ary neken'ireo izay nampianarina ho manana fahefana avy any an-danitra.

Ho henika ny fahalalana an'Andriamanitra ny tany. Inona no anjarantsika ao anatin'ny fanatanterahana izany faminaniana izany?

Vakio ny 2 Tim. 3:14-17. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny anjaran'ny Soratra Masina ao anatin'ny fanabeazana kristianina?

Torah no anaran'ireo boky dimy voalohany ao amin'ny TT. Matetika izy io no adika hoe "lalàna", anivon'ny anton'izany ny fahamaroan'ny lalàna voasoratra ao amin'ireo boky ireo. Fa ny tena hevitry ny Torah dia "fampianarana" na "toromarika". Samy hafa tanteraka amin'ny fiheveran'ny olona maro momba ny "lalàna" ao amin'ny Baiboly izany, ka didy amam-pitsipika tsy maintsy tandremana mba hahazoana sitraka amin'Andriamanitra no andraisany azy. Tsy izany anefa, fa ny lalàna dia natao hampianatra antsika ny fomba atao mba hananana fiainana feno fahombiazana sy lavitry ny loza, ao anatin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra araka ilay fanekena nataony fony Izy nahary antsika tany am-boalohany.

Ireo fizarana roa manaraka ao amin'ny Baiboly hebreo, izany hoe ny bokin'ny mpaminany, dia maneho ny fomba nandraisan'ny vahoakan'Andriamanitra ilay fanabeazana nomena azy sy ny nampiharany izany (bokin'i Josoa, Mpitsara, Samoela, ary Mpanjaka) teo amin'ny fiainany, ary koa ny lesona tokony ho voarainy avy amin'izany (bokin'i Isaia, Jeremia, Ezekiela, sy ireo mpaminany madinika 12). Ny fizarana farany ao amin'ny TT, (antsoina hoe "asasoratra" amin'ny teny hebreo) dia mirakitra ohatra maro momba ny fahombiazana na tsia teo amin'ny fiainan'ireo mpampianatra sy mpianatra, teo amin'ny tontolon'ny fanabeazana. Ohatra amin'izany fahombiazana izany ny bokin'i Estera, Rota, Daniela, ary Joba. Ireo naman'i Jôba efatra kosa no anisan'ireo maneho tsy fahombiazana. Marina tokoa fa boky fihirana ny bokin'ny Salamo, kanefa na izany aza dia misy Salamo telo ao: Sal. 1, Sal. 37, ary ny Sal. 73, izay mirakitra fampianarana.

Feno fampianarana natao ho fanabeazana ao amin'ny bokin'ny Filazantsara efatra, indrindra ao amin'ireo fanoharana nataon'i Jesôsy. Maro amin'ireo taratasy nosoratan'i Paoly no manomboka amin'ny fanambarana ny Filazantsara amin'ny fomba miezinezina, ary avy eo mifarana amin'ny fampianarana, dia lesona azon'ny Kristianina ampiharina eo amin'ny fiainany andavanandro. Ohatra iray hafa: ny fanambarana ny hoavin'ny fiangonan'i Kristy manontolo dia voarakitra ao anaty boky, izay tsy misy afa-tsy ny Zanak'ondrin'Andriamanitra irery ihany, dia Ilay Mpampianatra lehibe, no mahasokatra azy.

Mety misy olona milaza fa tsy azo ampiharina amin'izao androntsika izao avokoa ireo fampianarana rehetra ao amin'ny bokin'i Mosesy, ary marina izany. Ny Deo. 17:14.20, izay toromarika mahakasika ireo mpanjaka, dia manome torolàlana mazava tsara momba ny fifidianana olona izay hitana ny toerana maha-mpanjaka. Mazava loatra fa tsy mifidy mpanjaka isika ankehitriny ao amin'ny fiangonana. Ahoana no hamaritantsika ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny fampianarana rehetra ao amin'ny Baiboly amin'izao androntsika izao?

Azon'ny olona tsara ankehitriny ny hevitry ny hoe: Miasa ao anatintsika Izy sekoly, fianarana, ary fanabeazana. Tsy fahita ao amin'ny Fil. 2:13. Baiboly anefa ireo teny ireo. Ny teny hoe "fahendrena" na "hendry" no hita ao matetika kokoa. Ny ohatra dia milaza ny amin'ny lehilahy sy vehivahy hendry (2 Sam. 14:2, Ohab. 16:23).

Vakio ny 1 Mpanj. 5: 9-14. Inona no ampianarin'io andininy io amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny fahendrena?

Nosinganina manokana ho toy ny olona manam-pahendrena tokoa i Sôlômôna mpanjaka, izay niresaka momba ny fiainan'ny biby sy ny zava-maniry, ary nanao ohabolana maro feno fahendrena lalina, dia tahaka ny olona izay nahazo fanabeazana ambony (1 Mpanj. 5: 9-14). Mirakitra fampianarana feno fahendrena maro mamba ny lohahevitra isan-karazany ny bokininy Ohabolana sy ny Mpitoriteny, izay nosoratan'i Sôlômôna sy ireo mpanabe hafa manam-pahendrena koa tamin'izany andro izany (Ohab. 1:1; 25:1; 30:1; 31:1).

Araka ny Baiboly, ny fahendrena dia misy ifandraisany betsaka amin'ny fanabeazana ankehitriny. Ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra no mampita izany amin'ny olona, indrindra amin'ny andro fahatanorany (Mpitt. 12:1), kanefa raha ny marina dia mianatra mandrakariva ny amin'ny fahendrena ny olona iray mandritra ny androm-piainany. Manaraka izany, ankapobeny ny fahendrena dia miaraka amin'ny fampiharana izany eo amin'ny fiainana. Ohatra: mianara amin'ny vitsika izay mamory ny haniny rehefa fahavaratra mba hananany ny ampy rehefa tonga ny ririnina (Ohab. 6:6-8).

Tsy hoe azo ampiharina amin'ny fiainana andavanandro ihany ny fahendrena, fa misy heviny ara-panahy koa izany. Manomboka amin'ny finoana an'Andriamanitra mantsy izany ary manaraka fitsipika fototra voafaritra tsara (Ohab. 1:7). Manampy antsika hahay handray andraikitra eo amin'ny fiainana ny fahendrena, ary koa hanasoa ny hafa sady miaro antsika tsy ho azom-pahoriana. Farany, tsy misy hafa amin'ny fanabeazana ankehitriny ihany, ny fahendrena koa dia tsy mamaly izay fanontaniana rehetra mety apetratsika, fa mahatonga antsika hifaly kosa amin'izay efa fantatsika sy hanohy hikaroka mikasika izay tsy mbola haintsika. Ary eo no toerana mety indrindra ahafahantsika mianatra ny hahalala an'Andriamanitra sy hitoky amin'ny fahasoavany. Ao amin'ny Jer.18:18, ny andraikitry ny mpanabe hendry dia raisina ho mitovy lenta amin'ny andraikitry ny mpisorona sy ny mpaminany. Samy mampita hafatra avy amin'Andriamanitra ho amin'ny olony avokoa ireo telo ireo, amin'ny alalan'ny fampianarana ny lalàna, ny torohevitra mamba ny fanabeazana, ary ny hafatra manokana avy amin'Andriamanitra.

Ahoana no hananantsika fahendrena ary avy eo mampita izany amin'ireo taranatsika?

Eto no ahitantsika ny iray amin'ireo fitsipika lehiben'ny fanabeazana ao amin'ny Soratra Masina, rehefa niomana handao ny mpianany, na ny mpanara-dia Azy, i Jesôsy, Ilay Tompo sy Mpampianatra. Niaraka Taminy nandritra ny telo taona sy tapany izy ireo, izany hoe mitovitovy amin'ny halavan'ny fotoana ianarantsika any amin'ny sekoly ambony. Matetika rehefa mifarana ireo fe-potoana ireo, miankina amin'ilay mpampianatra, dia azo lazaina fa efa vonona ny hitantana samirery ny fiainany ny mpianatra.

Nanan-kevitra tsara kokoa anefa i Jesôsy. Notohizany hatrany ny fanabeazana azy ireo tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina ho Mpampianatra. Ny teny hafa ilazana io mpampianatra na mpitari-dalana io ao amin'ny Baiboly dia Mpananatra na Solovava (paracletos amin'ny teny grika), izay homena ireo mpanara-dia an'i Jesôsy sy hitoetra eo aminy mandrakizay (Jao. 14:16,17). Fanahin'ny fahamarinana koa no ilazana Azy. Na dia tsy antsoina hoe mpanabe aza ny Fanahy Masina dia azo antoka kosa fa fanabeazana no asa ataony, indrindra amin'ny lafiny fikatsahana sy ny fahalalana ny fahamarinana.

Vakio ny 1 Kôr. 2:1-16. Inona no ambaran'i Paoly eto izay manan-danja lehibe ao amin'ny tontolon'ny fanabeazana?

Ny anombohan'i Paoly azy dia fampahatsiahivana ny fiangonana tao Kôrinto fa tamin'ny fotoana voalohany nahatongavany teo aminy, dia tsy niresaka afa-tsy ny amin'i Kristy sy Izy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana izy (1 Kôr. 2:2) - tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona fa tamin'ny fitoriana ny filazantsara ihany. Kanefa tsy nifarana hatreo izany (1 Kôr 2:6), satria rehefa avy nampianarina ireto Kristianina vaovao ireto, dia naniry hiverina indray ny apôstôly Paoly mba hampianatra azy ny amin'ny fahendrena, dia ilay zava-miafina, nafenin'Andriamanitra talohan'ny nanaovana izao tontolo izao (1 Kôr. 2:7), eny, ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza (1 Kôr. 2:10). Eo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina no hianarana ny zavatra rehetra, rehefa mby ao an-tsain'ny mpianatra Izy.

Akory ny halalin'izany fianarana izany, sy ny halehiben'ny fahalalana mivelatra eo anoloan'ireo izay tarihan'ny Fanahy Masina! Mifarana amin'ity teny nambaran'ny mpaminany Isaia ity io toko io: "Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehôvah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?" - Isa. 40:13. Raha niteny tamin'ny fitenin'ny olon-tsotra tamin'ny androny ny mpaminany dia ho nilaza izy fa tsy misy olona mahavita izany. Nahitsin'i Paoly anefa izany fomba fijery izany raha namarana izy hoe: "Fa izahay manana ny sain'i Kristy". Izany hoe ny Kristianina izay feno ny Fanahy Masina dia afaka ny hanana na ny sain'Andriamanitra aza, ary toy izany no hahazoany koa ny fahazavan-tsaina sy ny fahalalana rehetra araka izay ilainy (1 Kôr. 2:10-13) mba handrosoany amin'ny lalan'ny fahamarinana.

Ilay iraka lehibe ao amin'ny filazantsara (Mat.28:19-20), dia nahatonga hetsika ara-pivavahana miavaka eran'izao tontolo izao. Eto dia apôstôly na misiônera vitsy (mitovy ihany ny hevitr'ireo teny roa ireo: ireo izay nirahina.) no nandeha nitety izao tontolo izao sy nanangona mpianatra, niantso azy ireo hanara-dia an'i Jesôsy sy hino Azy, ary nampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidian'i Jesôsy azy. Toy izao no nitranga: marobe ireo niova fo ho Kristianina, dia olona avy any amin'ny faritra rehetra eran'izao tontolo izao, olona samy hafa kolontsaina sy fiteny, nivoaka avy tao amin'ny ranon'ny batisa mba hiditra ao amin'ny sekoly kristianina sy hanomboka handray ny fanabeazana azy ireo. Tsy mahagaga izany satria mbola manan-javatra maro hianarana izy ireo.

Ny antony mahatonga ny Kristianina hianatra mandrakariva dia tsy noho ny saina te hahalala zavatra na ny faniriana mafy te ho tapi-pahaizana, fa noho ny fiainana sy ny finoana kristianina izay mahakasika ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainana andavanandro. Marobe no tokony hianarana. Noho izany indrindra dia sady misy fanambarana an'i Jesôsy (kerygma no ilazan'ny TV azy indraindray). Ao amin'ny TV no misy koa fanabeazana mikasika ireo zavatra rehetra tokony hianaran'ny Kristianina (indraindray didache [di-da-ke] no ilazan'ny TV azy). Ahitana ohatra tsara momba ny fanambaran'i Jesôsy ao amin'ny 1 Kôr. 2:2, ary ny fanabeazana kosa dia manomboka ao amin'ny 1 Kôr. 4 ka mitohy hatrany amin'ny faran'ny epistily. Inona avy ary no tokony hianaran'ny Kristianina?

Asa, fitsaharana, olana eo amin'ny fiarahamonina, fifandraisana eo amin'ny fiarahamonina, fiangonana sy ny fivavahana, fitantanam-bola, fitiava-namana, fifandraisana amin'ny manam-pahefana, torohevitra, ny firafitry ny ankohonana, ny fifandraisana ao amin'ny fanambadiana sy ny fitaizana ny zanaka, ny sakafo sy ny fikarakarana azy, ny fitafiana, eny na ny fahanterana sy ny fiomanana ho amin'ny fahafatesana aza; izany hoe ny momba ny fiainan'ny tena manokana sy ny fiainana eto amin'ity tontolo ity. Ny atao hoe Kristianina dia ny mianatra ny momba ireo zavatra rehetra ireo ary mihoatra noho izany.

Tsy hay amin'izao ireo zavatra ireo, fa mila ianarana.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Ahoana no maha-zava-dehibe ny asa fanabeazana eo amin'ny asa anirahana ny fiangonana?

2. lnona no tian'i Ellen G. White ambara rehefa nanoratra izy hoe: "sekoly ny lanitra" (Education, t. 301)?

3. Vakio indray ny 1 Kôr. 2:1-16. Diniho izay voalazan'i Paoly momba ny zavatra ambaran'Andriamanitra amintsika amin'ny alalan'ny Fanahiny. Saino ny amin'ny nilazany fa mihalevona "ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao". Raha izany no nolazainy tamin'ny androny, manao ahoana kosa ny amin'ny "fahendrena" amin'izao androntsika izao?