Iray amin'ireo tantara mahafinaritra indrindra ao amin'ny TV, izay mampiseho ny fomba fanasitranan'i Jesôsy ny fanahy torotoro, ny tantaran'i Jesôsy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana. 

Vakio ny Jao. 4:7-26. Ahoana no nanazavan'i Jesôsy tamin'ilay vehivavy teo am-pantsakana ny amin'ny fiankohofana na ny fivavahana? Raha ny marina, ahoana no nanombohan'izy ireo ny resaka momba ny fiankohofahana?

Na dia niezaka nanova resaka aza ilay vehivavy rehefa niresaka momba ny fivavahana dia tsy nosakanan'i Jesôsy izy fa nampiasainy kosa ny teniny mba hampianarana antsika fahamarinana lehibe mikasika ny fiankohofana sy ny zava-takin'izany. Inoana fa ny tena manan-danja indrindra sy ilaintsika ho fantatra amin'izay voalazan'i Jesôsy dia ity: "Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana." - Jao. 4:24. 

Tsy maintsy "amin'ny fanahy" no ivavahantsika amin'ny Tompo. Izany hoe tokony hiainga avy amin'ny fitiavantsika an'Andriamanitra izany, avy amin'ny fahalalantsika Azy araka ny fanandramantsika manokana. "Ny fivavahana izay avy amin'Andriamanitra no hany fivavahana izay hitarika ho eo amin'Andriamanitra. Mba hanompoana Azy araka izay tokony ho izy, dia tsy maintsy ateraky ny Fanahin'Andriamanitra isika. Hanadio ny fo izany ary hanavao ny saina, ka hanome antsika fahaizana vaovao hahalala sy ho tia an'Andriamanitra. Hanome antsika finiavana hankato ny fitakiany rehetra izany. Izany no tena fanompoam-pivavahana marina. Vokatry ny asan'ny Fanahy Masina izany." — IFM, t. 186. 

"Amin'ny fahamarinana" ihany koa no tsy maintsy ivavahantsika amin'Andriamanitra. Tokony ho marina tsara ny fahalalantsika ny momba an'Andriamanitra hoe iza Izy, ary inona no tadiaviny amintsika. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia mila ny foto-pampianarana ara-Baiboly ihany koa isika. (Tsara tokoa ohatra ny mahafantatra fa Ilay Andriamanitra iankohofantsika dia tsy mandoro ny olona ao amin'ny afobe mandrakizay tsy akory.) 

Araka izany dia ahitana ampahany roa ao amin'ny fivavahana: ny fanandramana, izay avy amin'ny fahalalana sy ny fankatoavana an'Andriamanitra; ary ny fahamarinana ambara amintsika ao amin'ny Baiboly momba an'Andriamanitra. Ny fivavahana amin'ny fanahy tsy misy fahamarinana dia mety tsy hitarika afa-tsy amin'ny fientanam-po mivaivay sy tsy miditra lalina, ary fihetseham-po miovaova fotsiny. Ny fahamarinana tsy misy fitarihan'ny Fanahy kosa dia mety ho tonga amin'ny fivavahana izay fombafomba fotsiny sady tsy misy aina. Noho izany dia samy ilaina avokoa ireo ampahany roa ireo.

Inona no fomba tsara indrindra ampianarana ny olona hivavaka "amin'ny fanahy sy ny fahamarinana"? Fotoana manao ahoana no mety hilan'ny olona kokoa ny "fanahy" noho ny "fahamarinana" na koa ny mifamadika amin'izay?