Ny fiankohofana dia ao anatin'ny maha-isika antsika, na dia amin'ny maha-olombelona lavo antsika aza. Azo antoka fa noforonin'Andriamanitra hanana fahafahana isika ka afaka rnisafidy ny hivavaka Aminy noho ny fitiavantsika Azy, ary koa fantatsika fa mendrika ny hiankohofana Izy. Inoana fa mora ny niankohoka tamin'Andriamanitra talohan'ny Fahalavoana. Nahita tava an'Andriamanitra tokoa mantsy ny olombelona tamin'izany fotoana izany sady tsy mbola simban'ny fahotana na fahafatesana na faharavana ny voary noforonin'Andriamanitra. Sarotra amintsika izay tsy mahalala afa-tsy ity tontolo lava ity ny mahazo an-tsaina ny endriky ny tany tamin'izany andro izany.

Tsy isalasalana fa na mbola ao anatintsika aza ny fahatsapana fa mila mivavaka na miankohoka amin'Andriamanitra isika ankehitriny, dia simban'ny fahotana izany, toy zavatra hafa rehetra eta arnin'izao tontolo izao ihany. Midika izany fa mety hivavaka arnin-javatra hafa isika, na koa tsy hivavaka amin'Andriamanitra intsony, araka ny fomba tokony hivavahana Aminy. (Jereo ohatra ny Mar. 7:1-13; Jer. 7:4).

Zava-dehibe ho an'ny fiainana kristianina ny fiankohofana. Noho izany, tsy maintsy mampianatra momba izany ny fanabeazana. kristianina. Izany indrindra no antony mahatonga ny lesontsika amin'ity herinandro ity hiompana amin'ny fanabeazana kristianina.