Lesona 6: Lesona hafa avy amin'Ilay Mpampianatra lehibe

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 3:1-11; Rom. 5:11-19; Gen. 28:10-17; Jao. 1:1-14; Mat. 15:21-28; Mar. 10:46-52.
Tsianjery: "Ary hoy Jesôsy taminy: Mandehana hianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesôsy teny an-dalana izy" - Mar. 10:52.

Iza amintsika no tsy mbola nahatsiaro ho menatra ny tenany mihitsy teo amin'ny fiainany? Iza amintsika no tsy mbola nanao zavatra izay miteraka alahelo ny mieritreritra azy, ary tena mampihorohoro mihitsy ny fisaintsainana fa mety ho fantatry ny olona izany? Efa samy nandalo teo avokoa angamba isika rehetra, sa tsy izany?

Alaivo sary an-tsaina ny nahazo an'i  Adama sy i Eva rehefa avy nihinana ny voan'ilay hazo voarara izy ireo, na koa ny nanjo an'i Jakôba rehefa namitaka ny rainy mba hahazoana ny tso-drano tokony ho an-jokiny, ary avy eo rehefa tsy maintsy nandositra ny fahatezeran'ilay rahalahiny izy. Nanao ahoana ny torimasony nony alina? Meteza ihany koa ho eo amin'ny toeran'ilay vehivavy tratra nijangajanga, izay "azo olan-tanana" Jao. 8:4. Toy izany koa i Davida, ny Sal. 32 no nanehoany ny fanenenany mafy noho ny toetrany tany aloha.

Mazava loatra fa anisan'ny mahatonga ny filazantsara ho an'ny olona rehetra maneran-tany izany, ary ny fahafatesan'i Kristy ho an'ny taranak'olombelona manontolo. Na inona na inona tsy fitoviantsika dia zavatra iray loha no mampiray antsika: samy mpanota avokoa.

Noho izany, ny fanabeazana kristianina marina dia tokony hanoro antsika ny hany vahaolana hialana amin'izao toerana mahonena misy antsika izao. Hijery ny amin'Ilay hany vahaolana ho antsika isika amin'ity herinandro ity, dia Ilay Mpampianatsika Lehibe izany.

Vakio ny Gen. 3:1-11. Nahoana Andriamanitra no nanontany an'i Adama hoe: "Aiza moa hianao?"?

Ny fitantarana mahazatra ny amin'ny Fahalavoana dia milaza fa paoma ilay voankazo voarara. Kanefa tsy izany no voasoratra ao amin'ny Baiboly. "Voan'ny hazo"-Gen. 3:3 no ilazany azy. Tsy zava-dehibe ny fahafantarana ny karazan'ilay voankazo. Norarana ny fihinanana ny voan'io hazo io satria manana ny antom-pisiany ilay hazo. Teo io hazo io ho fizahan-toetra ny olona raha hanilika an'Andriamanitra izy ka hanao hoe: "haiko ny mitondra ny fiainako, izaho ihany no mahalala izay tokony hataoko, izaho no andriamanitry ny tenako".

Ary marina tokoa fa rehefa voataonan'ny menarana i Adama sy i Eva ka nihinana ny voan'ilay hazo, dia nibirioka ho amin'ny lalan-tsy izy ny fiainan'izy ireo. Ary rehefa ren'izy ireo fa nanakaiky azy Andriamanitra, dia niezaka niafina "tao anaty hazo tao amin'ny saha" - Gen. 3:8 izy.

Hafahafa tokoa ny fanontanian'Andriamanitra an'i Adama hoe: "Aiza moa hianao?" Azo antoka fa fantatr'Andriamanitra tsara ny toerana nisy azy. Inoana fa nametraka izany fanontaniana izany Andriamanitra mba hananan'i Adama sy i Eva fahatsapana lalina ny arnin'izao zavatra ataony izao - niafina izy ireo - izay vokatry ny nataony ihany. Izany hoe nanampy azy ireo Izy hahita ny vokatry ny zavatra nataony, izay vokatra mampalahelo.

Vakio ny Rom. 5:11 -1 9, izay ampifandraisan'i Paoly mivantana, imbetsaka, ny zavatra nataon'i Adama tao Edena sy ny zavatra nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny nanarenan'i Jesôsy ny tsy nety nataon'i Adama?

Azo lazaina fa ny drafi-panavotana no nasetrin'Andriamanitra ny fihetsika nasehon'i Adama sy i Eva. Niafina an'Andriamanitra izy ireo noho ny henatra sy ny fahatsapan-tena ho meloka nateraky ny fahotany, saingy tonga namonjy azy Andriamanitra. Efa mba tahaka izany koa isika ary efa tonga namonjy antsika i Jesôsy. Noho izany dia azo apetraka, amintsika koa ilay fanontaniana hoe "Aiza moa hianao?" Izany hoe: manao ahoana ny toerana misy anao, ny amin'ny fahotanao sy ny fahamelohanao, ary ny fifandraisanao amin'i Jesôsy, eo anatrehan'ny zavatra nataony mba hanavotana anao ho afaka amin'izany?

Na inona na inona ampitaina ao amin'ny fanabeazana kristianina, nahoana no tsy maintsy hazavaina tsara ao fa efa toetsika mihitsy ny miafina an'Andriamanitra, ary i Jesôsy no vahaolana amin'izany?

Vakio ny Gen. 28:10-17. lnona no tontolon-kevitr'io tantara io? Ary inona no lesona raisintsika mikasika ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny famindrampony ho an'ireo izay mandositra ny fahotany? 

Latsaka tamin'ireny fanaovana fitaka mampidi-doza  ireny  i Jakoba, sady nanampy azy ny reniny. Mizaka ny vokany izy izao. Nandrahona azy ho faty ny rahalahiny, koa nandositra izy ary nanitsy ny lalany tao Harana, izay misy ny dadatoany. Nampitebiteby sy nampatahotra ny zava-drehetra. 

Nihamaizina ny andro, tratra alina i Jakôba tamin'izay. Teny an-kebakeba-tany no nisy azy izao, ary ny lanitra no tafo. Nahita vato hatao ondana izy ary resin-tory teo. Tsy ela dia nanonofy izy, dia ilay nofy diso fantatsika loatra, ka ilay tohatra hitany dia teo amin'ny tany ny tongony ary nahatratra ny lanitra ny lohany. Anjely no niakatra sy nidina tea amboniny. 

Nandre feo izy avy eo nanao hoe: "lzaho no Jehôvah, Andriamanitr'i Abrahama ". Namerina ireo teny fikasana izay efa fantatr'i Jakoba tsara ilay feo. Efa fandreny teo anivon'ny ankohonany mantsy izany. 'Ho marobe ny taranakao'. `Ho fitahiana ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izy ireo'. "Indro, Izaho momba anao", hoy ihany ilay feo, "ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra, (...) fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao" Gen. 28:15. 

Nanoratra izao teny izao i Ellen White taty aoriana: "Tazan'ity lehilahy be finoana ity (i Paoly) ilay tohatr'i Jakoba izay nampiseho an'i Kristy nampiray ny tany tamin'ny lanitra, dia Ilay Lehilahy tonga Iafatra ao amin'Andriamanitra tsy hita fetra. Nampahery azy ny fahatsiarovany ny patriarika sy ny mpaminany izay nametraka ny fitokiany teo amin'Ilay afaka hampionona sy hanohana ny finoany; ho Azy koa no nanolorany ny ainy izao." - VM, t. 449. 

Nifoha tamin'ny torimasony i Jakoba ka nanao anakampo hoe: "Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehôvah, fa izaho no tsy nahalala". "Mahatahotra" ny zava-niseho teto. Tsy hohadinoin'i Jakoba mandrakizay izany toerana izany ary nomeny anarana. Nivoady izy avy eo fa ho mahatoky amin'Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.

Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara io momba ny fitadiavan'Andriamanitra antsika, dia Izy ao amin'i Kristy, na dia eo aza ny fahotantsika? Eto indray, nahoana no tokony ho laharam-pahamehana ao anatin'ny fanabeazana kristianina izany fampianarana izany? 

Ity no malaza indrindra amin'ny teny fanombohana rehetra ao amin'ireo toko ao amin'ny TV: "Tamin'ny voalohany ny teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra" - Jao. 1:1. Ity andininy tsy hay hadinoina ity indray no misarika antsika avy eo: "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana" Jao. 1:14.

Vakio ny Jao. 1.1-14. Inona no voalazan'ireo andininy ireo momba ny maha-Izy an'i Jesôsy sy ny zavatra ataony eto? Manambara inona amintsika izany mikasika an'i Jesôsy, amin'ny maha-Mpampianatra, ohatra lehibe Azy?

Ilay Andriamanitra niresaka tamin'i Adama sy i Eva tao amin'ny saha Edena, sy tamin'i Jakôba teny an-kebakeba-tany ihany no indro ankehitriny tonga olona. Ambaran'ny TV fa i Jesôsy  no endriky ny tenan'Andriamanitra. Afaka rnahalala ny sitrapon'Andriarnanitra sy ny fombany isika amin'ny alalan'i Jesôsy, satria Andriamanitra i Jesôsy.

Mitohy ny toko amin'ny filazalazana momba an'i Jaona mpanao batisa izay voalaza fa mpitory teny mahay mandresy lahatra tokoa, hany ka na ny mpitarika ara-pivavahana aza dia nihevitra azy ho olona manokana. Nanomana ny lehibe kokoa noho ny tenany anefa izy. Olona mahagaga sy miavaka tokoa no ho avy tsy ho ela ao aoriany, ary izy, Jaona mpanao batisa, dia tsy mendrika akory na "hamaha ny fehin-kapany aza" Jao. 1:27. 

Nahita an'i Jesôsy izy ny ampitso ary nilaza fa Izy no "Zanak'Andriamanitra", Tamin'io andro io sy ny andro manaraka koa dia "Zanak'ondrin'Andriamanitra" no niantsoany Azy.

Ankoatra izany dia nanapa-kevitra hanaraka an'i Jesôsy ny roa tamin'ny mpianatr'i Jaona mpanao batisa. Ary rehefa nanontany azy ireo i Jesôsy momba izay notadiaviny dia "Raby" no niantsoany Azy (izany hoe raha adika: Mpampianatra) - Jao, 1:38. 

Koa i Jesôsy izany dia raby na mpampianatra, kanefa tsy mbola nisy olombelona mpampianatra tahaka Azy satria, averina indray fa Andriamanitra Izy. Izany hoe, nidina tety amin'ny taranak'olombelona Andriamanitra, naka ny endriky ny maha-olombelona, ary tao anatin'ny maha-olombelona Azy no niasany tahaka ny raby, mpampianatra. Tsy mahagaga i Ellen White raha niantso an'i Jesôsy  hoe "Ilay mpampianatra lehibe indrindra tsy mbola fahitan'izao tontolo izao hatramin'izay" - ST, 10 Jona 1886. Andriamanitra mihitsy anefa io Mpampianatra io.

Raha heverina i Jesôsy sy ny momba Azy, nahoana no rariny tokoa raha avy Aminy no ianarantsika ny fomba tsara indrindra hampitana ny fahamarinana ara-panahy amin'ny hafa? Inona ny Iesona azontsika raisina avy amin'i Jesôsy mikasika ny maha-zava-dehibe ihany koa ny zavatra atao fa tsy izay ambara fotsiny ihany? 

I Jesosy no Ilay Mpampianatra lehibe. Miseho mazava ny tena toetran'Andriamanitra ao amin'ny fampianarany sy eo amin'ny fiainany. Koa manaitra kokoa ny anehoan'ity tantara ara-pilazantsara ity izany. Voalaza ao ny olona iray izay nikiry nangataka fanampiana tamin'i Jesôsy rehefa tsy namaly azy avy hatrany Izy. 

Vakio ny tantaran'ny nihaonan'i Jesôsy tamin'ny vehivavy jentilisa iray (na "Kananita"), izay avy tamin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona (Mat. 15:21-28; Mar. 7:24-30). Mariho fa sorena tamin'io vehivavy io ireo olona nanodidina an'i Jesôsy, ary na i Jesôsy aza dia niseho ho nanilika azy. Ahoana no fahitanao ny fahasahian'ity vevivavy ity? Inona ny lesona omen'ity tantara ity antsika mikasika ny fomba fampianaran'i Jesôsy ny hafa?

Nanakaiky ny tanin'i Tyro sy Sidona i Jesôsy. Nandalo teo amin'ny toerana izay be vahiny sy foko maro tsy mifankahazo Izy. Nanamavo ny Jiosy nipetraka tany ambanivohitra ny mponina niteny grika tany an-drenivohitra, ary ny Jiosy koa nanao tsinontsinona azy ireo.

Vao tsy ela talohan'izao no namonoan'i Herôda, mpanapaka tsy nisy hazondamosina tao Galilia, tany niavian'i Jesôsy, an'i Jaona mpanao batisa. Niombon-kevitra tamin'i Jaona raha ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra, ka toa fambara loza ny namonoana an'i Jaona. 

Rehefa tsapan'i Jesôsy  fa sarotra ny fizotry ny toe-javatra, dia niditra tao amin'ny trano anankiray Izy, araka ny fitantaran'i Marka, ary nanantena fa tsy hisy olona hahafantatra ny toerana misy Azy (Mar. 7:24). Saingy hitan'ilay vehivavy Izy.

Raha ny kolontsaina tamin'izany fotoana sy toerana izany dia tsy nahazo naneho ny heviny ny vehivavy. Ankoatra izay, tsy nifampiraharaha tamin'ny foko sy ny kolontsaina nisy azy ny Jiosy, ka izany no vao mainka nampanano sarotra ny toerana nisy azy.

Narary anefa ny zanak'ity vehivavy ity. Nila fanampiana izy, ary nikiry nangataka ihany.

Tsy nahoan'i Jesôsy izany. "Tsy mety raha maka ny mafon-jaza izy ka manipy azy ho an'ny amboakely" hoy Izy - Mat. 15:26. Mety ho nandratra azy izany fanamarihana nataon'i Jesôsy izany.

Nisy zava-niseho nahavariana anefa. Namaly ilay vehivavy. Fantany tsara ny amboa - tsy tahaka ny Jiosy izay tsy tia azy ireny na dia atao namana an-trano aza ka hoy izy: 'Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.' - Mat. 15:27. 

Nanova zavatra ny tenin'ity vehivavy ity. Toa nandresy lahatra izany ka dia nositranin'i Jesôsy ny zanany.

-Tongava aminao araka izay irinao'" - Mat. 15:28. Ahoana no fahazoantsika izany teny izany? Ahoana anefa no tokony havalintsika raha tsy araka izay irintsika ny zava-miseho? 

Niverina tany Jerosalema i Jesôsy sy ny mpianany. Tahaka an'i Jaona mpanao batisa izay nanahiran-tsaina an'i Herôda, dia tsy nampandry mandry ny manam-pahefana (ao anatin'izany i Heroda) ihany koa i Jesôsy . Anisan'ireo mpanara-dia an'i Jesôsy ny mahantra sy ny olona marefo izay niandrandra mafy ny fanampiana avy Aminy.

Nirin'i Jesôsy  mihoatra noho ny zavatra rehetra ny hitondra fanantenana ho an'izao tontolo izao. Kanefa azony antoka izao fa hanao izay azony atao ireo olona manana hery sy fahefana ambony mba hisakana ny asa nanirahana Azy. Tsy sitrak'izy ireo ny hahombiazan'i Jesôsy.

Ireo mpianatr'i Jesôsy roa ambin'ny folo lahy kosa, dia hita ho naniry mafy hiandany amin'i Jesôsy kanefa toa very hevitra - na jamba. Ao amin'ny Marka 8:31-33 ohatra, dia niezaka ilay Mpampianatra lehibe nanazava zavatra saro-takarina ho an'ny mpianany. Izany hoe, mbola jamba ara-panahy amin'ny lafiny maro izay tena manan-danja izy ireo (Mar. 8:37). 

Toy izany no nitranga taloha kelin'ny nihaonan'i Jesôsy tamin'ny olona iray izay nahiratra ka nahatakatra ny tiany hambara.

Vakio ny tantaran'ny nanasitranan'i Jesôsy an'i Bartimeo, ilay mpangataka jamba (jereo ny Mar. 10:46-52). Mariho ny famindrampo lehibe nasehon'i Jesôsy azy. Jereo koa fa ny fanirian'ilay  jamba fahiratana no nahatonga azy nanapa-kevitra hanaraka an'i Jesôsy teny an-dalana ho any Jerosalema. Araka ny hevitrao, miezaka ny haneho ny maha-samy hafa an'i Bartimeo sy ireo mpianatr'i Jesôsy hafa ve i Marka eto? Ahoana no itondran'io tantara io fanazavana ho anao mikasika ny hevitr'izany hoe mamaly ny antson'llay Mpampianatra lehibe?

Naniry hahita ny volo oliolin'ny zazakely i Bartimeo, ary koa ny lokon'ny vary amin'ny fotoam-pijinjana. Tsy ara-batana ihany anefa ny fahiratana fa ara-panahy koa. Mikasika ny fahatakaran'ny saina izany dia fahafantarana tsara hoe iza marina moa Ilay Mpampianatra lehibe. Zavatra iray manan-danja ny fahiratan'ny maso, ary fantatr'i Jesôsy izany. Kanefa fantatr'i Jesôsy koa fa ny tena faniriana lalina ao anatin'ny olona dia ny hanana fiainana vaovao sy tsara lavitra.

Vakio ny Heb.5:12-14. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika mikasika ny tena fanabeazana marina? 

Vakio ny "Porofon'ny maha-Kristianina" tt. 66-75; Ao amin'ny boky "Ny Dia ho eo amin'i Kristy."

Ambaran'i Ellen White (ankoatra ny zavatra hafa) fa rehefa mamaly marina ny antson'Ilay Mpampianatra lehibe isika dia "irintsika ny hitovy endrika Aminy, hivelona amin'ny fanahiny, hanao ny sitrapony ary hampifaly Azy amin'ny zavatra rehetra" DHK, t. 68. "Ny adidy tonga fifaliana" - DHK, t. 69 hoy izy, rehefa miaraka amin'i Kristy.

Vakio koa ny ao amin'ny Mat. 5, 6, 7. Ilay Toriteny teo an-tendrombohitra no hita eto, izay anisan'ny famintinana ireo lesona goavana tian'Ilay Mpampianatra lehibe ho takatry ny mpianany, sady fototra iorenan'ny fanjakany. 

FANONTANIANA HI FANAKALOZAN- KEVITRA: 

1. Tahaka ny niresahan'Andriamanitra tamin'i Adama sy  Eva ary i Jakôba no iresahan'Andriamanitra amintsika koa. Tsapany ny faniriantsika lalina, ary manaitra antsika Izy (toy ny nataony tamin'i Bartimeo) mba hieritreritra momba ny maha-isika antsika sy ny làlana izorantsika. Araka izany, saino hoe manao ahoana ny fomba fampianarantsika Baiboly ny zanatsika sy isika samy isika. Ahoana no hahatonga ny fampianarana Balboly ho mandresy lahatra ary mitondra fiovana marina eo amin'ny fiainan'ny olona?

2. Mahakasika ny fiainanao manokana ihany ve ilay fanontaniana hoe: aiza ho aiza no misy anao eo amin'ny lalam-piainanao? Sa mety hanampy anao ny firesahana izany amin'ny olon-kafa azonao itokiana? «Tenan'i Kristy ny fiangonana 1 Kôr. 12:27). Ahoana no anehoan'io lohahevitra io fa ny firesahana amin'ny hafa dia mety ho lalana hahatakarana izay tian'i Kristy ho fantatrao?

3. Hitantsika ao amin'ny lesona Alakamisy fa raha vao nahiratra ny  mason'i Bartimeo - vao sitrana  tamin'ireny  fahajambana ara-batana (sy ara-panahy) nahazo azy izy - dia nanaraka an'i Jesôsy teny an-dalana ho any Jerosalema. Teo amin'izany lalana izany no nandrenesany isan'andro ny amin'ny fahendren'llay Mpampianatra lehibe. Azontsika inoana fa maniry ny hitovy endrika Aminy izy izao, hanana ny toetrany, ary hanao ny sitrapony. Ahoana no mety hahatonga ny olona iray hahita "fifaliana", araka ny voalazan'ny Dia ho eo amin'i Kristy, amin'ny fanarahana fitsipika ambony tahaka izay nasongadin'i Jesôsy tao amin'ny toriteny teo an-tendrombohitra?

4. Saintsaino lalina ny fanontaniana farany ao amin'ny lesona Alakamisy. Ahoana no hahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy? Ahoana no hamaritantsika ny atao hoe tsara? Ary ny atao hoe ratsy? Zava-dehibe kokoa aza angamba ny zavatra ataontsika vokatr'izany fahalalana izany, noho ny hoe manana ilay fahalalana, nahoana?