Taona maro lasa izay, dia niady hevitra ny mponina tany Frantsa mikasika ny fanamelohana ho faty: tokony hofoanana ve izany lalàna izany? Niantso ilay mpanoratra frantsay malaza, Michel Foucault, ireo mpanohana ny fanafoanana izany lalàna izany, ary nangataka taminy mba hamoaka ny hevitr'izy ireo an-gazety. Tsy ny fanafoanana fotsiny ny lalàna manameloka ho faty anefa no notohanan'ity mpanoratra ity tamin'izay, fa ny tsy fampidirana olona am-ponja koa, ary ny gadra rehetra dia tokony havotsotra.

Nahoana ary? Satria ho an'i Michel Foucault, ny rafitra rehetra mipetraka momba ny tokony ho fitondran-tena dia olombelona ihany no nanorina azy, hevitr'olombelona no najoron'ny manam-pahefana mba hahazoany mifehy ny vahoaka. Noho izany, ireny lalàna ara-pitondran-tena ireny, ho azy, dia tsy tena mitombina loatra.

Na dia somary mandray an-tendrony aza izy, dia tsy vaovao amintsika loatra izany fomba fijeriny izany. Niresaka momba izany i Mosesy tamin'ny Isiraely fahiny, arivo taona maro lasa izay. "Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony hianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao." - Deo. 12:8; jereo koa ny Mpits.17:6, Ohab. 12:15.

Raha tsy tokony handeha araka izay heverintsika ho mahitsy ary isika, dia isika izao izay sady tsy marina no tsy marina, ahoana no ahafantarantsika ny tokony hatao? Mazava loatra ny valiny: Ilay Andriamanitra nahary antsika dia nanome antsika ihany koa fitsipika ara-pitondran-tena natao harahina eo amin'ny fiainana. Mety tsy ho haintsika, araka ny fijerintsika, ny tokony hatao; fa Andriamanitra kosa mahay ny zavatra rehetra.

Vakio ny Deo. 6:6; Mar. 12:29-31: ary ny Apok. 14:12. Inona no ampianarinireo andininy ireo antsika mikasika ny fihetsika sy ny fitondran-tena mety sy araka ny tokony ho izy?

Raha ataontsika ho ivon'ny fomba fijerintsika Kristianina ny fanavotana, dia tokony ho zava-dehibe ho antsika tahaka izay koa ny lalàn'Andriamanitra (araka ny hitantsika tamin'ny herinandro lasa), na ny Didy Folo. Avotana ho afaka amin'ny inona rahateo tokoa moa isika raha tsy ny ota, izay fandikana ny lalan'Andriamanitra (Rom.3:20)? Tsy misy heviny intsony ny filazantsara raha sarahina amin'ny lalan'Andriamanitra, izay antony mahatonga antsika hahafantatra fa mbola manan-kery amintsika hatrany ny lalàna na dia tsy afaka mamonjy antsika aza izany. (Koa mila ny filazantsara isika.)

Noho izany, ny fanabeazana rehetra omen'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia tokony hanasongadina fa maharitra "mandrakizay ny lalàn'Andriamanitra" - HM, t. 64, ary anisan'izany ny Sabata. Raha natao hanampy hamerina araka izay azo atao ny endrik'Andriamanitra ho ao amintsika ny fanabeazana eto amin'ity fiainana ity, dia tokony hasandratra izany ny lalàn'Andriamanitra, na dia amin'izay lafiny farany tsotra indrindra aza. Araka ny ohatra nomen'i Kristy no hanandratana izany lalàna izany , dia ho fitsipika ara-pitondran-tena maneho marina ny atao hoe mety eo imason'Andriamanitra.