Namoaka fampianarana ny profesora iray tao amin'ny Oniversite any Oxford fa tsy tena misy akory isika, na izao tontolo izao na izay manodidina antsika; fa zava-manana aina any amin'ny planeta tsy fantatra no namorona antsika tamin'ny alalan'ny solosaina matanjaka dia matanjaka.

Na mahaliana aza izany hevitra izany dia mampametraka ity fanontaniana manan-danja ity: Inona izany no atao hoe zava-misy marina?

Azo fintinina ho roa lehibe ny fanontaniana io, na dia ny iray ihany aza no manaraka ny lojika. Voalohany, misy izao tontolo rehetra izao, sy izay rehetra ao aminy, ao anatin'izany isika. Tsy nisy namorona na namolavola izany fa misy fotsiny. Tsy misy andriamanitra na tokana na maro; tsy misy na inona na inona avy amina andriamanitra. Zavatra azo tsapain-tanana sy tonga ho azy amin'izao no atao hoe zava-misy. Tsy misy na inona na inona afa-tsy "ataoma sy fahafoanana", araka ny voalazan'ny olona iray (tsy hevi-baovao io), 2500 taona lasa izay.

Ny fijery faharoa dia ity: misy andriamanitra, na tokana na maro, namorona izao rehetra izao. Toa mitombina kokoa izany, ary valin-teny nosainina sy misy heviny kokoa, raha mitaha amin'ilay fiheverana fa nisy ho azy fotsiny izao rehetra izao, sady tsy misy azo anazavana azy. Araka io valin-teny mitombina io dia voafaoka ao ny tontolon'ny zavaboary, ny tontolon'ny "ataoma sy ny fahafoanana", ary tsy voafetra amin'izay ihany anefa. Manondro zava-misy midadasika sy lalina kokoa izany ary mivelatra amin'ny lafiny maro, mihoatra noho ny fomba fihevitra izay fandrentsika matetika amin'izao andro izao, izay voizin'ireo tsy mpino ny fisian'Andriamanitra sy mpandala ny zavatra ara-nofo.

Inona no ambaran'ireto andininy manaraka ireto mikasika ireo hevitra voalaza ao amin'ny Iesontsika androany? Sal. 53:1; Ohab. 15:3; Jao. 3:16; Isa. 45:21: Lio. 1:26-35.

Manan-danja tokoa ho an'ny fanabeazana kristianina ny fisian'Andriamanitra, ary tsy ny fisiany ihany fa ny toetoetrany, Izay Andriamanitry ny isam-batan'olona, tia antsika sy mifandray amintsika. Andriamanitry ny fahagagana Izy, Izay na mampiasa ny lalan'ny zavaboary aza dia tsy mba voafehin'izany fa ambonin'izany kola, rehefa misy ny kasainy hatao (toy izay nitranga tamin'ny niforonan'i Jesôsy tao an-kibon'i Maria). Tena ilaintsika amin'izao andro izao indrindra ny fampianarana io fomba fijery io, satria maro be ireo olona lalim-pahaizana no mampianatra amin'ny fomba miharihary sy feno fahasahiana, fa tsy misy Andriamanitra ary ny lalan'ny natiora no mifehy izao tontolo rehetra izao, sady ambarany fa manohana izany ny siansa.

Saintsaino ny fomba fijerin'ireo tsy mpino ny fisian'Andriamanitra, izay tery sy voafetra raha mitaha amin'ny fijery ara-Baiboly. lo fijery ara-Baiboly io (araka ny volaza etsy ambony) dia mahafoaka ny tontolon'ny zavaboary kanefa tsy voafetra hatreo. Nahoana ary no mitombina sy tena misy heviny kokoa ny fijery ara-Baiboly, izay mino ny fisian'Andriamanitra, raha oharina amin'ilay fijery manohitra izany?