Nanoratra tononkalo ny poeta poloney anankiray, Czeslaw Milosz, ka natombony tamin'ny firesahana momba ny biby noforonin'ny eritreritra izany, dia rabitro miteny, karazana vontsira miteny, ary karazam-biby hafa koa. "Misy itoviany betsaka amin'ny tena izy ireo biby noforonin'ny saina ireo", hoy izy raha nanoratra, "dia toy izany koa no fahafantarantsika ilay izao tontolo izao tena misy". Avy eo, hoy izy namarana ilay tononkalo: "Saintsaino ny amin'izany, dia mangovita".

Mety mahery loatra ilay teny hoe "mangovita", kanefa azo heverina tokoa fa mety ho diso tanteraka ny ankamaroan'ny hevitry ny olombelona mikasika izao tontolo izao. Misy ohatra iray ity: efa ho 2000 taona lasa izay, ny ankamaroan'ireo olona nanam-pahaizana indrindra sy nandia fianarana ambony indrindra dia nihevitra fa mitoetra tsy mihetsika eo afovoan'izao rehetra ary izao ny tany. Ankehitriny indray dia maro amin'ireo olona ireo no mihevitra fa sela tokana, izay nivoatra miandalana, no niavian'ny olombelona.

Amin'ny maha-olombelona dia tsy afaka ny tsy hanan-kevitra velively mikasika izao tontolo izao isika. Tsy maintsy ary samy manana mandrakariva ny fahitantsika izao tontolo izao isika, ary misy akony eo amin'ny fomba fanazavantsika na ny fahatakarantsika ny tontolo manodidina antsika izany. Izany no manome ny fomba fijerintsika izao fiainana izao. Zava-dehibe iankinan'aina tokoa ny ampianarantsika ny tanorantsika, eny, na ireo mambran'ny fiangonana efa olon-dehibe aza, ny amin'ny fomba fijerin'ny Baiboly ny fiainana.