Lesona 4: Ny mason’i Jehôvah : manana fijery ara-baiboly

Hodinihina mandritra ny herinandro: Ohab. 15:3; Jao 12:7-10; Efes. 6:12; Apôk. 20:5,6; Jao. 1:1-14: Mar. 12:29-31.
Tsianjery: "Ny mason'i Jehôvah amin'izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy" - Ohab. 15:3.

Nanoratra tononkalo ny poeta poloney anankiray, Czeslaw Milosz, ka natombony tamin'ny firesahana momba ny biby noforonin'ny eritreritra izany, dia rabitro miteny, karazana vontsira miteny, ary karazam-biby hafa koa. "Misy itoviany betsaka amin'ny tena izy ireo biby noforonin'ny saina ireo", hoy izy raha nanoratra, "dia toy izany koa no fahafantarantsika ilay izao tontolo izao tena misy". Avy eo, hoy izy namarana ilay tononkalo: "Saintsaino ny amin'izany, dia mangovita".

Mety mahery loatra ilay teny hoe "mangovita", kanefa azo heverina tokoa fa mety ho diso tanteraka ny ankamaroan'ny hevitry ny olombelona mikasika izao tontolo izao. Misy ohatra iray ity: efa ho 2000 taona lasa izay, ny ankamaroan'ireo olona nanam-pahaizana indrindra sy nandia fianarana ambony indrindra dia nihevitra fa mitoetra tsy mihetsika eo afovoan'izao rehetra ary izao ny tany. Ankehitriny indray dia maro amin'ireo olona ireo no mihevitra fa sela tokana, izay nivoatra miandalana, no niavian'ny olombelona.

Amin'ny maha-olombelona dia tsy afaka ny tsy hanan-kevitra velively mikasika izao tontolo izao isika. Tsy maintsy ary samy manana mandrakariva ny fahitantsika izao tontolo izao isika, ary misy akony eo amin'ny fomba fanazavantsika na ny fahatakarantsika ny tontolo manodidina antsika izany. Izany no manome ny fomba fijerintsika izao fiainana izao. Zava-dehibe iankinan'aina tokoa ny ampianarantsika ny tanorantsika, eny, na ireo mambran'ny fiangonana efa olon-dehibe aza, ny amin'ny fomba fijerin'ny Baiboly ny fiainana.

Namoaka fampianarana ny profesora iray tao amin'ny Oniversite any Oxford fa tsy tena misy akory isika, na izao tontolo izao na izay manodidina antsika; fa zava-manana aina any amin'ny planeta tsy fantatra no namorona antsika tamin'ny alalan'ny solosaina matanjaka dia matanjaka.

Na mahaliana aza izany hevitra izany dia mampametraka ity fanontaniana manan-danja ity: Inona izany no atao hoe zava-misy marina?

Azo fintinina ho roa lehibe ny fanontaniana io, na dia ny iray ihany aza no manaraka ny lojika. Voalohany, misy izao tontolo rehetra izao, sy izay rehetra ao aminy, ao anatin'izany isika. Tsy nisy namorona na namolavola izany fa misy fotsiny. Tsy misy andriamanitra na tokana na maro; tsy misy na inona na inona avy amina andriamanitra. Zavatra azo tsapain-tanana sy tonga ho azy amin'izao no atao hoe zava-misy. Tsy misy na inona na inona afa-tsy "ataoma sy fahafoanana", araka ny voalazan'ny olona iray (tsy hevi-baovao io), 2500 taona lasa izay.

Ny fijery faharoa dia ity: misy andriamanitra, na tokana na maro, namorona izao rehetra izao. Toa mitombina kokoa izany, ary valin-teny nosainina sy misy heviny kokoa, raha mitaha amin'ilay fiheverana fa nisy ho azy fotsiny izao rehetra izao, sady tsy misy azo anazavana azy. Araka io valin-teny mitombina io dia voafaoka ao ny tontolon'ny zavaboary, ny tontolon'ny "ataoma sy ny fahafoanana", ary tsy voafetra amin'izay ihany anefa. Manondro zava-misy midadasika sy lalina kokoa izany ary mivelatra amin'ny lafiny maro, mihoatra noho ny fomba fihevitra izay fandrentsika matetika amin'izao andro izao, izay voizin'ireo tsy mpino ny fisian'Andriamanitra sy mpandala ny zavatra ara-nofo.

Inona no ambaran'ireto andininy manaraka ireto mikasika ireo hevitra voalaza ao amin'ny Iesontsika androany? Sal. 53:1; Ohab. 15:3; Jao. 3:16; Isa. 45:21: Lio. 1:26-35.

Manan-danja tokoa ho an'ny fanabeazana kristianina ny fisian'Andriamanitra, ary tsy ny fisiany ihany fa ny toetoetrany, Izay Andriamanitry ny isam-batan'olona, tia antsika sy mifandray amintsika. Andriamanitry ny fahagagana Izy, Izay na mampiasa ny lalan'ny zavaboary aza dia tsy mba voafehin'izany fa ambonin'izany kola, rehefa misy ny kasainy hatao (toy izay nitranga tamin'ny niforonan'i Jesôsy tao an-kibon'i Maria). Tena ilaintsika amin'izao andro izao indrindra ny fampianarana io fomba fijery io, satria maro be ireo olona lalim-pahaizana no mampianatra amin'ny fomba miharihary sy feno fahasahiana, fa tsy misy Andriamanitra ary ny lalan'ny natiora no mifehy izao tontolo rehetra izao, sady ambarany fa manohana izany ny siansa.

Saintsaino ny fomba fijerin'ireo tsy mpino ny fisian'Andriamanitra, izay tery sy voafetra raha mitaha amin'ny fijery ara-Baiboly. lo fijery ara-Baiboly io (araka ny volaza etsy ambony) dia mahafoaka ny tontolon'ny zavaboary kanefa tsy voafetra hatreo. Nahoana ary no mitombina sy tena misy heviny kokoa ny fijery ara-Baiboly, izay mino ny fisian'Andriamanitra, raha oharina amin'ilay fijery manohitra izany?

Taona maro lasa izay, dia nametraka fanontaniana i Gottfried Wilhelm Leibniz, mpandinika sy mpanoratra. lty angamba no fanontaniana mitombina sy tsara fipetraka indrindra: "Nahoana no misy ny zavatra fa tsy hoe tsy misy?"

Ahoana no amalian'ireto andininy ireto izany fanontanian'i Leibniz izany? Gen. 1:1; Jao. 1:1-4; Eks. 20:3-11; Apok. 14:6,7; Joba 12:7-10.

Mahatalanjona ny fahatsoran'ny fanambaran'ny Baiboly ny fisian'Andriamanitra. Tsy mba miantomboka amin'ny laha-kevitra manazava ny fisian'Andriamanitra ny Gen. 1:1 (na dia misy fanazavana maro aza). Ambarany fotsiny fa misy Izy (Jereo koa ny Eks. 3:13,14), ary miainga amin'io no anambarany ny maha-Mpahary an'Andriamanitra, ny Baiboly ary ny fahamarinana rehetra voarakitra ao anatiny.

Fototra iorenan'ny fanabeazana kristianina rehetra koa ny fampianarana mamba ny famoronana. Miankina amin'ny fampianarana momba ny famoronana tao anatin'ny henemana ny zavatra rehetra inoantsika amin'ny maha-Kristianina antsika. Tsy ny fanavotana, na ny lalana, na ny hazo fijaliana, na ny fitsanganana amin'ny maty, na koa ny fiavian'i Kristy fanindroany no resahin'ny Baiboly voalohany indrindra.

Tsia, Andriarnanitra amin'ny maha-Mpamorona Azy aloha no resahiny, satria tsy misy heviny ireo fampianarana rehetra ireo raha sarahina amin'ny fahafantarana fa misy Andriarnanitra ary Mpamorona antsika Izy. Noho izany, averina indray fa tsy maintsy manasongadina ny lanjan'ny fampianarana momba ny famoronana ny fijerin'ny Baiboly momba izao tontolo izao. Manjary ilaina tokoa ny manasongadina izany satria man.ohitra rnafy sy an-karihary io fampianarana io ny siansa. Ny fivoarana miandalana - izany hoe an-tapitrisa taona maro no nivoaran'ny zava-manan'aina tsikelikely, sady avy arninhy kisendrasendra avokoa ny zavatra rehetra - dia tsy nanao afa-tsy ny nandrava ny finoan'ny olona an-tapitrisany maro ny Baiboly. Sarotra ny mahazo an-tsaina fampianarana hafa ankoatra ny fampianarana momba ny fivoarana miandalana, ka manohitra babe kokoa ny Baiboly sy ny finoana kristianina ankapobeny.

Noho izany, ratsy lavitra noho ilay fivoarana miandalana tsy mino ny fisian'Andriamanitra ny fiheverana fa azo ampifandrindrana amin'ny fampianaran'ny Baiboly mamba ny famoronana ny fivoarana miandalana. Tsy misy fomba azo anaovana izany, afa-tsy ny fanaovana tsinontsinona ny Baiboly sy ny finoana kristianina ankapobeny.

Mangataka ny iray ampahafiton'ny iainantsika, isan-kerinandro, Andriamanitra mba hatokantsika hahatsiarovana ny henemana namoronany izao rehetra izao. Tsy mba mitaky izany Izy amin'ny fampianarana hafa. Nahoana izany no milaza ny maha-zava-dehibe sy fototra io fampianarana io ho an'ny fomba fijerin'ny Kristianina izao tontolo izao? 

Araka ny voalaza tany aloha, samy manana ny fahitantsika izao tontolo izao isika rehetra. Raha mijery ny avana eny amin'ny lanitra ohatra ny ateista (ireo tsy mino ny fisian'Andriamanitra), dia fisehoan-javatra araka ny lalan'ny natiora fotsiny no hitany. Mifanohitra amin'izany, ny olona manana fijery ara-Baiboly dia tsy izay ihany no hitany, izany hoe fihaonan'ny hazavana sy ny rano, fa ny fanamafisan'Andriamanitra ny teny fikasany koa, izay manome toky fa tsy handrava izao tontolo izao amin'ny safodrano intsony Izy (Gen. 9:13-16), "Akory ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra, izay nietry sy nangoraka ny zavaboariny malemy, ary nametraka ilay famantarana mahafinaritra teo amin'ny rahona ho mariky ny fanekena nataony tamin'ny olombelona. (...) Izay nokendreny dia ny hanome ireto olona izay hipoiran'ny taranaka aoriana, ny fahalalana momba ny avana be voninahitra mivelatra eo amin'ny lanitra. Koa rehefa manontany azy momba izany ny zanany dia hamerina amin'izy ireo indray ny tantaran'ny Safodrano izy, sy ny niondrehan'llay Andriamanitra Avo Indrindra mba hametraka ny avana ho eo amin'ny rahona, ho fanomezan-toky fa tsy hanafotra ny tany intsony ny rano." — PP, t. 106.

Ho an'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia mitoetra ho Soratra fototra iorenan'ny finoantsika ny Baiboly. Mampianatra antsika ny tokony ho fomba fijerintsika izao tontolo izao ny Baiboly, izay ahitantsika sy ahatakarantsika fa ity tontolo ity dia mety ho toerana sarotra sy mampatahotra. Manome modely ny Baiboly mba hanampiana antsika hahatakatra tsara kokoa ny tontolo misy antsika sy ny zava-misy iainantsika, izay matetika manahiran-tsaina sy maha-very hevitra antsika.

Inona avy ireo fahamarinana hita ao amin'ireto andininy ireto  izay afaka manampy antsika hahatakatra ny zava-misy iainantsika? Efes. 6:12; Mar. 13:7; Rom. 5:8; Rom. 8:28; Mpitt. 9:5; Apok. 20:5,6.

Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, dia manaiky tanteraka ny fampianaran'ny Baiboly isika, satria fahamarinana nambaran'Andriamanitra ny olombelona izany, manazava zavatra maro momba izao tontolo izao, izay tsy ho fantatsika na ho takatsika amin'ny fomba hafa. Noho izany dia tokony hamaka sy hifototra amin'ny Tenin'Andriarnanitra avokoa ny fanabeazana kristianina rehetra, ary ny fampianarana rehetra manohitra izany dia tokony holavina.

Inona avy ireo fampianaran'ny Baiboly mifanohitra amin'ny foto-pinoana sasany izay tanan'ny olona? Nahoana izany fahasamihafana izany no tokony hampianatra antsika fa zava-dehibe ny mifikitra amim-pahatokiana amin'ny Tenin'Andriamanitra? 

Tsy mandeha irery ny fampianarana momba ny famoronana, indrindra ao amin'ny TV, na dia manan-danja lehibe amin'ny finoantsika aza. Matetika no miaraka, eny mifamatotra mihitsy aza, amin'ny foto-pampianarana momba ny fanavotana izany. Ny antony raha tsorina dia izao: tsy ampy ho an'izao tontolo izao feno fahotana sy fahafatesana raha ny famoronana fotsiny. Miaina isika, mitolona, ianjadiam-pahoriana, dia inona no tohiny? Maty isika, tsy misy hafa amin'ny biby rehetra izay miampatra eny an-dalana ny fatiny.

Mampieritreritra lalina izany.

Noho izany dia manana ny fampianarana momba ny fanavotana koa isika, izany hoe manana Jesôsy Kristy voahambo teo amin'ny hazo fijaliana sy nitsangana tamin'ny maty, ho ivon'ny finoantsika manontolo. 

Vakio ny Jao.1:1-14. Inona no ambaran'io andininy io momba an'i Jesôsy sy izay nataony ho antsika?

Jereo ihany koa ny hafatry ny anjely voalohany: "Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa ea anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano" - Apôk. 14:6,7. Mariho fa mifandray mivantana amin'Andriarnanitra amin'ny maha-Mpamorona Azy ny "filazantsara mandrakizay". Ary rehefa tsapantsika fa Ilay Andriamanitra nahary antsika ihany no Ilay Andriamanitra tonga nofo, izay nitondra ny fahotantsika teo amin'ny Tenany, dia tsy mahagaga raha voataona hiankohoka Aminy isika. Inona ihany koa no tokony ho fihetsitsika manoloana ny fahafantarana ny tena toetr'Ilay Andriamanitsika? 

I Jesôsy  Izay voahombo teo amin'ny hazo fijaliana no tokony ho ivon'ny fampianarantsika rehetra. Tokony ho tafiditra ao anatin'izany fampianarana izany koa ny momba ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Ny fiavian'i Kristy voalohany mantsy, raha sarahina amin'ny fiaviany fanindroany, dia tsy mitondra soa ho antsika loatra. Sa tsy marina izany? Azo atao ny milaza, araka ny Soratra. Masina, fa mitambatra ho drafitra tokana ny fiavian'i Kristy voalohany sy ny fiaviany fanindroany, dia ny planin'ny famonjena izany.

Saintsaino ny amin'ilay hevitra voalaza ao amin'ny Jao.1, fa Izy Ilay nahary "izao zavatra ary" rehetra izao (Jao. 1:3) no Ilay maty teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika koa. Nahoana no tokony hitaona antsika hiankohoka Aminy izany? 

Taona maro lasa izay, dia niady hevitra ny mponina tany Frantsa mikasika ny fanamelohana ho faty: tokony hofoanana ve izany lalàna izany? Niantso ilay mpanoratra frantsay malaza, Michel Foucault, ireo mpanohana ny fanafoanana izany lalàna izany, ary nangataka taminy mba hamoaka ny hevitr'izy ireo an-gazety. Tsy ny fanafoanana fotsiny ny lalàna manameloka ho faty anefa no notohanan'ity mpanoratra ity tamin'izay, fa ny tsy fampidirana olona am-ponja koa, ary ny gadra rehetra dia tokony havotsotra.

Nahoana ary? Satria ho an'i Michel Foucault, ny rafitra rehetra mipetraka momba ny tokony ho fitondran-tena dia olombelona ihany no nanorina azy, hevitr'olombelona no najoron'ny manam-pahefana mba hahazoany mifehy ny vahoaka. Noho izany, ireny lalàna ara-pitondran-tena ireny, ho azy, dia tsy tena mitombina loatra.

Na dia somary mandray an-tendrony aza izy, dia tsy vaovao amintsika loatra izany fomba fijeriny izany. Niresaka momba izany i Mosesy tamin'ny Isiraely fahiny, arivo taona maro lasa izay. "Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony hianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao." - Deo. 12:8; jereo koa ny Mpits.17:6, Ohab. 12:15.

Raha tsy tokony handeha araka izay heverintsika ho mahitsy ary isika, dia isika izao izay sady tsy marina no tsy marina, ahoana no ahafantarantsika ny tokony hatao? Mazava loatra ny valiny: Ilay Andriamanitra nahary antsika dia nanome antsika ihany koa fitsipika ara-pitondran-tena natao harahina eo amin'ny fiainana. Mety tsy ho haintsika, araka ny fijerintsika, ny tokony hatao; fa Andriamanitra kosa mahay ny zavatra rehetra.

Vakio ny Deo. 6:6; Mar. 12:29-31: ary ny Apok. 14:12. Inona no ampianarinireo andininy ireo antsika mikasika ny fihetsika sy ny fitondran-tena mety sy araka ny tokony ho izy?

Raha ataontsika ho ivon'ny fomba fijerintsika Kristianina ny fanavotana, dia tokony ho zava-dehibe ho antsika tahaka izay koa ny lalàn'Andriamanitra (araka ny hitantsika tamin'ny herinandro lasa), na ny Didy Folo. Avotana ho afaka amin'ny inona rahateo tokoa moa isika raha tsy ny ota, izay fandikana ny lalan'Andriamanitra (Rom.3:20)? Tsy misy heviny intsony ny filazantsara raha sarahina amin'ny lalan'Andriamanitra, izay antony mahatonga antsika hahafantatra fa mbola manan-kery amintsika hatrany ny lalàna na dia tsy afaka mamonjy antsika aza izany. (Koa mila ny filazantsara isika.)

Noho izany, ny fanabeazana rehetra omen'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia tokony hanasongadina fa maharitra "mandrakizay ny lalàn'Andriamanitra" - HM, t. 64, ary anisan'izany ny Sabata. Raha natao hanampy hamerina araka izay azo atao ny endrik'Andriamanitra ho ao amintsika ny fanabeazana eto amin'ity fiainana ity, dia tokony hasandratra izany ny lalàn'Andriamanitra, na dia amin'izay lafiny farany tsotra indrindra aza. Araka ny ohatra nomen'i Kristy no hanandratana izany lalàna izany , dia ho fitsipika ara-pitondran-tena maneho marina ny atao hoe mety eo imason'Andriamanitra. 

"Ny hiverina amin'ny fahatanterahantsika tany am-boalohany, izany no zava-dehibe eo amin'ny fiainana ankehitriny sy tena fototra kendren'ny fanabeazana." - PM, t. 603. Raha haverina tsara izany dia ho hitantsika ny maha-zava-dehibe, ho an'ny fanabeazana advantista, ny fananana fijery kristianina mafy orina. Ny fanabeazana rahateo moa, araka ny efa hita tany aloha, dia tsy voatery ho zavatra tsara mandrakariva, raha mandeha irery. Mety ho nandia fianarana ny olona iray, eny, fianarana ambony mihitsy aza, kanefa ny heviny sy ny fitondran-tenany dia rnifanohitra amin'ireo fitsipi-piainana hita ao amin'ny Baiboly. Noho izany, tokony hiorina amin'ny fomba fijery kristianina ny rafi-pampianarantsika, amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika. Midika izany fa ny seha-panabeazana rehetra ankapobeny, mahakasika ny siansa, ny tantara, ny fitondran-tena, ny kolontsaina, sy ny sisa, dia tokony hanome fampianarana mifanaraka amin'izany fomba fijery izany, fa tsy hanohitra na hanao tsinontsinona izany. Araka ny efa voalaza ihany koa, kanefa tsara haverina, ny olona dia samy manana ny fomba fijeriny ny fiainana, na voalanjalanja tsara izany na tsia. Noho izany dia ilaina tokoa ny anaovana ny fijery ara-Baiboly ho fototra iorenan'ny fanabeazana advantista manontolo. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Inona avy ireo ohatra fantatrao eo amin'ny tantara, izay nahitanao rafi-panabeazana iray manontolo ho tena manimba tokoa? Mitanisa toerana vitsivitsy izay (n)itrangan'izany. lza no nampianarina tao amin'izany toerana izany, ary inona no lesona azontsika tsoahina avy amin'izy ireo? Ahoana no ahafahantslka miaro tena mba tsy hisy akony ratsy eo amin'ny rafi-panabeazantsika izany?

2. Ny lesontsika tamin'ity herinandro ity dia naneho ireto hevi-dehibe fototra ireto mikasika ny fijery krisfianina momba ny fiainana: ny fisian'Andriamanitra, ny famoronana, ny Baiboly, ny drafi-panavotana, ary ny lalàn'AndriamanItra. Inona ihany koa ireo zava-dehibe hafa tokony ho tafiditra ao anatin'izany fomba fijery kristianina izany?

3. Nisy mpanoratra iray tamin'ny taonjato fahavalo ambin'ny folo nanao hoe: « Ô ry feon'ny fieritreretako! Ry feon'ny fieritreretako! Ny fahendrenao avo indrindra; ny fitarihanao dia azo antoka ho an'ny olombelona kely fahalalana sy voafetra, kanefa marani-tsaina sy olona afaka; ianao ry mpitsara tsy mety diso, mahafanfatra ny tsara sy ny ratsy; afahonao tahaka an'Andriamanitra ny olona». Inona no marina amin'izay voalazany? Inona no diso?

4. Jereo lndray ity fanambaran'i Ellen G. White ity: "Ny hiverina amin'ny fahatanterahantsika tany am-boalohany, izany no zava-dehibe eo amin'ny fiainana ankehitriny sy tena fototra kendren'ny fanabeazana." Inona no hevitr'izany? Milaza izany fa tokony ho hafa tanteraka ny fanabeazana Advantista raha mitaha amin'ny ankamaroan'izay heverin'izao tontolo izao ho fanabeazana. Nahoana?