Lesona 3: Manana ny lalàna ho mpampianatra

Hodinihina mandritra ny herinandro: Deo. 6:5; Deo. 31:9-27; Rôm. 3:19-23; Apôk. 1 2:1 7; 14:12; Mar. 6:25-27; Heb. 5:8.
Tsianjery: "Ary tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra" - Deo. 6:5

Ny bokin'ny Deoteronomia no mirakitra ny teny farany nataon'i Mosesy tamin'ny Isiraely, talohan'ny nidiran'ilay taranaka vaovao izay voatendry hiditra tao amin'ny Tany nampanantenaina. Mialoha ny hidiran'izy ireo ao amin'ny tany anefa dia nanana fanambarana mazava sy toromarika ho azy ireo izy.

Vakio ny Deo. 31:9-13. Inona ny hevitry ny hoe matahotra an'Andriamanitra?

Nanana tanjona manokana Andriamanitra raha nampita ny lalàny tamin'ny Isiraely. Fomba maro no nataony mba tsy hanadinoana ny lalàny. Mpanabe mahari-po tokoa Andriamanitra. Mampianatra Izy, mamerina indray, maniraka mpaminany maro ary mampiasa ireo mpanompony mba hampita ny hafany, ary naverimberiny hatrany izany. Moa ve ny ankamaroan'ny asasoratry ny TT tsy nataon'Andriamanitra hampianarana ny olony hanaraka ny lalàna manome fiainana?

Mariho ao amin'ireo toko sy andininy ireo ny fanasongadinan'i Mosesy ny maha-zava-dehibe ny hianaran'ny taranaka mandimby ny lalàna. Mizara ho dingana roa ny firesahan'i Mosesy izany: handre ny lalàna aloha ny zanaka, ary "hianatra hatahotra an'i Jehôvah Andriamanitrareo" - Deo. 31:13,

Mandre izy ireo ary mianatra ny hatahotra an'Andriamanitra avy eo. Izany hoe, ny fianarana ny lalàna dia toy ny milaza fa tsy vokatra voajanaharin'ny fahafantarana ny lalàna ny tahotra. Tsy maintsy hianarana ny dingana ho amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Izao no tian'i Mosesy hambara: ny fahalalana sy ny tahotra dia zavatra miandalana, fa tsy mitondra avy hatrany amin'ny tahotra tsy akory ny fahalalana.

Midika inona ny hoe "matahotra an'Andriamanitra" raha lazaina amin'ny olona koa ny hoe "tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra" - Deo. 6:5? Azontsika ampitahaina amin'ny fitiavan'ny zanaka sy ny fahatahorany ny rainy izany; ary koa ny ray izay maneho ny fitiavany sy ny fikarakarany ny zanany ka manambara aminy izay tena tiany harnbara marina, ary voahevitra tsara izay lazainy. Raha manao fahadisoana amin'ny ray tahaka izany ianao dia hizaka tokoa ny vokatry ny tsy nety nataonao. Eny tokoa, azontsika atao ary tokony hataontsika ny mitia sy matahotra an'Andriamanitra; hevitra tsy mifanohitra mantsy izany. Arakaraka ny ianarantsika momba an'Andriamanitra no hitiavantsika Azy noho ny fahatsarany; ary arakaraka ny hahafantarantsika Azy no hatahorantsika Azy noho ny fahitantsika fa marina sy masina tokoa Izy ary isika kosa mpanota sy tsy manana fahamarinana. Fa noho ny fahasoavana. - fanomezana atolotra izay tsy mendrika izany - ihany no tsy maha-ringana antsika.

Ahoana ny fahatakaranao ny hevitry ny hoe tia sady matahotra an'Andriamanitra?

Fantatr'i Mosesy fa efa ho faty izy, ary fantany tsara koa ny toe-javatra hiseho aorian'izany. Fantany fa hiditra ao Kanana, ilay tany nampanantenaina, ny Isiraelita rehefa maty izy. Fantany ihany koa fa ho tonga mpikomy izy ireo eo am-panatrarana ilay fitodiana niriny hatry ny ela.

Vakio ny Deo. 31:14-27. Inona ny fiomanana nataon'i Mosesy mialoha ny hahafatesany? Inona no tena nanahiran-tsaina an'i Mosesy amin'ny maha-mpitarika azy, ary ahoana no nataony teo anatrehan'izany?

Toy ny fitenin'ny mpampianatra manomana ny mpandimby azy ny fitenin'i Mosesy eto. Hitany ny fitondrantena ratsin'ny mpianany tao amin'ny efitrano fianarana raha mbola teo anatrehany izy ireo. Tsy vao mainka ratsy noho izany no hitranga rehefa tsy eo intsony izy?

Nanome toromarika ny Levita izay nitondra ny fiaran'ny fanekena izy mba hametraka ny bokin'ny lalàna eo anilan'ny fiara, mba ho "vavolombelona". Tsy ny drafitry ny lesona fotsiny no nampitain'i Mosesy tamin'ny mpandimby azy fa ny vavolombelona ihany koa. Miresaka momba ny bokin'ny lalàna izy; ambarany ho tahaka ny olona manana fahefana mananatra ny fon'ny olona izany.

Eritrereto ny amin'ny lalàna izay "vavolombelona hiampanga" azy ireo (DIEM). Ahoana no fahazoantsika izany hevitra izany ao amin'ny TV? Vakio ny Rom. 3:19-23. Ahoana no ilazan'ny lalana amintsika fa mita ny fahasoavana isika?

Nasain'Andriarnanitra nandrakitra ny hira nampianariny azy i Mosesy ao amin'ny Deo. 31. Rehefa izay dia nasaina nampianatra izany hira izany tamin'ny Isiraely izy, mba "ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely" - and. 19. Hitantsika mivantana eto indray ny fitantanan'Andriamanitra. Mora zaraina sy mora ampitaina ny hira rehefa hiraina. Ary rehefa atao vavolombelona ny hira dia manana fahafahana mitaona ny olona handini-tena sy hahita izay ambarareizany momba ny tenany.

Na dia mikatsaka ny hitandrina ny lalàn'Andriamanitra amin'ny hery rehetra norneny antsika aza isika, dia amin'ny fomba ahoana no hiasan'ny lalàna ho "vavolombelona hiampanga" (DIEM) antsika? Inona no ampianarin'izany vavolombelona izany mikasika ny filantsika ny Filazantsara eo amin'ny fiainantsika?

Hitantsika manerana ny Baiboly ireo vokatra hafa entin'ny fahalalana sy fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra.

Vakio ny Jos. 1:7,8. lnona no nambaran'i Jehôvah tamin'ny Josoa, ary fomba ahoana no hampiharana ireo fitsipika hita eto, amin'izao andro iainantsika izao?

Izao no nambaran'Andriamanitra tamin'i Josoa raha hiditra tao Kanana izy: "Koa mahereza sy matanjaha tsara hianao, hitandremanao hanao araka ny laidna rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanarnpoko anao ; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, rnba hambinina hianao arnin'izay rehetra alehanao" - Jos. 1:7.

Mety hifanohitra amin'ny fomba fijery ny fahombiazana araka ny tontolo misy antsika ankehitriny ny fiheverana ny fahombiazana ho vokatry ny fankatoavana. Maro mantsy amin'izao no mino fa ny famoronana zava-baovao sy ny fahaiza-mamorona ary ny fitokian-tena no mariky ny fahombiazana.

Mitaky fananana talenta miavaka sy fahasahiana lehibe matetika ny fahombiazana eo amin'ny sehatr'asa iray. Mitaky fitambaran-javatra maro samy hafa anefa ny fahombiazana araka ny fijerin'Andriamanitra.

Vakio ny Apôk. 12:11; Apok, 14:12; Rôm. 1:5: Rôm. 16:26; Jak. 2:10-12. Inona no ambaranireo toko sy andininy ireo mikasika ny fankatoavana ny lalàn'Andriamanftra? Izany hoe, na tsy vonjena amin'ny alalan'ny fankatoavana ny lalàna aza isika, nahoana no zava-dehibe ny fitandremantsika izany?

Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao, Fanekena taloha, Fanekena vaovao - tsy izany no zava-dehibe, fa amin'ny maha-Kristianina antsika dia asaina mankato ny lalàn'Andriamanitra isika. Tsy hiteraka afa-tsy fahoriana sy alahelo ary fahafatesana mandrakizay mantsy ny fandikana ny lalàna, antsoina ihany koa hoe fahotana izany. Iza moa no tsy mbola nahita na nahalala ny vokatry ny fahotana, ny vokatry ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra? Tsy hafa amin'ny nanambinana ny zanak'Isiraely fahiny raha nankato ny lalàna (na dia nila ny fahasoavana koa aza izy ireo), no mbola anambinana antsika ihany koa ankehitriny. Tokony hitandrina ny lalàn'Andriarnanitra isika, ao anatin'ny tontolon'ny fanabeazana kristianina, ka hanao izany ho ivon'ny fananana fiainam-pinoana sy fitokiana amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Inona ny fanandramana niainanao mikasika ny vokatry ny fahotana? lnona ny lesona nosintoninao izay azonao zaraina amin'ny hafa, mba tsy hamerenan'lzy ireo fahadisoana tanaka izany?

Tombontsoa marobe no hita ao amin'ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra; hita taratra teo amin'ireo vahoaka izay nambinin'Andriarnanitra izany. Fatra-pitandrina izay nambaran'ny fitsipik'Andriamanitra i Josoa ary tsara ny fitarihany ny zanak'Isiraely. Imbetsaka Andriamanitra no nilaza tamin'ny Isiraely fa hambinina izy ireo raha mankatò ny lalàna.

Vakio ny 2 Tant. 31:20,21. lnona ny antony nanambinana an'i Hezekia araka ireo andalan-teny ireo?

Tokony hanasongadina ny lanjan'ny fankatoavana na inona na inona toeram-panabeazana misy antsika. Tsy adala tsy akory ny mpianatsika; ho hitany na ho ela na ho haingana fa misy ireo olona izay mahatoky sy be fitiavana ary mankatò kanefa indro fa tra-doza ihany. Ahoana no hanazavantsika izany amin'izy ireo?

Raha ny marina dia tsy voazavantsika izany. Monina eto amin'ny tontolo feno fahotana sy faharatsiana isika, tontolo izay isian'ny fifanandrinana mivaivay ka tsy misy afa-bela amin'izany na dia iray aza.

Inona ny lesona omen'ireto andalan-tSoratra Masina ireto antsika mikasika izany fanontaniana saro-balina izany? Mar. 6:25-27; Jôba 1, 2; 2 Kôr. 11:23-29.

Tsy isalasalana tokoa fa tsy mahomby mandrakariva ny olona tsara fanahy sy mahatoky izay mitandrina ny lalàna, raha araka ny fahatakaran'izao tontolo izao ny fahombiazana. Mety hamaly amin'ny ampahany ny fanontaniana saro-baliana izao valinteny izao, fanontaniana izay tsy maintsy hipetraka rehefa hampianatra ny maha-zava-dehibe ny lalàna isika. Inona moa no antsoina hoe "fanambinana"? Inona no nambaran'ny mpanao Salamo? "Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokanam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy" - Sal. 84:10. Tsy isalasalana fa na ireo mahatoky amin'Andriamanitra sy mankatò ny lalàny aza dia tsy "ambinina" mandrakariva amin'izao fotoana izao, raha araka ny fenitr'izao tontolo izao. Tsy hanampy ny mpianatra isika raha milaza ny mifanohitra amin'izany.

Vakio ny Heb. 11:13-16. Ahoana no hanampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny anton'ny fahorian'ny olona mahatoky, eto amin'izao fiainana izao?

I Jesôsy Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra no hany niaina fiainan'olombelona feno fankatoavana tanteraka ny Ray sy ny lalàny. Nanao izany Izy, tsy mba ho solontsika ihany fa mba ho ohatra ho antsika ihany koa, ary izany tokoa Izy.

Vakio ireto toko sy andininy ireto: Lio. 2:51,52; Fil. 2:8; Heb. 5:8; Jao. 8:28,29. Ahoana no ampahatsiahivan'izany antsika ny fankatoavan'i Kristy nandritra ny fiainany iray manontolo?

Azo heverina fa voalazan'i Jaona tsara izay tian-kambara raha nanoratra izy hoe: "Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa."- 1 Jao. 2:6. Rehefa mampifantoka ny fijery eo amin'ny fiainan'i Kristy sy ny asany teto an-tany isika dia mahita mora foana fa nanao ny sitrapon'ny Rainy Izy tamin'ny nankatoavany Azy. Nahatanteraka ny faminaniana tokoa i Kristy, ary nanandratra ny lalàn'Andriamanitra nandritra ny fiainany.

Nilaza tamin'i Mosesy Andriamanitra mba hanoratra ny lalàny hahatonga izany ho vavolombelona amin'ny Isiraely; tahaka izany koa no nijoroan'i Kristy ho vavolombelona velona tamin'ireo apôstoliny sy ny mpianany rehetra, tamin'ny mpanota ary ny olona masina. Ankehitriny dia tsy hoe fitambaram-pitsipika natao harahina ihany no ananantsika, fa eo i Jesôsy, Ilay olombelona nofo sy ra, ohatra ho antsika.

Amin'ny maha-mpanabe antsika, moa ve misy ohatra tsara kokoa azontsika aseho amin'ny mpianatra mihoatra an'i Jesôsy sy ny fankatoavany ny Ray?

"Ny finoana an'i Kristy izay mampihevitra fa tsy voatery hankatò an'Andriamanitra ny olona, dia tsy finoana tsy akory, fa fizahozahoana. "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana". Nefa "ny finoana raha tsy misy asa, dia rnaty mihitsy" (Efes. 2:8; Jak. 2:17). Talohan'ny nahatongavan'i Jesôsy tety ambonin'ny tany, dia hoy ny filazany ny tenany hoe: Ny hanao ny sitraponao Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko" - Sal. 40:8. Ary taloha kelin'ny niakarany tany an-danitra indray, dia nolazainy fa efa nitandrina ny didin'ny Rainy lzy, sady mitoetra ao amin'ny fitiavany araka ny teny hoe: "Tahaka ny nitandrernako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany"- Jao. 15:10. Hoy ny Soratra Masina hoe: "Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny (...) Izay milaza fa mitoetra ao Arniny izy, dia tsy rnaintsy mandeha toy izay nandehanany koa.' - I Jao. 2:3,6."- DHK, tt. 71,72, ed 2018.

Inona no azonao atao mba hanarahanao bebe kokoa ny ohatra nasehon'i Kristy eo amin'ny lafim-piainana rehetra, sy hahatonga anao ho mpanabe mahomby kokoa? Na dia fomba fiteny mahazatra hatrizay aza izany, dia mandaitra kokoa ny asa atao noho ny teny, nahoana?

Ny fitiavana, izay fototry ny famoronana sy ny fanavotana, no fototry ny tena fanabeazana marina. Nambara mazava ao amin'ny lalàn'Andriamanitra izay nomeny ho tari-dalan'ny fiainana izany. Ny voalohany sady lehibe indrindra amin'izany dia: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny fanahinao rehetra, amin'ny herinao rehetra ary amin'ny sainao rehetra" - Lio. 10:27. Ny hoe: Mitia Ilay tsy manam-petra, mahay ny zavatra rehetra, amin'ny hery sy saina ary ny fo manontolo dia midika ho fitomboana ambony indrindra eo amin'ny hery rehetra. Midika fa eo amin'ny maha-izy azy ny olona - ny vatany, ny sainy, ary indrindra ny fanahiny - dia tafaverina indray ilay endrik'Andriamanitra.

"Mitovy amin'lay voalohany ihany ny didy faharoa manao hoe: ' Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ' - Mat. 22:39. Ny lalàn'ny fitiavana dia miantso fanolorana ny tena, ny saina ary ny fanahy mba hanompo an'Andriamanitra sy ny hafa. Izany fanompoana izany, rehefa mahatonga antsika ho fitahiana ho an'ny hafa, dia mitondra fitahiana lehibe ho antsika ihany koa. Ny tsy fitiavan-tena no mibaiko ny tena fitomboana marina. Amin'ny alalan'izany fanompoana feno fandavan-tena izany no handraisantsika kolontsaina ambony amin'ny fahaiza-manao rehetra. Manjary mpiray fomba amin'ny lanitra bebe kokoa hatrany isika ary mendrika ny lanitra rehefa mandray azy ao am-pontsika." - Ed, t. 16.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Asaina mitia sy matahotra an'Andriamanitra tahaka ny Isiraely fahiny Isika (Mat. 22:37; Apok. 14:7). lfanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny fomba hahafahantsika manatanteraka izany. Valio ihany koa izao fanontaniana izao: Nahoana ireo didy ireo no tsy mifanohitra?

2. Inona ny maha-samy hafa ny hoe maneho ohatra tsara sy mametraka fitsipika? Araka ny fanandramana hitanao, moa ve ny fametrahana ohatra ambony eo amin'ny fiarahamonin'ny mpino no heverin'ny Fiangonana Advantista kokoa sa ny fametrahana fitsipika izay mampiray ny mpino? Inona no ambaran'ny Soratra Masina momba ny fametrahana fenitra ho an'ny tena? Ho an'ny fianakaviana? Ho an'ny fiangonana?

3. Zava-dehibe ny mankatò ny Ialàn'Andriamanitra; tsy loharanom-pamonjena anefa izany. Ahoana no hampifandanjana ireo?

4. Vakio hatramin'ny farany ny Sal. 119 ary mariho hoe Impiry no miverina ireto teny ireto: fitandremana, malalaka, lalàna, fitsipika ary didy. Inona no tian'ny mpanoratra ny Sal. 119 hambara mikasika ireo lohahevitra ireo?

Izao no nosoratan'i Paoly raha nampitandrina ny Galatianina izy tsy hanao ny lalàna ho fahazoam-pamonjena: "Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana" - Gal. 3:21. Raha misy tokoa ny lalàna "mahavelona" dia ho ny lalàn'Andriamanitra izany. Eto anefa i Paoly dia manambara fa na ny lalàn'Andriamanitra aza dia tsy mahavelona antsika mpanota. Nahoana? "Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana Jesôsy Kristy" - Gal. 3:22.

Raha tsy mahavelona ny mpanota anefa ny lalàna, dia inona ary ny tanjony, ankoatra ny fanehoana amintsika fa mila ny fahasoavana isika? Moa ve anjara asa miiba ihany no tanan'ny lalàna, ka tsy misy afa-tsy ny haneho amintsika ny fahotantsika?

Tsy izany, eo ny lalàna mba hanoro antsika ny lalana mankamin'ny fiainana, izay ao amin'i Jesôsy irery ihany. Tokony ho toy izany koa ny fanabeazana marina, izay mampitodika antsika ho amin'ny fiainan'ny fahasoavana sy ny finoana ary ny fankatoavana an'i Kristy. Izany no antony hianarantsika mandritra ity herinandro ity ny anjara asan'ny lalàna ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanabeazana kristianina. Andeha hofantarintsika izay azon'ny lalàna ampianarina antsika, na dia tsy mahavonjy antsika aza izany, mikasika ny finoana sy ny fahasoavana ary ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona lavo.