Lesona 2: Ny ankohonana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 3:1-15: 2 Kôr. 4:6; Lio. 1:26-38; Mat. 1:18-24; Efes. 4:15; 1 Jao. 3:18; Deo. 6. 

Tsianjery: "Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalan-dreninao" 

Amin'ny maha-olombelona dia mianatra mandrakariva isika (izay hita fa tsara indrindra). Raha ny marina dia ny fiainana mihitsy no sekoly.

"Hatry ny taloha indrindra dia efa nikarakara betsaka ny fanabeazana ny tanora ny olona mahatoky tao Isiraely. Efa nanome toromarika Jehôvah fa raha vao menavava ny zaza dia tokony hampianarina ny fahatsarany sy ny fahalehibeazany, indrindra araka izay nambara tao amin'ny lalàny, sy naseho tao amin'ny tantaran'ny Isiraely. Ny hira sy ny vavaka ary ny lesona avy amin'ny Soratra Masina dia nampifanarahana tamin'ny sainy vao misokatra. Ny ray sy ny reny dia tokony hampianatra ny zanany fa fanehoana ny toetra amam-panahin'Andriamanitra ny lalàna, ary raha mandray ny foto-kevitry ny lalàna ao am-po izy, dia misoritra ao amin'ny sainy sy ny fanahiny ny endrik'Andriamanitra. Ambava ny ankabeazan'ny fampianarana; nefa nianatra ny hamaky ny asasoratra hebreo koa ny tanora; ary novelarina hianarany ireo horonan-taratasy fahiny mirakitra ny Soratra Masina ao amin'ny Testamenta taloha". - IFM, t. 56. 

Tsy dia nomena antsika loatra, tsy misy mihitsy aza raha ny marina, ao amin'ireo takila voalohany ao amin'ny Soratra Masina, ny tsipiriany mikasika ny karazam-panabeazana teo anivon'ny ankohonana nandritra ny fotoana niandohan'ny tantaran'ny olombelona. Azontsika antoka anefa fa teo anivon'ny ankohonana no nanaovana ny fanabeazana tamin'izany fotoana izany. 

"Niorina tamin'ny ankohonana ny rafi-panabeazana napetraka tany Edena. 'Zanak'Andriamanitra' i Adama (Lio. 3:38), ary avy tamin'ny Ray no nandraisan'ny zanaky ny Avo Indrindra fampianarana. Sekolin'ny ankohonana, araka ny hevitr'izany indrindra, no nianaran'izy ireo." - Ed, t. 33.

Inona no ampianarin'ireto toko sy andininy ireto, ary nahoana no tsy maintsy ho anisan'ny fanabeazana nomen'i Adama sy 1 Eva ny zanany izany? Gen. 1, 2; Gen. 3:1-15; 2 Kôr. 4:6; Lio. 10:27; Gal. 3:11; Apôk. 22:12.

"Ny rafi-pampianarana napetraka tany am-piandohan'izao tontolo izao dia natao ho ohatra ho an'ny olona mandritra ny fotoana rehetra hoavy. Ho fanazavana azy ireo ny amin'ireo fitsipika ao anatin'izany dia nisy sekoly naorina tao Edena, izay tsy inona fa ny tokantranon'ireo ray aman-drenintsika voalohany." — Ed, t. 20.

Ny fanabeazana kristianina dia fanoloran-tena hanabe ny ankohonana sy ny mambra ao anatiny amin'ny alalan'ny foto-pampianarana, ny fivavahana, ny fianarana, ny fisakaizana, ny fitoriana ny filazantsara, ary ny fanompoana. Ny tokantrano no toerana ampianaranao ny ankohonana sy ny mambra ao anatiny momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ireo teny fikasany. Ao amin'io toerana io ny ankizy no ampahafantarina an'i Jesôsy amin'ny maha-Tompo sy Mpamonjy ary naman'izy ireo manokana Azy, ary ny Baiboly, amin'ny maha-Tenin'Andriamanitra azy. Ao amin'ny ankohonana no ahafahanao mahazo an-tsaina ny amin'ilay fifandraisana mamy eo amintsika sy Ilay Raintsika any an-danitra.

Hitantsika ao amin'ny Gen. 4:1-4 i Kaina sy i Abela samy mitondra ny fanatiny ho an'ny Tompo. Azontsika inoana mihitsy fa nianatra momba ny hevitry ny fanatitra sy ny maha-zava-dehibe izany izy ireo, ary anisan'ny fanabeazana azy mikasika ny drafi-pamonjena izany teo anivon'ny ankohonany. Mazava loatra, araka ny hita eo amin'ny tantara, fa ny fanabeazana tsara dia tsy voatery ho tonga mandrakariva amin'izay vokatra antenaina ho azo avy aminy.

Na manao ahoana na manao ahoana ny ankohonana misy anao, inona avy ireo safidy azonao atao mba hahatonga izany ho toerana ampianarana sy iainana ny fahamarinana?

Kely monja no resahin'ny Baiboly mikasika ny fahazazan'i Jesôsy. Mitoetra ho zava-miafina ny ankamaroan'ny fiainany tao anatin'izany fotoana izany. Na izany aza dia misy fanazavana vitsivitsy nomena antsika momba ny toetr'i Maria sy i Josefa ray aman-dreniny. Hanampy antsika hahazo an-tsaina ny amin'ny fahazazany sy ny fanabeazana tamin'izany fotoana izany ny fandinihana izany.

Inona no ampianarin'ireto andininy ireto antsika mikasika an'i Maria sy i Josefa? Ahoana no mety hanomezan'izany fanazavana mikasika ny fomba nanabeazan'ny ray aman-dreniny an'i Jesôsy? Lio. 1:26-38; Lio. 1:46-55; Mat. 1:18-24. 

Hitantsika ao fa i Maria sy i Josefa dia samy Jiosy mahatoky, niezaka nanana fiainam-pankatoavana ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra. Ary izao koa, rehefa tonga teo amin'izy ireo ny Tompo, nanambara taminy izay zavatra hitranga, dia narahin'izy ireo tamim-pahatokiana izay rehetra nolazaina azy.

"Tsy nandray fampianarana tamin'ny sekolin'ny synagoga Jesôsy zaza. Ny reniny no olombelona mpampianatra Azy voalohany. Avy tamin'ny molony sy avy tamin'ny horonan-taratasin'ny mpaminany no nianarany izay mikasika ny lanitra. Ny teny, izay Izy mihitsy no niteny izany tamin'i Mosesy ho an'ny Isiraely, izay nianarany teo am-pofoan-dreniny ankehitriny. Raha nandroso avy amin'ny fahazazana ho amin'ny fahatanorana Izy, dia tsy nikatsaka ny sekolin'ny raby tsy akory. Tsy nilainy ny fanabeazana notovozina avy tamin'izany loharano izany; Andriamanitra rnantsy no mpampianatra Azy " IFM t. 57.

Tsy isalasalana fa mpampianatra tsara sady mahatoky ho an-janany i Maria sy i Josefa. Kanefa araka ny tantara ao amin'ny Lio. 2:41-50 dia zavatra maro momba io Zanany io no tsy takatr'izy ireo, satria nanam-pahalalana sy fahendrena i Jesôsy, izay Andriamanitra irery ihany no nanome Azy izany.

Avereno vakina ireo andalan-teny nosoratan'i Ellen G. White voalaza etsy ambony. Manao ahoana ny fahatokiantsika izany.  Voasoratra eto mikasika ny fomba nianaran'î Jesôsy teo am-ampofoan-dreniny ny teny izay Izy mihitsy no nanambara azy. Tsy maneho amintsika ny fitiavan'Andriamanitra lalina sy mahagaga ve izany. Inona ary no tokony hataontsika zavaboary lavo sy mpanota manoloana izany ? 

Raha ny tena heviny marina, ny fanabeazana arnin'ny ambaratongany rehetra dia fifandraisana. Ny mpampianatra no manana fahalalana, fahendrena, zava-baovao sy tsara ho fantatra, ary zavatra hafa koa, azo arnpitaina amin'ny mpianatra. Izay manarn-pahaialana maro dia tokony ho afaka hampita izany amin'ny hafa; raha tsy izany, Inona moa no soa azo avy amin'ny fahalalany, raha tsy hiresaka afa-tsy ny lafmy fampianarana ihany?

Amin'ny lafiny iray anefa, ny fahaizana mampianatra tsara dia tsy fahaizana mampita fotsiny. Zava-dehibe fototra ao anatin'ny raft-pampianarana manontolo ny fifandraisana. "Ny tena mpanabe marina dia afaka manolotra fanomezana vitsivitsy ho anhy mpianany, dia fanomezana tena sarobidy toy ny maha-sakaizareny mpianany azy. Marina tokoa, na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy, indrindra moa fa ho an'ny tanora sy ny ankizy, fa ny fifandraisana amim-pitiavana no hany fomba ahafahana mahazo ny fon'izy ireo. Ilaintsika izany fifankahazoana am-po izany mba hisian'ny voka-tsoa sy ny fahombiazana lehibe indrindra." - Ed, p. 212.

Raha hazavaina misimisy kokoa, ny fampianarana tsara dia miasa ihany koa amin'ny lafiny ara-pihetseham-po, ary mahakasika ny fiainan'ilay mpianatra manokana. Zava-dehibe indrindra izany ho an'ny ankohonana, arnin'rky maha-sekoly azy. Tsy maintsy manorina fifandraisana tsars ny mparnpianatra sy ny mpianatra.

Amin'ny alalan'ny fifaneraserana no anorenana sy hanolokoloana ny fifandraisana. Rehefa tsy mifanerasera amin'Andriamanitra ny Kristianina, amin'ny alalan'ny famakiana Baiboly ohatra, na koa amin'ny vavaka, dia miharatsy ny fifandraisany amin'Andriamanitra. Mila ny fitarihana avy amin'Andriarnanitra ny ankohonana raha to hitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana Kristy.

Vakio ireto andininy ireto. Inona no lesona azontsika tsoahina mikasika ny fomba atao mba hananana fifandraisana mafy orina eo anivon'ny ankohonana eo amin'ny sehatra hafa liana izany)? Sal. 37:7-9; Ohab. 10:31,32; Ohab. 27:17; Efes. 4:15; 1 Jao. 3:18; Tit. 3:1,2; Jak. 4:11.  

Ny fanokanana fotoana hikolokoloana fifandraisana tsara araka ny tokony ho izy dia tsy hanomana fotsiny ny mambran'ny ankohonana ho amin'ny fifandraisana ety amini Kristy, fa hampifandray akaiky ny isam-batan'olona koa an anatin'izany ankohonana izany. Hanokatra fantsom-pifandraisana izany, izay hitondra fifaliana ho anao ny nanorina azy rehefa tonga maoty sy olon-dehibe ny zanakao. Ary na tsy manan-janaka aza ianao dia azo ampiasaina amin'ny karazam-pifandraisana rehetra ny fitsipika Nita an aminireo andininy ireo. Saintsaino koa hoe nahoana no tsy izay lazaintsika ihany no zava-dehibe to ny fomba ilazantsika izany koa. Andeha hatao hoe nilaza zavatra iray hamar:), ary no dia marina aza ilay voalazanao dia ratsy ny akon'izany vokatry ny fomba nilazanao azy. Inona no lesona voarainao avy aminIzany toe-javatra izany? 

"Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy" - Efes. 6:4.

"lza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy" - Ohab. 31:10.

Lehibe tokoa ny andraikitry ny ray aman-dreny. Ny Ray no lohan'ny fianakaviana, ary ny ankohonana no fototra iaingarfny fiangonana, ny sekoly, my ny fiarahamonina. Rana osa ny raim-pianakaviana, tsy mandray andraikitra, na tsy mahalala ny tokony hataony dia ny ankohonana, ny sekoly, ary ny fiarahamonina no hiharan'ny vokany. Tokony hanao izay anehoana ny vokatry ny Fanahy eo amin'ny fiainany ny raim-pianakaviana, dia "fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahati-po, fahamorara-partahy, fanaovan-tsoa, faharnarinana, fahalemem-panahy, fahononampo" - Gal. 5:22,23.

Tsy isalasalana fa manana andraikitra lehibe indrindra koa ny renim-pianakaviana eo anivoniny fiarahamonina manontolo. Lehibe ny hery miasa mangina ananany eo afnin'ny famolavolana ny toetran-janany sy izay ho toe-po sy toe-panahin'ny ankohonany. Tokony hanao izay rehetra azony atao ny raim-pianakaviana mba hanampiana ny reny amin'ny fanabeazana ny zanaka.

Inona no lesona azanrny ray sy ny reny tsoahina avy amireireto toko sy andininy ireto? Efes. 5:22,23,25,26;1 Kor. 11:3; 2 Kôr. 6:14; Rom. 13:13,14; 2 Pet, 1;5-7; Fil. 4:8.

Manana adidy ny ray aman-dreny, amin'ny maha-Kristianina azy, haneho an'i Kristy sy fiangonana eo amin'ny fitondrantenany. Tokony ho araka izay anehoan'ny Baiboly azy anefa izany. Ny fifandraisan'ny mpivady dia mitovy amin'ny fifandraisan'i Kristy amin'ny fiangonana tsy hikarakara ny ankohonany na mitondra azy amin'ny fomba feno halozana ny ray arnan-dreny, dia diso ny fanehoany an'i Kristy amin-janany sy amin'izao tontolo izao. Mandidy ny ray aman-dreny Kistianina rehetra Andriamanitra mba hampianatra ny zanany amim-pitandremana tsara (jereo ny Deo. 6:7). Manana adidy ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany ho tia ny Tompo amin'ny fony manontolo. Tokony hampianariny hatahona an'Andriamanitra, hanolo-tena tanteraka ho Azy, ary hilefitra amim-pitiavana amin'ny Tompo, ny zanany.

Nomena toromarika. manokana ny zanak'Isiraely ao amin'ny Deo. 6:7 mikasika ny fanabeazana ny zanany momba ireo zava-dehibe nataon'ny Tompo ho an'ny vahoakany. Na mahatalanjona toy inona aza ny tantara nasaina nambaran'ny ray aman-dreny ny zanany taminIzany fotoana izany, isika kosa, izay miaina ao anatin'ny fahafantarana fa efa maty teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy, dia manan-javatra tsara lavitra hotantaraina, sa tsy marina izany?

Ny fikarakarana na ny fanofanana izay asaina ataontsika, araka izany, dia hetsika mitohy, ho fampahafantarana amin'ireo zanatsika ny faharnarinan'Andriamanitra manontolo sy ho fampianarana azy ireo banana fifandraisana manokana amin'i Kristy.

Samy nomena flay fanomezana manokan'ny fahafahana misafidy malalaka avokoa anefa isika rehetra. Arnininy farany, rehefa tonga olon-dehibe ny zanatsika, dia hahaleo tena sy ho tompon'andraildtra eo anatrehan'Andriamanitra.

Mialoha ny nidiran'ny zanak' Isiraely tany amin'ilay tany nampanantenaina dia niresaka tamin'izy ireo indray i Mosesy, namerina nitantara ny amin'ny fomba nitantanan'ny Tompo azy ireo. Ary nanafatrafatra indray izy mba tsy hanadinoan'izy ireo izay zavatra nataon'ny Tompo taminy. Maro ireo antony azo ilazana fa ny Deo. 6 no hafatra farany navelan'i Mosesy. Ary na efa taonjato maro lasa aza no nanoratana ireo fitsipika ireo, tao anatin'ny kolontsaina sy toe-piainana samy hafa tanteraka amin'ny antsika ankehitriny, dia natao ho antsika koa izany,

Vakio ny Deo. 6. inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'io toko io mikasika ireo fitsipiky ny fanabeazana kristianina? lnona no tokony ho ivorfny fampianarana rehetra omentsika, tsy ho an'ny zanatsika ihany to ho an'ireo rehetra tsy mahafantatra ny mamba an'Andriamanitra sy ny asam-pamonjeny lehibe? Inona koa ireo fampitandremana voalaza ao?

Ny asa mahagaga nataon'Andriamanitra teo amin'izy ireo dia nomena toerana ambony tokoa teo amin'ny fampianarana rehetra natolony ny zanany. Ary natao mazava tsara ihany koa ny fampitandremana nomena azy ireo mba tsy hanadinoany izay rehetra nataon'Anciriamanitra ho azy.

Natao hiantsoroka ny andraikitra lehibe amin'ny fanabeazana ny zanany ny ray aman-dreny mba hananan'izy ireo fiainana araka ny fampianaran'ny Baiboly. Noho izany dia manana adidy izy ireo handamina sy hanamboatra ny fiainany manokana mba hananany fahalalana omena ny zanany sy fotoana atokana ho azy ireo.

"Ny reny no mpampianatra voalohany ny zanany. Ao anatin'ny fotoana izay isokafan'ny sain'ny zaza indrindra, ka mora andraisany izay rehetra ampianarina azy, sy amin'ny fotoan'ny fitomboany haingana indrindra, dia ny reny no tena iankinan'ny fanabeazana azy." — Ed, t. 275.

Io no fotoana sarobidy izay ampitan'ny ray aman-dreny amin'ny zanaka ny momba ny fitiavan'Andriarnanitra sy ny teny fikasany. Ny fanokanana sy fandarninana fotoana ara-dalana mba hampianaranao manokana ny zanakao momba ny fahendrena sy ny teny fikasan'Andriamanitra dia hitondra voka-tsoa ho an'ny ankohonanao mandritra ny taona maro mbola ho avy.

Vakio ity andininy ity: "Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetroka ao an-tranonao  hianao na mandeha any an-dalana  na matory, na mifoha" - Deo. 6:7. lnona no tiana ambara eto? Nahoana no tena zava-dehihe tokoa ny mametraka an'Andriamanitra ho lohalaharana mandrakariva ao an-tsain'ny zanatsika sy ao an-tsaintsika koa?

Vakio ny "Preparation" tt. NY - 275-282; "Cooperation" tt. 283-286; "Discipline" 287-297

"Mipetraka amin'ny ray sy ny reny ny andraikitra arnin'ny fanofanana ny zanany, tsy mandritra ny fahazazany ihany fa amin'ny fotoana aorian'izany koa. Tena ilain'izy ireo indrindra ny miomana tsara sy amim-pitandremana fatratra ho amin'izany. Mialoha ny handraisan'ny lehilahy sy ny vehivavy fanapahan-kevitra ho ray na ho renim-pianakaviana, dia tokony ho fantany tsara ny amin'ny lalan'ny fitomboana ara-batana (...); ny lalan'ny fitomboana ara-tsaina sy ny amin'ny fitondrantena araka ny tokony ho izy." - Ed, t. 276.

"Ny ray sy ny reny mihitsy no tokony haneho fiaraha-miasa voalohany ao an-tokantrano. Mifameno ny andraikitr'izy ireo eo amin'ny fanabeazana ny zanany, ary izany fiasana miaraka izany no tokony ho lahasany mandrakariva. Aoka izy ireo hiantehitra tanteraka amin'Andriamanitra, hitady fanampiana avy Aminy mba hahazoany mifanohana (...) Ireo ray aman-dreny izay manome fanabeazana toy izany dia tsy mba isan'ny mpanome tsiny ny mpanabe namany. Tsapan'izy ireo fa ny tombontsoan'ny zanany sy ny an'ny sekoly dia mitaky, araka izay azo atao, ny fanohanany sy ny fanajany ireo namany izay niara-mizaka aminy izany andraikitra izany." - Ed, t. 283.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Na manan-janaka isika na tsia, dia toy ny miara-miaina eo anatin´ny trano fonenana iray avokoa, ary mifandray amin'ny hafa ihany koa isika rehetra. Inona no lesona voarainao tamin'ity herinandro ity izay afaka hanampy anao eo amin'ny fifandraisana amin'ny hafa sy ny fijoroana ho vavolombelona aminy koa, na aiza na aiza toerana misy anao?

2. Ankapobeny dia zavatra tsara no fandraisantsika ny atao hoe fanabeazana. (Iza rahateo moa no mety hanohitra ny fanabeazana?) Kanefa izany mandrakariva ve no miseho? Inona avy ireo tranga mety ho nahitana fa simba ny fanabeazana ka nanjary zava-dratsy aza? Inona no azontsika ianarana avy amin'ireo ohatra ratsy ireo ka hanampy antsika hahatonga ny fanabeazana ho zavatra tsara?

3. Araka ny voalaza ao amin'ny lesona Alarobia, isika rehetra dia samy nomena ilay fanomezana manokan'ny fahafaha-misafidy malalaka. Na ho ela na ho haingana, rehefa tonga zatovo na olon-dehibe ny zanakao, dia tsy maintsy hanapa-kevitra samirery izy eo anatrehan'llay Andriamanitra Izay nampahafantarina azy fony fahatanorany. Eo am-piezahana hijoro ho vavolombelona amin'ny hafa sy hitory ny filazantsara amin'lzy ireo, nahoana ny ray aman-dreny - eny, ny olon-drehetra mihitsy aza raha ny marina - no tsy maintsy mametraka ao an-tsainy mandrakariva io fahamarinana lehibe momba ny safidy malalaka io?