Lesona 1: Ny fanabeazana tao amin’ny saha Edena

Hodinihina mandritra ny herinandro:Gen. 2:7-23; Gen. 3:1-6; 2 Pet.1:3-11; 2 Pet. 2:1-17; Heb. 13:7,17, 24.

Tsianjery : "Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no ho mpampianatra tahaka Azy."Joba 36:22

 Sabata Hariva 

Saika mahafantatra ny tantara ao amin’ny Gen. 1—3 avokoa ny mpianatra ny Baiboly rehetra, ary koa mahafantatra ireo mpandray anjara ao amin’izany tantara izany: Andriamanitra, Adama, Eva, ireo anjely ary ilay menarana. Tao amin’ny saha tsara tarehy antsoina hoe “Edena” no nisehoan’ny tantara. Toa manaraka fisehoan-javatra araka ny lôjika ny tantara. Namorona Andriamanitra, nanome torolalana an’i Adama sy i Eva. Nanota i Adama sy i Eva ka voaroaka tao amin’ny saha Edena. Rehefa jerentsika akaiky anefa ireo toko vitsivitsy voalohany ao amin’ny Genesisy, indrindra raha jerena amin’ny lafiny fanabeazana, dia ho fantatsika bebe kokoa ny momba ireo mpandray anjara sy ny tantara ary ny sehatra isehoany.

“Ny rafitry ny fanabeazana izay napetraka hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao dia natao ho môdely ho an’ny olombelona mandritra ny taonjato rehetra mifandimby. Ho fanehoana ny fitsipik’izany rafitra izany dia naorina ny sekoly mòdely tany Edena, fonenan’ireo razambentsika voalohany. Efitrano fianarana ny saha Edena; ny zavaboary no bokin-desona; ny Mpamorona mihitsy no mpampianatra ary ireo raiamandrenin’ny fianakavian’olombelona rehetra no mpianatra.” - Ed, t. 20.

Andriamanitra no mpanorina sy mpitantana ary mpampianatra tao amin’izany sekoly voalohany izany. Araka ny efa fantatsika anefa dia nifidy mpampianatra hafa i Adama sy i Eva taty aoriana ka nianatra ny lesona tsy tokony ho nianarany. Inona no nitranga? Nahoana? Inona ny lesona azontsika sintonina izay hanampy antsika amin’izao fotoana izao avy amin’ny tantara voalohan’ny fanabeazana?

Na dia tsy heverintsika ho efìtrano fianarana loatra aza ny saha, dia mitombina tanteraka izany ho an’i Edena manokana, izay nahitana ireo harena tonga lafatry ny famoronana nataon’Andriamanitra. Sarotra ny mahazo an-tsaina, indrindra amin’ny fomba fijerintsika ankehitriny, ny hamaroan’ny zavatra nianaran’ireo voary tsy nanam-pahotana tao anatin’ny tontolo tsy nisy ota, izay nampianarin’ny Mpamorona azy ireo mivantana tao amin’izany “efitrano fianarana” izany.

Vakio ny Gen. 2:7-23. Inona no voamarikao momba ny tanjon'Andriamanitra raha namorona sy nampitoetra ary nanome asa an’i Adama Izy?

Noharian’Andriamanitra araka ny endriny ny lehilahy sy ny vehivavy, aiy nomeny fonenana sy asa manan-danja. Rehefa dinihina ny fanohanan’ny mpampianatra ny mpianany etoana dia hita fa izany no fifandraisana tonga lafatra indrindra. Fantatr’Andriamanitra ny fahafaha-manao nananan’i Adama satria Izy no namorona azy. Fantatr’Andriamanitra fa afaka hampitombo ny fahalalany i Adama ary afaka ny ho tonga araka ny drafiny ho azy, koa nampianatra azy Izy.

Nomen’Andriamanitra andraikitra ity lehilahy ity, kanefa niriny koa ny hahasambatra azy. Azo heverina aza fa fomba nanomezana fahasambarana azy ny fanomezana azy andraikitra. Iza moa no tsy ho faly sy sambatra rehefa nomena andraikitra ka nahatontosa izany tamim-pahatokiana? Fantatr’Andriamanitra ny fon’i Adama sy izay nilainy mba hahasambatra azy, koa nomeny azy ny andraikitra hitandrina ny saha. “Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy” - Gen. 2:15. Sarotra ho antsika ny maka sary an-tsaina ny asa izay nampiandraiketina an’i Adama sy ireo lesona izay azo antoka fa nianarany raha niasa sy nitandrina ny saha nonenany izy, noho isika tsy mahalala afa-tsy tontolo feno fahotana sy fahafatesana.

Namorona biby ho naman’i Adama Andriamanitra ao amin’ny Gen. 2:19-23, namorona an’i Eva koa Izy ho vadin’i Adama. Fantatr’Andriamanitra fa mila namana sy fanampian’ny olona mitovy aminy izy; izany no namoronany ny vehivavy.

Fantatr’Andriamanitra koa fa ilain’ny olona ny hanana fifandraisana ety Aminy, koa nanaovany toerana manokana tao anatin’ny saha Edena izy ireo ho amin’izany. Maneho ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona sy ny tanjony tamin’ny famoronana antsika izany fanomezana rehetra izany. Noho ny elanelana lehibe eo amintsika sy ny saha Edena dia sarotra ny mahazo saiy an-tsaina ny toetoetr’izany toerana izany, na dia mahafinaritra aza ny manao izany, sa tsy izany?

Na dia lavitra dia lavitra an’i Edena aza isika dia mbola afaka misintona lesona avy amin'ny zavaboary ihany. Inona avy ireo lesona ireo, ary inona no azontsika avy amin'izany rehefa manazava izany amin'ny alalan’ny Soratra Masina isika?

Iray amin’ireo zavatra mahafaly indrindra ny ankamaroan’ny mpampianatra ny mandrindra ny efitrano ampianarany: ny manantona ny tabilao fametahana taratasy, ny mandamina ireo fitaovana samihafa sy ny efitrano fianarana araka izay fomba mahafinaritra indrindra. Rehefa mijery ny tanjon’Andriamanitra ho an´ny efitrano fianarana - ny sahan’i : Edena - isika, dia mahita ny fikarakarana fatratra nataony raha nanomana ny tontolo hianaran’i Adama sy i Eva. Niriny raha hatsaran-tarehy no nanodidina azy ireo. Azontsika an-tsaina ny voninkazo sy ny vorona, ny biby sy ny hazo tsirairay izay nahafahan’i Adama sy i Eva nianatra bebe kokoa momba ny tontolo misy azy sy ny Mpamorona azy ireo.

Nisy fiovan’ny toe-javatra tampoka anefa avy tao amin’ny Gen. 2 mankamin’ny Gen. 3. Efa vita lisitra avokoa ny zava-tsoa rehetra noharian’Andriamanitra araka ny fikasany masina. Voamaritsika ao amin’ny Gen. 3:1 koa anefa ny fanomezan’Andriamanitra ny fahafahana misafidy malalaka. Fihatahana amin’ny fiteny rehetra izay nampiasaina teo aloha ny fanondroana ny menarana ho “fetsy noko ny bibi-dia rehetra”. Ny mpamaritoetra hoe “tsara indrindra” sy “tsy nahalala henatra” aiy “tsara” no nentina nilazana ny zavatra noharian’Andriamanitra ao amin’ireo toko voalohany; izao kosa dia nisy fiovana teo amin’ny fiteny nampiasaina, nony niresaka momba ny menarana. Tampoka teo dia nisy singa ratsy iray tafiditra tao anatin’ny tontolo tsy nahitana afa-tsy fahalavorariana.

Tsy tahaka izany no anehoan’ny Genesisy an’Andriamanitra; mifanohitra amin’ny “fetsy” Izy. Nasehony mazava izay nandrasany tamin’ireo mpivady tao amin’ny saha. Hitantsika ao amin’ny baiko nomen’Andriamanitra ao amin’ny Gen. 2:16,17 fa tokana ihany ny fitsipika napetrany izay tsy maintsy hankatoavin’izy ireo, dia ny tsy hihinanana amin’ilay hazo voarara.

Zavatra iray no tena misongadina ankoatra ireo hafa izay mety sintonintsika avy amin’io tantara io: nohariana hanana safidy malalaka i Adama sy i Eva; zavaboaiy izay afaka nisafidy ny hankatò na tsia izy ireo. Hatrany am-piandohana, na tao amin’ny tontolo tsy mbola lavo aza, dia hitantsika fa efa nomena fahafahana hisafidy malalaka ny olombelona.

Diniho ny teny nampiasain’ilay menarana izay naverin’i Eva ihany koa, ao amin’ny Gen. 3:1-6. Inona no voamarikao mikasika ny zavatra nolazain’ilay menarana tamin'i Eva? Nanao ahoana ny fìjerin’i Eva ilay hazo fahalalana ny tsara sy ratsy taorian'izay?

Nambaran’Andriamanitra tamin’i Adama ao amin’ny Gen. 2:17 fa raha mihinana amin’ilay hazo izy dia “ho faty tokoa”. Rehefa namerina izany baiko izany i Eva ao amin’ny Gen. 3:3 dia tsy nolazainy ilay teny hoe “tokoa” izay nanamafy ny tian-kolazaina.

Naverin’ny menarana izany fanamafisana izany ao amin’ny Gen. 3:4 saingy ny mifanohitra tanteraka amin’izay nambaran’Andriamanitra no nolazainy. Na dia nampianarin’Andriamanitra aza i Eva tao amin’ilay saha, dia toy ny tsy noraisiny tamim-pahamatorana tsara izay zavatra nianarany, raha jerena ny teny nolazainy.

Hitantsika omaly fa na teo aza ny baiko mazava nambaran’Andriamanitra dia nohamaivanin’i Eva hita teo amin'ny fiteniny - izay nampianarina azy. Na dia tsy nodisoiny aza ny hevitry ny fanambaran’Andriamanitra taminy dia hita miharihary fa tsy noraisiny tamim-pahamatorana loatra izany. Toe-javatra mahatsiravina no nitranga vokatry ny tsy fankatoavany.

Araka izany, rehefa nahita ilay menarana i Eva dia naveriny (saingy tsy araka izay tena voalaza) taminy izay nambaran’Andriamanitra mikasika ireo hazo ao amin’ny saha (Gen. 3:2,3). Mazava loatra fa tsy zava-baovao tamin’ilay menarana izany hafatra izany. Fantany tokoa izany baiko izany ka efa niomana tsara ny hamadika ny hevitr’izany izy. Ny fahatsoran’i Eva no nentiny namely azy.

Diniho ny Gen. 3:4-6. Ankoatra ny fandavana mivantana ny fanambaran’Andriamanitra, inona ihany koa ny teny nolazain’ny menarana izay hita miharihary fa nandaitra tamin’i Eva? Inona ny fitsipika nohararaotiny?

Azon'i Eva natao ny nidinika tamin’Andriamanitra rehefa nanambara taminy ilay menarana fa tsy marina ny ampahan’ny teny nohafatrafarana taminy. Izany no zava-nahafinaritra tamin’ny fanabeazana tany Edena: azon’ny mpianatra natao ny nanatona ilay Mpampianany Lehibe; mihoatra noho izay azon’ny saintsika etý an-tany takarina izany. Nanaiky ny tenin’ny menarana anefa i Eva, raha tokony ho nandositra azy sy nitady ny fanampian’Andriamanitra. Maneho fisalasalana ny amin’Andriamanitra sy izay nambarany tamin'izy ireo ny faneken’i Eva ilay hafatra izay efa nasian’ny menarana fanovana.

Tao anatin’izay dia tsy maintsy niatrika fanapahan-kevitra sarotra i Adama. “Fantatr’i Adama fa ny vadiny dia efa nandika ny didin’Andriamanitra sady nanitsakitsaka ny fandrarana tokana izay efa nomena azy roa ho fizahan-toetra ny fahatokiany sy ny fitiavany. Koa nisy ady mahatsiravina tao anatiny. Nalahelo fatratra izy raha nahita fa latsaka tao amin’ny fandrik'ilay mpaka fanahy i Eva. Kanefa, inona no azony hatao fa efa vita ny fahadisoana? Tsy maintsy hisaraka amin’ny vadiny malalany izy. Ataony ahoana no fahazaka izany?” - PM, t. 33. Indrisy fa nanao safidy ratsy i Adama, na dia efa nahalala izay tokony sy tsy tokony hatao aza.

Eritrereto ny eso feno famitahana etoana: nambaran’ilay menarana fa raha mihinana amin’ilay hazo izy ireo dia "ho tahaka an'Andriamanitra” (Gen. 3:5). Moa ve ny Gen. 1:27 tsy efa nanambara fa efa nanam-pitoviana tamin’Andriamanitra izy ireo? Inona no ampianarin'izany momba ny maha-mora fitahina antsika? Nahoana no finoana sy fankatoavana ihany no hiaro antsika, na dia nomena ny fanabeazana tsara indrindra, tahaka an'i Adama sy i Eva aza isika?

Rehefa nisafidy ny hanaraka ny tenin'ilay menarana i Adama sy i Eva dia voaroaka avy tao amin'ny efitrano fianaran'Andriamanitra, ary nisetra vokany hafa ihany koa. Eritrereto ireo zavatra verin'izy ireo noho ny fahotany. Rehefa takatsika ny fahalavoan'izy ireo dia ho takatsika kokoa ny tanjon'ny fanabeazana ho antsika amin'izao andro izao. Na dia noroahina tao Edena aza izy ireo dia nisy ny tanjona vaovao nosoritana ho an'ny fanabeazana azy teto arnin'ny tontolo tsy tonga lafatra.

Raha fomba iray nampiasain'Andriarnanitra hampahafantarana an'i Adama sy i Eva ny momba Azy sy ny toetrany ary ny fahatsarany sy ny fitiavany ny fanabeazana nialoha ny Fahalavoana, dia natao hampahafantarana indray ny olombelona ireo teboka ireo izany rehefa noroahina tao Edena izy ireo, ary koa natao hamerenana indray ny endrik'Andriamanitra eo amintsika. Na dia nesorina tsy ho eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra aza ireo zanany dia mbola azon'izy ireo atao ny mahafantatra Azy sy ny fahatsarany ary ny fitiavany. Azontsika atao ny manatona ilay Andriamanitsika, tahaka an'i Adama sy i Eva tany Edena, amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fanompoana ary ny fianarana ny Baiboly.

Izao no vaovao rnahafaly: noho ny amin'i Jesôsy sy ny drafi-pamonjena dia tsy very avokoa tsy akory ny zava-drehetra. Mahazo manantena famonjena sy famerenana amin'ny laoniny isika. Ny fanabeazana kristianina rehetra dia tokony hampitodika ny mpianatra amin'i Jesôsy sy izay efa nataony ho antsika ary ny fanavaozana izay atolony.

Vakio ny 2 Pet. 1:3-11. Na dia teo aza ireo zava-drehetra very vokatry ny nandaozan'ny olombelona ny saha Edena, ireo andininy ireo kosa dia mampahery fa maro no mbola ho azo indray. Inona no ambaran'i Petera fa tsy maintsy ataontsika mba hamerenana indray ny endrik'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika?

Efa nomena antsika amin'ny alalan'i Jesôsy "ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriarnanitra" - 2 Pet. 1:3. Teny fikasana manao ahoana re izany ! Mety ho inona avy izany nomena antsika izany? Tanisain'i Petera amintsika izany: finoana, toe-panahy, fahalalana, fahononam-po, faharetana, sns. Mariho fa notanisain'i Petera tao koa ny fahalalana; mazava loatra fa mampiditra hevitra momba ny fanabeazana izany. Mitarika ho amin'ny fahalalana marina ny fanabeazana marina, dia ny fahalalana an'i Kristy izany; amin'izay dia tsy ho tonga tahaka Azy fotsiny isika fa hizara izay fantatsika momba Azy amin'ny hafa koa.

Eritrereto mandritra ny fotoana fohy fa ilay hazo voarara dia nantsoina hoe "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy" - Gen. 2:9. lnona no ambaran'izany momba ny antony tsy maha-tsara ny fahalalana rehetra? Ahoana no hanavahantsika ny fahalalana tsara amin'ny fahalalana ratsy?

Misy ireo mpianatra izay tsy mila mandalina be mba hahazoana naoty tsara. Mora foana ny fandraisany izay ampianarina azy, toy ny "miraikitra" ho azy ao an-tsainy izany. Asehon'ny 2 Pet. 1 sy 2 mazava anefa fa ny fanabeazana omena antsika ao amin'i Kristy dia fanandramana andraisana tombontsoa mitovy ho an'ireo izay manokana ny tenany ho amin'izany. Mampahery antsika ny 2 Pet.1; fampitandremana ho antsika kosa ny 2 Pet. 2.

Vakio ny 2 Pet. 2:1-17. Inona ny teny manan-danja sy mitory fanamelohana ambaran'i Petera eto? Inona ny fanantenana lehibe ampanantenaina antsika eo anatrehan'izany fananarana mafy sy fampitandremana izany?

Mariho izay nosoratan'i Petera ao amin'ny and. 10 momba ireo izay "manamavo ny fahalehibiazana". Fananarana hentitra ho antsika amin'izao andro izao koa Amin'ny maha-fiangonana antsika dia tokony hanaiky ireo manam-pahefana isika (vakio ny Heb. 13:7, 17, 24) ary asain'Andriarnanitra manana sy mankato azy ireo. Tsy maintsy mahatoky amin'Andriarnanitra anefa izy ireo amin'izany.

Ao anatin'izany fampitandremana mahery vaika izany dia misy ihany ny fampanantenana ambaran'i Petera (2 Pet. 2:9). Voalazany fa na dia handà ireo olona misafidy hino ny famitahana aza. Andriamanitra dia fantany "izay harnonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy". Azo heverina ve fa ny ampahany amin'ny fanabeazana antsika ao amin'ny fivavahana kristianina dia tsy hoe manalavitra ny fakam-panahy fotsiny fa mianatra ireo fomba ampiasain'Andriamanitra hanafahana antsika amin'izany sy hiarovana antsika amin'ireo izay nampitandremany fa "hahatonga mangingina sain-diso mahavery" - 2 Pet. 2:1? Koa satria melohina ny fanamavoana ireo manana fahefana, moa ve tsy tokony ho tafiditra ao anatin'ny fanabeazana kristianina ny fianarana ireo fomba tsara hanekena sy hankatoavana "ny mpitondra" antsika ary hahatakarana ny fomba fisainany (Heb. 13:7)?

Tsy azontsika ambara fa nanao tsinontsinona ny fahefana i Adama sy i Eva, kanefa nisafidy ny tsy hankatò izany fahefana izany ihany izy ireo tamin'ny farany. Mainka naharatsy lavitra ny fandikany lalàna ny nanaovany araka izay mifanohitra indrindra amin'izay nambaran'izany fahefana izany, dia Andriamanitra. Soa ho azy ireo anefa izay nolazain'Andriamanitra taminy.

Eritrereto bebe kokoa ny momba izay manam-pahefana, tsy izay ao amin'ny fiangonanta na ny fianakaviana ihany, fa eo amin'ny fiainana an-kapobeny. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fampiasana sy ny fankatoavana ny fahefana? Ento ao amin'ny kilasy ny valinteninao amin'ny Sabata.

"Tsy hoe zanak'Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy i Eva, fa mpianany koa. Nandray lesona avy tarnin'llay Fahendrena tsy hita lany izy. Sady novangian'ny anjely izy no afaka niresaka nifanatrika tamin'llay Mpamorona azy koa. Nahasalama azy tokoa ny hazon'aina. Latsa-danja kely foana tamin'ny fahendren'ny anjely ny fahendreny. Ny zava-miafin'izao rehetra ary izao hita maso, "dia ny fahagagana ataon'ilay tanteraka amin'ny fahalalana" - Jôba 37:16b no 5:47 fototry ny fianarany sy ny fifaliany.

Ny lalàna samy hafa mifehy izao tontoto izao, izay efa nandanian'ny olombelona herim-po sy ron-doha be dia be hatramin'ny eny enina arivo taona izay, dia nasehon'llay Mpità-rnatika mahay sy Mpitahiry ny zavatra rehetra azy mivady. Nahay niresaka tarnin'ny voninkazo sy ny ravina maitso mbamin'ny hazo izy, ka nahalala taminy ny tsiambaratelon'ny fiainan'ny tsirairay avy. Hatramin'ireo leviatana mahery any an-dranomasina ka hatramin'ireo bibikely tsy hita maso manidintsindina eny amin'ny rivotra, dia samy nahazatra an'iAdama avokoa. Nomeny anarana avokoa izy rehetra ary samy fantany daholo na ny toetrany na ny fanaony.

Ny voninahitry ny habakabaka, ny kintana tsy hita isa ary ny masoandro amam-bolana samihafa sy ny fandehan'izy rehetra tsirairay avy eny amin'ny lanitra, ny "fihevahevareny rahona matevina" Jôba 37:16a, ny zava-miafin'ny hazavana sy ny feo, ny momba ny andro sy ny alina, ireny sy ny toy ireny no fototry ny lesona nianaran'ireo razambentsika. Isaky ny ravinkazo any an'ala, isaky ny vato eny an-tendrombohitra, isaky ny kintana kely manjopiaka; eny, hatraiza hatraiza, na teny amin'ny lanitra ambony izany, na teny amin'ny rivotry ny habakabaka, na tety amin'ny tany arnbany, dia samy nahitan'i Adama sy Eva ny anaran'Andriamanitra avokoa. Ny filaminana sy ny firindran'ny zavaboary dia samy nampiseho taminy ny herin'ny fahendrena tsy hita fetra nananan'Ilay Mpamorona. Ny dingana tsirairay avy nataony dia nahitany anton-javatra nameno ny fitiavana fana ny fo arnam-panahiny izay nahatonga azy rnitedy ho velom-pisaorana lalandava."- PM, tt. 26, 27.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Raha toa tanjon'Andriamanitra ho an'ny fianarana sy ny asa ny hahatonga izany ho tombontsoa hlhaonan'ny olombelona Aminy sy ny zavaboariny, moa ve isika mbola manaraka izany drafiteAndrlamanitra mikasika ny asa izany ankehitriny? Ahoana no htfankazarantsika bebe kokoa amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asantsika? (ny asa atao hahazoam-bols, ny fanabeazana, ny asa an-tsltrapo, ny asa fanompoana, ...)

2. Rehefa mieritreritra ny hafetsen'i Satana tao amin'ny saha Edena isika dia mora foana ny hahakivy antsika eo anatrehan'ny fahalemena maha-olombelona antsika. Fantatr'i Adama sy i Eva fa akaiky azy ireo Andriamanitra kanefa mbola nandray ny fahamarinana tapatapany nolazain'ny menarana ihany izy. Tsy manana fahafahana hifanatrika mivantana amin'Andriarnanitra isika izao, ahoana àry no hahazoantsika hery avy Aminy mba handresentsika ny fakam-panahy?

 Ifanakalozy hevitra ny amin'ny fahefana sy ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana izany. Inona no mitranga rehefa tango manjavozavo ny ambaratongarn-pahefana? Ahoana no mety hanamparana ny fahefana ary Inona no tokony hataontsika eo anatrehan'izany?