Lesona 9: Ny fihetsehampon’i Jesôsy manoloana ny hafa

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 4:27-30; 39-42; Mat. 15:21-28; 2 Tes. 1:1-4; Rôm.15:7; 1 Pet. 3:15.
Tsianjery: "Fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalernem-panahy sy ny fanajana" - 1 Pet. 3:15.

Arakaraka ny ianarantsika momba ny fiainan'i Jesôsy no hahatalanjona antsika amin'ny fahaizany mandray ny olona sy mampahafantatra ny hafa ny tombambidiny. Niteny mafy ireo mpitondra fivavahana tamin'ny androny tokoa Izy, kanefa nandray ireo olona izay nanohitra ny fahotana sy izay nahatsapa fahamelohana lehibe teo amin'ny fiainany ary ireo very fanantenana. Ho an'ireny olona ireny ny fahasoavany, ary nahatratra na dia ireo mpanota ratsy indrindra aza ny famindrampony. Tsy hita fetra mihoatra ny halalin'ny fahotan'izy ireo ny halalin'ny famelan-kelaka atolony.

Tsy mba nisy avonavona tao am-pon'i Jesôsy, tsy nitondra tena tahaka izay ambony indrindra amin'ny olona Izy. Olombelona namboarin'Andriamanitra no hitany eny amin'ny tsirairay. Lavo tamin'ny fahotana tokoa ny olombelona kanefa tonga i Jesôsy mba hanavotra azy ho afaka amin'izany; tsy misy olona lavitra loatra ka tsy ho azon'ny fitiavany hotratrarina. Naneho fanajana tamin'ny olona rehetra nifandray taminy i Jesôsy ary nitondra azy ireo araka ny fahamendrehana tokony ho azy. Nitaona ny hafa ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra Izy satria ninoany fa afaka ny handova izany izy ireo. Nanova ny fiainan'izy ireo ny fiainany satria nihevitra lalina ny aminy Izy. Tonga tamin'ny tanjona nikendreny azy ny olona.

Hohalalinintsika bebe kokoa ny fiheveran'i Jesôsy ny hafa sy ny fihetsehampony manoloana azy ireo ao amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity. Hianarantsika ny fomba hanarahana ireny fitsipika ireny eo amin'ny fiainana.

Vakio ny resaka nifanaovan'i Jesôsy sy ilay vehivavy Samaritana ao amin'ny Jao. 4:27-30, 39-42 39-42. Ahoana no anehoan'izany fa sokajin'olona samy hafa no misokatra handray ny filazantsara na dia any amin'ny toerana tsy ampoizina aza?

Tsy nieritreritra mihitsy ireo mpianatra fa hisy olona vonona handray ny filazantsara any Samaria. Nifanditra tamin'ny Jiosy hatrany ny Samaritana mikasika ny fampianarana sy ny fiankohofana, fifankahalana izay naharitra am-polon-taona maro. Naniry ny handray anjara tamin'ny fanorenana ny tempoly tany Jerosalema ireo Samaritana saingy nolavina izany noho ny fifanambadian'izy ireo tamin'ireo firenena mpanornpo sampy sy ny finoan-diso notanan'izy ireo mikasika ny fivavahana. Vokatr'izany dia nanorina ny tempolinizy ireo teo an-tendrombohitra Gerizima ny Samaritana. Tsy mahagaga, araka izany, raha nivonona ny handigana an'i Samaria ireo mpianatra rehefa hizara ny filazantsara.

Nahita izay tsy hitan'ireo mpianatra i Jesosy: fa misokatra handray ny filazantsara. Nanomboka tamin'izao teny izao ny fitantaran'i Jaona ny arninilay vehivavy teo am-pantsakana: "Dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray. Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy" - Jao. 4:3,4. "Tsy maintsy" nankany Samaria i Jesôsy satria nambaran'ny Fanahy Masina taminy ny amin'ireo olona vonona handray ny vaovao mahafaly any amin'io toerana tsy noheverina io. Rehefa voahosotry ny Fanahy Masina ny masontsika dia fahafaha-manao zavatra no hitantsika eo amin'izay ahitan'ny hafa fahasarotana. Fanahy maro hojinjana ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra no hitantsika eo amin'izay tsy ahitan'ny hafa afa-tsy tanimboly tsy mahavokatra.

Vakio ny Asa. 8:4,5,14. lnona no nitranga vokatry ny nandalovan'i Jesôsy tao Samaria sy ny asa nafaony tao?

Nieritreritra ny handalo fotsiny an'i Samaria ireo mpianatra ka thy hanome ny Samaritana ny tombontsoa handre ny faharnarinan'ny Tenin'Andriamanitra. Nahita izay tsy hitan'izy ireo anefa i Jesôsy; fantany fa nanomana ny fon'ny vehivavy iray handray izany ny Fanahy Masina. Nanolotra ny fiainany ho an'i Jesosy ilay vehivavy, fahagagana fray izay nanova fiainan'olona maro tao amin'io tanina io izany. Tsy hahita fiovana haingana na lehibe mandrakariva vokatry ny asa fijoroana ho vavolombelona isika; na ea aza izany dia tsy maintsy mizara ny filazantsara amin'ny hafa isika. Tsy maintsy mamboly ny voan'ny fahamarinana ao am-pon'izy ireo isika, ary rehefa hitsiry izany dfa hitaona ny hafa hiaraka aminy any amin'ny fanjaka.n'Andriamanitra izy ireny.

Tsy ho fantatsika velively ny fiantraikan'ny teny na ny asa ataontsika eo amin'ny hafa, na ho tsara na ho ratsy. Nahoana anefa isika no tokony hitandrina mandrakariva ny amin'izay lazaintsika sy ataontsika eo anatrehan'ny hafa?

Mahova olona ho amin'ny tsara kokoa, matetika, ny fisainana sy ny fihetsehampontsika. Hanosika ny olona hanalavitra anao ny fananana toetra masiaka sy ny fitiavana manakiana ary ny toetra tsy maha-te ho tia; ary na dia afaka tnijoro ho vavolombelona aza ianao dia tsy horaisin'ny hafa mihitsy ny teny izay ambaranao na toy inona ny fahamarinan'izany.

Mampifanakaiky antsika amin'ny hafa kosa ny toetra tsara sy ny fieritreretana tsara mamba azy ireo. Mampitombo ny fisakaizana ny teny sy ny asa feno hatsaram-panahy. Mazava tsara ny anehoan'i Jesôsy izany fitsipika izany: "Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny rnpanompo tsy mahaiala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo" - Jao. 15:15. Manaiky ny ankilany ny sakaiza na inona na inona fahalemeny sy fahadisoany, ary mizara tsy miry tambiny ny hafaliana sy ny alahelo.

Vakio ny Mat. 5:21-28 sy ny Mar. 14:6-9. Vehivavy roa samy hafa tanteraka no resahin'ireo andininy ireo amintsika. Tsy mitovy ny fihetsika nasehon'i Jesasyjamin'izy ireo; toy ny hoe nasiaka tamin'ilay vehivavy iray Izy ary nalemy fahahy tamin'ilay anankiray hafa kosa. inona no hitanao ao amin'ireo tantara ireo izay maneho fa samy tian'i Jesosy hovonjena ireo vehivavy ireo ary tiany hatoky Azy?

Kananita ilay vehivavy resahina ao amin'ny Mat. 15. Tsy nomen'i Jesôsy azy avy hatrany izay nilainy kanefa mbola nangataka taminy ihany ity vehivavy ity mba hanampian Jesôsy azy. Izany no nampitombo ny finoany. Nony farany dia nomen'i Jesosy azy izay ninny, ary nanao fanambarana mahatalanjona Izy izay tsy ho nataon'ny mpitarika ara-pivavahana tamirfizany andro izany amina vehivavy Kananita mahantra mihitsy. Izao no nambaran'i Jesosy teo imason'ny rehetra: "Ravehivavy, lehibe ny finoanao" - Mat. 15:28. Nidera ny finoany i Jesôsy, teny izay tsy holazain'ny mpampianatra ara-pivavahana amin'ny olona mikatsaka ny fahamarinana mihitsy izany. Azo antoka fa nameno hafaliana ny fon'ilay vehivavy izany, nanova ny fiainany tamin'ny fomba lehibe tokoa i Jesôsy.

Jiosy ilay vehivavy nanosotra ny tongotr'i Jesôsy tamin'ny menaka lafo vidy. Vehivavy ratsy laza izy, nanao fahadisoana lehibe ary namerimberim-pahotana kanefa navela heloka sy novana ary tonga olom-baovao. Nanakiana azy ny hafa fa i Jesosy kosa nanao teny tsara mamba azy ary nankasitraka ny fihetsika nataony. Hoy i Jesôsy: "Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy" - Mar. 14:9.

Tsy ampy hitondrana ny hafa ho eo amin'i Kristy ny fisakaizana. Mety ho manana namana maro isika, olona izay tiantsika ny miaraka arniny sy tia miaraka amintsika, saingy rehefa tsy ambarantsika aminy ny toeran'i Jes6sy eo amin'ny fiainantsika sy ny nanovany ny fiainantsika dia tsy hitondra fanovana mandrakizay ho azy izany fisakaizana izany. Mety ho mahafinaritra ny mifanerasera amintsika, kanefa miantso antsika Andriamanitra mba hihoatra noho izany, satria tsy ampy hitondra ny olona ho eo amin'i Jesôsy ny fisakaizana. Ary ny ratsy noho izany, hampanalavitra ny hafa amin'i Jesôsy ny toetra feno haratsiam-panahy.

Ampahatsiahivin'ny apôstoôly Paoly isika mba hitory "ny marina amin'ny fitiavana" - Efes. 4:15. Mitombo ny fisakaizana amin'ny hafa rehefa asehontsika ny fanekentsika azy ireo ary midera azy isika amin'ny fotoana mety anaovana izany. Zava-dehibe ny fananana fahazarana mijery ny lafin-toetra tsara eo amin'ny olona fa tsy ny ratsy.

Vakio ny 2 Tes. 1:1-4. Tanisao ireo zavatra manokana nideran'i Paoly ireo olona teo Tesalonika.

Misy sokajin'olona tia mijery ny lafiny ratsy eo amin'ny hafa hatrany ka mahafaly azy ny mahita ny hafa manao ny tsy mety. Mampahazo aina azy ny mieritreritra ny fahadisoan'ny hafa.

Tsy tahaka izany i Paoly. Ny lafin-javatra tsara tao amin'ireo fiangonana niasany no nojereny. Nananatra ny fahadisoana natao tokoa izy ary nanameloka ny fahotana, saingy nifantoka tamin'ny fanamafisana orina ny fiangonana natsangany. Nataony izany tamin'ny fanasongadinana ny zavatra tsara nataon'izy ireo.

Mahaliana ny fanambaran'i Ellen G. White mamba ny lanjan'ny fifandraisana. "Raha manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra isika, ka malemy fanahy sy mahay manaja ary be fiantrana, dia an-jatony no hiova fo eo arnin'izay tsy misy afa-tsy iray ankehitriny, hanaraka ny fahamarinana." - TFC, b. 9, t. 189.

Saintsaino ny amin'ny fanarnbarana etsy ambony, inona no hitranga raha teo ka malemy fanahy sy rnora fo ary miantra ny hafa ny mambra tsirairay ao amin'ny fiangonana? Hanao ahoana ny fiangonana? Diniho ny fonao, inona no azonao atao hanehoana ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa?

Vakio ny Rôm:7 sy ny Efes. 4:32. Araka izay asehon'ireo aridininy ireo, inona ny antony tokony hanekena ny olona araka izay maha-izy azy? Inona ny hevitry ny hoe manana fo manaiky ny hafa?

Manolotra ireo fitsipikamanan-danja izay manazava ny antony tokony hanekentsika ny hafa arninby maha-izy azy i Paoly ao amin'ireo andininy ireo. Mamela heloka sy mandray antsika tsirairay avy amin'ny maha-isika antsika i Jesôôsy; ahoana moa no handavantsika tsy hamela ny heloky ny hafa sy tsy hanaiky azy arninby azy? Noho ny naneken'i Jesôsy antsika indrindra aza no tokony hifanekentsika na dia eo aza ireo fahalernen'ny hafa.

Eritrereto lalina ny hevitr'izany. Saino ny aminao sy ireo zavatra mety ho nataonao na mbola hitolomanao - zavatra mety tsy misy mahalala afa-tsy ianao, izay atahoranao mafy andrao ho fantatry ny hafa.

Fantatrao ve anefa? Ekena ao amin'i Kristy ianao noho ny amin'ny finoanao; Izy no rnahafantatra ireo zavatra mety tsy ho fantatry ny hafa mihitsy. Eny, fantany avokoa izany, kanefa manaiky anao ihany Izy; tsy noho ny fahatsaranao fa noha ny fahatsarany.

Tokony hanao ahoana dry, araka izany, ny fihetsika asehontsika amin'ny hafa?

Ny hoe manaiky ny hafa dia midika ho fanekena azy amin'nymaha-izy azy, miaraka amin'ny fahotany sy ny fahazaran-dratsiny. Nahoana? Satria nataon'Andriamanitra araka ny endriny izy ireny, ary koa satria maty ho antsika i Jesôsy " fony mbola mpanota isika"- Rom. 5:8 ary nampihavaniny tamin'Andriamanitra isika (Rom. 5:10).

Voalohany dia tokony hanangana fisakaizana manaiky sy mihevitra ny hafa isika. Rehefa izay dia hozaraintsika amim-pitiavana aminy ny fahamarinan'ny Baiboly. Tsy tia ny namantsika isika raha toa tsy manao izany, satria ny namana dia mihevitra ny hizara fahamarinana izay manova fiainana sy maharitra mandrakizay amin'ny namany.

Tsy tahaka izao ny toe-tsain'i Jesôsy: "Manaova araka izay mahafinaritra anao. Tsy mampaninona. Manaiky anao hatrany Aho". Tsy izany fa izao: "Na inona na inona efa vitanao, vonona ny hamela ny helokao sy hanome hery hahafahanao miova Aho". Hambabo fo sy hanova fiainana mare ny fahamarinana ara-Baiboly rehefa torina amirn-panetren-tena ao amin'ny Fanahin'i Kristy sy amim-pitiavana.

Ahoana no anekena ny olona iray kanefa tsy manaiky ny fitondrantena feno fahotana ananany?

Tsy nohamaivamaivanin'ny Jesôsy mihitsy ny fizarana ny fahamarinana tamim-pitiavana; raha tsy izany mantsy dia tsy fitiavana izany. Mikatsaka ny tsara indrindra ho an'ny hafa mandrakariva ny fitiavana, ary tsy mifanohitra ny fitiavana sy ny fahamarinana. Fanehoam-pitiavana ny fanambarana ny fahamarinana amirn-panetren-tena sy amim-pahalemem-panahy. Hoy i Jesosy: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana" - Jao,. 14:6. I Jesôsy irery no lalana mitondra ho amin'ny famonjena (Asa. 4:12), Mamonjy antsika ny fahasoavany mba hahafantarantsika ny fahamarinany sy hiainantsika araka izay niainany. Mitarika ho amin'ny fankataavana tsy misy fiainana ara-panahy terra izy ny fahamarinana tsy misy fitiavana; ary ny fitiavana tsy arahirn-pahamarinana dia mitarika ho amin'ny fivavahana entanin'ny fihetsehampo fotsiny, izay tsy mahavonjy antsika. Izany no antony tokony hizarana ny fahamarinana arnim-pitiavana marldrakariva, mba hitarihan'izany antsika ho amin'ny fanandramana kristianina marina izay manome antsika antom-pisiana mazava.

Vakio ny 1 Pet. 3:15 sy ny 2 Tim. 4:2 ary ny Tit. 3:4,5. lnona ny fitenenana ampiasaina ao amin'ireo toko sy andininy ireo izay maneho ny fifandanjana eo amin'ny fanambarana ny fahamarinan'ny Baiboly sy ny fananana toe-tsaina manetry tena sy manaiky ny hafa?

Tsy mametraka ny fitiavana ho arribonin'ny fahamarinana mihitsy ireo mpanoratra ny TV. Ampiarahiny ny fitiavana sy ny fahamarinana, ny fahasoavana sy nylalana, ary ny fangorahana sy ny fahitsiana. Mananatra ireo mpino rahalahiny i Patera mba "hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo (...) amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana"- 1 Pet. 3:15. Raha lazaina asninby teny hafa dia ilainao ny mahafantatra izay inoanao, ny antony inoanao izany ary tokony ho hainao ny manazava ireo zavatra roa ireo. Tsy rnidika anefa izany fa anananao ny valinteny rehetra na koa tsy maintsy ataonao izay haharesy lahatra ny hafa ny amin'ny zavatra inoanao. Tsy izany, fa ny hoe "amin'ny fahalemern-panahy sy ny fanajana" dia midika fa azonao hazavaina sy arovana amim-panetren-tena sy amin'ny fahatsapana ny lanjareny zavatra resahina ny finoanao.

Nanoro hevitra an'i Timoty i Paoly hoe: "mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra"- 2 Tim. 4:2. Niteny tamin'i Titosy koa izy fa ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra no namonjena ireo izay nateraka indray ao Aminy (Tit. 3:5).

Miantso antsika koa Andriamanitra mba haneho ny fahamarinana arnin'ny hafa amim-pahalemem-panahy sy amim-panetren-tena. Mariana hafatiy ny andro farany ho aniny olona ety an-tarry Andriamanitra, ary manasa antsika lzy hiara-rnizara Aminy ny fahamarinany amim-pitiavana.

Ahoana raha misy olona manontany anao hoe: "nahoana ianao no Kristianina"? lnona no havalinao izany, nahoana?

"Ao amin'i Kristy ny fahalernem-panahin'ny mpiandry ondry, fitiavan'ny ray aman-dreny, sy ny fahasoavan'ny Mpamonjy tsy misy toa azy. Asehony arnin'ny teny mahasarika indrindra ny fitahiany. Tsy afapo fotsiny manambara ireo fitahiana ireo Izy; fa asehony amin'ny fomba manintona indrindra izany, mba hanetsika ny faniriana hanana azy. Toy izany koa no tokony hanehoan'ny mpanompony ny haren'ny voninahitr'ilay Fanomezana tsy hay lazaina. Hampahalefaka sy hampilefitra ny fo ny 'i Kristy rnahagaga, rehefa tsy afaka hanao na inona na inona ny famerimberenana ny foto-pinoana. Ampionany, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo'. Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly , miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema, izay mitondra teny soa rnahafaly asandrato mafy ny feonao. Asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanan'i Joda hoe: Indro Andriamanitrareo!(...) Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny" - Isa. 40:1,9-11 - IFM, t. 886. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Mampalahelo fa misy ny olona mahazo aina amin'ny firesahana mamba ny fahadisoan'ny hafa. Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy lava ao anafin'izany fandrika izany isika?

2. Niverina avy tiny amin'ny fandevenana ny namanao iray ary nilaza izao: "Faly aho fa any an-danitra ny nenitoako mitsinjo ahy. Mahasambatra ahy tokoa izany". Ahoana no havalinao izany, raha jerena ny lesona nianarantsika nandritra ny herinandro mikasika ny fomba fizarana ny fahamarinana? Izany hoe, na dia manan-danja aza ny momba ny foetry ny maty, nahoana no fsy fotoana mety indrindra tamin'io hanomezana lesona ara-Baiboly momba izany lohahevifra izany?

3. Ifanakalozy hevitra izao fanambarana mikasika ny fijoroana ho vavolombelona izao: "Ny fijerena ny faharatsiana eo amin'ny hafa dia hampitombo ny faharatsiana eo amin'ireo izay manao izany. Rehefa mifantoka amin'ny fahadisoan'ny hafa isika, dia voaova ho tonga tahaka azy. Rehefa mibanjina an'i Jesôsy kosa isika ka miresaka momba ny fitiavany sy ny foetrany tonga lafatra dia tonga tahaka Azy. Voasandratra ho amin'ny rivo-piainana madio sy masina isika, eny ho amin'ny fanatrehan'Andriamanitra aza, rehefa mibanjina ny fenitra ambony apefrany eo anoloantsika. Rehefa mitoetra eo isika dia avoakany avy ao anatintsika ny fahazavana izay manazava ireo rehetra mifandray amintsika." - GW, t. 479.