Miantso antsika Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelony (Asa. 1:8; Isa. 43:10). Tsy fanomezam-pahasoavana manokana ananan’olom-bitsy ny fijoroana ho vavolombelona fa zavatra asain’Andriamanitra ataon’ny Kristianina rehetra. 

Sary an’ohatra maro no ampiasain’ny Baiboly hiresahana ny amin’ny asantsika amin’ny maha vavolombelon’Andriamanitra antsika. Nambaran’i Jesôsy fa isika dia tokony ho “fahazavan’izao tontolo izao” - Mat. 5:14, sy “solon’i Kristy” - 2 Kôr. 5:20 ary “fanjakà-mpisorona” - 1 Pet. 2:9. Io Andriamanitra izay miantso antsika ho amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy fanompoana io ihany no miantoka ny fampitaovana ilaintsika ho amin’izany asa izany. Omeny fanomezam-pahasoavana ny mpino tsirairay avy. Tsy mifidy ny olona manam-pahalalana be Andriamanitra fa mampianatra ny olona izay antsoiny hanompo Azy. Maimaimpoana no anomezany ny famonjena ho an’izay rehetra mino, tahaka izany koa no anomezany ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny olon-drehetra. 

Tokony hanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra isika, araka izany. Amin’izay dia tsy hisy fetra ny fahafahantsika miasa ho Azy. “Tsy misy fetrany ny soa mety ho vitan’ny olona iray, izay manadino ny tenany, ka manome malalaka ny Fanahy Masina hiasa amin’ny fony sy ny fiainany voatokana tanteraka ho an’Andriamanitra.” - TMF, t. 99. 

Hodinihintsika mandritra ity herinandro ity izay rehetra azontsika atao rehefa mitoetra ao anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra.