Lesona 3: Mahita ny hafa amin’ny fijerin’i Jesôsy

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 8:22-26; Jao. 4:3-34; Jao. 1:40,41: Jao. 1:40,41:Mat. 4:18,19; Asa. 8:26-38. 

Tsianjery: 'Dia hoy Jesôsy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo" - Mat. 4:19.

I Jesôsy no lehibe indrindra amin'ny mpihaza fanahy. Rehefa dinihina ny fomba fiasany teo amin'ny olona dia azontsika sintonina ny lesona ny amin'ny fitarihana ny hafa hahafantatra ny famonjena amin'ny alalany. Rehefa mamaky ny tantaran'i Jesôsy  isika dia mahita Azy mandeha eny amin'ny lalamben'i Jerosalema feno olona, mamakivaky ny làlan'i Jodia feno vovoka. Hitantsika Izy mipetraka eo amin'ny havoana misy ahi-maitso. Hitantsika amin'izany ny nanehoany ireo fitsipika manan-danjan'ny fanjakany tamin 'ireo fanahy mikatsaka ny famonjena.

Fanahy azony baboina ho any amin'ny fanjakany no fahitan'i Jesôsy  ny lehilahy sy vehivavy rehetra. Masom-pitiavana no ijereny ny olona tsirairay avy. Tsy mpanarato mivatravatra sy mahery fitenenana no hitany teo amin'i Petera fa mpitory ny filazantsara mahay sady mafana fo. Tsy olona mora tezitra no hitany teo amin'i Jaona sy i Jakoba fa lehilahy hanambara ny amin'ny famindrampony. Hitany ny faniriana lalina ny hotiavina tao anatin'i Maria Magdalena sy ilay vehivavy Samaritana ary ilay vehivavy nitsi-drà. Tsy olona mpisalasala no nahitany an'i Tomasy fa olona nanana fanontaniana tsy niolakolaka. Mitovy ny fijerin'i Jesôsy ny rehetra: ny Jiosy sy ny Jentilisa, ny lehilahy sy ny vehivavy, ilay jiolahy teo amin'ny hazo fijaliana, Ilay kapiteny rômanina, ary ilay lehilahy demoniaka. Mihoatra noho izay heverintsika no hitan'i Jesôsy  eo amintsika, dia araka izay fikasan'Andriamanitra ho antsika. Amin'ny masom-pitiavan'ny Mpamonjy no ijereny ny olon-drehetra. 

Iray ihany ny fahagagana ao amin'ny Baiboly izay nozarain'i Jesôsy ho ampahany roa. Tsy inona izany fa ny nanasitranany ilay lehilahy jamba tany Betsaida. Misy lesona manan-danja ho antsika fiangonana amin'izao fotoana izao ao amin'io fanasitranana mahagaga io, ary maneho ihany koa izany fa drafitr'Andriamanitra ho an'ny mpino rehetra ny hitondrana ny hafa ho eo amin'i Jesôsy. Izao no ambaran'ny Baiboly: "Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesôsy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba" - Mar. 8:22. Roa ny teny manan-danja indrindra ao amin'io andininy io: "nitondra" sy "nangataka". Inona no ambaran'izany amintsika? Tsy tonga irery teo amin'i Jesôsy io lehilahy jamba io; hitan'ny namany ny zavatra nilainy ka nentiny teo Aminy izy. Mety tsy dia manam-pinoana loatra angamba io lehilahy io, fa ny namany kosa nanam-pinoana. Ninoan'izy ireo fa hanasitrana ity namany ity i Jesôsy.

Eo amin'ny 25 eo ho eo ny fanasitranana mahagaga nataon'i Jesôsy ao amin'ny TV. Ao amin'ny antsasa-manilan'izany dia ny namany na ny fianakavianhy marary no mitondra azy hositranin'i Jesôsy. Maro ny olona tsy handeha irery hanatona an'i Jesôsy mihitsy; mila olona manam-pinoana hitondra azy izy ireny. Adidintsika amin'ny maha-Kristianina antsika ny mampahafantatra na "mitondra" azy ho eo amin'i Jesôsy.

Ny teny faharoa manan-danja ao amin'ny Mar. 8:22 dia ny hoe "nangataka". Ao amin'ny DIEM izany dia hoe "niangavy", izay azo adika hoe "nitalaho, niangavy mafy na koa niantso". Midika izany fa antso malefaka sy feno fanajana no natao fa tsy fitakiana amin'ny feo avo sy mieboebo. Tamim-panajana no niantsoan'ireo naman'ilay lehilahy jamba an'i Jesôsy izay ninoany fa sady maniry no manana ny fahefana hanampy ity lehilahy ity. Tsy nanam-pinoana angamba ilay lehilahy fa afaka manasitrana azy i Jesôsy; tsy toy izany kosa ireo namany. Tokony "hitondra" ny hafa ho eo amin'i Jesôsy ny finoantsika indraindray, mandra-pianarany hanana finoana ihany koa.

Vakio ny Mar. 8:22-26. Araka ny hevitrao, nahoana no nozarain'i Jesôsy ho ampahany roa ny fanasitranana ilay lehilahy jamba? Inona ny lesona omen'io tantara io antsika momba ny fomba tokony hijoroantsika ho vavolombelona ho an'i Jesôsy?

Azo heverina ve fa tsy mahita ny olona araka ny tena izy koa isika? Misy fotoana ve ahitantsika ny olona toy ny "hazo (...) mamindra" - Mar. 8:24, fa tsy toy ny olona hoentina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra? Araka ny hevitrao, inona no mahatonga antsika tsy hahita ny olona araka ny tokony ho izy?

lnona ihany koa no azontsika ianarana avy amin'io tantara io? Ahoana no anehoan'izany amintsika fa mety mila fanampiana ara-pitsaboana sy ara-panahy ny mpanota?

Asehon'i Jesôsy ireo mpanara-dia Azy ny fomba fijery vaovao ny olona tsirairay. Ampianariny hatrany azy ireo ny fomba ijeren'Andriamanitra ny olona. Mat. 24:12,13 . Tsy ny olona araka ny maha-izy azy ankehitriny no hitan'i Jesôsy fa izay mety ho toetra tsara hananany any aoriana. Nalemy fanahy tamin'ny olona mandrakariva Izy, ary naneho fanajana. Nahagaga ireo mpianany aza matetika ny fanehoany halemem-panahy tamin'ireo olona tsy tian'ny Jiosy. Hitantsika ny fahamarinan'izany ao amin'ny tantara maneho Azy sy ilay vehivavy Samaritana.

Ny Baiboly antsoina hoe "Archaeological Study Bible" dia manambara ny amin'ny fifandraisan'ny Jiosy sy ny Samaritana tamin'ny andron'i Jesôsy : "Efa ela no nanombohan'ny fisarahana teo amin'ny Samaritana sy ny Joda. Hitantsika ao amin'ny 2 Mpanj. 17 fa taranak'ireo olona nonina tany Mesopotamia ny Samaritana. Noteren'ny mpanjakan'i Asyria honina any amin'ny faritra avaratr'i Isiraely izy ireo rehefa noterena handao izany faritra izany ireo Jiosy, tamin'ny 722 TIK. Nampifangaro ny fiankohofana tamin'i Yahveh sy ny andriamani-tsy izy ireo Samaritana nifindra tany ireo." ZP (2005), t. 1727, nasiam-panamboarana. Nanorina ny tempoliny teo amin'ny tendrombohitr'i Gerizima ireo Samaritana, ary ny mpisoron'izy ireo no nasainy niandraikitra izany tempoly izany. Azo heverina, araka izany, fa talanjona ireo mpianatra raha nisafidy ny handalo teo Samaria i Jesôsy raha hankany Galilia. Gaga izy ireo raha nahita fa tsy niady hevitra tamin'ireo Samaritana mikasika ny fivavahana i Jesôsy . Fantatr'i Jesôsy fa nitady ny hoekena sy hotiavina ary havela heloka ilay vehivavy Samaritana ka nomeny azy izany zavatra nilainy izany.

Vakio ny Jao. 4:3-34. Ahoana no nanombohan'i Jesôsy  ny resaka nifanaovany tamin'ilay vehivavy Samaritana? Ahoana no navalin-dravehivavy Azy? Ahoana no nataon'ireo mpianatra teo anatrehan'izany fanandramana izany, ary ahoana no nanokafan'i Jesôsy ny fomba fijerin'izy ireo?

Izao ny lesona maharitra mandrakizay nirin'i Jesôsy hampianarina ireo mpianany sy ny tsirairay avy amintsika: "Ireo izay manana ny Fanahin'i Kristy dia hahita ny olona rehetra amin'ny masom-pangorahan'Andriamanitra." - ST, 20 Jona 1892.

Iza ireo olona izay manjary ataonao tsinontsinona na tsy anehoanao fanajana, vokatry ny hery miasa mangina avy amin'ny kolontsaina na fiarahamonina misy anao? Nahoana ianao no tsy maintsy manova ny toe-tsainao, ary fomba ahoana no hisian'izany fanovana izany?

Nisy olona nilaza izao: "Ny toerana hanombohan-javatra eo amin'ny fiainana dia eo amin'izay misy anao, tsy misy ankoatra izay". Maneho izany fitsipika manan-danja izany amintsika i Jesôsy ao amin'ny Asa. 1:8: "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany".

Mazava ny hafatr'i Jesôsy ho an'ny mpianany: "Manomboha eo amin'izay misy anareo. Mijoroa ho vavolombelona ho an'Andriamanitra any amin'ny toeram-ponenanareo. Atombohy eo amin'ny manodidina anareo ny asa tokony hataonareo!"

Tsy voatery hanam-pahaizana be ianao, na koa hanana fahaiza-manao betsaka noho ny hafa vao hanomboka hiasa ho an'Andriamanitra. Eny tokoa, mahasoa ny fahaiza-manao avy amin'Andriamanitra raha ampiasaina araka ny tokony ho izy, kanefa amin'ny farany dia ny fitiavanao Azy sy ny fitiavanao ireo fanahy maro no tena ilaina. Hanokatra làlana ho anao Andriamanitra raha vonona ny hijoro ho vavolombelona ianao.

Vakio ny Jao. 1:40,41; Jao. 6:5-11 ary ny Jao. 12:20-26. Inona no ambaran'ireo andininy ireo mikasika ny fomba fijery ara-panahin'i Andrea sy ny fomba fijoroany ho vavalombelona?

Lesona maro no azontsika sintonina avy amin'ny fanandraman'i Andrea. Natombony tamin'ny fianakaviany aloha izany; i Petera rahalahiny no niresahany voalohany ny momba an'i Jesôsy. Nanomboka nanana fifandraisana am-po tamin'ny zazalahy kely iray izay nanome ny fitaovana hanaovan'i Jesôsy fahagagana koa i Andrea, ary fantany tsara izay tokony hatao tamin'ireo Grika. Tsy niady hevitra mikasika ny fampianarana izy fa nahatsapa ny zavatra nilain'izy ireo ka nitondra azy ho eo amin'i Jesôsy.

Ny fanehoana amin'ny olona fa mihevitra azy ianao, izany no tsiambaratelo hahazoana ny fony ho an'i Jesôsy; amin'ny fanorenana fisakazaina mafy orina amin'izy ireo no anaovanao izany. Eritrereto ny amin'ireo olona akaiky anao indrindra izay mety tsy mahafantatra an'i Jesôsy. Hitany eo aminao ve ny toetra mihevitra sy tia ny hafa? Hitany ao aminao ve ny fiadanana izay iriny fatratra? Moa ve ny fiainanao maneho taratra ny filazantsaran'i Jesôsy ? Mitaona namana ho an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana ny momba an'i Jesôsy  isika. Nanjary namana kristianina izy ireny, ary mety ho tonga Kristianina advantista aza rehefa zaraintsika aminy ny hafatr'Andriamanitra amin'ny andro farany mikasika ny fahamarinana ara-Baiboly.

Sarotra matetika ny mitaona ny fianakavintsika ho eo amin'i Jesôsy, nahoana? Toy ny ahoana ny fanandramanao manokana mikasika izany? Inona ny fifsipika manan-danja momba ny fijoroana ho vavolombelona amin'ny fianakaviana azonao zaraina amin'ny kilasy?

Manam-pahaizana tamin'ny fifandraisana aman'olona i Jesôsy ; maro tamin'ireo olona nifanerasera taminy no sarotra ifampiresahana. Nasehony tamin'ireny olona ireny anefa fa manaiky azy ireo amin'ny maha-izy azy Izy. Nihaino tsara azy Izy, ary nametraka fanontaniana tamin'izy ireny. Nasehony azy ny fahamarinan'Andriamanitra; hitany izay tao am-pon'ny olona. Hitany fa na ny olona mafy fo indrindra aza dia naniry zavatra tsara kokoa. Hitany ihany koa ny zavatra tsara tao amin'ireo mpanota ratsy indrindra. Teo imasony dia afaka mamonjy izay rehetra mandray izany ny Filazantsara. Ninoan'i Jesôsy  fa "tsy misy Iavo ambany loatra, tsy misy ratsy loatra, ka tsy hahita fahafahana ao amin'i Kristy." - IFM, t. 263. Fomba hafa tanteraka amin'izay ataontsika no ijeren'i Jesôsy ny olona. Hitany eo amin'ny olombelona tsirairay ny taratry ny voninahitry ny Famoronana tany am-piandohana. Nanandratra ny fisainan'izy ireo Izy mba hahatakarany izay mety ho toetrany any aoriana, ary maro no tonga tamin'ny toerana tsara kokoa eo amin'ny fiainany noho ny Aminy.

Vakio ny Mat. 4:18,19; Mar. 12:28-34 ary ny Lio. 23:39-43. Inona no mampitovy ny teny nataon'i Jesôsy tamin'i Petera sy i Jaona tamin'ilay mpanora-dalàna sy ilay jiolahy teo amin'ny hazo fijaliana? Diniho ny drafitra nentin'i Jesôsy nikasika ny fon'ny tsirairay avy tamin'izy ireo. Inona no heverinao fa ampahany manan-danja indrindra amin'izany?

Nahitan'i Jesôsy fahafaha-mitombo ara-panahy tany amin'ny toerana rehetra izay nalehany; hitany fa azo vonjena hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny olona na dia tao anatin'ny toe-javatra tsy azo heverina indrindra aza. I Jesôsy dia manana ilay maso izay mahita fa azo vonjena ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny olona rehetra. Ny Kristianina izay manana izany fomba fijery izany dia mila sofina toy izany koa, izany hoe olona izay mihaino amin'ny fony ka mahare ny faniriana ao am-pon'ny hafa momba izay zavatra ilainy na dia tsy manambara izany aza izy ireo.

Angataho i Jesôsy mba hanampy anao hahita sy hahatakatra ny asan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainan'ny hafa. Mivavaha mba hahazoanao ilay fikasihana faharoa ka hahiratan'ny masonao sy hahitanao ny tombontsoa ara-panahy omeny anao isan'andro hahafahanao mizara ny finoanao. Angataho Aminy ny maso mahiratra sy fo mahatsapa ny ilain'ny hafa. Angataho Andriamanitra mba hanananao faniriana ny hizara an'i Jesôsy sy ny fitiavany amin'ny hafa, dia hahita fifaliana izay tsy mbola niainanao hatrizay ianao.

Feno tantara maneho ny nizaran'ny mpianatra ny filazantsara tamin'ny olon-drehetra azony nizarana izany ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly. Asehon'io boky io ao amin'ny voalohany hatrany amin'ny farany ireo tantara mahaliana momba ny fitomboan'ny fiangonana voalohany na dia teo aza ireo fihaikana avy ao anatiny sy avy any ivelany natrehiny.

Miresaka momba ny fanandramana niainany tany Troasy i Paoly ao amin'ny 2 Kôr. 2:12,13: "Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran'i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin'ny Tompo, dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia" Nanokatra làlana nahafahan'i Paoly nitory ny filazantsara tany Eorôpa Andriamanitra, Fantatr'i Paoly fa fahagagana izany, ary fantany fa mety hikatona rahampitso ny "varavarana" sokafan'Andriamanitra anio. Tsy niandriandry izy, araka izany, fa nandeha nankany Makedonia.

Andriamanitry ny "varavarana misokatra" ilay Andriamanitry ny TV - Andriamanitra izay manokatra làlana hahafahantsika mizara ny finoantsika. Asehon'ny bokin'ny Asan'ny Apôstoly amintsika fa misahirana manokatra varavarana ho an'ireo vahoakany any amin'ny tanan-dehibe sy firenena ary fanjakana maro Andriamanitra. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fanokafany ny varavarana ho amin'ny fon'ny olona,

Vakio ny Asa. 8:26-38. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika mikasika an'i Filipo? Fomba ahoana no naneken'i Filipo ny fitarihan'Andriamanitra teo amin'ny fiainany? Inona no nataony rehefa nomen'Andriamanitra azy ny fahafahana mizara ny finoany?

"Nisy nitarika an'i Filipo ho eo amin'ny anankiray izay nitady fahazavana sy vonona ny handray ny filazantsara. Ary ankehitriny, ny anjely dia hitarika ny dian'ny mpiasa izay hamela ny Fanahy Masina hanamasina ny lelany sy hanamboatra ary hanandratra ny fony. Ho afaka nanao ny asan'i Kristy teo amin'ilay Etiopiana ilay anjely nirahina teo amin'i Filipo; tsy izany anefa no fomba fiasan'Andriamanitra. Ny sitrapony dia ny hiarahan'ny olona miasa amin'ny mpiara-belona aminy". - VM, t. 98. 

Ilaintsika, araka izany, ny manana sofina mandre sy maso mahita. Rehefa izany dia haniraka ny anjeliny Andriamanitra mba hanampy antsika hikasika ny fon'ny olona. Hitanao ve ny lanjan'ny Baiboly eo amin'ny tantaran'i Filipo?

Hitanao koa ve fa zava-dehibe ho an'ny olona iray mahalala ny fahamarinan'ny Baiboly ny mizara ny fahalalany amin'ireo izay ta hahalala izany bebe kokoa? Inona no ampianarin'izany antsika?

Vakio "Ny filazantsara tany Samaria", toko 11 ao amin'ny VM.

Mikatsaka ny fiainana mandrakizay sy ny lanitra ny olona manodidina antsika. Hoy i Jesôsy : "Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy (...)" - Mat. 9:38.

Tsy ny fijinjana no olana fa ny fahavitsian'ny mpiasa. Mahita izay tsy hitan'ireo mpanara-dia Azy i Jesôsy. Inona ny vahaolana naroson'i Kristy ho an'izany olana izany? "Koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra." - and. 38b. Ny fangatahana amin'Andriamanitra mba hanirahany anao hanangona ny vokany no vahaolana. Indro misy vavaka azontsika atao: "Andriamanitra o ! Tiako raha hampiasainao aho hanorenana ny fanjakanao. Sokafy ny masoko, omeo fahiratana ara-panahy aho hahitako ireo varavarana sokafanao ho ahy isan'andro. Ampianaro aho hihevitra ny zavatra ilain'ny olona manodidina ahy. Ampio aho hizara teny feno halemem-panahy amin'ny hafa mba hampahery azy ireo sy hanome azy fanantenana. Ampio koa aho hizara ny fitiavanao sy ny fahamarinanao amin'ny olona mifanerasera amiko isan'andro”. Ataovy io vavaka io dia hanao zava-mahatalanjona eo amin'ny fiainanao Andriarnanitra".

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Efa niasa mba hitaona fanahy ho eo amin'i Jesôsy ve ianao? Tsy mora mandrakariva izany, sa tsy izany? Andriamanitra irery no afaka manova ny fo kanefa nifidy antsika Izy handray anjara amin'izany asa izany. Inona moa no ilaina mba hahazoana fanahy ho an'i Jesôsy? Mitaky fotoana izany, asa marobe, faharetana ary fitiavana avy any ambony. Tsy maintsy maty koa ny fonao feno fitiavan-tena. Inona ny safidy azonao atao mba ho faty amin'ny tena, hahazoanao fanahy ho an'i Jesôsy?

2. Iza ireo olona mifanerasera aminao isan'andro izay tsy mahafantatra Jesôsy? Inona no nataonao mba hijoroana ho vavolombelona eo amin'izy ireo? Inona no azonao hanampiana izany?

3. Eritrereto ny amin'i Saoly avy any Tarsosy. Moa tsy izy ve no olona farany indrindra noheverina ho tonga Kristianina? Fantatsika anefa izay nitranga taminy. Inona ny lesona ampianarin'izany antsika momba ny fitsarana ny hafa amin'izay miseho ivelany sy ny fihetsika ivelany?

4. Saino bebe kokoa ny amin'ny tantaran'i Saoly. Vakio indray ny Mat. 7:6. Ahoana no fahazoana ny teny ataon'i Jesôsy eto?