Lesona 2: Mijoro ho vavolombelona ho an'i Jesôsy :Ny herin'ny tantarantsika manokana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 5:15-20; Mar. 16:1-11; Asa. 4:13; 1 Jao. 1:1-3; Gal. 2:20; Asa. 26:1-32.

Tsianjery: "Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay." - Asa. 4:20.

Sabata hariva

Misy hery manokana mihitsy ao amin'ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ny tena manokana. Rehefa hafanain'ny fitiavan'i Kristy ny fontsika, ary voaovan'ny fahasoavany isika dia manan-javatra lehibe holazaina momba Azy. Azo atao tokoa ny mizara ny tantaran'ny hafa mikasika izay nataon' i Jesôsy ho azy, saingy mahery vaika kokoa izany rehefa ny tantarantsika momba izay nataon'i Jesôsy ho antsika no zaraintsika.

Sarotra ny hiady hevitra mikasika ny fanandramana niainan'ny olona iray. Azon'ny olona atao ny miady hevitra ny amin'ny finoanao, mety tsy hitovy hevitra amin'ny fanazavanao ny fahamarinan'ny Baiboly izy ireo, mety hanaraby ny fivavahanao izy na koa hiteny mafy anao noho ny finoanao an'Andriamanitra. Iza anefa no afaka hiady hevitra amin'ny fanandramana niainanao? Raha miteny ianao hoe: "Tsy nanana fanantenana aho, saingy manana izany aho izao. Nahatsiaro ho meloka aho taloha fa izao kosa manana fiadanana. Tsy nisy heviny ny fiainako taloha, fa izao aho manana antom-pisiana na ireo olona mpisalasala aza dia ho voahetsiky ny filazantsara rehefa hitany ny fomba nanovan'i Jesôsy ny fiainanao.

Mety misy ny olona miaina ny fanandraman'ny fiovana haingana dia haingana eo amin'ny fiainany ara-panahy, tahaka an'i Paoly teo an-dalana ho any Damaskosy; saingy ny ankamaroan'ny olona dia miova tsikelikely eny. Manomboka mahatakatra ny momba ani Jesôsy izy, manjary velom-pisaorana noho ny fanomezan'ny famindrampo sy ny fanirian'i Jesôsy hamonjy azy ho afaka amin'ny fahotana. Manova tanteraka ny fiainantsika i Jesôsy; izany no fijoroana ho vavolombelona ilain'izao tontolo izao sy iriny fatratra. 

Vakio ny Mar. 5:15-20. Hitanao ve ny nanirahan'i Jesôsy an'io lehilahy io hijoro ho vavolombelona any Dekapolisy? Nahoana Izy no tsy nitana io lehilahy io teo Aminy mba hampahatanjaka kokoa ny finoany?

Teny grika roa no niavian'ny teny hoe "Dekapolisy": "deca" (folo) sy "polls" (tanàna). Faritra itambaran'ny tanana folo manamorona ny ranomasin'i Galilia, tamin'ny taonjato voalohany, i Dekapolisy. Mitovy ny fiteny nampiasain'ny olona tao sy ny fomba fiainan'Izy ireo. Olona maro tany amin'izany tany izany no nahafantatra ny amin'ilay lehilahy nisy fanahy ratsy an'arivony. Nanao zavatra hafahafa sy mampatahotra ny olona io lehilahy nisy demonia io, Hitan'i Jesôsy anefa ny faniriana fiainana tsara kokoa tao anatiny ka nahatonga Azy hanafaka ilay lehilahy tamin'ireo demonia izay nampahory azy.

Ren'ny rnponina tao an-tanàna ny zavatra nataon'i Jesôsy ; henony fa navelany hiditra tao anatin'ny kisoany ireo demonia ireo ka nahatonga izany hitsambikina any arnin'ny ranomasina ka dia maty tany. Izao no ambaran'i Marka amintsika: "ary tonga tany amin'i Jesôsy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona" - Mar. 5:15. Niverina tamin'ny laoniny ny fahasalaman'ilay lehilahy, ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetsehampo ary ara-panahy. Ny votoatin'ny filazantsara dia ny hamerina indray ny olona nosimbain'ny fahotana ho amin'ny fahafenoana izay naharian'i Kristy azy.

Izany no mahatonga ity lehilahy ity ho vavolombelona mety indrindra any amin'ireo tanana folo ireo, voaova tanteraka ny fiainany. Azony atao izao ny mizara amin'ny rehetra any Dekapolisy ny fanandramany momba an'i Jesôsy. Izao no nosoratan'i Ellen G. White: "Amin'ny maha-vavolombelona ho an'i Kristy antsika, dia tokony hilaza izay fantatsika isika, izay eta hitan'ny tenantsika sy re ary tsapa. Raha nanaraka an'i Jesôsy  isaka ny indray mandingana isika, dia hanana zavatra masaka tsara holazaina momba ny làlana izay nitarihany antsika. Azontsika lazaina ny fomba nahatanterahan'ny teny fikasany teo amintsika, ka nahitantsika fa marina izany. Azontsika atao ny mijoro ho vavolombelona ny amin'izay fantatsika momba ny fahasoavan'i Kristy. Hampiseho izany no iantsoan'ny Tompo antsika, fa raha tsy misy izany dia ho very izao tontolo izao"- IFM, t. 359. Matetika Andriamanitra no mampiasa olona tsy ampoizina hijoro ho vavolombelona, izay ovain'ny fahasoavany mba hitondra fiovana eto amin'ny tontolo misy antsika.

Inona ny tantaranao manokana? Inona no ambaranao amin'ny hafa momba ny fiovam-ponao? Inona no azonao zaraina momba ny fanandramanao mba hanampiana ny olona iray izay tsy mino an'i Jesôsy?

Alahady maraina tamin'izay, nandeha haingana ho any amin'ny fasan'i Jesôsy ireo Maria anankiroa. Tsy hangataka zavatra no andehanan'izy ireo any, Inona moa no azon'ny olona maty omena azy ireo? Feno rà sy ratra ny tenan'i Jesôsy tamin'ny nahitan'izy ireo Azy farany. Tsy hohadinoin'izy ireo mihitsy izay nahazo an i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana. Manao izay tokony hataony sisa izy ireo izao. Tamin'alahelo lehibe no nandehanany nankany amin'ny fasana mba hanosotra menaka manitra ny fatin'i Jesôsy. Nitelina ny fiainany tao anatin'ny haizin'ny fahadisoam-panantenana ny aloky ny fahakiviana. Tsy azony antoka ny hoavy ary kely dia kely ny fanantenany.

Tonga teo amin'ny fasan'i Jesôsy ireto vehivavy ireto, akory ny hatairany raha nahita fa foana izany. Notantarain'i Matio izay nitranga taorian'izay: "Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra hianareo; fa fantatro fa Jesôsy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo" - Mat. 28:5,6.

Feno hafaliana ny fon'ireo vehivavy ireo. Nanjary tanamasoandro vao marainan'ny fitsanganana amin'ny maty ny rahona maintin'ny alahelony. Tapitra teo ny alina feno alahelo. Namiratra teny amin'ny endriny ny haravoana, ary hiram-pifaliana no nisolo ny ranomasom-pahoriany.

Vakio ny amin'i Maria ao amin'ny Mar. 16:1-11. Inona no nataony rehefa fantany fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy?

Rehefa nahita an'i Kristy ilay nitsangana tamin'ny maty i Maria dia nihazakazaka hitantara amin'ny hafa. Tokony hozaraina ny vaovao tsara; tsy vitany ny nangina tamin'izao. Velona i Kristy! Foana ny fasany, ary tokony ho fantatr'izao tontolo izao izany. Isika koa, rehefa tafahaona amin'ilay Jesôsy izay nitsangana tamin'ny maty eo amin'ny lalamben'ny fiainana, dia tokony hihazakazaka hitantara izany, satria natao hozaraina ny vaovao tsara.

Mahaliana ny fahitana ireo mpianatra tsy nino ny zavatra notantarain'i Maria. I Jesôsy mihitsy anefa no nifidy ireo mpianatra ireo sy efa nilaza taminy imbetsaka ny amin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin'ny maty. "Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany" - Mar. 16:11. Araka izany, raha ireo mpianatr'i Jesôsy aza tsy nino avy hatrany dia tsy tokony ho gaga isika raha tsy mandray avy hatrany ny teny ataontsika koa ny hafa.

Oviana ny fotoana nandavana ny fijoroana ho vavolombelona nataonao? Inona no nasetrinao izany, ary inona ny lesona nosintoninao avy tamin'izany fanandramana izany? 

"Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa fsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy: ary fantany tsara  fa efa niaraka tamin'i Jesôsy izy roa" - Asa. 4:13.

Nitombo haingana tokoa ny fiangonan'ny TV. 3000 no natao batisa tamin'ny andron'ny Pentekosta (Asa. 2:41). Olona an'arivony no nanampy isa ny fiangonana herinandro vitsy taorian'izay (Asa. 4:4). Tsy ela dia takatry ny mpitarika fiangonana jiosy ny anton'izany fitomboana haingana izany. Niaraka tamin'i Jesôsy ireo mpinon'ny TV ireo; nanova ny fiainany ny fahasoavany. Tsy azon'izy ireo natao ny nangina; tsy maintsy nilaza tamin'ny olon-drehetra ny vaovao mahafaly mikasika an'i Jesôsy izy ireo.

Vakio ny Asa. 4:1-20. Inona no nitranga rehefa nanao izay hisakanana an'i Petera sy i Jaona ireo mpitarika jiosy mba tsy hilazany ny amin'i Jesôsy ? Inona no navalin'i Petera sy i Jaona?

Olom-baovao tao amin'i Kristy ireo mpino ireo ka tsy afaka nangina tsy hilaza ny tantarany. Novan'ny fahasoavan'Andriamanitra i Petera ilay mpanarato mirehidrehi-piteny. Novan'ny fahasoavan'Andriarnanitra i Jakôba sy i Jaona zana-baratra, izay tsy nahay nifehy hatezerana. Nanova an'i Tomasy ilay be fisalasalana koa ny fahasoavana. Samy manana ny tantarany momba an'i Jesôsy ireo mpanara-dia Azy sy ireo mambran'ny fiangonan'ny TV ka tsy azony natao ny nangina fotsiny. Nanazava ny anton'izany i Ellen G. White: "Raha vantany vao mahafantatra an'i Kristy ny olona dia miredareda ao am-pony ny faniriana ta hampahafantatra ny hafa, fa efa nahita Sakaiza malaza izy, dia i Jesôsy; tsy azony hidina ao aminy ny faharnarinana rnahatonga famonjena sy fahamasinana" -DHK 1. 90, ed 2018. 

Mariho izay nolazain'ireo mpitarika ara-pivavahana ao amin'ny Asa. Hitany miharihary ny amin'ny fahagagana izay niseho - nijoro teo anoloany ilay lehilahy sitrana, saingy tsy nety niova izy ireo. Tsy nampihemotra an'i Petera sy i Jaona anefa izany fihaikana ampahibemaso izany. Mbola nijoro ho vavolombelona ihany izy ireo.

Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny fahafantarana an'i Jesôsy  sy ny fizarana Azy? Nahoana no zava-dehibe eo amin'ny fahafahantsika mijoro ho vavolombelona momba an'i Kristy ny fahafantarana Azy manokana? 

Hitantsika ao amin'ny Asa. 26 i Paoly mpifatotra, mijoro eo anatrehan'i Agripa mpanjaka. Nambarany tamin'ny mpanjaka ny tantarany, ny amin'ny fotoana nanenjehany ireo mpanara-dia an'i Jesosy. Narnbarany avy eo ny nanovan'i Jesôsy  ny fiainany, ary noresahiny ny teny fikasana momba ny fitsanganana amin'ny maty (Asa. 26:8).

Voaova teny an-dalana ho any Damaskosy i Paoly. Teo no nanambaran'ny Tompo taminy hoe: "Fa mitsangana, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho rnpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao" - Asa. 26:16. Fanandramana lehibe hatrany ny fizarana ny finoana amin'ny hafa. Inona moa ny hevitry ny hoe mizara ny finoana? Manambara amin'ny hafa ny tantaran'ny zava-drehetra nataon'i Jesôsy ho antsika tamin'ny lasa sy izay ataony ankehitriny ary miresaka ny amin'izay hataony amin'ny hoavy.

Tsy momba antsika velively ny fijoroana ho vavolombelona, fa momba Jesôsy . Izy no Ilay Andriamanitra izay mamela ny tsy fahatanterahantsika, nianasitrana ny aretintsika, manarona antsika famindrampo feno fitiavana ary manome antsika fifaliana amin'ireo zava-tsoa maro (Sal. 103:3-5). Ny fijoroana ho vavolombelona dia fizarana ny tantarantsika mikasika ilay fahasoavany mahagaga, fijoroana ny amin'ny fihaonantsika manokana tamin'io Andriamanitry ny fahasoavana mahatalanjona io. 

Vakio ny 1 Jao. 1: 1-3 ary ampitahao amin'ny Gal. 2:20. Inona ny fitoviana hitanao eo amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo? Inona no mampitovy ny fanandraman'i Jaona sy i Paoly?

Marina fa tsy mitovy ny zavatra niainan'i Paoly sy i Jaona kanefa samy niaina fanandramana manokana niaraka tamin'i Jesôsy  izy ireo. Tsy zavatra niseho indray mandeha tsy niverina teo amin'ny fiainana ny fanandraman'ireo, fa niainany isan'andro. Isan'andro no nahatsapany fifaliana tao amin'ny fitiavan'i Jesôsy sy nandehanany teo amin'ny fahazavan'ny fahamarinany.

Zavatra momba ny lasa irery ihany ve ny fiovam-po? Jereo ny fanambaran'i Ellen White mikasika ireo izay mihevitra fa ny fiovam-pony tamin'ny lasa ihany no zava-dehibe: "Toy ny hoe efa nahafantatra ny fivavahana indray mandeha izy ka tsy ilainy intsony ny ho ho voaova fo isan'andro; tokony hiaina fiovam-po isan'andro anefa ny tsirairay avy amintsika" - MR, b. 4, t. 46.

Na inona no inona fanandramanao tamin'ny lasa, na dia lehibe sy ratsy dia ratsy aza izany , nahoana zava-dehibe ny fananana fifandraisana amin'Andriamanitra isan'andro mba hahatsapana ny fisiany sy ny fahatsarany ary ny heriny? Ento, amin'ny kilasy ny valinteninao amin'ny Sabata.  

Andeha haverintsika hojerena ny fihaonan'i Paoly Agripa mpanjaka. I Agripa no farany amin'ireo mpanjaka Li io sy antsoina hoe "Maccabées". Nilaza ny tenany ho Jiosy i Agripa saingy Rômanina izy tao am-pony (jereo ny SDABC, b. 6, t. 436).

Nijoro teo ilay Apostoly antitra, trotraky ny dia misiônera maro sy ny tolona nataony - voamariky ny fifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy; feno ny fitiavan'Andriamanitra anefa ny fony ary namirapiratra teo amin'ny endriny ny fahatsaran'Andriamanitra. Na inona na inona nitranga teo amin'ny fiainany, na toy inona fanenjehana sy fahasarotana nandalovany, dia nambarany fa tsara Andriamanitra.

Feno fisalasalana ny fon'i Agripa mpanjaka, mafy fo izy ary tsy mihevitra ny amin'izay mety sy tsy mety. Mifanohitra amin'izany kosa i Paoly izay feno finoana, miraiki-po amin'ny fahamarinana, ary mahatoky amin'ny fiarovana ny hitsiny, Nangataka lalana mba handaha-teny izy nandritra ny fitsarana azy; neken'i Agripa izany.

Vakio ny Asa. 26:1-32. Tamin'ny fomba ahoana no nijoroan'i Paoly ho vavolombelona tamin'i Agripa? Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin'ny teny nataony?

Manokatra ny fon'ny olona ny halemem-panahy fa manakatona izany kosa ny toetra mitratrevatreva. Hitanao ye ny fanajana fatratra nasehon'i Paoly tarnin'i Agripa ao amin'ireo andalan-teny ireo? Izao no nambarany: "indfindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny acly hevitra rehetra arnininy Jiosy; koa trarantitra hianao, mba mahareta hihaino ahy" - Asa. 26:3. Rehefa izay dia nambarany ny amin'ny fomba nanovanii Jesosy ny fiainany.

Vakio ny tantaran'ny fiovam-pon'i Paoly ao amin'ny Asa. 26:12-18 ary mariho ny fiantraikan'izany teo amin'i Agripa ao amin'ny Asa. 26:26-28. Araka ny hevitrao, nahoana i Agripa no namaly araka izay nambarany? Inona tamin'izay nambaran'i Paoly no nikasika ny fon'ny mpanjaka?

Nikasika ny fon'ny mpanjaka tokoa ny fanandramana manokan'i Paoly mikasika an'i Jesôsy. Inona ny anton'izany? Ny fiainana voaova no fijoroana ho vavolombelona mahery vaika indrindra azontsika atao amin'ny hafa. Na ny fon'ny mpanjaka izay tsy mino an'Andriamanitra aza dia voahetsika rehefa mahita fiainana voaovan'ny famindrampon'Andriamanitra. Mety tsy mampientanentana tahaka ny Paoly ny tantarantsika, kanefa azontsika atao ny milaza amin'ny hafa ny hevitry ny hoe mahafantatra Jesôsy  sy navotany tamin'ny rany. 

Vakio ny "Ataonao ve fa mora toy izany no ampanekenao ahy?", toko 41 ao amin'ny VM.

Ny fifandraisana tsara sy feno amin'i Jesôsy , izay tiantsika hozaraina amin'ny hafa, no votoatin'ny fiainana kristianina. Manan-danja tokoa ny fampianarana saingy tsy mahasolo ny fiainanavoaova. Narnbaran'i Ellen G. White mazava tsara ny amin'izany: "Fontatry ny Mpamonjy fa tsy misy fonjan-kevitra, na tsara rafltra aza, hanalefaka ny fo maf y, na hanapotika ny fonosaniny fiainana feno rehak'izao tontolo izao sy fitiavan-terra izay efa raiki-tampisaka ao amin'ny olombelona. Fantany fa tsy tnaintsy handray fanosorana avy any an-danitra ny mpianany, fantany fa tsy hisy vokany ny filazantsara raha tsy fo nafana sy molotra nahay niteny noho ny fahalalana velona an'llay lalana sy fahamarinana ary fiainana no mitory izany" - VIVI, t. 29. 

Ampiany izao hevitra manan-danja izao izany ao amin'ny IFM: "Hampahalefaka sy hampilefitra ny fo ny fitiavan'i Kristy mahagaga, rehefa tsy afaka hanao na inona na inona ny famerimberenana ny foto-pinoana"- t. 886. Misy olona mihevitra fa ny fijoroana ho vavolomhelona dia fiezahana handresy lahatra ny hafa amin'ny fahamarinana hitany tao amin'ny Tenin'Andriamanitra, Na dia zava-dehibe tokoa aza ny fizarana ny fahamarinana ao amin'ny tenin'Andriamanitra amin'ny fotoana mety, ny fijoroantsika ho vavolombelona manokana kosa dia mifandraika kokoa amin'ny fahafahana amin'ny fahamelohana, ny fiadanana, ny famindrampo, ny famelan-keloka, ny hery sy ny fanantenana ary ny fifaliana azontsika ao amin'ny fiainana mandrakizay izay fanomezana atolotr'i Jesôsy maimaimpoana. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Araka ny hevitrao, nohoana ny fijoroantsika ho vavolornbelona no ny tantarantsika manokana no mahery vaika? Nanao ahoana ny nanovan'ny tantaran'ny hafa manokana anao sy ny fanandramanao? 

2. Nahoana no zava-dehibe ho an'ny finoantsika ny fanandramana miaraka amin'i Jesesy isan'andro?

3 . Nahoana ny fiainam-pahamasinana no ampahany manan-danja amin'ny fijoroantsika ho vavolombelona?

4. Zarao ao amin'ny kilasy ny tantaranao manokana momba an'i Jesôsy . Aza hadinoina ny mizara ny amin'izay nataony ho anao tamin'ny lasa sy izay ataony ho anao ankehitriny. Ahoana no nanovany ny fiainanao?