Sabata Hariva 

Fanirian’Andriamanitra lalina ny handraisan’ny olon-drehetra eto an-tany ny fitiavany. Tiany ho voaovan’ny Fanahy Masina ny vahoakany; tiany hiara-monina Aminy any amin’ny fanjakany ny olombelona. Zavatra irin’Andriamanitra mihoatra noho ny zava-drehetra ny hamonjy antsika. Tsy hita fetra ny fitiavany, tsy hay refesina ny famindrampony, tsy manam-petra ny fiantrany, tsy mety ritra ny famelan-keloka ao Aminy, ary mandrakizay ny heriny. Tsy tahaka ireo andriamanitra jentilisa mpitaky sorona ilay Andriamanitsika izay nanolotra ny sorona fara tampony. Na lalina manao ahoana aza faniriantsika ny hovonjena dia mihoatra lavitra noho izany ny fanirian’Andriamanitra hamonjy antsika. “Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” - 1 Tim. 2:3,4. Maniry fatratra ny hamonjena ahy sy ianao ny fony.

Mikasika an’i Jesôsy iray manontolo ny fijoroana ho vavolombelona. Miresaka momba izay nataony mba hamonjena antsika izany sy ny nanovany ny fiainantsika, ary koa ny teniny izay fahamarinana mahafinaritra, manambara ny momba Azy sy ny hatsaran’ny toetrany. Nahoana moa no mijoro ho vavolombelona? Satria takatsika hoe iza Andriamanitra, ary maniry isika ny hizara fanandramana momba ny fitiavany sy ny famindrampony. Nahoana no mijoro ho vavolombelona? Satria te hiara-miasa amin’i Jesôsy isika, ary maniry hizara ny fifaliana tsapany rehefa mamonjy olona. Manova fiainana maro ny fitiavany.