Lesona 1: Nahoana no tokony hijoro vavolombelona ?

Hodinihina mandritra ny herinandro : Lio. 19:10; Zef. 3:17; Jao. 7:37,38; 1 Tim. 2:3,4; 2 Kôr. 5:14,15, 18-20. 

Tsianjery : « Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. » - 1 Tim. 2:3,4.

Sabata Hariva 

Fanirian’Andriamanitra lalina ny handraisan’ny olon-drehetra eto an-tany ny fitiavany. Tiany ho voaovan’ny Fanahy Masina ny vahoakany; tiany hiara-monina Aminy any amin’ny fanjakany ny olombelona. Zavatra irin’Andriamanitra mihoatra noho ny zava-drehetra ny hamonjy antsika. Tsy hita fetra ny fitiavany, tsy hay refesina ny famindrampony, tsy manam-petra ny fiantrany, tsy mety ritra ny famelan-keloka ao Aminy, ary mandrakizay ny heriny. Tsy tahaka ireo andriamanitra jentilisa mpitaky sorona ilay Andriamanitsika izay nanolotra ny sorona fara tampony. Na lalina manao ahoana aza faniriantsika ny hovonjena dia mihoatra lavitra noho izany ny fanirian’Andriamanitra hamonjy antsika. “Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” - 1 Tim. 2:3,4. Maniry fatratra ny hamonjena ahy sy ianao ny fony.

Mikasika an’i Jesôsy iray manontolo ny fijoroana ho vavolombelona. Miresaka momba izay nataony mba hamonjena antsika izany sy ny nanovany ny fiainantsika, ary koa ny teniny izay fahamarinana mahafinaritra, manambara ny momba Azy sy ny hatsaran’ny toetrany. Nahoana moa no mijoro ho vavolombelona? Satria takatsika hoe iza Andriamanitra, ary maniry isika ny hizara fanandramana momba ny fitiavany sy ny famindrampony. Nahoana no mijoro ho vavolombelona? Satria te hiara-miasa amin’i Jesôsy isika, ary maniry hizara ny fifaliana tsapany rehefa mamonjy olona. Manova fiainana maro ny fitiavany.

Tombontsoa marobe no atolotr’Andriamanitra ho an’ny olon-drehetra mba hahafantarany Azy. Manetsika ny fontsika ny Fanahy Masin’Andriamanitra, maneho ny tenany amintsika koa Izy amin’ny alalan’ny fahatsaran-tarehy hitantsika eo amin’ny zavaboary. Maneho amintsika ny fahefany sy ny fahendreny ity tany ity sy ireo kintana eny ambony. Mifehy ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainantsika koa Andriamanitra mba hahatonga antsika ho akaiky Azy kokoa. Mitarika antsika Izy mba hahafantarantsika ny halehiben’ny fiheverany antsika. 

Manampy antsika hahafantatra an’Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina sy ny zavaboary ary ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ny fanehoana mazava indrindra ny fitiavan’Andriamanitra anefa dia hita eo amin’ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Jesôsy Kristy. Rehefa mizara an’i Jesôsy amin’ny hafa isika dia manome azy ireo ny tombontsoa tsara indrindra ny ho voavonjy. 

Ampitahao ny Lio. 19:10 sy ny Jak. 5:19,20. Inona no ampianarin’ny Lio. 19:10 antsika momba ny antony nahatongavan’i Jesôsy tety an-tany? Ahoana ny fomba hiarahantsika miasa amin’i Jesôsy mba hamonjena ny hafa? 

Izao no ambaran’ny bokin’i Jakôba amintsika: “(…) izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be” - Jak. 5:20. Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa izany hevitra izany ny bokin’ny Rômanina. Hitantsika ao amin’ny Rôm. 1 sy 2 ny amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa. Tsy nanana ny Baiboly izay maneho aminy ny amin’Andriamanitra ny Jentilisa fa tamin’ny alalan’ny natiora no nianarany izany. Ny Jiosy kosa nanana Baiboly izay naneho tamin’izy ireo ny amin’Andriamanitra, kanefa samy ho very ireo vondron’olona roa ireo raha tsy manana an’i Jesôsy Kristy. Ambaran’ny apôstôly Paoly ao amin’ny Rôm. 3, 4, 5 fa ny finoana irery ihany no hahazoana ny famonjena avy amin’ny fahasoavana. Ambarany ao amin’ny Rôm. 6, 7, 8 fa ny hery izay mamonjy antsika no manamasina antsika koa. Izao no lazainy ao amin'ny Rôm. 10: “Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” - and. 13.

Rehefa izay dia notsindriany fa tsy misy afaka hiantso ny anaran’Andriamanitra raha tsy mino izy, tsy afaka ny hino raha tsy nandre, ary tsy mandre ny olona raha tsy nisy nanambara taminy (Rôm. 10:14,15). Hitanao ve ny maha manan-danja antsika eo amin’ny drafitr’Andriamanitra hamonjena ny hafa? Mampiasa antsika Izy mba hizara ny vaovao mahafaly amin’ny mpanota, manampy Azy hamonjy ny very isika. 

Mijoro ho vavolombelona isika, tsy hoe mba hanomezana tombontsoa tokana ho an’ny hafa mba hahatonga azy ho voavonjy, fa mba hanomezana azy ireo ny tombontsoa tsara indrindra amin’izany. Inona moa ny anjara asantsika eo amin’ny drafitr’Andriamanitra ho fanavotana ny taranak’olombelona? Eritrereto koa ny amin’izao: olona firy no efa nandre ny filazantsara avy teo am-bavanao?

Efa nisy olona nanontany anao ve hoe: “nanao ahoana ny tontolo andronao?” “Nandeha tsara ve ny zava-drehetra androany?” Ahoana moa raha mametraka ireo fanontaniana ireo amin’Andriamanitra ianao? “Andriamanitra ô! Nanao ahoana ny tontolo andronao?” Inona no heverinao ho valinteniny? Hiteny izao Izy angamba: “Mafy tokoa ny tontolo androko androany. Nitomany aho noho ny amin’ny toeran’ireo mpitsoa-ponenana an’arivony feno zaza mangatsiaka sy noana ary mitomany. Nandeha teny amin’ny araben’ny tanàna feno mponina eto amin’izao tontolo izao aho, ary niara-nitomany tamin’ireo tsy manan-kialofana sy mahantra. Vaky ny foko noho ny amin’ireo vehivavy iharan’ny herisetra sy ireo zaza raiki-tahotra hamidy ho amin’ny fanandevozana ara-pilan-dratsy. Nahita ny fandravan’ny ady Aho, ny vokatra mahatsiravin’ny loza eo amin’ny zavaboary sy ny fangirifiriana fatratra noho ny aretina mandemy sy mahafaty”. Rehefa izay dia hanontany ianao hoe: “Andriamanitra ô! Misy zavatra mety hampifaly Anao ve? Inona no hitondra fifaliana ho an’ny fonao? Mety misy zavatra hampihira Anao ve?” 

Vakio ny Lio. 15:4-32. Ahoana no iafaran’ireo tantara ireo? Inona no ambaran’izany mikasika an’Andriamanitra? 

Feno hafaliana ny lanitra manontolo rehefa misy mpanota mibebaka. Eny tokoa, monina eto amin’ny tany feno aretina sy horohoron-tany, tondra-drano ary fahafatesana isika; kanefa mameno hafaliana ny fon’Andriamanitra isika rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa. Iray amin’ireo antony manosika hizara ny fitiavan’i Kristy ny fahafantarana fa mitondra hafaliana ho an’ny fon’Andriamanitra ny fijoroana ho vavolombelona. Mihira ny lanitra manontolo isaky ny manambara ny amin’ny fitiavany isika. 

Vakio ny Zef. 3:17. Inona no ataon’Andriamanitra rehefa mandray ny fahasoavany mahavonjy isika? 

Alaivo sary an-tsaina izao: mandray an’i Jesôsy ho Mpamonjy ny tenany manokana ny lehilahy na vehivavy iray noho ny amin’ny fijoroanao ho vavolombelona. Faly i Jesôsy; mihoby amin’ny hiram-pifaliana ny lanitra manontolo, ary mifaly noho ny amin’izany olona izany amin’ny fihirana ny Mpamonjy mahery. Inona moa no mahafinaritra sy mahafaly mihoatra noho ny fahafantarana fa ny fijoroanao ho vavolombelona dia mahafaly ny fon’Andriamanitra eto amin’ity tontolo feno alahelo ity?

Ny Ranomasina Maty no faritra iva indrindra eto amin’ny planeta tany. Any amin’ny 423 metatra ambanin’ny haavon’ny ranomasina no misy azy, izay mahatonga azy ho voasokajy ho ranomasina iva indrindra eto amin’izao tontolo izao. Mikoriana avy any amin’ny ranomasin’i Galilia ny onin’i Jôrdana, ary mamakivaky ny lohasahan’i Jôrdana ary mivarina any amin’ny Ranomasina Maty. 

Mahatonga ny rano ho lasa etona haingana dia haingana ny hafanana sy ny rivotra maina, miaraka amin’ny tanamasoandro migaingaina ary ny toetry ny tany efitra eo amin’izany toerana izany. 33,7 isan-jato ny tahan’ny sira ao amin’ny Ranomasina Maty, ka tsy dia misy zava-manana aina loatra ao anatiny; tsy misy trondro na zava-maniry fa otrikaretina sy bakteria vitsivitsy no any amin’ny fanambaniny. 

Manampy antsika hahita ny filantsika ny fahasoavana ny Ranomasina Maty. Tokony havelantsika ho ao amin’ny fiainantsika ny fahasoavan’Andriamanitra; rehefa izay dia tokony havelantsika hikoriana avy ao am-pontsika ho eo amin’ny hafa izany. Raha tsy eo ny fahasoavana dia ho tahaka ny Ranomasina Maty isika, tsy hanana aim-panahy. Tsy izany anefa no tokony ho fiainantsika, tsy tokony ho Kristianina “Ranomasina Maty” isika.

Vakio ny Jao. 7:37,38 sy ny Lio. 6:38. Asehon’ireo andininy ireo izay mitranga eo amin’ny fiainantsika rehefa omen’i Jesôsy antsika ilay rano velona. Inona no mitranga rehefa misotro izany isika? 

“Azon’Andriamanitra atao ny manatanteraka ny zava-kendreny amin’ny famonjena ny mpanota na tsy manampy aza isika; nefa mba hahazoantsika hampitombo toetra amam-panahy tahaka an’i Kristy, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny asany isika. Mba hahazoana miditra ao amin’ny fifaliany - dia ny fifaliana mahita fanahy voavotra noho ny sorona natao - dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny asany isika ho fanavotana azy ireo.” - IFM, t. 134. 

“Ireo izay handresy dia tsy maintsy miala amin’ny fitiavan-tena; ary ny faniriana fatratra hamonjy ny hafa no hany hahafahana manatanteraka izany asa lehibe izany.” - FCE, t. 207. 

Araka izany, andeha hozaraina amin’ny hafa izay nataon’i Jesôsy ho antsika mba hitomboan’ny fiainantsika ara-panahy. Eritrereto ny zava-drehetra atolotr’Andriamanitra ho antsika ao amin’i Jesôsy! Ny fo feno fitiavan-tena ihany no manakana antsika tsy hizara izany fanomezana izany amin’ny hafa. Inona moa no mitranga raha tsy mizara ny finoantsika isika? Hanjary hitovy amin’ny Ranomasina Maty ny fiainantsika ara-panahy.

Efa nizara ny amin’i Jesôsy tamin’ny hafa ve ianao? Inona no fiantraikan’izany fanandramana izany teo amin’ny finoanao sy ny fiarahanao amin’ny Tompo?

Mitaky fanoloran-tena hanao ny sitrapon’i Kristy ny fahatokiana Aminy. Ilaina amin’izany ny fankatoavana ireo baikony. Ny vokatr’izany dia fo izay miara-mitepo amin’ny fony mba hamonjy ireo very, ary fametrahana ho laharam-pahamehana ireo zavatra ataony laharam-pahamehana. 

Vakio ny 1 Tim. 2:3,4 sy ny 2 Pet. 3:9. Inona no ambaran’ireo andalan-tSoratra Masina ireo momba ny fon’Andriamanitra? Inona no laharam-pahamehana ho Azy? 

Tian’Andriamanitra tokoa ny mamonjy ny olona; tsy misy sarobidy ho Azy mihoatra noho izany. Tiany ny hahatonga ny olona “rehetra” ho voavonjy sy “ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” - 1 Tim. 2:4. “(…) fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” - 2 Pet. 3:9. Ambaran’ny SDABC (boky famakafakana ny Baiboly) amintsika fa ny teny hoe “tia” ao amin’ny 2 Pet. 3:9 dia avy amin’ny teny grika hoe “boulomai”, izay maneho amintsika ny faniriana hanao zavatra. Rehefa izay dia miresaka ny amin’ny teny hoe “nefa” io boky io. Ny teny grika ilazana ny “nefa” dia “alla”. Mampiasa io teny io i Petera mba hanehoana hevitra roa samy hafa. Ny hevitra voalohany dia ny finoan-diso izay milaza fa tsy maniry ny hamonjy na iza na iza Andriamanitra. Ary ny faharoa dia ny fahamarinana manambara fa tian’Andriamanitra hovonjena ny olon-drehetra.” - SDABC, b. 7, t. 615.

Manome baiko antsika i Kristy hiara-miasa Aminy hamonjy ny hafa. Tiany ny hahatongavantsika ho vavolombelon’ny fitiavany sy ny fahamarinany ary ny fahasoavany. Rehefa manao ny asa ho famonjena ny hafa isika dia maneho amin’izy ireo izany fanirian’i Jesôsy hamonjy ny taranak’olombelona izany. 

Vakio ny Asa. 13:47 ary ampitahao amin’ny Isa. 49:6. Iza no resahin’i Paoly ao amin’ny Asa. 13:47? Inona no ambarany amintsika ao amin’io andininy io? 

Mihoatra ny iray matetika ny hevitry ny hafatra ao amin’ny TT. Eto ny apôstôly Paoly dia mandray faminaniana iray izay manondro ireo Isiraely fahiny sy milaza mialoha ny amin’ny Mesia (jereo ny Isa. 41:8; Isa. 49:6 ary ny Lio. 2:32), ary mampihatra izany ao amin’ny fiangonan’ny TV. Inona no mitranga rehefa tsy miraika amin’ny baikon’i Jesôsy ny fiangonana? Tsy ho vitany ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy. 

Inona ny loza manambana ny fiangonana amin’ny fanadinoana ny antony maha-eto an-tany antsika, amin’ny maha-fiangonana?

Tamin'ity herinandro ity isika dia nifantoka tamin'ny famaliana ny fanontaniana hoe: "nahoana isika no tokony hijoro ho vavolombelona?" Hitantsika fa rehefa mizara ny finoantsika isika dia mahita fifaliana eo amin'ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra eo amin'ny asany eto amin'izao tontolo izao. Ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny fitiavany dia manome tombontsoa lehibe ho an'ny hafa amin'izany mantsy no ahitany mazava kokoa ny fahasoavany sy hahazoany famonjena; ny fahamarinany.

Manampy antsika hitombo ara-panahy kokoa Andriarnanitra rehefa mijoro ho vavolombelona isika. Tsy tokony hohadinointsika ny mizara ny rnomba an'i Jesôsy amin'ny hafa, milaza amin'izy ireo ny zavatra rehetra nataon'Andriasnanitra ho antsika. Tokony hanampy ireo sahirana ihany koa isika. Tsy hitombo mihitsy ny aim-panahintsika raha tsy mijoro ho vavolambelon'i Jesôsy isika.

Manakaiky an'Andriamanitra ilay maniry ny hanavotra ny olombelona rehetra isika rehefa mijoro ho vavolombelona, ary koa mankatò ny baikony. Hojerentsika amin'ny fizarana anio ny antony tsara indrindra tokony hijoroana ho vavolombelona.

Vakio ny 2 Kôr, 5:14,15, 18-20. Inona no nanampy an'i Paoly hahery teo amin'ny fiatrehana ny andro sarotra, ny fizahan-toetra ny finoany, ny olana saro-bahana ary ny fanandramana ratsy? Ahoana no hanampian'izany antsika hatanjaka eo amin'ny asa ataontsika ho an'i Jesôsy?

Ny fitiavana no nanosika an'i Paoly. Misy ny zavatra atao amim-pitiavana, izay tsy ho nataonao noho ny antony hafa mihitsy. Fahamarinana mandrakizay no nambaran'i Paoly apôstôly manao hoe: "Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay". Ny hoe "manery" dia midika hoe "mitarika, mifehy, na manetsika ny olona iray haniry hanao zavatra". Ny fitiavan'i Kristy no nifehy ny zavatra rehetra nataon'i Paoly ka nahatonga azy nizara ny drafi-panavotan'Andriamanitra nanerana ny faritra mediteranea.

"Tokony hitoetra ao am-po ny fitiavana. Ao amin'ny fitiavana lalin'ny Mpamonjy no anovozan'ny Kristianina marina ny faniriana hanao asa. Ao amin'ny fakan'ny fitiavany an'i Kristy no ipoiran'ny fahalianana tsy misy fitiavan-tena ho an'ny rahalahiny." - AH, t. 425.

Araka izany, tsy maintsy takatsika aloha izay nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana, rehefa izay dia hameno antsika ny fitiavany ka haniry ny hizara amin'ny hafa izay rehetra nataony ho antsika isika.

Maty ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana ilay nanao ny kintana sy ireo anjely. Ahoana no hanampian'izany fahamarinana ara-Baiboly izany antsika hizara ny fitiavany amin'ny hafa?

Vakio "Ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiangonany", ao amin'ny VM, tt .11-17 sy ny tt.880-888 ao amin'ny IFM.

Notandindomin-doza ny amin'ny tsy fahatakarana ny antom-pisiany teto an-tany ny fiangonan'ny TV. Miresaka ny amin'izany loza izany i Ellen White: " Vokatry ny fanenjehana nihatra tamin'ny fiangonana tao Jerosalema dia nisy dingana lehibe nampandroso ny asan'ny filazantsara. Nisy fahombiazana ny asa fitoriana Teny teo arnin'io toerana io, ka nananddindona ny mpianatra ny loza fa mety hitaredretra ela loatra eo izy, ka tsy mahatsiaro ny iraka nampanaovin'ny Mpamonjy, handeha manerana an'izao tontolo izao. Nanadino izy fa ny asa fanompoana manafika no ahazoana tsara indrindra ny hery hoenti-manohitra ny ratsy, ka nanomboka nihevitra izy fa tsy misy asa lehibe toy ny miaro ny fiangonana ao Jerosalema amin'ny famelezan'ny fahavalo. Tsy nanabe ny vao niova fo hitondra ny filazantsara amin'izay tsy nandre izany izy, fa notandindomin-doza kosa amin'ny fijoroana amin'ny làlana izay hitarika azy rehetra ho afa-po amin'izay rehetra efa vita." -VM, tt. 94, 95, ed 1988.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

1. Diniho ny teny nambaran'i Ellen G. White etsy ambony, indrindra ny andalana farany. Tokony hitandrina ny amin'ny loza mananontanona tahaka izany isika amin'izao andro izao; nahoana? inona no maha-zava-doza izany fahatsapana izany?

2. Araka ny hevitrao, nahoana ny filazantsara rehetra no mifarana amin'ny baiko mitovy? Vakio izany baiko izany ao amin'ny Mat. 28:18-20; Mar. 16:15,16; Lio. 24:46-49; ary ny Jao. 20:21. Inona no asehon'ny baikon'i Jesôsy amin'ireo mpanara-dia Azy tamin'ny taonjato voalohany? Inona no tokony hasehon'izany amintsika amin'izao andro izao?

3. Afaka misolo toerana ny fiankohofana marina amin'Andriamanifra ve ny fijoroana ho vavolombelona sy ny asa fanompoana? Raha eny, amin'ny fomba ahoana? Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa tsy ho latsaka ao amin'izany fandrika izany isika?

4. Ahoana no hanampian'ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fanompoana an'Andriamanitra anao hanana finoana matanjaka kokoa? Inona ny lesona notsoahinao avy tamin'ny fanandramanao izay afaka hanampy ny hafa? Inona ny fahadisoana nataonao? Ahoana no hanampianao ny hafa tsy hanao toy izany?

5. Tia ny tsirairay avy amintsika Andriamanitra, toy ny hoe tsy misy afa-tsy isika eto ambonin'ny tany. Mahafinaritra tokoa izany! Midika inona ho anao izany fahamarinana ara-Baiboly izany, izay manan-danja indrindra ety an-tany sy any an-danitra? Ahoana no tokony ho fiainanao eo anatrehan'izany?