Lesona 10: Ny Baiboly amin’ny maha-tantara azy

Hodinihina mandritra ny herinandro :  1Sam. 17; Isa. 36:1-3; Dan. 1; Dan. 5; Mat. 26:57-67; Heb. 11:1-40. 

Tsianjery: "Izaho no Jehôvah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta." - Eks. 20:2

 MANEHO NY TANTARA AMINTSIKA ny Baiboly.  Voalohany dia maneho amintsika ny fiantombohan'ny fiainan'ny olombelona izany, rehefa nanao ny lanitra sy ny tany Andriamanitra. Rehefa izay dia asehony amintsika ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra manomboka amin'ny fiandohana hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao. Farany, asehony antsika ny amin'ny hanavaozan'Andriamanitra indray ny tany amin'ny fiaviany fanindroany.

Mampiavaka ny Baiboly amin'ireo boky masina ampiasain'ny antokom-pivavahana hafa ireo tantara voarakitra ao anatiny. Maneho Andriamanitra izay miasa manokana eo amin'ny tantara ny Baiboly; tsy miezaka manaporofo ny fisian'Andriamanitra izany tsy akory. Inoan'ny Baiboly fa velona Andriamanitra, ary miasa eo amin'ny tantaran'ny olombelona. Niteny lzy tamin'ny voalohany ka àry ny zava-manana aina rehetra teto an-tany (Gen. 1:1-31). Nibaiko an'i Abrama Izy mba hiala tany Oran'ny Kaldeana. Nitondra ny vahoakany nivoaka. an'i Egipta avy tamin'ny fanandevozana Izy. Nanoratra ny didy folo teo amin'ny vato fisaka tamin'ny rantsan-tanany Izy (Eks. 31:18). Naniraka ny mpaminany ho amin'ny vahoakany lzy, nanao fitsarana koa. Nanome ny lalàny ho an'ny Isiraely Izy ary nilaza tamin'izy ireo hizara ny drafi-panavotany amin'ny firenena hafa. Naniraka an'i Jesôsy Zanany Lahy ho ety an-tany Izy, izay nitondra fanovana mandrakizay teo amin'ny tantara.

Hijery ireo toe-javatra manan-danja tao amin'ny tantaran'ny Baiboly isika mandritra ity herinandro ity. Ho hitantsika koa ny porofo sasantsasany izay maneho ny fahamarinan'ireo tantara ao amin'ny Baiboly.

Maneho ny taona volamena teo amin'ny tantaran'ny Isiraely ny fanjakan'i Davida sy i Sôlômôna. Ahoana anefa raha toa tsy nisy akory araka izay ambaran'ny olona sasany i Davida sy i Sôlômôna? Ahoana raha toa tsy lehibe tahaka izay anambaran'ny Baiboly izany ny fanjakan'izy ireo, araka ny filazan'ny olona sasany? Raha tsy misy i Davida, ahoana àry no hisian'ny Jerosalema renivohitry ny firenena? (2 Sam. 5:6-10). Raha tsy nisy i Davida dia tsy ho nisy ny tempoly naorin'i Sôlômôna zanany (1 Mpanj. 8:17-20).  Raha tsy nisy i Davida dia tsy hisy ny Mesia ho avy, satria avy amin'ny taranany no nampanantenana ny Mesia (Jer. 23:5,6; Apôk. 22:16). Raha tsy tena nisy akory i Davida dia ho nilaintsika ny hanoratra tantara vaovao ho an'ny Isiraely, tantara izay samy hafa amin'ny ao amin'ny Baiboly. Hitantsika, araka izany, ny maha-zava-dehibe ny tantaran'ny Isiraely ao amin'ny Baiboly, izay antorn-pisian'ny Isiraely sy ny fiangonana eto amin'ity tany ity.

Vakio ny 1 Sam. 17. Ahoana no nanomezan'Andriamanitra fandresena lehibe ho an'ny Isiraely? Iza no nampiasaina hahazoana izany fandresena izany? Taiza no nisehoan'izany fandresena izany?

Mariho ny filazalazana ara-jeôgrafia mazava tsara mikasika ny toerana isehoan'ny ady ao amin'ny 1 Sam. 17:1-3. Antsoina hoe Khirbet Qieyafa izany toerana izany ankehitriny. Nandeha tany amin'izany toerana izany ireo mpanao fikarohana momba ny fahagola ka nandavaka ary nahita tanàna iray voaorina tamin'ny andron'i Saoly sy i Davida mpanjaka. Nahita vavahady anankiroa koa izy ireo tamin'ny fandavahana nataony. Vavahady tokana ihany no hita tany amin'ny ankamaroan'ny tanàna tamin'ny andron'ny 'TT; manaimpy antsika hahafantatra, araka izany, ireo vavahady roa ireo fa i Saraima izany tanàna izany. Miresaka momba io tanàna io ny Baiboly ao amin'ny 1 Sam. 17:52, ny teny hebreo "Shaaraim” izay midika hoe "vavahady roa".

Raha izany no izy, dia izay isika vao mahafantatra ny momba io tanàna fahizay ao amin'ny Baiboly io. Nahitana zavatra anankiroa nisy soratra hebreo tamin'ny 2008 sy 2013. Inoan'ny olona maro fa ireo no soratra hebreo tranainy indrindra hita hatrizay! Ahitana ny anarana hoe "Eshbaal" (Esbala) eo amin'ilay zavatra hita faharoa. Anarana nentin'ny iray tamin'ireo zanak'i Saoly mpanjaka izany (1 Tant. 9:39).

Nanao fandavahana ny tany tany amin'ny tanàna avaratra, Tel Dan, ny mpanao fikarohana momba ny fahagola tamin'ny 1993 ka nahita zavatra iray nosoratan'i Hazaela mpanjakan'i Damaskôsy. Noraketiny an-tsoratra ny fandreseny ny "mpanjakan'ny Isiraely" sy ny mpanjaka iray avy tao "an-tranon'i Davida". Ny "trano" dia sary an'ohatra iray nanehoana ny mpianakavin'ny olona iray tamin'ny andron'ny TT. Tahaka izany koa no iresahan'ny Baiboly ny amin'ny fianakavian'i Davida. Porofo lehibe, araka izany, io soratra io fa tena nisy tokoa, araka ny fanambaran'ny Baiboly, i Davida.

Vakio ny tantara ao amin'ny Isa. 36:1-3 sy ny Isa. 37:14-38. Tonga hiady amin'ny Joda ny tafika asirianina marobe ao amin'io tantara io nahoana ny fomba namonjen'Andriamanitra ny olony?

Niady tamin'ny firenena Joda i Sankeriba tamin'ny 701 TlK. Hita ao amin'ny Baiboly ny fitantarana izany. Nanoratra mikasika izany ady izany tamin'ny tomba maro mihitsy aza i Sankeriba tao amin'ny diariny. Hita tany Ninive, renivohitry ny tanànany, izany rakitra an-tsoratra izany. Nirehareha toy izao izy tao anatin'ny firaketany: "46 tamin'ireo tanàna mimandany [an'i Hezekia] sy tanàna kely marobe manodidina azy no nataoko fahirano sy nobaboiko". Tao amin'ny lapany tany Ninive no nankalazan'i Sankeriba ny nandreseny ny tanàna jiosy Lakisy. Nasainy nasiana kisarisary naneho ny fandreseny ireo rindrin'ny lapany.

Ny fihadian-tany natao tany Lakisy vao haingana no nahitana ny potipoti-javatra tamin'ny faharavan'ny tanàna taorian'ny nandoroan'i Sankeriba izany. Voaro tamin'ny tomba mahagaga kosa i Jerosalema ka tsy afaka nirehareha ny aruin'ny fandravany azy i Sankeriba. Izao ihany no fideraderana azony natao: an'i Hezekia joda indray, dia nohidiko tao an-tanànany tahaka ny vorona an anatin'ny tranokeliny izy''. Tsy nisy ny filazalazana ny amin'ny nandravana Jerosalema na ny fitantarana ny amin'ny olona babo avy tao an-tanàna nentina ho andevo.

Marina tokoa fa nanao fahirano an'i Jerosalema i Sankeriba, saingy iray andro monja no naharetan'izany. Rehefa izay dia nanafaka an'i Jerosalema ny Anjelin'i Jehôvah, araka izay efa nambaran'i Isaià mialoha: "Koa izao no lazain'i Jehôvah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipika ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy. Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehôvah. Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko" - Isa.. 37:33-35.

Mahaliana tokoa fa ny tanànan'i Lakisy ihany no vita sary ao amin'ny rindrin'ny lapan'i Sankeriba fa tsy hita ao ny sarin'i Jerosalema. Milaza amintsika izany fa tsy nandresy an'i Jerosalema izy, ka ny nandreseny an'i Lakisy ihany no azony nireharehana. Nasehon'ilay Andriamanitry ny lanitra fa mahery noho ny andriamanitry ny Asirianina Izy. Hitantsika izany rehefa namonjy ny olony tanan'ny tafika Asirianina Izy. Hitany ny nifehezan'ny Asirianina an'i Joda, reny ny vavaka nataon'i Hezekia, ary miditra an-tsehatra eo amin'ny tantara Izy mba hamonjena ny olony.

Niasa tao amin'ny tranom-bakoka "British Museum" ny mpampianatra iray ao amin'ny Oniversiten'i Vienne tamin'ny Jolay 2007. Nahita takela-bato iray nahitana soratra izy. Tamin'ny andron'i Nelankadnezara mpanjakan'i Babilôna izany. Nahitana ny anarana hoe "Nebusarsekim" teo amin'izany tekala-bato izany, izay anaranky mpitarika babilônianina hitantsika ao amin'ny Jer. 39:3. Iray tamin'ireo olona velona tamin'ny andron'i Daniela sy i Nebôkadnezara izy.

Vakio ny Dan. 1 sy ny Dan. 5. Ahoana no ifandraisan'ny fanapahan-kevitra noraisin'i Daniela fony izy tanora amin'ny nampiasan'Andriamanitra azy ho mpanompony mpaminany izay hikasika olona an-tapitrisa maro manerana ny tantara?

"Ninia tao am-pony" i Daniela (Dan. 1:8) mba hitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra mikasika izay haniny sy ny fomba fivavahany. Nahatonga azy hatanjaka nandritra ny fiainany iray manontolo izany fahazarana tsara nananany izany. Natsilo saina i Daniela, nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana izy. Samy nahita ny mpanjaka Nebôkadnezara sy Belsazara fa nomen'Andriamanitra fahendrena izy. lzany no nahatonga azy ireo nanome azy asa manan-danja teo amin'ny fanjakany. Ary ny lehibe kokoa noho  izany, ny ohatra nasehony no nahatonga ny fiovam-pon'i Nebôkadnezara mpanjaka (Dan. 4:34-37).

Zanak'i Nabopolassar i Nebôkadnezara. Niara-nanangana tanàna tsara tarehy iray izy ireo, tanàna izay tsy nisy toa azy tamin'ny andronky TT (Dan. 4:30). Midadasika tokoa ny tanànan'i Babilôna; nahitana tempoly maherin'ny 300 tao ary koa lapa tsara tarehy. Manda roa no nanedidina ny tanàna: 3,65 metatra ny hatevin'ny anankiray, ary 6,70 metatra ny hatevin'ny faharoa. Vavahady valo no tee amin'ireo manda ireo, izay nomena. anarana tsirairay araka ny anaran'ny andriatnanitra babilônianina. Ny vavahadin'i Ishtar no maro mpahalala indrindra amin'izany, izay nohadin'ny Alemà ary nasiam-panamboarana sy tehirizina ao arnin'ny trano fitehirizam-bakoka Pergame any Berlin.

Aseho arnin'ny sarina liona manana elatry ny varomahery i Babilôna ao amin'ny Dan. 7:4. Feno sarina liona miisa 120 ny lalana mankany amin'ny vavahadin'i Ishtar. Nahitana sarina liona lehibe iray niantsambotra teo amin'ny lehilahy iray nandritra ny fihadiana tany natao tany Babilôna, ary mbola ao ivelan'ny tanàna izany hatramin'izao. Maneho izany rehetra izany fa tandindona manambara an'i Babilôna lehibe ny liona. Voamarina ny tantaran'ny Baiboly sy ny hafa-pamianiana raketiny.

Vakio ny amin'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 26:57-67; Jao. 11:45-53 ary ny Jao. 18:29-31. Iza moa i Kaiafa, ary inona no anjara asany tamin'ny fahafatesan'i Kristy? Iza i Pontio Pilato, ary nahoana ny fanapaha-keviny no zava-dehibe indrindra ho an'ny Synedriona mba hahatontosan'izy ireo ny fikasany?

Mpisoronabe i Kaiafa; izy no nikotrika ny paikady namonoana an'i Jesôsy. Noraketin'i Josephus, mpahay tantara jiosy ny iriornbarnomba azy: "Tsy navela haka ny toeran'ny mpisoronabe i Kaiafa, izay nantsoina koa hoe Josefa. Lehilahy iray antsoina hoe Jônatana, zanak'i Anasy izay mpisoronabe teo aloha mantsy no voafidy ho mpisoronabe handirnby azy." -CW (Grand Rapids, Ml:Kregel Publications, 1969), b. 18, toko 4, t. 381, nasiam-panamboarana.

Nisy fasam-pianakaviana tany atsimon'i Jerosalema hita tamin'ny 1990, izay nahitana vata fitehirizan-taolana 12. Fantatra tamin'ny alalan'ireo vola madinika sy vilany tanimanga teo amin'ny fasana fa tany antenantenan'ny taonjato voalohany TrK tany no nanaovana izany fasana izany. Nahitana ny anarana hoe "Josefa zanak'i Kaiafa" ny vata fitehirizan-taolana voahaingo indrindra tamin'izany; nahitana taolana maro tao anatiny. Manam-pahaizana maro no mino fa fasana sy vata fitehirizan-taolan'i Kaiafa ilay mpisoronabe izay tampon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'i Jesôsy izany. Nahitana vato misy ny anaran'i Pontio Pilato, governora tamin'ny andron'i Tiberius mpanjaka rômanina tao amin'ny toerana fanaovana fampisehoana tany "Césarée maritime" tamin'ny taona 1961. Manampy antsika ireo rehetra ireo hahita fa toe-javatra marina mikasika ny tantara no asehon'ny Baiboly.

Niresaka momba an i Jesôsy avy any Nazareta koa ireo mpahay tantara velona nandritra ny roanjato taona voalohany TrK. Iray tamin'izany i Tacitus, mpahay tantara rômanina, izay nanoratra ny amin'i Kristy, ny nampamonoan'i Pontio Pilato Azy nandritra ny fotoana nanjakan'i Tiberius, ary ny amin'ireo Kristianina voalohany tany Rôma. Governora rômanina i Pline le Jeune izay nanoratra tamin'ny amperora Trajan tamin'ny tanna 112-113 TrK, mba hilaza aminy izay tokony hataony amin'ireo Kristianina. Nambaran'i Pline fa misy andro ihaonan'ireo olona ireo mialoha ny hiposahan'ny masoandro, rehefa izany dia manao hira tahaka ny ho an'ny andriamanitra izy ireo. Ireny asasoratra ireny no porofo fanampiny ho antsika fa tena nisy tokoa i Jesôsy.

Tay mitoka-monina tsy akory isika. Misy fiantraikany en amin'ny hafa, araka izany, ny safidy ataontsika fa tsy eo amin'ny tenantsika ihany. Tahaka izany koa, nanana heiy nanova fiainan'olona maro ny fiainan'ireo vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TT. Hitantsika ao amin'ny Heb. 11 ny fomba nanovan'ireo rnahery fon'ny finoana ny fiainan'ny olona marobe.

Vakio ny mombamomba 'ireo olo-malazan'ny finoana ao amin'ny Heb. 11:1-40. Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ny fiainan'izy ireo?

Enôka: -------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Nôa: ----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Abrahama: -------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Saraha: -----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Josefa: ------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Mosesy: -----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Rahaba: ----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Samsôna : -------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Ny finoana dia tsy hoe mino olona na zavatra iray fotsiny, fa manao asa mifandraika amin'izany. Finoana miasa izany, izay azo antsoina hoe fahamarinana. Izany asa vokatry ny finoana izany no manova ny tantara. Miankina amin'ny fitokiana amin'ny Tenin'Andriamanitra ny tsirairay avy amin'ireny asa ireny. Niasa tamim-pinoana i Nôa raha nanamboatra ny sambofiara, natoky ny Tenin'Andriamanitra mihoatra noho ny fanandramana sy ny fisainan'olombelona izy. Tsy mbola nisy orana mihitsy teto ambonin'ny tany talohan'ny safodrano, ka nambaran'ny olona vokatry ny fanandramana niainany sy ny fieritreretany fa tsy hisy ny safodrano. Natoky an'Andriamanitra anefa i Nôa ka nankato Azy, voaro tamin'ny safodrano ireo olona tao anatin'ny sarnbofiara. Izany fankatoavany an'Andriamanitra izany no hany antony mbola mampisy olombelona eto an-tany amin'izao fotoana izao. I Abrahama indray, izay nantsoina hoe Abrama teo aloha, dia nandao an'i Ora tany atsimon'i Mesôpôtamia, ilay tanàna kanto indrindra teto an-tany tamin'izany andro izany. Tsy nahalala izay hitondran'Andriamanitra azy akory izy raha niala tao, kanefa nisafidy ny hanap araka ny Tenin'Andriamanitra. Nifidy ny ho mpiandry ondry i Mosesy ka nitarika ny vahoakan'Andriamanitra ho any arnin'ilay tany nampanantenaina toy izay ho mpanjakan'i Egipta izay fanjakan-dehibe na tanjaka indrindra tamin'izany andro izany. Nitoky tamin'ny feon'Andriamanitra izay niresaka taminy avy tao amin'ny roimemy nirehitra izy. Nanapa-kevitra ny hatoky ny tatitra momba ny fanafahan'Andriamanitra i Rahaba ka niaro ireo mpisafo tany roa lahy, nanjary tafiditra tao amin'ny tetiaran'i Jesôsy izy. Afaka manova ny fiainan'ny olona marobe amin'izao fotoana izao sy amin'ny hoavy tokoa ny safidintsika!

Vakio "I Davida sy i Goliata", ao amin'ny PM, toko 63; "Hezekia", toko 28 sy "Fanafahana any Asyria", toko 30 ao amin'ny MM; fizarana 4.k. ao amin'ny "Methods of Bible Study" izay hitanao ao amin'ny http://www. adventistbiblicalresearch.org/materials/bible. interpretation-hermeneutics/methods-bible-study.

"Ny Baiboly no tantara tranainy sy feno indrindra ananan'ny olombelona. Avy amin'ilay loharanon'ny fahamarinana mandrakizay izany, ary nandritra ny taonjato maro no niarovan'ny tanan'Andriamanitra ny fahadiovany. Manazava ny lasa efa ela izany, izay nanaovan'ny olombelona fikarohana kanefa tsy nahitany valiny. Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ihany no ahitantsika ilay fahefana izay nametraka ny fanorenan'ny tany sy namelatra ny lanitra. Ao ihany no ahitantsika ny tantara marina mikasika ny niandohan'ireo firenena maro. Ao ihany no ahitana ny tantaran'ny olombelona izay tsy voaloton'ny avonavona maha-olona sy ny hevitra mibahana mialoha". - Ed, t. 173.

"Izay manana ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny teniny dia mino ny maha-avy Aminy ny Soratra Masina. Tsy mizaha toetra ny Baiboly amin'ny fisainan'ny olona mikasika ny siansa izy, fa mitondra ireny fiheverana ireny kosa hozahan- toetra eo amin 'ilay fenitra tsy mety diso. Fantany fa ny Tenin'Andriamanitra no fahamarinana, ary tsy mba manohitra ny tenany ny fahamarinana; na inona na inona manohitra ny fahamarinan'ny fanambaran'Andriamanitra ao amin'ny fampianaran'izay antsoina hoe siansa, dia tombantomban'olombelona fotsiny ihany. Manokatra fisainana sy fahalalana midadasika tokoa ny fikarohana ara-tsiansa ho an'ireo izay manam-pahendrena marina." - TFC, b. 8, t. 325.

FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Tsara tokoa rehefa mifanaraka amin'ny tantaran'ny Baiboly ny siansa. Inona anefa no mitranga rehefa tsy mitovy hevitra ny siansa sy ny Baiboly? Inona no ataontsika eo anatrehan'izany? Nahoana isika no tokony hiankina amin'ny Tenin'Andriamanitra ka hatoky ny fahamarinany? Nahoana isika no tokony hanome ny Baiboly ny teny farany moraba izay marina na dia manohitra izany aza ny siansa?

2. Eritrereto ny amin'ireo faminaniana ara-Baiboly izay efa tanteraka. Eritrereto ny amin'ireo fanjakana ao amin'ny Dan. 2 sy Dan. 7; efa tanteraka ny ampahany arnin'izany faminaniana izany raha mbola tsy nitranga kosa ny ampahany sasany. Nahoana isika no afaka matoky an'Andriamanitra fa ho tanteraka ireo ampahany rehetra amin'ny faminaniany?