Lesona 9: Rehefa nanao ny tany Andriamanitra : Ny Genesisy sy ny fahamarinana ara-Baiboly. Fizarana 2

Hodinihina mandritra ny herinandro :   Apôk. 7:1;Apôk. 20:7,8; Gen. 1:1-31; 2:1-4; Gen. 5; Gen. 11. 

Tsianjery: "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tanany," - Sal. 19:1. 

 

MANAM-PAHAIZANA MARO tany aloha no namaky ny Baiboly ka nahafantatra tamin'izany fa Andriamanitra no namorona ny tany. Nahatonga azy ireo ho liana tamin'ny fandinihana bebe kokoa momba ny zavaboary izany fahamarinana ara-Baiboly izany, ka nanomboka nanao fikarohana mikasika ny asan-tanan'Andriamanitra izy ireo. Izany fikarohana izany no nitarika ho amin'ny fiantombohan'ny siansa môderina. Anisan'izany manam-pahaizana momba ny siansa izany i Johannes Kepler, Isaac Newton, John Ray ary i Robert Boyle. Ninoan'izy ireo fa nampiseho bebe kokoa ny asa nataon'Andriainanitra ny asa fikarohana nataony.

Niova ny siansa taorian'ny revolisiona frantsay. Nanjary tsy nino an'Andriamanitra intsony ny manam-pahaizana, ka tsy nanan-toerana tao arnin'izany intsony Andriamanitra. Nataon'i Charles Darwin izay nampalaza izany hevi-baovao izany tao amin'ny bokiny nampitondrainy ny lohateny hoe "L'origine des especes" (1859).Nanalavitra ny Baiboly ny siansa nanomboka tamin'izay fotoana izay ka tsy nino intsony ny tantaran'ny Genesisy ny olona. Nambaran'izy ireo fa tantara namboamboarina tsy maneho ny tena zava-nisy akory izany.

Mampianatra izany hevitra izany ve ny Baiboly? Tantara nindramin'ny vahoakan'Andriamanitra tamin'ireo firenena manodidina azy fotsiny ve ny tantaran'ny Baiboly mikasika ny niandohan'ny fiainana teto an-tany? Moa ve ny tantara ao amin'ny Genesisy maneho amintsika tokoa ny fomba fijery mikasika ny niandohan'ny aina? Azontsika itokiana ve ny Baiboly? Marina ve ny zavatra voalazany?

Hovaliantsika ao anatin'ny lesona mandritra ity herinandro ity ireo fanontaniana ireo.

Olona marobe tamin'ny andronny Baiboly no nihevitra fa fisaka ity tany misy antsika ity. Takatry ny ankamaroan'ny olona anefa, noho ny antony maro samy hafa, fa boribory ny tany. Na amin'izao androntsika izao aza dia misy milaza fa nampianatra ny amin'ny maha-fisaka ny tany ny Baiboly.

Vakio ny Apôk. 7:1 sy ny Apôk. 20:7,8. Inona no resahin'ireo andininy ireo? Ary ny tena zava-dehibe, mampianatra ve izany fa fisaka ny tany?

I Jaona no nanoratra ireo andalan-teny ireo. Nanaratra mikasika ny andro farany izy, momba ireo anjely efatra "nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany" - Apôk. 7:1. Hitanao ve fa nosoratan'i Jaona intelo ny hoe "efatra" ao amin'io andininy io? Nataony izany mba hifantohantsika amin'ireo anjely eo amin'ny vazan-tany efatra.

Sary an'ohatra no arnpiasain'i Jaona eto, tahaka izay ataontsika arnin'izao andro izao ihany. Ambarantsika fa "milentika ny masoandro" na koa "avy any atsinanana" ny rivotra. Raha hifikitra amin'ny fandikana ara-bakiteny ireo andalan-teny ara-paminaniana isika, kanefa, ny tontolon-kevitra maneho sary an'ohatry ny avaratra sy atsimo ary ny andrefana sy atsinanana, dia hanala izany andininy izany amininy tontolon-kevitra misy azy ka mampiteny azy izay tsy ampianariny akory. Mampiasa sary an'ohatra tahaka izay ataon'i Jaona koa i Jesôsy. Nampiasa ny teny hoe "fo" Izy mba hilazana ny fiandohan'ny fisainan-dratsy. Izao no nambarany: "Fa avy arnin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy" - Mat. 15:19. Tsy ilay fo ao amin'ny vatan'olombelona no resahiny fa ampiasainy izany ho sary an'ohatra hampianarana ny faharnarinan'ny BaiboIy mikasika ny fiandohan'ny fahotana ao anatintsika.

Vakio ny Jôba 26 7-10 sy ny Isa. 40:21,22 Inona no ampianarin'izany mikasika ny toetry ny tany?

Ambaran'nyJôba 26:7 fa mihantona eo amin'ny erana ny tany: "Marnelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonininy habakabaka Izy ary manantona ny tany arnin'ny tsy misy". Tahaka ny "faribolana" (Jôba 26:10, DIEM) ny endriky ny tany, tsy fisaka izany. Izao no amharan'ny Isa. 40:22: "Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina ety, dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahczka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana".

Nihady ny tany ireo mpanao fikarohana momba ny fahagola ka nahita lahatsoratra voasoratra tany Egipta tamininy andron'ny TT. Ahitana tantara mikasika ny safodrano sy ny niandohan'ny tany izany lahatsoratra izany, izay antitra noho ny Baiboly. Nanomboka nanontany tena ny olona, araka izany, raha toa nadikan'i Mosesy avy tamin'ireo tantara egiptianina amin'ny Genesisy. Kanefa izany tokoa ve no marina?

Vakio ny Gen. 1, 2:1-4. Rehefa izay dia vakio ireo andininy nalaina tarnin'ny tantaran'i Atrahasis: "Fahiny elabe, dia nanao ny asa rehetra ireo andriamanitrai, fa tsy ny olombelona. Nitondra enta-mavesatra izy ireo./ Mafy loatra taminy ny asa. Sarotra, loatra izany/... Ka izao no nambaran'izy ireo: "aokany andriamanibavy Nintu hanao olombelona./ Aoka ny olombelona no hanao ny asa fanaon'ny andriamanitra"... andriamanitra marani-tsaina tokoa i Geshtu-e./ Novonoin'ireo andriamanitra hafa izy./ Rehefa izay dia namolavola tanimanga ny andriamanibavy Nintu/ ka nanambatra izany tamin'ny vatan'i Geshtu-e sy ny rany mba hamoronana olombelona..."- MMC (New York: Oxford University Press, 1989), t. 9,14,15. Ahoana no maha-samy hafa ny tantaran'ny Genesisy sy ny an'i Atrahasis?

Eny, misy tokoa ny zavatra mitovy ao amin'ireo tantara roa ireo; samy vita amin'ny tanimanga ny olombelona voalohany ao amin'izany, saingy ny fahasamihafana no betsaka kokoa mihoatra noho ny fitoviana.

(1) Miasa mba hitsaharan'ireo andriamanitra ny olombelona, ao amin'ny tantaran'i Atrahasis. Ao amin'ny Gen. kosa, Andriamanitra dia nanao ny tany sy izay rehetra eo aminy ho an'ny olombelona. Rehefa izay dia nitsahatra niaraka tamin'izy ireo lzy. Nametraka ny olombelona tao amin'ny saha Izy ao amin'ny Genesisy, ary nanasa azy irea hiresaka Aminy sy hitandrina ny tany. Tsy hitantsika ao amin'ny tantaran'i Atrahasis mihitsy izany.

(2) Novonoina ny andriamanitra iray ao amin'ny tantaran'i Atrahasis. Nanafangaro ny rany tamin'ny tanimanga ireo andriamanitra mba hamoronana lehilahy sy vehivavy fito. Andriamanitra kosa no namorona an'i Adama ao amininy Genesisy; taorian'izay no nanaovany an'i Eva mba ho mpanampy azy. Izy no nanisy fofon'aina mahavelona tao amin'i Adama, fa tsy nanao an'i Adama sy i Eva tamin'ny alalan'ny ran'ny andriamanitra maty

(3) Tsy misy taratra fifanandrinana na herisetra ao amininy tantaran'ny Genesisy; izany kosa no hita ao amin'ny tantaran'i Atrahasis. Mahafinaritra ny tantaran'ny Baiboly mikasika ny niandohan'ny fiainanny olombelona. Maneho Andriamanitra mahery indrindra izay namorona ny olona ho amin'ny tanjona masina izany, dia ny hiaina eo amin'ny tany tonga lafatra. Rehefa jerena dia hita fa samy hafa tanteraka amin'ny tantaran'i Atrahasis ny tantaran'ny Genesisy.

Tsy miankina aminny tantara namboamboarina avy aminny fivavahana hafa tarninny a.ndronny Baiboly ny Genesisy raha miresaka mikasika ny Famoronana. Nanoratra io boky io i Mosesy mba hanehoana ny fahadisoan'ireny anganongano ireny ary koa hanehoana fa Andriamanitra no namorona ny lanitra sy ny tany.

Vakio ny Gen. 1:14-19. Inona no noforonin'Andriamanitra tamin'ny andro fahefatra? Inona ny asan'izy ireo, araka ny fanazavanli Mosesy?

Tsy nosoratan'i Mosesy ny teny hoe "masoandro" sy "volana". Azo antoka fa nataony mihitsy izay tsy hanoratana izany satria ny anaran'izany arninny teny hebreo dia manondro ny andriarnanitra masoandro sy volana nivavahanny oIona tany Proche-Orient sy Egipta taminny andron'ny Baiboly.' "Fanazavana lehibe" no niantsoany ny masoandro (Gen. 1:16), ary "fanazavana kely" kosa ny volana. Maneha amintsika ireo anarana ireo fa noharian'Andriamarlitra hanao asa manokana ny volana sy ny masoandro. "Ary Andriamanitra nametraka azy eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany, sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina" Gen. 1:17,18. Asehon'ireo andininy ireo arnintsika rnazava fa tsy andriamanitra ny masoandro amam-bolana fa zavatra nohariana mba hanao asa manokana.

Vakio ny Gen. 2:7, 18-24. Ahoana no ifandraisan'Andriamanitra akaiky dia akaiky amin'ny famoronana an'i Adama sy i Eva?

Ambaran'ilay tantara tany Proche-Orient fa nanao ny olombelona ireo andriamanitra mba hanamaivana azy amin'ny asa mafy tokony hataony. Tsy miombon-kevitra amin'izany anefa ny Baiboly, izay mampianatra fa nanao ny olona Andriamanitra mba hanapaka ny tany.

Asehon'ny Genesisy antsika ny fahamarinana momba ny niandohanny fiainana, izay manampy antsika hanitsy ny hevi-diso sy ny finoan-diso tamin'ny andro fahiny. Nampiasa teny sy hevitra tsy miombona amin'ny hevi-diso ny amin'ny niandohan'ny fiainana i Mosesy ao amin'ny asasorany. Ahoana no nanaovany izany? Niresaka momba ny asan'Andriamanitra sy ny drafiny ho an'ny olombelona raha namorona azy ireo izy.

An-jato taona maro lasa izay, dia nanohitra ny hevitry ny ankamaroan'ny olona tamin'izany fotoana izany ny tantaran'ny Baiboly mikasika ny farnoronana. Amin'izao andro izao dia mbola manohitra izay heverin'ny ankamaroan'ny olona ho niandohan'ny fiainana hatrany ny Baiboly. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga amin'izany?

Vakio ny Gen. 5 sy 11. Ahoana no anehoan'ny Baiboly ny tantaran'ny olombelona nanomboka tamin'ny andron'i Adama hatramin'ny andron'i Nôà ary nanomboka tamin'ny andron'i Nôà hatramin'ny andron'i Abrahama?

Ahitantsika lisitra misy anarana marobe ao amin'ny Baiboly, maneho amintsika raim-pianakaviana maro sy ny zanany izany, ary ahitana singa maneho ny fotoana ihany koa. Hitantsika fa misy ampahany roa ao anatin'ny fampahafantarana ao amin'ireny tetiarana ireny: (1) ny anaran'ny olona iray sy (2) ny fotoana niterahany ny zanany. Indro misy ohatra ny amin'izany  "Rehefa niaina nandritra ny x taona ny olona #1 dia niteraka an'i #2. Ary rehefa niteraka an'ilay olona #2 izy, dia niaina y taona, ary niteraka zanaka vavy sy zanaka lahy hafa koa". Ampian'ny Gen. 5 ampahany toy izao izany: "ary ny taona niainan'i #1 dia z taona, dia maty izy." Maneho amintsika ireo taranak'i Adama ny Gen. 5 sy 11; tsy misy anaran'olona latsaka na nampiana tamin'izany. Asehon'ny 1 Tant. 1:18-27 antsika ny fahamarinan'izany. Manazava ny tenany ny Baiboly amin'izany.

Efa 2000 taona izao no nampianaran'ny manam-pahaizana momba ny Baiboly kristianina sy jiosy fa maneho amintsika ny tantara ny Gen. 5 sy 11, ary koa manampy antsika hahafantatra ny daty nitrangan'ny safodrano sy ny taonan'ny tany.

Vao tsy ela akory izay no nanombohan'ny olona nanome fanazavana vaovao momba. ny Gen. 5 sy 11. Ambaran'ireo manam-pahaizana ireo fa tsy nohariana tao anatinny henemana ny tany araka izay asehonny siansa sy ny tantara, ary koa efa antitra dia antitra ity tany ity. Raha marina ny fanambaran'izy ireo dia tsy azontsika itokiana izany ny fahamarinan'ny Baiboly.

Fantatsika anefa fa azo itokiana ny Baiboly, ary fantatsika fa maneho ny fahamarinana "momba an'Andriamanitra sy ny tantaran'ny Gen. 5 sy 11. Maneho ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona ireo toko ireo. Asehon'ny Gen. 5 sy ny Gen. 11:10-26 antsika ny fifandraisan'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ilay lehilahy iray noharian'Andriamanitra tamin'ny andro fahenina. Tsy iza izany fa i Adama." "The meaning of the chronogenealogies of Genesis 5 and 11", Origins 7/2 [19801, Gerhard F. Hasel, t. 69, nasiam-panamboarana.

Antony manan-danja no maha-ao anatin'ny TT ireo andininy ireo. Inona kosa no ambaran'i Paoly amintsika ao amin'ny 1 Tim. 1:4 sy ny Tit. 3:9 izay tokony hotandremantsika rehefa miresaka momba ny lahatsoratra tahaka izany?

Vakio ireo andininy eo ambany, ary soraty izay ambaran'ny andalan-teny tsirairay momba ny lohahevitra ao amin'ny Gen. 1-11:
Mat, 19:4,5:..............................................................................................................................................................................................................

Mar. 10:6-9: .............................................................................................................................................................................................................

Lio. 11:50,51:.........................................................................................................................................................................................................

Jao. 1:1-3:...............................................................................................................................................................................................................

Asa. 14:15: ..............................................................................................................................................................................................................

Rôm. 1:20:..............................................................................................................................................................................................................

2 Kôr. 4:6:................................................................................................................................................................................................................

Efes. 3:9:.................................................................................................................................................................................................................

1 Tim. 2:12-15: ........................................................................................................................................................................................................

Jak. 3:9: .................................................................................................................................................................................................................

1 Pet. 3:20: ..............................................................................................................................................................................................................

Joda 11,14:............................................................................................................................................................................................................. 

Apôk. 2:7:  ..............................................................................................................................................................................................................

Apôk. 3:14:.............................................................................................................................................................................................................

Apôk. 22:2,3: ..........................................................................................................................................................................................................

Samy nanondro ny Gen. 1--11 ho tantara marina i Jes6sy sy ireo mpanoratra rehetra ao amin'ny TV. Niresaka momba ny asasoratr'i. Mosesy sy ny fotoana narnoronan'Andriamanitra. an'i Adama sy i Eva i Jesd'sy (Mat. 19:4). Nambaran'i Paoly tamin'ireo olona tany Atena fa Andriamanitra no nanao ny tany "sy ny ao arniny rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana" - Asa. 17:24. Nampiorina ny fampianarany eo aminny fahamarinanny Baiboly ao aminny Genesisy ireo mpanoratra ny TV. Amin'izany no anehoany aminny mparnaky aty aoriana fa manan-danja ny asa nataon'Andriamanitra ao aminny Gen. 1 sy 2.

Vakio ny GCA (Berrien Springs, MI: Andrews University Press, 2015).

"Ny Baiboly no tantara feno indrindra sy manome fahalalana indrindra ananan'ny olona. Avy amin'ny loharanon'ny fahamarinana mandrakizay izany, ary nandritra ny taonjato maro no niarovan'ny tanan'Andriarnanitra ny fahadiovany. (...) Ao ihany no ahitantsika ny tantaran'ny taranak'olombelona izay tsy voaloton'ny avonavona maha-olona sy ny hevitra mibahana mialoha." TFC, b. 5, t. 25.

"Naseho ahy fa tsy manaporofo na inona na inona ny siansa manao fandinihana momba ny tany raha mandeha irery. Mila ny fanampian'ny tantara ao amin'ny Baiboly izany. Nahita zavatra maro tamin'ny lasa tao anaty tany ny mpahay siansa, iza maneho amintsika fotoana tamin'ny lasa samy hafa amin'izay misy ankehitriny. Ny tantara ao amin'ny Baiboly ihany anefa no afaka manampy antsika hahatakatra ny taona marina nisian'ireny zavatra ireny. Tsy maninona ny manombana ny taonan'ny zavatra iray na manontany tena ny amin'ny zavatra iray hitantsika eo amin'ny zavaboary, rehefa tsy manohitra ireo toe-javatra. hita ao amin'ny Baiboly izany tombantombana. izany. Mihazakazaka ho amin'ny olana kosa ny olona rehefa miala amin'ny fahamarinan'ny Baiboly ka miezaka manazava ny zavaboary amin'ny alalan'ny siansa irery ihany . Tsy nasehon'Andriamanitra amin'ny olombelona mety maty ny fomba nanatanterahany ny asan'ny famoronana tao anatin'ny henemana ara-bakiteny. Tsy takatry ny saina tahaka ny fisiany ny asany amin'ny maha-mpamorona Azy." 11- SG, b. 3, t. 93, nasiam-pana.mboarana.

FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Manome fanazavana marobe miteraka adihevitra sy tsy fitovian-kevitra maro ny mpahay siansa. Nahoana anefa ny olona maro no manaiky ny fanazavan'ny mpahay siansa izay manambara fa efa talohan'ny nisian'ny olombelona no nisian'ny aina teto ambonin'ny tany?
2. Ambaran'ny siansa môderina fa tsy azo ampiasaina hanazavana ny zava-mitranga eo amin'ny zavaboary ny fahagagana na Andriamanitra. Tsy azo lazaina, araka izany, fa ny ozona nataon'ny mpanao ody iray no mampisy ny mosary eo amin'ny tany iray. Ahoana anefa no maha-voafetra izany fomba fisainana izany rehefa jerena ny Gen. 1 sy 2? Andriamanitra Irery no afaka mamorona ny tany araka izay nataony ao amin'ny tantaran'ny Genesisy. Raha sanatria àry tsy ekenao fa ny herin'Andriamanitra no nentina namorona ny tany, nahoana no ho diso koa ny hevitra hafa hoentinao manazava ny fisian'ny aina eto ambonin'ny tany?