Lesona 8: Rehefa nanao ny lanitra Andriamanitra : Ny Genesisy sy ny fahamarinana ara-Baiboly , Fizarana 1

Hodinihina mandritra ny herinandro : Gen. 1:1; Gen. 1:3-5; Gen. 2:1-3; Gen. 1:26-28; Gen. 1:31.

Tsianjery: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia Iray aza. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona." - Jao. 1:1-4.

MANAN-DANJA TOKOA IREO TOKO VOALOHANY ao amin'ny bokin'ny Genesisy, izay maneho amintsika ireo fampianarana lehibe indrindra ao amin'ny Baiboly. Hitantsika ao ny Ray sy ny Zanaka (Jao. 1:1-3; Heb. 1:1- 2) ary ny Fanahy Masina (Gen. 1:2) miara-miasa amin'ny famoronana izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, ary niafara tamin'ny famoronana ny olombelona (Gen. 1:26- 28). Ianarantsika ao koa ny amin'ny Sabata (Gen. 2:1-3) sy ny niandohan'ny faharatsiana (Gen. 3), ny amin'ny Mpamonjy sy ny drafi-panavotana (Gen. 3:15), ny safodrano izay nanenika izao tontolo izao (Gen. 6-9), ny fanekena (Gen. 1:28; 2:2,3, 15-17; 9:9-17; Gen. 15). Asehon'ny Genesisy koa ny antony itenenan'ny olona amin'ny fiteny samy hafa (Gen. 10,11). Maneho antsika ny tantaran'ny Baiboly nanomboka tamin'ny fotoana namoronan'Andriamanitra ny tany hatramin'ny andron'i Abrahama ny tetiarana ao amin'ny Genesisy (Gen. 5 sy 11). Farany, hitantsika ao ny herin'ny teny ataon'Andriamanitra (Gen. 1:3; 2 Tim. 3:16; Jao. 17:17), ny amin'ny fanambadiana (Gen. 1:27,28; 2:18,21- 25), ny fitantanana ireo fanomezan'Andriamanitra (Gen. 1:26; 2:15,19), ary ny teny fikasan'Andriamanitra ny amin'ny tany vaovao (Isa. 65:17; Isa. 66:22; Apo. 21:1).

Samy miorina ao amin'ireo toko voalohany ao amin'ny Genesisy ireo lohahevitra ireo, izay hodinihintsika mandritra ity herinandro ity. 

Vakio ny Gen. 1:1. Inona no fahamarinana lalina ambara etoana? 

Miantomboka amin'ny teny tsara indrindra sy manan-kery lehibe ny Baiboly. Teny tsotra tokoa izany kanefa lalina. Hitanao ve fa mamaly ireo fanontaniana lehibe rehetra apetratsika olombelona momba antsika sy ny antony maha-eto antsika ary ny nahatongavantsika eto izany? Eny tokoa, voavalin'izany fehezanteny voalohany ao amin'ny Baiboly izany ireo fanontaniana rehetra ireo! 

Misy isika satria noharian'Andriamanitra tamin'ny fotoana voafaritra iray tamin'ny lasa. Tsy hoe avy tamin'ny tsy misy tsy akory isika, na koa nisy kisendrasendra ka tsy misy antony ny maha-eto antsika. Mifanohitra tanteraka amin'ny Baiboly ny siansa môderina mikasika ny antony maha-eto antsika, ary tsy hendry ny Kristianina izay miezaka mampifanaraka ny Baiboly amin'izany siansa diso izany. 

Noharian'Andriamanitra tamin'ny fotoana iray mazava isika: "Tamin'ny voalohany". Asehon'io andininy io fa efa talohan'izany no nisian'Andriarnanitra. Azontsika vakina ny momba ny fiandohantsika any amin'ny boky hafa ao amin'ny Baiboly, izay maneho hatrany fa Andriamanitra no nahary antsika (Jao. 1:1-3). 

Vakio ny amin'ny namoronana ny tany ao amin'ny Jao. 1:1-3 sy ny Heb. 1:1,2. Iza no namorona ny tany? Eritrereto koa ny hevitry ny nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana. 

Ampianarin'ny Baiboly fa i Jesôsy no nanao ny tany sy izay rehetra eo aminy. Ambarany fa "izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy lzy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza" - Jao. 1:3. Tamin'ny alalan'i Jesôsy"no nahariany izao tontolo izao" - Heb, 1:2. Koa satria tao Aminy no niandohan'ny zava-drehetra tamin'ny voalohany, dia mahazo manantena isika fa hofaranany izay natombony, satria lzy no "Alfa sy Omega" ary "ny fiandohana sy ny fiafarana" (Apôk. 1:8; Apôk. 22:13). 

Manova inona eo aminao ny fahafantaranao fa noharian'Andriamanitra ianao? Eritrereto hoe tsy nino izany ianao, ho nanao ahoana ny fahitanao ny tenanao sy ny hafa, nahoana? 

Olona maro amin'izao fotoana izao no mieritreritra fa tsy nanao ny tany sy ny lanitra nandritra ny henemana Andriamanitra. Ambaran'izy ireo amin'izany fa tsy marina ny tantaran'ny Genesisy mikasika ny niandohan'ny aina. Ny fivoarana miandalana no inoan'izy ireo, izay rnampianatra fa ny fiainana eto an-tany dia avy tamin'ny fiovaovana teo arnin'ny zavaboary izay nitranga nandritra ny taona marobe tany aloha. Inona no ampianarin'ny Baiboly antsika mikasika ny niandohaniny fiainana? Ahoana no ahafantarantsika fa andro ara-bakiteny ny "andro" resahin'ny Gen. 1 fa tsy sary an'ohatra anehoana taonjato maro?

Vakio ny Gen. 1:3-5 sy ny Eks. 20:8-11. Inona no hevitry ny hoe "andro" ao amin'ireo andininy ireo?

"yôm" no ilazana ny "andro" amin'ny teny hebreo, izay midika ho "24 ora". Mampiasa ny teny hoe "yôm" i Mosesy ao amin'ny Genesisy raha miresaka ny amin'ny namoronan'Andriamanitra ny tany. Asehony amintsika fa andro ara-bakiteny no resahiny ary tsy misy ankoatra izay. Ireo manam-pahaizana izay tsy mino ny maha-andro ara-bakiteny ireo andro ireo dia hanaiky fara fahakeliny fa haneho andro ara-bakiteny no tian'ny mpanoratra hatao.

Mahaliana tokoa fa Andriamanitra mihitsy no nanome ny teny hoe "yôm" ho an'ny "andro" tamin'ny andro voalohany tamin'ny herinandro namoronany ny tany. "Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe "andro" [yôm]; ary ny maizina nataony hoe 'alina'. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany." - Gen. 1:5. Midika ho andro iray ny "yôm" ary tsy mihoatra izany.

Araka izany, ny "yôm" dia maneho fa andro ara-bakiteny ireo andro nanaovan'Andriamanitra ny tany. Asehon'ny teny hebreo amintsika fa ny andro voalohany dia "echad"; aorian'izany andro voalohany izany no ahitantsika ny amin'izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo andro enina hafa, izay nataony hoe andro faharoa, andro fahatelo, andro fahefatra, Tsy maneho mihitsy ny teny hebreo fa misy elanelam-potoana eo amin'ireo andro ireo. Rehefa tapitra ny andro iray dia manomboka ny andry iray hafa.

Amin'izany no ahitantsika fa andro iray izay misy 24 ora ireo fito andro namoronan'Andriamanitra ny lanitra sy ny tany. Izany koa no asehon'ny didy folo amintsika. Ny rantsan-tanan'Andriamanitra no nanoratany ny didy fahefatra izay maneho amintsika ny antony hanamasinantsika ny andro fahafito, noho ny nanaovany ny tany nandritra ny henemana sy ny nitsaharany tamin'izany andro fahafito izany. 

Marobe ankehitriny ireo antokom-pivavahana sy vondrona Iaika mamely ny Sabata andro fahafito. Eo amin'ny fandaharam-potoan'ny orinasa maneran-tany no isian'izany famelezana ny Sabata izany, izay manery ny mpiasa hiasa amin'io andro io. Eo koa ny nanovana ny tetiandro any amin'ny firenena maro any Eôrôpa; manjary miantomboka amin'ny Alatsinainy ny andro voalohany amin'ny herinandro ka ny Alahady no lasa andro fahafito. Hitantsika koa izany famelezana ny Sabata izany tao anatin'ny hafatry ny papa mikasika ny fiakaran'ny maripana maneran-tany. "Sabatan'ny Jiosy" no iantsoany ny Sabata andro fahafito ao amin'izany hafatra izany; rehefa izay dia nilaza tamin'ny rehetra izy mba hitandrina andro iray ho fitsaharana mba hanamaivanana izany fiakaran'ny maripana maneran-tany izany. (Vakio ny Pope Francis, Laudato Si', Vatican City: Vatican Press, 2015, tt. 172,173). 

Vakio ny Gen. 2:1-3; Eks. 20:8-11; Mar. 2:27 ary ny Apôk. 14:7. Inona no ifandraisan'ny Sabata sy ny herinandron'ny Famoronana? Inona koa no mampifandray ireo amin'ny hafatry ny anjely telo?

Izao no ambaran'ny Baiboly: "Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony" Gen. 2:2. Manam-pahaizana momba ny Baiboly maro no manasongadina ny asam-pamoronana nataon'Andriamanitra nandritra ny enina andro. Tsy takany anefa fa tsy tapitra teo amin'ny andro fahenina izany asa famoronana izany. Tamin'ny namoronany ny andro Sabata no nifarana ny asan'Andriamanitra. Izany no antony nilazan'i Jesôsy hoe: "Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata" - Mar. 2:27. Azony atao ny milaza izany fehezanteny feno fahefana izany satria Izy no nanao ny Sabata ho famantarana mandrakizay sy tombokasen'ny fanekena ataon'Andriamanitra amin'ny olony. Tsy natao ho an'ny vahoaka hebreo ihany ny Sabata fa ho an'ny taranak'olombelona rehetra.

Manondro zavatra telo nataon'i Jesôsy taorian'ny namoronany ny Sabata ny Genesisy. Voalohany, "nitsahatra" Izy (Gen. 2:2), naneho ohatra ho antsika ny amin'ny faniriany hiara-mitsahatra amintsika. Faharoa, "nitahy" ny andro fahafito Izy (Gen. 2:3). Ao amin'ny fitantarana ny Famoronana dia notahina ireo biby (Gen. 1:22), ary nahazo tso-drano koa i Adama sy i Eva (Gen. 1:28). Ny andro fahafito kosa no hany notahina manokana amin'ireo andro rehetra. Fahatelo, "nanamasina" izany Andriamanitra (Gen. 2:3) na "nanao izany ho masina".

Tsy misy andro hafa nandray ireo fanavahana manokana telo ireo ao amin'ny Baiboly. Averina ao amin'ny didy fahefatra ireo asa telo ireo, rehefa nanoratra izany tamin'ny rantsan-tanany mihitsy Andriamanitra ary nampitodika ho amin'ny Famoronana izay fototra ijoroan'ny Sabata (Eks. 20:11). 

Tao anatin'ny folo taona izao no nahitantsika fiovana lehibe teo amin'ny fomba fijerin'ny olona ny fanambadiana. Firenena marobe amin'izao fotoana izao no mandany lalana izay mampanan-kery ny fifanambadian'ny olona mitovy fananahana. Nisolo toerana ilay lalana takha izay niaro ny tokantrano sy ny ankohonana ahitana lehilahy iray sy vehivavy iray ho ivony izany lalana vaovao izany. Toe-javatra tsy mbola nisy hatrizay izany amin'ny lafiny maro, ary miteraka fanontaniana vaovao marobe mikasika ny fanambadiana, ny fifandraisan'ny fiangonana sy ny fanjakana ary koa ny fahamasinan'ny fanambadiana sy ny ankohonana araka izay amaritan'ny Soratra Masina izany. 

Vakio ny Gen. 1:26-28 sy ny Gen. 2:18, 21-24. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika mikasika ny drafitr'Andriama-nitra ho an'ny fanambadiana? 

Tonga teo amin'ny fara tampon'ny Famoronana Andriamanitra tamin'ny andro fahenina, dia ny famoronana ny olombelona izany. Mahavariana ny nampiasana voalohany indrindra ny mariky ny fahamaroana ilazana an'Andriamanitra ao amin'ny Gen. 1:26: "Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika (...)". "Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy" Gen. 1:27. Izao no nambaran'i Adama: "Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity" - Gen. 2:23, ka nantsoiny hoe "vehivavy" izy. Ny fanambadiana dia mitaky ny lehilahy "handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo" - Gen. 2:24. 

Rehefa izay dia natolotr'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ho fanomezana ho an'ny olombelona ny fanarnbadiana. Ambaran'ny Baiboly fa eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no tokony hisian'izany fifandraisana izany. Asehon'Andriarnanitra mazava izany hevitra izany rehefa nilaza tamin'i Adama sy Eva izy hoe: "Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy" - Gen. 1:28. Mandidy ny zanaka mba hanaja ny rainy sy ny reniny Andriamanitra ao amin'ny didy fahadimy (Eks. 20:12). Ny zanaka ao anatin'ny ankohonana ahitana ray sy reny ihany no afaka manao izany. Hitantsika amin'izany ny tsy fankasitrahan'Andriamanitra ny fanarnbadian'ny olona mitovy fananahana. 

Vakio ny teny nataon'i Jesôsy momba ny fanambadiana ao amin'ny Mat. 19:3-6. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fanambadiana? Tokony hotsaroantsika mandrakariva fa tia ny olon-drehetra Andriamanitra na dia tsy mankato Azy aza izy ireo. Tokony haneho fitiavana sy fahamoram-panahy amin'ny hafa tahaka izany koa isika. Miaraka amin'izay anefa, ahoana no tokony hijoroantsika ho hentitra eo anatrehan'ny fahamarinan'ny Baiboly momba ny fanambadiana? 

Ny Baiboly dia maneho fifandraisana ety dia ety eo amin'ny Famoronana tonga lafatra sy fahalavoana, ny Mesia nampanantenaina ary ny fanavotana. Ireo toe-javatra lehibe ireo no fototra iorenan'ny tantaran'ny fanavotana ny taranak'olombelona. 

Vakio ny Gen. 1:31, Gen. 2:15-17, ary ny Gen. 3:1-7. Inona no nitranga tamin'ny zavaboary tonga lafatra izay noharian'Andriamanitra? 

Nambaran'Andriamanitra fa "tsara indrindra" ny zavatra rehetra noforoniny (Gen. 1:31). "Tonga lafatra ny famoronana. (...) Niorina teo antin'ny tany voahaingo mahafinaritra ny saha Edena. Afaka nihinana malalaka tsara ny voan'ny hazon'aina i Adama sy i Eva. Tsy nisy ota na aloky ny fahafatesana nanamatroka izany zavaboary kanto izany." - PM, t. 22. Nampitandrina an'i Adama sy i Eva Andriamanitra fa raha mihinana ny hazo voarara izy ireo dia ho faty tokoa (Gen. 2:15-17). Nanomboka ny resany tamin'ny fanontaniana ny menarana ka nilaza ny mifanohitra tanteraka amin'izay nambaran'Andriamanitra: "Tsy ho faty tsy akory hianareo" - Gen. 3:4. Nampanantena fahalalana lehibe an'i Eva i Satana ary nanambara fa ho tahaka an'Andriamanitra izy. Mazava Ioatra fa nino ny teniny i Eva. 

Miresaka momba ny fahotana i Paoly ao amin'ny Rôm. 5:12 sy ny Rôm  6:23. Ahoana no anehoany ny fahamarinan'izay ambaran'Andriamanitra momba ny fahotana ao amin'ny Gen. 2:15-17? Ahoana no andraisana izany fampianarana izany ho fampitandremana momba ny finoana ny fisian'Andriamanitra miharo amin'ny fivoarana miandalana?

Manoratra mikasika ny fahotana sy ny fahatsaran'ny drafitra hoentin'Andriamanitra mamonjy ny olombelona ho afaka amin'ny fahotana i Paoly ao amin'ny Rôm. 5-8. Izao no lazainy: "tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratrra ny olona rehetra ny fahafatesana" - Rôm. 5:12. Ampianarin'ny fivoarana miandalana fa efa ela talohan'ny nisian'ny olombelona no nisy ny fahafatesana. Ny Baiboly kosa dia mampianatra antsika fa diso izany hevitra izany, satria ny fahotana no nahatonga ny fahafatesana. Raha tsy misy ifandraisana amin'ny fahotana ny fahafatesana dia tsy ho izany no tambin'ny ota (Rôm. 6:23); raha izany dia tsy ho nanana antony tokony hahafatesana ho an'ny otantsika i Kristy. Hitantsika amin'izany fa mifandray tanteraka ny Famoronana sy ny Fahalavoana ary ny hazo fijaliana. Mifandraika amin'ilay Adama farany ilay Adama voalohany (1 Kôr. 15:45,47). Manimba ny fototra iorenan'ny fivavahana kristianina ny finoana ny fivoarana parwin, na dia nampidirina tao anatin'izany aza ny hevitra ankapobeny momba an'Andriarnanitra. 

Vakio ny "Ny Famoronana" ao amin`ny PM toko 2 sy "Ilay herinandro voalohany indrindra" ao amin'ny toko 9. 

"Rehefa mijery ny teny hebreo isika dia mahita porofo mazava fa ny teny hoe 'yôm' ao amin'ny Gen. 1 dia maneho andro izay ahitana 24 ora. "Nifidy ny teny nampiasainy i Mosesy tao amin'ny Gen. 1 anehoana amintsika tsy amim-pisalasalana fa andro ara-bakiteny ireo andro resahina ao amin'ny Genesisy."-, "The `Days' of Creation in Genesis 1: Literal 'Days' or Figurative "Periods/Epochs' of Time?" Origins 21/1 [1994], Gerhard F. Hasel tt. 30,31. 

"Tsy maintsy tarihin'ny Baiboly ny olona manam-pahaizana, raha tsy izany dia ho sanganehana izy raha hiezaka hanakatra ny fifandraisan'ny siansa amin'ny Baiboly. Tsy takatry ny saina mantsy ny momba an'Andriamanitra sy ny asany. Tsy voazavan'ny lalan'ny siansa sy ny lalan'ny natiora izany. Noho ny amin'izany no ilazan'ny olona fa tsy azo itokiana ny tantaran'ny Baiboly." - TFC, b. 8, t. 258, nasiam-panamboarana. 

FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Jereo ny teny nambaran'i Ellen White etsy ambony. Impiry moa, na amin'izao andro izao aza, no ahitantsika io zavatra resahiny io ao amin'ny fiangonana? Impiry isika no mahita fa inoan'ny Kristianina mihoatra noho ny Baiboly ny siansa? Ahoana no anehoan'izany fomba fijery izany ny fahatsapan'izy ireo fa tsy azo itokiana ny Baiboly? 

2. Mahafantatra Kristianina mino ny fivoarana miandalana ve ianao? Nahoana moa raha asaina hazavainy izay nosoratan'i Paoly mikasika ny hazo fijaliana ao amin'ny Rom. 5? Maneho fifandraisana mazava eo amin'ny fahotan'i Adama sy ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana i Paoly. Inona no fanazavana omen'izany Kristianina izany anao? 

3. Ahoana no hanampiantsika ireo olona manana fanontaniana mikasika ny fifanambadian'ny mitovy fananahana? Hitantsika ao amin'ny Jao. 8 ny ohatra iray momba ny vehivavy voaheloka noho ny fijangajangana izay nentina hotoraham-bato teo amin'i Jesôsy . Inona no asehon'ny ohatra nomen'i Jesôsy  ny amin'ny tokony hanehoantsika fitiavana amin'ireo olona meloka? Nahoana isika no tsy tokony "hitora-bato" azy ireo?