Lesona 7: Fomba fiteny, andalan-teny ary tontolon-kevitra

Hodinihina mandritra ny herinandro : 2 Tim. 3:16,17; Deot.32:46,47; 1 Mpanj.3:6; Gen. 1:26,27; Gen. 2:7; Gen. 15:1-5.

Tsianjery: "Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehôvah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao." - Deo. 31:26.

AN-TAPITRISANY ny olona eto ambonin'ny tany. Firy moa ny tenim-pirenena ampiasain'izy ireo? Maherin'ny 6000! Voasoratra amin'ny teny mihoatra ny 600 ny Baiboly, ary ny TV kosa dia voasoratra amin'ny teny maherin'ny 2500. Betsaka tokoa izany, kanefa etsy andanin'izay dia tsy mbola mahatratra ny antsasak'ireo teny ampiasaina rnaneran-tany akory izany.

Olona eo amin'ny 1,5 tapitrisa eo ho eo no tsy manana Baiboly voadika amin'ny tenim-pireneny. Maro tokoa ny asa tokony hatao, na dia efa nanao ezaka aza ny mpamokatra ny Baiboly mba hahafahan'ny olona 6 tapitrisa mamaky ny Soratra Masina,

Eny tokoa, fitahiana ny mamaky ny Baiboly amin'ny tenim-pirenenao. Raisintsika ho toy ny mandeha ho azy izany matetika ka hadinontsika fa marobe no tsy manana Baiboly; ary nandritra ny taonjato maro tany Eôrôpa dia natao izay hampanalavirana izany tamin'ny olona. Niova ny toe-javatra rehefa nisy ny fanontam-pirinty sy ny fanavaozana protestanta. Taonjato maro aty aoriana no mbola itadiavantsika fomba vaovao handinihana ny Baiboly sy hianarana misimisy kokoa momba an'i Jesôsy.

 

Vakio ny 2 Tim. 3:16,17. Inona no antony nanomezan'Andriamanitra antsika ny Baiboly?

Nosoratana ho vavolombelon'ny asa nataon'Andriamanitra teo amin'ny tantara sy ho fanehoana ny drafi-panavotany ny taranak'olombelona lavo ny Baiboly, ary ho fampahafantarana antsika ny làlana ho amin'ny fahamarinana. Asehon'ny Baiboly amintsika fa azontsika atao ny miaina fiainam-pahamasinana ho an'Andriamanitra. Nisafidy ny hizara izany fahamarinana izany amintsika amin'ny fitenin'olombelona Andriamanitra. Nampahafantariny tamin'ny fitenintsika ny fisainany sy ny heviny ao amin'ny Baiboly. Rehefa namonjy ny Isiraely tany Egipta Izy dia nifidy azy ireo mba hampita ny hafany amin'ny olona rehetra ety ambonin'ny tany. Navelany hampita izany tamin'ny fiteniny izy ireo, ka nosoratany tamin'ny teny hebreo ny Baiboly, ary nisy ampahany vitsivitsy tamin'ny teny arameanina izay mitovitovy amin'ny teny hebreo ihany.

Voasoratra tamin'ny teny grika ny TV, satria izany no fiteny nitenenan'ny ankamaroan'ny olona tany amin'izany faritra izany , tamin'izany andro izany. Nisy koa aza ny dikanteny grika ho an'ny TT. Teny nampiasaina nanerana ny fanjakana rômanina ny Grika, ka nanamora ny fizarana ny filazantsara nataon'ireo mpanara-dia an'i Jesôsy  sy ny fiangonana tany amin'ny toerana maro izany. Taty aoriana, dia "nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesôsy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany" Apôk. 1:2 ny apôstôly Jaona. Hitantsika ao amin'io andininy io ny maha-vavolombelon'ny fahamarinan'Andriamanitra ny mpanoratra ny Baiboly. Asehon'ny Baiboly antsika fa mifanaraka avokoa ny zavatra ambaran'ireo mpanoratra ny Baiboly, miainga amin'i Mosesy ao amin'ny Genesisy ka hatramin'i Jaona ao amin'ny Apokalipsy, satria izay nasehon'i Jesôsy sy nambarany taminy no nosoratany. Vavolombelony izy ireo.

Vakio ny Deo. 32:46,47. Nahoana no zava-dehibe ho an'ny Isiraelita ny mankatò "ny teny rehetra amin'ity lalàna ity"- Deo. 32:46? Ahoana no nanampian'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra ny Isiraely ho maro andro? Ahoana ny fahamarinan'izany amin'izao androntsika izao?

Misy ny olona izay tsy vitan'ny hoe manana ny Baiboly voadika amin'ny fiteniny fotsiny fa manana dikan-teny isan-karazany amin'izany. Mety ho dikan-teny tokana ihany anefa no ananan'ny hafa, raha misy. Tsy ny fananana dikan-teny marobe amin'ny Baiboly amin'ny fiteninao no zava-dehibe, fa ny fitiavanao ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra sy ny fankatoavana ny fampianarany.

Nahoana ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra sy fampianarany izany amin'ny zanakao no "tsy zava-poana" (Deo. 32:47)?

Ao amin'ny tenim-pirenena rehetra, dia misy ny teny manan-karena heviny lalina, ka sarotra ny mandika izany amin'ny voanteny tokana amin'ny tenim-pirenena hafa. Maro ny teny hebreo sy grika ao amin'ny Baiboly izay manana heviny lalina tokoa. Ilaintsika, araka izany, ny mandinika ireo fomba samy hafa ampiasana izany ao amin'ny Baiboly mba hahatakarantsika kokoa ny heviny.

Vakio ny amin'ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fitiavany ao amin'ny 1 Mpanj. 3:6; Sal. 57:3; Sal. 66:20; Sal. 143:8 ary ny Mika 7:20. Ahoana no anehoan'Andriamanitra ny famindrampony sy ny fitiavany amin'ny olombelona?

"Chesed" no ilazana ny famindrampo amin'ny teny hebreo, izay manana heviny lalina tokoa. Ao amin'ny TT dia midika hoe ny fitiavan'Andriamanitra, ny fony feno hatsaram-panahy ary ny famindrampony "chesed". Maneho koa ny "chesed" fa mihazona ny fanekena nataony tamin'ny olony Andriamanitra. Ao amin'ireo andininy eo ambony ireo no ahitantsika ohatra amin'io teny io sy ny fampiasana izany. Izao no hitantsika ao amin'ny 1 Mpanj. 3:6: "Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe [chesed] tamin'ny Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe [chesed] izao ho azy. Izao no ambaran'ny Sal. 57:3: "Andriamanitra haniraka ny famindrampony [chesed] sy ny fahamarinany." Ny Mika 7:20 dia mampanantena fa "hanefa (...) famindrampo (chesed] ho an'i Abrahama" Andriamanitra. Nanoratra boky iray manontolo mikasika ny teny "chesed" ny olona mba hanazavana ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona sy ny famindrampony amintsika.

Miresaka momba ny fiadanana ny Nom. 6:24-26; Joba 3:26; Sal. 29:11; Isa. 9:6 ary ny Isa. 32:17. Inona no "fiadanana" resahina ao amin'ireo andininy ireo?

Adika hoe "fiadanana" ny teny hebreo "shalom", saingy mihoatra noho izany ny hevitr'io teny io. Azo adika hoe "feno tanteraka", "manana izay ilaina rehetra" ary "manana fifaliana sy fahasalamana ary fahombiazana" ny teny hoe "shalom". Mitahy antsika amin'ny "shalom" na izay rehetra ilaintsika eo amin'ny fiainana Andriamanitra. Fanomezana avy Aminy ny "shalom", araka izany (Nom. 6:24-26). Teny firarian-tsoa ny hoe "Shabbat Shalom", izay maneho amintsika ny fiadanana omen'Andriamanitra antsika rehefa Sabata, ny fiadanana tsapantsika amin'ny fiarahana Aminy.

Azo atao ny milaza hevitra iray amin'ny fomba samy hafa amin'ny teny hebreo, izay manamafy ny dikany sy manasongadina ny lanjan'ny hevitra ambara. Tsy mampiasa teboka na faingo ny teny hebreo. Ahoana ary no hahalalan'ny olona fa tapitra ny fehezanteny iray? Fomba hafa no ampiasaina anehoana ny fiafaran'ny fehezanteny anankiray.

Vakio ny Gen. 1:26,27 sy ny Isa. 6:1-3. Inona ny teny miverimberina ao amin'ireo andininy ireo? Inona ny hevitra tian'ireo teny ireo aseho amintsika? Ahoana no anovan'izany hevitra izany ny dikan'ny teny averimberina?

Ahoana ny fomba nanehoan'ny mpanoratra hebreo fa zava-dehibe ny teny na hevitra iray mikasika an'Andriamanitra? Averiny intelo izany teny izany. Mahita ohatra ny amin'izany isika ao amin'ny Genesisy rehefa namorona ny olombelona Andriamanitra tamin'ny andro fahenina. "Dia namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik'Andriarnanitra no namoronany azy, lahy sy vavy no namoronany azy ireo" - Gen. 1:27. Hitanao ve fa nosoratan'i Mosesy intelo ny hoe "namorona"? Nahoana izy no nanao izany, araka ny hevitrao? Maneho ny valin'izany ny teny hebreo ilazana ny hoe "namorona". Avy amin'ny hoe "bara" izany, izay maneho fa Andriamanitra irery ihany no manana ny fahefana hanao zavatra iray miainga amin'ny tsy misy, ary nohariany araka ny endriny ny olombelona. Izany no hevitra tian'i Mosesy hasongadina.

Averimberin'ny serafima ny hoe "Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro" - Isa. 6:3, ao amin'ny fahitana nomena an'i Isaia sy ny fiantsoana azy. Mampiseho ny fahamasin'ilay Andriamanitra mahatahotra izay marneno ny tempoly amin'ny fanatrehany ny fanasongadinana etoana. Ahitantsika taratra izany fahamasinana izany koa ny teny nataon'i Isaia raha nijoro teo anatrehan'ny Tsitoha izy: "Lozako! maty aho fa lehilahy maloto molotra" - Isa. 6:5. Ny tenin'i Isaia dia maneho ny fahatsapany ny maha-mpanota azy teo anatrehan'ilay Andriamanitra masina. Maneho amintsika koa izany fa mila Mpanavotra ny olombelona, nasehony mialoha lavitra ny nanoratan'i Paoly ny amin'ny ilantsika Mpamonjy ao amin'ny Rom. 1-3 izany.

Hitantsika ao amin'ny Dan. 3 ny hoe "Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena". Naverin'i Daniela impolo izany ao amin'io toko io mba hanehoana fa manohitra ny drafitr'Andriamanitra ho amin'ny hoavy i Nebokadnezara (Dan. 2:31-45). Ny zavatra tiana hasongadina eto dia ny fitadiavan'ny olombelona hanao ny tenany ho tahaka ny andriamanitra hiankohofana ka manohitra ilay Andriamanitra marina izay hany mendrika hiankohofana.

Miseho anaty tontolon-kevitra iray mandrakariva ny teny ao amin'ny Soratra Masina. Fomba maro

no ahazoantsika manakatra ny hevitry ny andininy iray ao amin'ny Baiboly. Voalohany, ao anaty fehezanteny mandrakariva ny teny iray. Ilaintsika ny mahatakatra ny heviny ao anatin'izany fehezanteny izany. Rehefa izay dia ilaintsika ny mijery ny toko, ny andininy na ireo toko maromaro izay mampiasa izany teny izany. Zava-dehibe ny fahatakarana ny tontolon-kevitr'ilay teny sy ilay fehezanteny mba tsy hahatongavana amin'ny tsoa-kevitra diso.

Ampitahao amin'ny Gen. 1:27 ny Gen. 2:7. Rehefa izay dia vakio ny Gen. 2:15-23. Ahoana no anehoan'ireo andininy samy hafa ireo sy ireo tontolon-kevitra ireo amintsika ny famaritana ny hoe "Adama", ilay teny hebreo ilazana ny "lehilahy"?

Efa hitantsika fa manasongadina ny famoronana ny olombelona ny famerimberenana ny teny "bara" ao amin'ny Gen. 1:27. Hitantsika fa ny lehilahy dia ampahany ao amin'ilay hoe "lahy sy vavy". Midika izany fa ny teny hebreo adam dia tokony horaisina amin'ny hevitry ny hoe "olombelona ao amin'io andalan-teny io.

Mampiasa ny teny hoe "adam" anefa i Mosesy ao amin'ny Gen. 2:7, mba hanehoana fa naka vovoka avy tamin'ny tany [adamah] Andriamanitra ary nanao ny olombelona. (Hitanao ve fa "adamah" no teny iantsoana. ny "tany"? Misy fitoviana amin'ny "adam" na "olombelona" izany). I Adama lehilahy no resahina eto satria tsy nohariana i Eva raha tsy taty aoriana, ary tamin'ny fomba hafa tanteraka. Samy hafa, araka izany, ny hevitry ny hoe "adam" ao amin'ireo  andininy ireo. Midika hoe "olombelona" ny "adam" ao amin'ny Gen. 1:27. Ao amin'ny Gen. 2:7 kosa dia i Adama lehilahy no tondroin'izany teny "adam" izany. Asehon'ny Baiboly aty aoriana fa olona tena nisy i Adama (Gen. 5:1-5; 1 Tant. 1:1; Lio. 3:38). Ambaran'i Paoly koa fa i Jesôsy no Adama faharoa (Rom. 5:12-14).

Hitantsika ao amin'ny andininy maro ao amin'ny Baiboly ny teny hoe "Adama". Ao amin'ny tantaran'ny namoronan'Andriamanitra ny tany ao amin'ny Gen. 1--2 anefa no ahitana ny tontolon-kevitry ny famoronana an'i Adama sy i Eva. Maneho hevitra sy lohahevitra vaovao amintsika ireo toko roa ireo. Matetika ny Gen. 2:4-25 no antsoina hoe tantara faharoan'ny namoronan'Andriamanitra ny tany. Hojerentsika amin'ny herinandro anefa fa tantara iray ihany no asehon'ny Gen. 1--2 sy ny Gen. 2:4-25 amintsika. Ny hevitra hafa ifantohany no hany fahasamihafana misy eo aminy, saingy samy maneho izy ireo fa namorona ny olombelona Andriamanitra.

Ireo boky ao amin'ny Baiboly no ampahany lehibe indrindra mandrafitra. ny Soratra Masina. Nosoratana noho ny antony rnanokana tany amin'ny toerana samy hafa izany. Maneho ny hoavy ny sasany amin'ireo boky ao amin'ny Baiboly, ny hafa indray fitambarana tononkalo sy hira (ny Salamo), ao koa ireo Mpanjaka). Misy koa ireo taratasy nosoratana ho an'ny a (ohatra amin'izany ny epistilin'i Paoly sy ireo hafa).

Inona no tokony hataontsika voalohany indrindra mba hahatakarana ny hafatry ny boky iray ao amin'ny Baiboly? Tokony hatombotsika amin'ny fainantarana ny mpanoratra sy ny toerana nanoratany izany. I Mosesy no nanoratra ireo boky dimy voalohany ao amin'ny TT. Ahoana no hahalalantsika izany? Ambaran'ny Baiboly antsika izany ao amin'ny Jos. 8:31,32; 1 Mpanj. 2:3; 2 Mpanj. 14:6; 2 Mpanj. 21:8; Ezra 6:18; Neh. 13:1; Dan. 9:11:13 ary ny Mal. 3:22. Nohamafisin'i Jesôsy (Mar. 12:26; Jan. 5:46,47; Jao. 7:19) sy ireo apôstôly izany (Asa. 3:22; Rôm. 10:5). Tsy fantatra kosa ny olona nanoratra ny boky sasany ao amin'ny Baiboly: ny bokin'i Estera, Rota, Samoela ary ny Tantara.

Vakio ny Gen. 15:1-5 sy ny Gen. 22:17,18. Midika inona ho antsika ny nanoratan'i Mosesy ny bokin'ny Genesisy?

Taorian'ny nivaahan'ny Isiraely an'i Egipta no nanoratan'i Mosesy ny bokin'ny Eksôdôsy sy Levitikosy, ny Nornery ary ny Deoteronomia. Azo inoana fa nialoha ny nanafahana ny Isiraely tany Egipta no nanoratany ny Genesisy. Mino izany isika satria. ny Genesisy dia maneho ny tantaran'ny asa nataon'Andriamanitra nanomboka tamin'ny namoronany ny tany ka hatramin'ny andron'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba.

'Nandritra ny fiainany nirenireny manerana ny tany foana midadasika, tee am-piandrasana ny andian'ondriny no nahatsiarovan'ity mpanjaka tonga mpiandry ondry ity ny fampahoriana nanjo ny iray firenena aminy. Nitamberina tamin'ireo lalana nitondran'Andriarnanitra ny razambeny sy ny teny fikasana navela ho lova ny sainy. Niakatra andro aman'alina tany an-danitra ny eritreriny. Nanazava azy tamin ny fahazavan'ny lanitra ny anjelin'Andriamanitra. Teo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina no nanoratany ny bokin'ny Genesisy." - PP, t. 251.

Maneho amintsika ny niandohantsika sy ny drafitra hamonjen'Andriainanitra ny mpanota ny bokin'ny Genesisy. Nampahafantarin'Andriamanitra an'i Abrahama bebe kokoa taty aoriana ny amin'izany drafiny izany: nanome teny fikasana ho azy Izy fa hahamaro ny taranany (Gen. 22:17).

Vakio ny"Jean Wiclef",ao amin'ny HM,toko5 sy ny"Lotera teo anatrehan'ny Filan-kevitry ny fanjakana foibe", an amin"ny toko 8. Vakio koa ny fizarana 4.a.-j. ao amin'ny tahirin-kevitra "Methods of Bible Study" izay azonao jerena an amin'ny www.adventistbiblicalresearch.org/materials/bible-interpretation-hermeneutics/methods-bible-study.

"Nankinin'Andriamanitra tamin'ny olona, ao amin'ny teniny, ny fahalalana ilaina ho amin'ny famonjena. Tokony ekena ho fanambarana manam-pahefana, tsy mety diso momba ny sitrapony ny Soratra Marina. Fanevan'ny toetra amam-panahy izany, mpanambara ny foto-pinoana ary mpisedra ny fanandramana. Nefa ny nanehoan'Andriarnanitra ny sitrapo ny tamin'ireo olona tamin'ny alalan'ny tenany, dia tsy mahatonga ny fanatrehana sy ny fitarihan'ny Fanahy Masina ho tsy ilaina akory. Mifanohitra amin'izany no izy, fa nampanantena ny Fanahy Masina ny Mpamonjy, mba hamelatra ny teniny amin'ny mpanompony, mba hanazava sy hampihatra ireo fampianarany. Ary satria ny Fanahin'Andriamanitra no nanindry mandry ireo mpanoratra ny Baiboly, dia tsy mety hisy no oviana na oviana izany fampianaran'ny Fanahy mifanohitra amin'ny teniny izany." - HM, t. 11

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra:

1. Misy karazany firy ny Baiboly amin'ny tenim-pirenenao? Inona no azonao atao mba hisintonana ny tsara indrindra avy amin'izay anananao? Ahoana no hianaranao mitia ny Baiboly sy mijery izany amin'ny maha-Tenin'Andriamanitra azy? Inona avy ireo fomba hankatoavanao ny fampianarany?

2. Inona no ampianarin'ny Baiboly antsika momba ny niandohan'ny fiainana teto an-tany? Inona, no ampianarin'ny "siansa" antsika? Samy hafa tanteraka amin'ny fampianaran'ny siansa ny an'ny Baiboly. Mahatonga sly olona ho sahlran-tsaina ny fialany arnin'ny fahamarinan'ny Baiboly sy izay ampianarin'izany mazava. Inona no ambaran'izany mikasika ny inaha-za.va-dehibe ny fitokiantsika amin'ny fampianaran'ny Baiboly?

3. Inona ny fitaovana ara-Baiboly anananao? Ahoana no hanampian'izany anao hahatakatra kokoa ny Baiboly?

4. Nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely i Mosesy mba hampianatra ny zanany ny fahamarinan'ny Baiboly sy hilaza aminlzy ireo ny tantara momba ny zava-drehetra nataon'Andriamanitra ho azy (Deo. 4:9). Ahoana no fomba itomboan'ny finoantsika rehefa mizara ny tantara momba ny fitiavan'Andriamanitra.