Lesona 6: Nahoana no ilaina ny fanazavana ny Baiboly?

Hodinihana mandritry ny herinandro: Lio. 24:36; Jao. 1:41; Asa. 17:16-32; Jao. 9:39-41; Neh. 8:1-3,8.

Tsianjery: "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy." - Heb. 11:6.

NY FAMAKIANA NY BAIBOLY dia midika ho fanazavana azy. Ahoana no anaovantsika izany? Inona no fitsipika ampiasaintsika? Ahoana no hanazavantsika ireo karazana fomba fanoratra ao amin'ny Baiboly? Moa ve izay vakintsika dia fanoharana, sa nofy aseho amin'ny sary an'ohatra izay maneho amintsika ny hoavy, na koa tantara? Voafaoka ao anatin'ny fanazavana ny zavatra ambaran'ny Baiboly ny valin'ireo fanontaniana ireo.

Ampiasain'ny olona ny Baiboly indraindray mba hilaza aminy izay tokony hataony. Manokatra ny Baiboly kisendrasendra izy ka mifidy toko sy andininy iray izay antenainy hanome torohevitra tsara ho azy. Mety hitarika ny olona ho amin'ny tsoa-kevitra diso na hafahafa anefa izany. Indro misy ohatra iray: nisy lehilahy iray, nandao ny vadiny ka nifankatia tamin'ny vehivavy hafa... Nanokatra ny Baiboly tao amin'ny Genesisy ilay vehivavy ka namaky hoe: "Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy" - Gen. 3:15. Faly izy rehefa avy namaky io andininy io, satria ninoany fa nilaza taminy ny Baiboly hoe tsy haharitra ny fiarahan'ny vadiny sy ilay vehivavy hafa.

Ilaintsika tokoa ny mahatakatra izay lazain'ny andalan-teny iray sy ny tiany hambara amin'izany. Raha tsy izany dia manjary ataontsika antony hoentina manao izay tiantsika ilay andininy. Zava-dehibe, araka izany, ny mamaky amim-pitandremana ny Baiboly, ary tokony hitandrina tsara isika eo amin'ny fanazavana izany araka ny tokony ho izy ihany koa.

Vakio ny Lio. 24:36-45. Inona no nanakana ireo mpianatra, izay efa nifankazatra tamin'ny Soratra Masina, tsy hahita ny tena hevitry ny Tenin'Andriamanitra, na dia niseho teo anatrehany aza ireo toe-javatra efa nolazaina taminy mialoha? 

Tsy misy olona manatona ny Baiboly amin'ny saina tsy misy na inona na inona. Ny mpamaky sy mpianatra ny Baiboly rehetra dia manatona ny Baiboly miaraka amin'ny fanandramany sy ny tantarany manokana, izay misy fiantraikany tsy azo ihodivirana eo amin'ny fomba fandraisana ny hevitry ny Baiboly. Na ny mpianatra koa aza dia nanana ny fiheviny manokana ny amin'ny Mesia sy izay tokony hataony, araka izay nandrandrain'izy ireo tamin'izany andro izany. Nanakana ny fahatakarana mazava kokoa ny lahatsoratry ny Baiboly ny faharesen-dahatra mahery vaika tao anatiny. Izany no nahatonga azy ireo tsy hahazo an-tsaina matetika ny momba an'i Jesôsy sy ireo toe-javatra nanodidina ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty.

Samy manana izay inoantsika momba ity fiainana ity sy ny momba an'Andriamanitra isika. Indraindray anefa ireny zavatra inoantsika ireny dia mahatonga antsika hanakatra ny hevitry ny Baiboly amin'ny fomba tsy izy. Indro misy ohatra ny amin'izany: andeha atao hoe misy olona tsy mino ny fisian'ny fahagagana. Tsy inoan'izany olona izany fa miasa amin'ny fomba manokana Andriamanitra hamonjena ny olony; tsy inoany, araka izany, ireo fahagagana ao amin'ny Baiboly. Tsy hamaky na hahatakatra ny Baiboly amin'ny maha-tatitry ny asa nataon'Andriamanitra teo amin'ny tantara izy. Tsy hitovy velively amin'ny fomba fanazavan'ny olona izay manaiky ny fisian'ny fahagagana ny fanazavan'izany olona izany ny Baiboly.

Tsy misy olona manazava ny Baiboly ka hiala tanteraka amin'ny lasany sy ny fanandramana niainany ary ny fiheviny sy ny eritreriny. Tokony ho fantatsika, araka izany, fa manatona ny Baiboly amin'ny eritreritsika manokana mikasika ny fiainana sy mikasika an'Andriamanitra isika. Matetika ny hevitsika sy ny fisainantsika ary ny fanandramantsika no misakana ny fahazoantsika ny Baiboly, saingy misy vaovao mahafaly ho antsika: azon'ny Fanahy Masina atao ny manitsy ny fomba fijery sy ny eritreritsika izay voafetra ihany. Azony atao ny manampy antsika hamaky ny Baiboly amin'ny saina misokatra sy fo madio. Asehon'ny Baiboly hatrany fa nahatakatra ny Tenin'Andriamanitra ireo olona nanana fanandramana samy hafa teo amin'ny fiainany. Hain'ny Fanahy Masina atao izany; mitarika antsika "ho amin'ny marina rehetra" - Jao. 16:13 ny Fanahin'Andriamanitra.

Inona ny sasany amin'ireo fihevitrao momba ny fiainana? Ahoana no hametrahanao izany rehetra izany eo amin'Andriamanitra sy hamelanao ny Fanahy Masina hanome anao ny hevitra mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Baiboly?

Nosoratana tamin'ny fiteny fampiasa taloha ny Baiboly: saika nosoratana tamin'ny teny hebreo ny TT; ny ampahany vitsy kosa tamin'ny teny arameanina; ary ny TV kosa dia nosoratana tamin'ny fiteny antsoina hoe "grika. Tsy miteny na manoratra amin'ireo fiteny fahagola ireo intsony ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao, izany no antony nanoratana ny Baiboly amin'ny fiteny samy hafa izay ampiasaina ankehitriny.

Efa fantatry ny mpandika teny fa ny fandikan-teny dia ahitana karazam-panazavana mandrakariva. Tsy manana dikan-teny raikitra ny teny sasany raha adika amin'ny teny iray hafa. Antsoina hoe "herméneutique" ny fandikana ny Baiboly amin'ny fiteny iray hafa sy ny fanazavana izany.

Vakio ny 1 Kôr. 12:10; 1 Kôr. 14:26; Jao. 1:41; Jao. 9:7; Asa. 9:36 ary ny Lio. 24:27. Mahita hevitra momba ny fandikan-teny sy ny fanazavana isika ao amin'ireo andininy ireo. Na i Jesôsy aza dia tsy maintsy nanazava ny hevitry ny Balboly tamin'ny mpianatra ao amin'ny Lio. 24:27. Inona no ambaran'izany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanazavana eo amin'ny famakiantsika sy ny fahatakarantsika ny Baiboly?

Avy amin'ny anaran'ny andriamanitra grika Hermes ny teny grika hermeneuo, izay nahazoantsika ny teny hoe "herméneutique" (fanazavana ny Baiboly). Noraisina ho iraka manokana sy mpitondra hafatr'ireo andriamanitra i Hermes, izy araka izany no tompon'andraikitra tamin'ny fandikana ny hafatr'ireo andriamanitra ireo ho an'ny olona.

Maro ny dikantenin'ny Baiboly azontsika vakina; asa tsara tokoa ny nataon'ireo olona nanao ireny dikanteny ireny izay maneho amintsika ny tian'ny Baiboly hambara. Tsy voatery hahay teny hebreo sy grika na arameanina isika vao hahatakatra ireo fahamarinana lehibe indrindra asehon'ny Baiboly, na dia mety ho tombony aza ny fahaizana ireo fiteny ireo. Na dia mazava aza anefa ny dikanteny nandikana ny Baiboly dia zava-dehibe ihany koa ny fanambarana ny hevitr'ireo andalan-teny, araka izay hitantsika ao amin'ny Lio. 24:27. lzany no tanjona lehiben'ny "herméneutique": mampita mazava tsara ny hevitry ny andalan-tSoratra Masina sy manampy antsika amin'ny fahaizana mampihatra ny fampianaran'ireny andalan-teny ireny eo amin'ny fiainantsika amin'izao fotoana izao. Izany no nataon'i Jesôsy tamin'ireo mpanara-dia Azy, araka ireo andininy etsy ambony. Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana raha i Jesôsy mihitsy no manazava ny andalan-tenin'ny Baiboly aminao!

Nahoana no zava-dehibe ny fianarana ny Baiboly amim-bavaka? Nahoana no manan-danja ihany koa ny fankatoavana ny fampianaran'ny Baiboly?

Vakio ny Asa. 17:16-32. Mizara ny vaovao mahafaly amin'ireo olona hafa kolontsaina, dia ireo Grika i Paoly. Ahoana no hanampian'ny kolontsaina samy hafa antsika hanapa-kevitra ny amin'izay zava-manan-danja?

Manampy amin'ny fahatakarana ny sasany amin'ireo andalan-tenin'ny Baiboly ny fahafantarana ny kolontsaina any Proche-Orient. Indro misy anankiray amin'izany: "amin'ny kolontsaina hebreo dia tompon'andraikitra amin'ny ratsy izay navelany hiseho ny olona iray na tsy izy aza no nanao izany. Izany no mahatonga ireo mpanoratra ny Baiboly hiteny matetika fa Andriamanitra no manao ny zavatra izay tsy nosakanany tsy hitranga. Ohatra amin'izany ny hamafin'ny fon'i Farao.' - MBS, fizarana 4, nasiam-panamboarana.

Mitarika fanontaniana manan-danja mikasika ny fomba famakiantsika sy fanazavantsika ny Baiboly koa ny kolontsaina. Moa ve natao ho an'ireo oIona miaina ao anatin'ny kolontsaina nanoratana izany ihany ny hevitry ny Baiboly? Sa manana heviny ho an'ny olombelona rehetra ny hafatr'Andriamanitra? Inona no mitranga raha toa ny fanandraman'ny olona iray momba ny kolontsaina no manjary fizahan-toetra na fitsipika hanapahantsika hevitra ny amin'izay ambaran'ny Baiboly?

Misy fomba fijery mahaliana asehon'ny apôstôly Paoly ao amin'ny Asa. 17:26, mikasika ny toe-javatra iray izay matetika no tsy voadiniky ny olona rehefa mamaky io andalan-teny io. Ambarany fa avy amin'ny olona iray ihany no nanaovana ny olona rehetra eto ambonin'ny tany. Na dia eo aza ny fahasamihafana eo amin'ny kolontsaintsika, dia misy ny zavatra ambaran'ny Baiboly fa mampiray ny olombelona rehetra eo anatrehan'izany, satria Andriamanitra no Mpamorona ny olombelona rehetra. Tsy voafetra ho an'ny kolontsaina iray ihany ny maha-mpanota antsika sy ny filantsika famonjena. Samy mila ny famonjena izay natolotra tamin'ny nahafatesan'i Jesôsy Kristy sy ny nitsanganany tamin'ny maty isika rehetra.

Na dia niteny tamina taranaka manokana aza Andriamanitra, dia hitantsika fa takatry ny taranaka aty aoriana izay mamaky ny Teniny hoe mihoatra lavitra ny faritra sy ny toe-javatra voafetra izay nanoratana ireny lahatsoratra ireny ny fahamarinana ambarany.

Tahaka izany koa ny amin'ny alijebra (fizarana iray amin'ny kajy). Tamin'ny taona 900 TlK no namoronana izany tany Baghdad ; midika ve izany fa ny fitsipiky ny alijebra sy ny fahamarinany dia voafetra ho an'izany fotoana izany ihany sy io toerana io? Mazava loatra fa tsy izany. Tahaka izany koa ny amin'ny Tenin'Andriamanitra, dia ny Baiboly. Fotoana efa taloha be sy kolontsaina samy hafa amin'ny antsika amin'izao fotoana izao no nanoratana izany, kanefa manan-danja ho antsika ankehitriny ny fahamarinana ao anatiny tahaka ny lanjany tamin'ny fotoana vao nanoratana azy ihany.

Vakio ny Jao. 9:39-41 sy ny Jao. 12:42,43. Inona no manakana ireo olona voalaza ao amin'ireo andininy ireo tsy handray ny fahamarinan'ny Baiboly? Inona ny fampitandremana ho antsika ao amin'ireo tantara ireo?

Mora ho antsika ny tsy ho tia ireo mpitarika ara-pivavahana izay tsy nanaiky an'i Jesôsy  na dia teo aza ireo porofo marobe izay naneho ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy. Tokony hitandrina anefa isika andrao mikolokolo toe-tsaina tahaka izany koa eo anatrehan'ny Teniny.

Nanova ny fontsika tokoa ny fahotana, nampanalavitra antsika tamin'Andriamanitra. Nanova ireo lafim-piainantsika rehetra izany, ary nanova ny fomba fahitantsika sy ny fanazavantsika ny Baiboly. Niantraika tamin'ny fisainantsika sy ny eritreritsika izany ka nanjary nikatona tsy hidiran'ny fahamarinan'Andriamanitra ireo. Manjary ratsy ny fisainantsika, feno avonavona sy fisalasalana ny fo sy ny saina, manjary mandainga isika ary manalavitra an'Andriamanitra sy ny hafa; dikaintsika koa ny lalàn'Andriamanitra.

Manandratra ny tenany ho ambony noho Andriamanitra sy ny Teniny ny olona iray feno avonavona. Ny avonavona mantsy dia mahatonga ny olona hanindrahindra ny fisainan'olombelona ho mpitsara fara tampony ny fahamarinana, na dia ireo fahamarinana hita ao amin'ny Baiboly aza. Mampihena ny fahefan'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina izany toe-tsaina izany.

Manana fironana tsy hihaino afa-tsy ny hevitra izay manintona azy ny olona sasany, na dia mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra efa nambarany aza izany. Mampitandrina antsika ny amin'ny loza ateraky ny famitahan-tena Andriamanitra (Apôk. 3:17). Mahatonga ny fisalasalana hitombo ao am-pontsika ny fahotana ka manjary tsy mino ny Tenin'Andriamanitra isika. Tsy hahazo antoka ny amin'ny fahamarinana mihitsy isika rehefa manomboka misalasala ny amin'ny Tenin'Andriamanitra. Mametraka ny tenany ho mpitsara mantsy ny olona manao izany, ka manapa-kevitra ny amin'izay azo ekena sy tsy azo ekena ao amin'ny Baiboly, kanefa loza lehibe mananontanona antsika izany.

Ahoana ary ny fomba tokony hamakiantsika sy hanazavantsika ny Baiboly? Fo tsy misy avonavona no tokony hanatonantsika ny Baiboly. Tokony hampilefitra ny saintsika eo amin'Andriamanitra isika, ary tsy tokony hijery zavatra hisalasalana sy hotsikeraina ao amin'ny Baiboly. Mampiodina ny fontsika hiala amin'Andriamanitra ny avonavona sy ny famitahan-tena ary ny fisalasalana, ka manjary tsy te hankato Azy isika.

Efa nisy fotoana ve nanoheranao ny fahamarinan'ny Baiboly? Izany hoe, nasehon'ny Baiboly anao ny zavatra tokony hatao kanefa zavatra hafa no tianao hatao tamin'izany? Inona no nitranga? Inona ny lesona nosintoninao avy amin'izany fanandramana izany?

 

Vakio ny Neh. 8:1-3, 8. Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny fahatakarana mazava ny Soratra Masina, tsy ho an'ny tsirairay ihany fa amin'ny maha-fiangonana antsika?

Mikasika ny famonjena sy ny fomba amonjena antsika no fanontaniana manan-danja indrindra ao amin'ny Baiboly. Inona moa no fanantenana ananantsika raha tsy eo ny fahafantarana izany? Inona moa no soa azontsika, araka izay nambaran'i Jesôsy, raha toa azontsika izay rehetra omen'izao tontolo izao kanefa very ny fanahintsika (Mat. 16:26)?

Tokony hahatakatra mazava ny amin'ny drafitr'Andriarnanitra hamonjena antsika isika, araka izany. Raha amin'ny fomba diso no hanazavantsika ny Baiboly dia azo antoka ny hinoantsika hevi-diso, ary tsy ny drafi-pamonjen'Andriamanitra ihany no voakasik'izany. Ho hevi-diso avokoa no inoantsika mikasika ny zavatra rehetra ampianarin'ny Baiboly. Na ireo apôstôly aza dia tsy afa-niala tamin'izany olana izany. Fampianaran-diso marobe no niditra tao amin'ny fiangonana tamin'ny andron'izy ireo; naorin'ny mpampianatra sandoka teo ambony fanazavana diso mikasika ny Baiboly ireny fampianaran-diso ireny.

Vakio ny 2 Pet. 3:15,16. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana marina ny Baiboly?

Raha te hivelona araka ny Baiboly, dia ny Baiboly irery ihany isika, dia zava-dehibe ny safidy ataontsika ny amin'ny fanazavana ny Baiboly. Tsy mamela olon-kafa na koa zavatra hafa hanazava izany ho antsika isika; tsy miankina amin'ny fomban-drazana na koa ny fomba nanaovana zavatra tamin'ny lasa, tsy miankina amin'ny mpitarika fivavahana fa ny Baiboly ihany no avelantsika hanambara izay tokony hinoantsika sy izay tokony ho fomba fiainantsika. Izany no maha-zava-dehibe ny hananantsika fahatakarana marina ny Baiboly.

Raha tsy takatra araka ny tokony ho izy ny Baiboly dia tsy hanana hevitra hanohanana ny fampianarantsika isika ary tsy ho salama ny fiangonana. Tsy hiray fo isika ary tsy hitambatra ao amin'ny asa ataontsika ho an'Andriamanitra amin'ny maha-fiangonana antsika. Manana hafatra natao hampitaina amin'ny olon-drehetra eto ambonin'ny tany anefa isika, ka tsy tokony ho sahiran-kevitra ny amin'ny tian'izany hafatra izany hambara. Raha toa isika tsy mahazo antoka ny amin'izany, ahoana moa no hizarantsika izany amim-pahombiazana amin'ireo izay mila mandre izany?

Vakio ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6-12. Inona ny lohahevitra ara-teôIôjia eto, ary nahoana no zava-dehibe ny fahatakarana izany araka ny tokony ho izy eo anatrehan'ny iraka ampanaovina antsika?

Vakio ny "Inona no hatao amin'ny fisalasalana?", ao amin'ny DHK trt. 120-129. Vakio koa ny MBS, tizarana 1: "Bible study: Presuppositions, Principles, and methods", fizarana 2: "Presuppositions arising from the claims of Scripture", ary ny flzarana 3: "Principles for approaching the interpretation of Scripture." (Azo jerena ao amin'ny www.adventistbiblicalresfflarch.orgimaterialsibible-inte/Mtation-hermeneuficsimethods-bible-study ny fomba fandinihana ny Baiboly),

"Aoka hoesorina ny hevitry ny tena rehefa mandinika ny Baiboly. Tsy hahita ny tena fahamarinana velively arnin'ny fitompoanao arnin'ny hevitrao ianao. Ario eo am-baravarana izany ka henoy amin'ny bitsiky ny Fanahy Andriamanitra miteny aminao. Manome fahalalana ho an'ny mpikaroka manetry tena sy rnipetraka eo an-tongotr'i Kristy mba handray ny fahamarinana ny Tenin'Andriamanitra. Hoy i Kristy amin'izay manao izany amin'ny fahendreny: raha te ho hendry ianareo dia aoka ho malemy fanahy sy hanana fo mietry.

Aoka tsy handray ny teny amin'ny fihetseham-ponao taloha, tsy hanao petra-kevitra fa halalino amin'ny fitandremana sy amin'ny vavaka izany. Raha eo am-pamakiana no rnisy faharesen-dahatra izay tsy mirindra arnin'ny Baiboly, dia aoka tsy hanao izay hanohanan'ny Tenin'Andriamanitra ny hevitrao akory ianao. Aoka ny hevitrao no hanohana ny teny. Aza manaiky hotarihin'ny eritreritrao sy ny fahazaranao. Jereo ny fahatsaran'ny lalàna ka fantaro izay voasoratra ary ampitoero eo amin'ny vatolampy ny tongotrao" HT, tt. 135-136.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Misy fiantraikany eo amininy fihevitsika mikasika ny Baiboly ny fomba fijerintsika ny fiainana, ny fanabeazana noraisintsika, ny kolontsaintsika ary ny fomba fiainantsika? Amin'ny fomba ahoana? Nahoana no Ilaintsika ny rnahatsapa ny fomba ifehezan'ireo zavatra Ireo ny finoantsika mornba ny Baiboly?
2. Inona no nataon'ny fahotana tamintsika ka mahatonga antsika tsy hahatakatra ny Balboly? Andeha atao hoe maniry ny hanao zavatra Iray izay ambaran'ny Baiboly fa tsy tokony hatao isika. Amin'ny fomba ahoana no hItaoman'izany ota izany antsika hamaky sy hanakatra ny Baiboly amin'ny fomba diso?
3. Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny andalan-teny sasany ao amin'ny Soratra Masina ny fahatakarana Ireo vanim-potoana samihafa tamin'ny andron'ny Balboly? Amin'ny fomba ahoana? Manomeza ohatra amin'izany.