Lesona 1: Ny mampiavaka ny Baiboly

Hodinihina mandritra ny herinandro: Deo. 32:45-47; Amô. 7:14; Gen. 49:8-12; 1 Kor. 15:3-5, 51-55.
Tsianjery: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao" - Sal. 119:105.

MIAVAKA TOKOA NY BAIBOLY, izay ahitana boky 66 nosoratan'ny mpanoratra maherin'ny 40, nandritra ny 1500 taona tao amin'ny kaontinanta telo (Afrika, I Mosesy Azia ary Eororopa). Tsy misy boky masina na boky ara- pivavahana hafa mitovy aminy, ary tsy mahagaga satria Tenin'Andriamanitra izany. 

Fantatrao ve fa boky sora-tanana maherin'ny 24.600 no mandrafitra ny TV? Betsaka tokoa izany! Nosoratana tao anatin'ny 400 taona taorian'ny niakaran'i Jesôsy tany an-danitra izany. Nandritra izany vanim-potoana izany dia 7 ny asasoratr'i Platon, manam-pahaizana grika velona tamin'ny andron'ny TV ary 8 ny an'i Herodote, izay mpanoratra grika nanoratra mikasika ny tantara tamin'ny andron'ny TT. Araka izany, manana porofo mahery vaika isika izay manamafy ny fahamarinan'ny lahatsoratry ny TV. 

Ny Baiboly no boky voalohany nosoratana tamin'ny fiteny maro samy hafa. Amin'izao fa toana izao dia eo arnin'ny 95 isanjaton'ny mponina maneran-tany no afaka mamaky izany. Samy hafa amin'ny boky rehetra ny Baiboly satria maneho amintsika izay nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa mba hamonjena ny olombelona ho afaka amin'ny fahotana. Maneho koa ny drafiny ho an'ny olombelona amin'ny hoavy sy ny fanjakany mandrakizay izany. Feno ny Fanahin'Andriamanitra ny Baiboly, dia ilay Fanahy izay nanampy ny olombelona hanoratra izany (2 Tim. 3:16,17) sy manampy antsika hahatakatra ny fahamarinana raketiny (Jao. 14:16,17; Jao. 15:26; Jao. 16:13). 

Ny teny farany ataon'ny olona iray matetika no teny manan-danja indrindra amin'izay nolazainy. Hitantsika izany hevitra manan-danja izany ao amin'ny asasoratr'i Mosesy. Nanao hira ho an'ny vahoakan'Andriamanitra izy mialoha ny hahafatesany (Deo. 31:30--32:43).

Vakio ny hiran'i Mosesy ao amin`ny Deo. 32:45-47. Efa hiditra ao amin'ny tany nampanantenaina ny vahoaka hebreo tamin'io fotoana io. Inona no nambaran'i Mosesy tamin'izy ireo momba ny Baiboly sy ny heriny manova fiainana? 

Manan-danja tokoa ny teny farany nataon'i Mosesy raha nananatra ny vahoakan'Andriamanitra izy. Nilaza tamin'ireo Hebreo izy mba hanaraka ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fony manontolo sy hanaraka ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainany. Nasainy nampianatra ny Tenin'Andriamanitra amin'ny taranany koa izy ireo, mba hahatonga ny zanaka tsirairay hitombo amin'ny fahafantarana ny drafitr'Andriamanitra hamonjena ny olony. Mariho fa tsy nasaina nifidy izay teny tiany harahina izy ireo fa nasaina nitandrina na nankatò "ny teny rehetra amin'ity lalàna ity" - Deo. 32:46.

Hanana vahoaka hitoetra ho mahatoky amin'ny Soratra Masina rehetra Andriamanitra amin'ny fiafaran'ny tantaran'ny tany, izany hoe olona mitandrina ny didiny sy manana finoana an'i Jesôsy (Apôk. 12:17). Hitoetra ho mahatoky amin'ny fampianaran'ny Baiboly ireo vahoaka ireo, satria sady miantoka fiainana tsara kokoa eto an-tany izany no miantoka ny fiafarana mandrakizay any amin'ny fonenana izay omanin'i Jesôsy ho antsika (Jao. 14:1-3).

Vakio ny Jao. 1:1-5, 14 sy ny Jao. 14:6. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika mikasika an'i Jesôsy sy ny fiainana mandrakizay? Tonga olombelona i Jesôsy  ka nonina tety an-tany, ahoana no anehoan'izany fahamarinana ara-Baiboly izany fa azontsika itokiana izay ambaran'ny Baiboly antsika?

I Jesôsy no votoatin'ny Soratra Masina rehetra sy antom-pisiany. Fahatanterahan'ireo teny fikasana tao amin'ny TT ny nahatongavany ho nofo amin'ny maha-Mesia Azy. Tsy ny antoka ny amin'ny fahamarinan'ny Soratra Masina ihany no azontsika amin'ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny nitsanganany tamin'ny maty, fa ny tsara kokoa noho izany dia ny fampanantenana lehibe ny amin'ny fiainana mandrakizay ao anatin'ny fiainana vaovao tanteraka. 

Olona samy hafa avy amin'ny toerana samy hafa no nanoratra ny Baiboly. Maneho amintsika izany fa tian'Andriamanitra hikasika olona maro samy hafa araka izay tratra ny fahamarinan'ny Baiboly.

Vakio ny Eks. 2:10; Amô. 7:14; Jer. 1:1-6; Dan. 6:1-5; Mat. 9:9; Fil. 3:3-6 ary ny Apôk. 1:9. Inona no asehon'ireo andininy ireo amintsika momba ireo mpanoratra ny Baiboly?

Olona avy amina sehatra samy hafa sy toe-javatra isan-karazany no nanoratra ny Baiboly. Ny sasany tamin'izy ireo tany an-dapa, ny sasany kosa nanoratra tany an-tranomaizina, tany an-tsesitany, ary ny hafa indray nanoratra nandritra ny dia misionera nataony ho fizarana ny filazantsara. Samy nanana ny fanabeazana azony sy ny asany avy ireny lehilahy ireny. Ny sasany, tahaka an'i Mosesy dia nobeazina ho tonga mpanjaka; i Daniela indray natao hanompo amin'ny toerana manana ny maha-izy azy. Ny hafa kosa mpiandry ondry tso-piaina. 'Tanora dia tanora ny sasany tamin'izy ireo ary ny hafa indray efa zokiolona. Na dia eo aza izany fahasamihafana izany dia misy zavatra iray iraisan'izy ireo: samy nantsoin'Andriamanitra izy ireo any nahazo tsindrirnandry avy tamin'ny Fanahy Masina mba hanoratra hafatra ho an'ny vahoakany velona amin'ny vanim-potoana rehetra sy amin'ny fotoana rehetra.

Nanatri-maso ny toe-javatra nosoratany ny sasany tamin'ireo mpanoratra ireo. Ny sasany kosa nandalina ny asasoratr'ireo mpanoratra hafa ao amin'ny Baiboly (Jos. 10:13; Lio. 1:1-3). Avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra avokoa anefa ny ampahany rehetra ao amin'ny Baiboly (2 Tim. 3:16). izany no antony nanambaran'i Paoly hoe: "Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina" - Rom. 15:4.

"Tian'Andriamanitra ny hampita ny fahamarinany amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny olombelona. Izy mihitsy, tamin'ny alalan'ny Fanahiny Masina, no nifidy olona sy nanome fahaiza-manao ho azy ireo hanaovany ny asany. Nitari-dalana ny sain'izy ireo Izy ka naneho taminy izay hosoratana sy hambara. Nametrahany fitokiana hitondra ny hafany ireo olona ireo, hafatra toy ny raki-tsarobidy avy any an-danitra kanefa nosoratan'ny olombelona ety an-tany." - SIM, b. I, t. 26, nasiam-panamboarana. 

Miavaka amin'ny boky ara-pivavahana hafa rehetra ny Baiboly satria ny telopolo isanjaton'izany dia faminaniana. Asehon'ny Baiboly amintsika ny fomba fidiran'Andriamanitra an-tsehatra eo amin'ny tantara mba hamonjena ny olony. Mahalala ny hoavy Andriamanitra, ary efa nasehony mialoha tamin'ny mpaminaniny ny zavatra hoavy (Amô. 3:7). Tsy hoe Tenin'Andriamanitra velona na Teny mirakitra tantara fotsiny izany, fa teny faminaniana ihany koa. 

Ahoana ny fomba anehoan'ireto andininy ireto ny tsipiriany mikasika ilay Mesia ho avy? 

Gen. 49:8-12:...................................................................................................................................................................................

Sal. 22:12-18: .................................................................................................................................................................................

Isa. 53:3-7: ......................................................................................................................................................................................

Dan. 9:2-27: ....................................................................................................................................................................................

Mika 5:1: .........................................................................................................................................................................................

Mal. 3:1: ..........................................................................................................................................................................................

Zak. 9:9.........................................................................................................................................................................................

65 fara fahakeliny ireo faminaniana mikasika ny fiavian'ny Mesia ao amin'ny TT; marina ny fampahalalana omen'ireo faminaniana ireo antsika. Izao no ambaran'ny Gen. 49:10: "Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tortgony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena". Ny Mika 5:1 indray dia milaza fa any Betlehema any Jodia no hahaterahan'ny Mpamonjy. Asehon'ny Isa. 53:3-7 antsika fa holavin'ny olona ny Mpamonjy, hankahala Azy ireo ka hikapoka Azy ary hilaza lainga momba Azy, kanefa Izy tsy hiteny na hanao na inona na inona mba hiarovana ny tenany. Ambaran'ny Sal. 22:12-18 fa hofantsihana ny tongotra aman-tanany ary hozarain'izy ireo ny fitafiany. 

Tanteraka araka izay nampanantenain'ny Baiboly tokoa ireo faminanian'ny TT ireo, izay milaza fa avy amin'Andriamanitra tokoa izany faminaniana izany. Maneho koa izany fa tsy diso izay nambaran'i Jesôsy  momba ny tenany sy izay nambaran'ny hafa momba Azy. Azontsika itokiana, araka izany, ny Baiboly izay Tenin'Andriamanitra. 

Manokana kokoa noho ireo boky "masina" rehetra ny Baiboly noho izy mirakitra ny tantaran'ny olombelona. Midika izany fa tsy fiheverana ara-pilozofia tsotra an'olombelona (tahaka an'i Conficius na Bouddha) ny Baiboly fa mirakitra ny asa nataon'Andriamanitra teo amin'ny tantara. Maneho ny drafitr'Andriamanitra hatrizay ho famonjena ny olony ny Baiboly. Inona avy ny ampahany amin'izany? (1) Nanome toky Izy ny handefa Mpamonjy ho an'ny olony. (2) Nampanantena Izy fa ho avy indray io Mpamonjy io ka handray ny olony ho any an-danitra. 

Vakio ny 1 Kôr. 15:3-5, 51-55; Rôm. 8:11 ary ny 1 Tes. 4:14. Milaza inona amintsika ireo andininy ireo mamba ny fitsanganan'i Jesôsy amin'ny maty? Inona no fanantenana atolotr'izany ho antsika manokana? 

Nanambara tamintsika i Paoly sy ireo mpanoratra ny boky efatra voalohany ao amin'ny TV fa maty i Jesôsy, nalevina, nitsangana tamin'ny maty ary niseho tamin'olona samy hafa. Vavolombelona maro no nametraka Azy tao am-pasana, taorian'izay dia hitan'izy ireo fa foana ny fasana. Vavolombelona maro no nikasika Azy, niara-nisakafo taminy. Nahita Azy i Maria Magdalena sy i Maria reniny ary ireo vehivavy hafa rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy. Nisy mpianatra tafaresaka taminy raha teny an-dalana ho any Emaosy izy ireo. Niseho tamin'izy ireo i Jesôsy  mba hilaza ny iraka lehibe ho fitoriana ny filazantsara. Izao no nambaran'i Paoly: "ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” - 1 Mr. 15:14. Nadika hoe "very maina" ny teny hoe "foana" amin'ny dikan-teny hafa (1 Kor. 15:14, DIEM). Izao no nambaran'ny mpianatra: "Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo" - Lio. 24:34. Midika hoe "azo antoka" ny teny hoe "marina tokoa", avy amin'ny teny grika hoe "ontoe izany, izay maneho fa tena nitranga tokoa ny toe-javatra iray. Nijoro ho vavolombelona ny mpianatra fa "efa nitsangana (...) ny Tompo ". -

I Jesôsy  dia "porofo" maneho fa hitsangana amin'ny maty ireo izay nodimandry (1 Kor. 15:20). Ny toe-javatra teo amin'ny tantara izay nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty sy ny maha-velona Azy amin'izao fotoana izao dia antoka ho antsika fa hitsangana tahaka izay nitsanganany koa isika. Ho velona [indray] ao amin'i Kristy ny marina rehetra (1 Kôr. 15:22). Maneho ny asa hataon'Andriamanitra amin'ny hoavy ho an'ny olony izany teny izany, rehefa hatsangana "amin'ny fihaviany" "izay an'i Kristy" (1 Kôr.15:23), "rehefa maneno ny trompetra farany” (1 Kor. 15:52),

Vakio ny 2 Mpanj. 22:3-20, nahoana i Josia mpanjaka no nandriatra ny fitafiany? Inona ny zavatra hitan'ny mpanjaka ka nanova ny fiainany sy ny an'ny firenen'i Joda iray manontolo?

Hitan'i Hilkia mpisoronabe ny "bokin'ny lalàna (...) tao an-tranon'i Jehovah" (2 Mpanj. 22:8), tamin'ny taona 621 TlK. Azo heverina fa ireo boky dimy voalohany nosoratan'i Mosesy izany, na mety ho ny Deoterônômia  irery ihany no hitany. I Josia no mpanjaka tamin'izany fotoana izany; teo amin'ny faha-25 taonany izy. Nandritra ny fotoana nanjakan'i Manase, mpanjaka ratsy fanahyraiben'i Josia, no nahavery izany boky izany. Nanompo an'i Bala sy Aseraha ary ireo andriamanitra hafa mantsy izy sy i Amona zanany izay nanjaka nandimby azy (2 Mpanj. 21:3-9). Rehefa nahare ireo fepetran'ny fanekena i Josia dia nandriatra ny fitafiany tamin'alahelo satria tsapany fa efa niala lavitra ny fiankohofana amin'ilay Andriamanitra marina izy sy ny vahoakany. Avy hatrany dia nanomboka fanavaozana manerana ny taniny izy, ka nandrodana ireo fitoerana avo sy nanimba ny sarin'ireo andriamanitry ny hafa firenena. Toerana iray ihany no sisa nanaovana fiankohofana tany Joda taorian'izany, dia ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema. Mitarika ho amin'ny faharesen-dahatra sy ny fibebahana ary ny hery mitondra fiovana ny fahafantarana ny Tenin'Andriamanitra. Nanomboka tamin'i Josia izany fiovana izany ary niparitaka teo amin'ireo rehetra tao Joda. 

Ahoana no anomezan'ny Baiboly antoka ho antsika fa ananany hery manova fiainana ary asehony koa ny lalana mitondra famonjena? Vakio ny Jao. 16:13; Jao. 17:17; Heb. 4:12 ary ny Rôm. 12:2.

Iray amin'ireo porofo mahery vaika maneho ny herin'ny Baiboly ny fiainan'ny olona iray izay voaovany. Asehony antsika ny fahotantsika sy ny filantsika Mpamonjy. 

Tsy misy boky tahaka ny Baiboly, fa Tenin'Andriamanitra "velona" izany. Ahitana (1) tantara ny Baiboly, ahitana koa (2) faminaniana ary manana (3) hery mahay manova fiainana. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fanehoany an'i Jesôsy amintsika. Nanome toky i Jesôsy fa haniraka ny Fanahiny hitari-dalana antsika "ho amin'ny marina rehetra" - Jao. 16:13. Fahamarinan'Andriamanitra ny Baiboly, izay mampianatra antsika ireo fitsipika manampy amin'ny fahatakarana ny hafatra entiny. Amin'ny fandalinana ny Baiboly no hahafahantsika mianatra ireo fitsipika ireo, ary tokony hianarantsika koa ny fomba namelan'ny mpanoratra ny Soratra Masina hanazava ny tenany ihany. 

Vakio ny "Fiarovana azo antoka", toko 37 ao amin'ny HM, sy ny "Aza malahelo ny fonareo", toko 73 ao amin'ny IFM. 

"Nankinin'Andriamanitra tamin'ny olona, ao amin'ny teniny, ny fahalalana ilaina ho amin'ny famonjena. Tokony ekena ho fanambarana manam-pahefana, tsy mety diso momba ny sitrapony ny Soratra Masina. Fanevan'ny toetra amam-panahy izany, mpanambara ny foto-pinoana ary mpisedra ny fanandramana." - HM, t. 11. 

Maro ny olona maty noho ny fihazonana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fitoerana ho mahatoky aminy. Anisan'izy ireny ny dokotera Rowland Taylor, izay pasitora tany Hadley, Angletera. Nanohitra ny fampianarana sy ny foto-pinoana katolika izy nandritra ny fotoana nanjakan'ny mpanjakavavy nantsoina hoe "Marie la Sanglante" (i Maria ilay mpandatsa-dra). Noroahina tao amin'ny fiangonana ny dokotera Taylor, noharabirabin'ny olona izy vokatry ny fankatoavany ny Baiboly. Nanatona ny evekan'i Winchester izy, izay iray tamin'ireo mpitarika fara tampony teo amin'ny fiangonana tany Angletera. Nalefan'io eveka io tany am-ponja anefa ingahy Taylor, ary namoahany didy fa hodorana velona. Maty tamin'ny taona 1555 ingahy Taylor. Izao no teny nataony mialoha ny hahafatesany: "Ry olona tsara! Tsy nampianatra anareo afa-tsy ny Teny marina aho, ary ireny lesona ireny dia nalaiko tao amin'ny boky masin'Andriamanitra, dia ny Baiboly. Tonga eto aho anio hanasonia izany amin'ny rako." - NFB, naverin'i Harold J. Chadwick nosoratana sy natonta (North Brunswick, NJ: Bridge-Logos Publishers, 1997), t. 193. Namerina ny Sal. 51 ny dokotera Taylor rnialoha ny nandrehetana ny afo nandoroa_na sy nahafaty azy. 

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra: 

1. Ahoana ny fomba anehoan'ny faminaniana amintsika ny maha-avy amin'Andriamanitra ny Baiboly? Ahoana no hampitomboan'izany ny finoantsika mba hatanjaka kokoa?

2. Nahoana no miezinezina ny porofo maneho ny maha-Mesia an'i Jesôsy ? 

3. Naneho finoana tsy azo hozongozonina teo anatrehan'ny maha-azo itokiana ny Soratra Masina sy ny fananan'izany fahefana avy amin'Andriamanitra i Jesôsy sy ireo apôstôly. Impiry moa i Jesôsy no niresaka ny amin'ny Baiboly sy nilaza fa ho tanteraka ny teny voalaza ao? (vakio ny Mat. 26:54,56; Mar. 14:49; Lio. 4:21; Jao. 13:18 ary ny Jao. 17:12). Raha i Jesôsy aza nanana finoana matanjaka teo anatrehan'ny Baiboly, ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anatrehan'izany?