Telovolana 2 : Ny fomba hahatakarana ny Soratra Masina
Il n'y a aucun article dans cette catégorie. Si des sous-catégories sont affichées sur cette page, elles peuvent contenir des articles.
Sous-catégories
Lesona 1: Ny mampiavaka ny Baiboly
Hodinihina mandritra ny herinandro: Deo. 32:45-47; Amô. 7:14; Gen. 49:8-12; 1 Kor. 15:3-5, 51-55.
Tsianjery: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao" - Sal. 119:105.
Lesona 2: Ny niavian’ny Baiboly sy ny toetoetrany
Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 1:19-21; 2 Tim. 3:16; Eks. 34:27; Lio. 1:14; Heb. 11:3,6.
Tsianjery: "Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa." - 1 Tes. 2:13.
Lesona 3: Ny fomba fijerin’i Jesôsy sy ny Apôstoly ny Baiboly
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 4:1-11; Mat. 5:17-20; Lio. 24:13-15, 44; Mat. 12:3,4; Gal. 3:8.
Tsianjery: "Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra." - Mat. 4:4.
Lesona 4: Ny Baiboly, fototra iorenan’ny fampianarantsika
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 7:1-13; Rôm. 2:4; 1 Jao. 2:15-17; 2 Kôr 10:5,6; Jao. 5:46,47.
Tsianiery: "Ho amin'ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina." - Isa. 8:20.
Lesona 5: Ny Soratra Masina irery ihany
Hodinihana mandritry ny herinandro: 1 Kôr 4:1-6; Tit. .2:9; Mat. 21:42; Lio. 24:44,45; Isa. 8:20.
Tsianjery: "Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay rnamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo."- Heb. 4:12,
Lesona 6: Nahoana no ilaina ny fanazavana ny Baiboly?
Hodinihana mandritry ny herinandro: Lio. 24:36; Jao. 1:41; Asa. 17:16-32; Jao. 9:39-41; Neh. 8:1-3,8.
Tsianjery: "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy." - Heb. 11:6.
Lesona 7: Fomba fiteny, andalan-teny ary tontolon-kevitra
Hodinihina mandritra ny herinandro : 2 Tim. 3:16,17; Deot.32:46,47; 1 Mpanj.3:6; Gen. 1:26,27; Gen. 2:7; Gen. 15:1-5.
Tsianjery: "Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehôvah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao." - Deo. 31:26.
Lesona 8: Rehefa nanao ny lanitra Andriamanitra : Ny Genesisy sy ny fahamarinana ara-Baiboly , Fizarana 1
Hodinihina mandritra ny herinandro : Gen. 1:1; Gen. 1:3-5; Gen. 2:1-3; Gen. 1:26-28; Gen. 1:31.
Tsianjery: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia Iray aza. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona." - Jao. 1:1-4.
Lesona 9: Rehefa nanao ny tany Andriamanitra : Ny Genesisy sy ny fahamarinana ara-Baiboly. Fizarana 2
Hodinihina mandritra ny herinandro : Apôk. 7:1;Apôk. 20:7,8; Gen. 1:1-31; 2:1-4; Gen. 5; Gen. 11.
Tsianjery: "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tanany," - Sal. 19:1.
Lesona 10: Ny Baiboly amin’ny maha-tantara azy
Hodinihina mandritra ny herinandro : 1Sam. 17; Isa. 36:1-3; Dan. 1; Dan. 5; Mat. 26:57-67; Heb. 11:1-40.
Tsianjery: "Izaho no Jehôvah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta." - Eks. 20:2
Lesona 11: Ny Baiboly sy ny faminaniana
Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 2: 27-45; Nom. 14:34; Dan. 7:1-25; Dan. 8:14; 1 Kôr. 10:1-13.
Tsianjery: "Ary hoy izy tamiko: Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina." -
Lesona 12: Ny fomba fianarana ireo andalan-teny saro-takarina
Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Tim. 2:10-15; 1 Tant. 29:17; Jak. 4:6-10; Gal. 6:9; Asa. 17:11.
Tsianjery: "Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany." - 2 Pet. 3:15,16.
Lesona 13: Mivelona ny tenin’Andriamanitra
Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 2:12-16; Lio. 4:4-8, 10-12; Jao. 5:45-47; Mat. 3:2,8; Sal. 119:11.
Tsianjery: "Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo." - Jak. 1:22,