Lesona 13: Avy amin’ny vovoka ho amin’ny kintana

Hodinihina mandritra ity herinandro ity : Dan. 12; Rom. 8:34; Heb. 7:25; Rom. 8:18; Heb. 2:14,15; Jao. 14:29. 

Tsianjery : "Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay  mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria" - Dan. 12:3.

 

Manomboka amin'ny fanafihan'i Nebokadnezara an'ny Joda sy fitondrana babo maro ho any Babilôna ny bokin'i Daniela, ary mifarana amin'ny fitsanganan'i Mikaela hanafaka ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny tanan'i Babilônan'ny andro farany. Asehon'ny bokin'i Daniela iray manontolo amintsika fa manatanteraka ny zava-drehetra ho an'ny vahoakany Andriamanitra amin'ny andro farany.

Araka ny hitantsika, nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra i Daniela sy ireo namany, ary naneho fahendrena sy finoana an'Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra. Tahaka izany koa no hanehoan'ireo vahoakan'Andriamanitra ny finoany amin'ny andro farany, ka hitoerany ho mahatoky amin'Andriamanitra mandritra ny "andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena" - Dan. 12:1. Hanana ny fahendrena sy ny fahalalana tahaka ny an'i Daniela sy ireo namany tany Babilôna ny vahoakan'Andriamanitra amin'izany andro izany. Hitarika ny hafa ho eo amin'Andriamanitra izy ireo, ary haneho aminy ny fomba fiaina feno fahamasinana. Ho faty na hovonoina ny sasany amin'izy ireo, ka hiverina ho vovoka, saingy hatsangana amin'ny maty ho amin'ny fiainana mandrakizay. Araka ny arnbaran'ny andalan-tenin'ny Baiboly hoe: "Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay" - Dan. 12:2.

Vakio ny amin'ny andro farany ao amin'ny Dan. 12:1. Iza no hanova ny tantaran'ny tany amin'ny andro farany? Ahoana no anampian'ny Rom. 8:34 sy ny Heb. 7:25 antsika hahatakatra ny Dan. 12:1?

Nanomboka tamin'ny filazana ny amin'ny mpanapaka manompo andriamani-tsy izy hatrany ny toko tsirairay ao amin'ny bokin'i Daniela. Miresaka momba ny mpanapaka iray koa ny Dan. 12, saingy tsy mitovy amin'izay ao amin'ireo toko hafa; ny andrianan'ny lanitra no mpanapaka voalazan'izay mitsangana mba hanafaka ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny tanan'ny fahavalony. 

Raha manopy maso ny lesona nianarantsika tao amin'ny Dan. 10 isika, dia mahita fa i Mikaela ihany no ilay Olona avy any an-danitra izay hitan'i Daniela teo amin'ny ony Hidekela. Eo no ahitantsika Azy amin'ny maha-mpisolo tena ny vahoakan'Andriamanitra any an-danitra Azy. Hita any amin'ny toko hafa ao amin'ny Daniela. koa Izy, ka antsoina hoe Zanak'olona (Dan. 7), Andrianareny tafika (Dan. 8, DIEM), ary Mesia Andriana (Dan. 9). "Iza no tahaka an'Andriamanitra?" no hevitry ny anarana Mikaela, ary tsy hafa Izy fa i Jesôsy ihany.

Zava-dehibe ny fanamarihana ny fotoana hanampian'i Mikaela ny olony. Araka ny fanambaran'ny Dan. 12:1 dia "amin'izany andro izany" no isehoan'izany. Manondro indrindra ny fotoana voalaza ao amin'ny Dan. 11:40-45 izany fitenenana izany. Fe-potoana izay nanomboka tamin'ny nianjeran'ny fahefana papaly tamin'ny 1798 mandra-pahatonga ny fananganana amin'ny maty amin'ny andro farany izany (Dan. 12:2). Ampahany maha-manan-danja amin'ny asan'i Mikaela no azo sintonina avy amin'ny matoanteny "mitsangana", izay ampiasain'ny Dan. 12:1 hilazana ny asa ataony. 

Voalohany, ny matoanteny "mitsangana" dia maneho ny fitsanganan'ny mpanjaka mba handresy sy hanapaka. Misy hevitra mifandraika amin'ny tafika koa ao anatin'izany matoanteny izany. Maneho izany fa tahaka ny mpitari-tafika miaro ny ninny i Mikaela, ary mitarika azy ireo amin'ny fomba manokana mandritra ireo dingana farany amin'ilay fifanandrinana lehibe. 

Faharoa, maneho ny asan'ny mpisolovava ao amin'ny efitrano fitsarana ny matoanteny "mitsangana". Mitsangana amin'ny maha-Mpisolovava Azy ao amin'ny efitrano fitsarana any an-danitra i Mikaela. Amin'ny maha-Zanak'olona Azy dia tonga eo anatrehan'ny Fahagola Izy mba hisolo vava ny vahoakan'Andriamanitra mandritra ny fitsarana (Dan. 7:9-14). Ny fitsanganan'i Mikaela, araka izany, dia maneho ny lafiny ara-tafika sy ara-pitsarana amin'ny asany. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia nomena hery Izy mba handreseny ireo fahavalon'Andriamanitra ny fahefana mba hisoloany vava ireo vahoakan'Andriamanitra eo amin'ny fitsaran'ny lanitra.

Eritrereto ny lanjan'ny fahafantarana fa mitsangana hiaro antsika i Mikaela hatramin'izao fotoana izao. Inona no fanantenana tokony hoentin'izany ho anao, amin'ny maha-mpanota anao? 

Miresaka momba ireo "hita voasoratra ao amin"ny boky" ny Dan. 12:1. Inona no hevitr'izany? 

Ambara ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy ny fotoana hitsanganan'i Mikaela hiaro ny olony. Mifandraika amin'ny fotoana izay anesorana ny Fanahin'Andriarnanitra amin'ny taranak'olombelona mpikomy izany. Rehefa izay dia handraraka ny loza fito farany, izay maneho ny fahatezerany, eo amin'i Babilonan'ny andro farany Andriamanitra (Apôk. 16; Apôk. 18:20-24). Hifehy tanteraka ireo ratsy fanahy eto an-tany ny herin'ny maizina amin'izay. Izao no nosoratan'i EGW: "Amin'izay i Satana dia handentika ny mponina eto an-tany amin'ny fahoriana lehibe farany. Rehefa hitsahatra tsy hihazona ireo rivotra masiakan'ny filana ambany eo amin'ny olombelona ny anjelin'Andriamanitra, dia hovahana izay rehetra mahatonga ny ady. Firo tratry ny faharavana mahatsiravina noho izay nihatra tamin'i Jerosalema fahiny ny tany manontolo" HM, t. 640. 

Hovonjena kola ny vahoakan'Andriamanitra amin'izany andro izany satria efa nijoro ho Mpisolovava azy ireo i Jesôsy tany amin'ny efitrano fitsaran'ny lanitra. Efa niaro azy tamin'ny fiampangan'i Satana Izy, ary efa namonjy ireo rehetra manana ny anarany voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana.

Inona moa izany boky izany? Misy boky anankiroa any an-danitra. Misy ny anaran'ireo izay an'Andriamanitra ny iray amin'izany, izay antsoina hoe bokin'ny fiainana (Eks. 32:32; Lio. 10:20; Sal. 69:28; Fil. 4:3; Apôk. 17:8).

Miresaka momba ny boky fitadidiana koa ny Baiboly, izay mandrakitra ny asan'ny olombelona (Sal. 56:8; Mal. 3:16; Isa. 65:6). Mampiasa ireo boky ireo Andriamanitra arnin'ny maha-Mpitsara Azy, mba hahitany ny fanoloran-tenan'ny tsirairay tamin'ny Tompony. Ireo no firaketan'ny lanitra, izay misy ny anarana sy ny asa nataon'ny olombelona rehetra. Tsy tian'ny olona sasany ny mieritreritra fa soratany any an-danitra ny anarany sy ny asany. Rehefa manolotra ny fiainantsika ho an'i Jesôsy anefa isika, dia soratany ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarantsika, ary kosehina tsy ho hita amin'ny fitsarana ny asa ratsy vitantsika. Porofo maneho aminizao rehetra izao izany firaketan'ny lanitra izany fa an'i Jesôsy isika, ka rnanan-jo harovana amin'ny androm-pahoriana.

Vakio ny Dan. 12:2,3. Inona ny toe-javatra resahina eto, ary nahoana? Raha misaintsaina ny amin'izay takatsika momba ny fahafatesana isika, moa manan-danja amintsika tokoa izany toe-javatra izany.

Ao amin'ny bokin'i Daniela no ahitana ny iray amin'ireo fanambarana miezinezina indrindra momba ny fitsanganana amin'ny maty ao amin'ny 17. Hitantsika ao amin'ny Dan. 12:2,3 izany. Fahamarinana manan-danja no ampianarin'izany toko sy andininy izany antsika. Voalohany dia miresaka momba ireo izay "matory ao amin'ny vovoky ny tany" - Dan. 12:2 izany. Sary an'ohatra maneho ny fahafatesana ny hoe "matory", izay maneho amintsika fa tsy manana fanahy tsy mety maty ny vatantsika. Fitambaran'ny vatana sy saina ary fanahy tsy azo sarahina ny olombelona. Rehefa maty izy dia tsy mitoetra ho velona tsy akory ny fanahiny. Mitsahatra ny fiainany, ary matory izy mandra-pahatonga ny fitsanganana amin'ny maty, rehefa hamoha ny olony amin'ny fahafatesana Andriamanitra. Faharoa, asehon'ny Dan. 12:2,3 amintsika fa hanova ny vokatry ny fahotana ea amin'ny tenan'ny olona ny fitsanganana amin'ny maty. Izao no voambara ao: "Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifeha". Hitanao ve ny teny nadika hoe "vovoky ny tany"? Amin'ny teny hebreo dia midika hoe "tanim-bovoka" izany. Mampahatsiahy antsika ny Gen. 3:19 izany teny tsy dia fampiasa izany, ilay andalan-tenin'ny Baiboly hany ahitana ny teny hoe "tany" mialoha ny "vovoka". Zava-manan-danja no asehon'izany arnintsika. Fantatsika fa nitondra fahafatesana ho antsika ny nanotan'i Adama, saingy amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany dia tsy hampahory antsika intsony ny fahafatesana. Araka izay nambaran'i Paoly hoe: "Ny fahafatesana noresena ka levona" - 1 Kor. 15:54.

Vakio ny Rôm. 8:18 sy ny Heb. 2:14,15. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny fahafatesana?

Manimba sy mamarana ny zava-drehetra eto, ny fahafatesana, kanefa mampanantena antsika Andriamanitra fa tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny fiainan'ny mpino. Efa noravan'i Jesôsy ny fatoran'ny fahafatesana. Efa natsangana tamin'ny maty Izy ka nivoaka ny fasana, ary tamin'izany no nandreseny ny fahafatesana. Azontsika atao izao ny mijery any an-koatry ny fahafatesana ka mibanjina ny teny fikasan'ny flainana mandrakizay omen'Andriamanitra antsika amin'ny alalany. Koa satria "mitsangana" i Mikaela (jereo ny Dan. 12:1), dia hitsangana koa ireo izay Azy. Hitsangana avy amin'ny "tanim-bovoka" izy ireo mba hamiratra tahaka ny kintana mandrakizay doria. 

Vakio ny Dan. 12:4 sy ny Jao. 14:29. Araka ny asehon'ireo toko sy andininy ireo, nahoana ny bokin'i Daniela no asiana tombokase mandra-pahatonga ny farany?

Nilaza. tamin'i Daniela ilay anjely mba hanisy tombokase ny horonan-taratasy, ao amin'ny famaranana ny fizaran-dehibe manan-danja amin'izany boky izany (Dan. 10:1-12:4). Harovana ho tsiambaratelo mandra-piavian'ny andro farany ny hafatra manokana raketiny. Izao no nambaran'ilay anjely tarninIzany: "Mayo no handinika lalina, ka hitombo be ny tena fahalalana" - Dan. 12:4, DIEM. Inoarfnya sasany amin'ireo mpandinika ny Baiboly fa ny hoavy izay, hahitanhy olona zava-baovao eo amin'ny siansa no tian'ny "tena fahalalana" hambara. Azo ampidirina ao anatin'ny hevitra tiana hambara izany, saingy tsy izany no tena tian'ny andalan-teny aseho amintsika. Ny teny hoe "hivoivoy" (naoty ery ambany ao amin'ny Baiboly) dia maneho fa handinika ny Daniela ny olona avy amin'ny firenen-drehetra amin'ny andro farany. Raha manao jery todika ny tantara isika dia mahita fa saika tsy nahatakatra izay ambaran'ny bokin'i Daniela ny ankamaroan'ny olona nandritra ny taonjato maro. Mety fantatra sy nodinihina ihany izany tany amin'ny toerana sasany, saingy nitoetra ho zava-miafina ny fampianarana fototra sy ny faminaniana tao anatiny. Ohatra amin'izany ny hafa-paminaniana mikasika ny fanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra, ny fitsarana, ny momba ilay tandroka kely sy ny asany. Tsy nazava taminlzy ireo ny vanim-potoana mifandraika amin'ireo faminaniana ireo.

Nihanitombo ny olona nandinika ny bokin'i Daniela tamin'ny androni Martin Luther, saingy amin'ny andro farany vao ho takatry ny olona amin'ny fahafenoany kokoa izany boky izany. Izao no nosoratani EGW: "Novahana anefa ny bokin'i Daniela nanomboka tamin'ny 1798, nitombo ny fahalalana ny faminaniana, ary mare no nitory ilay hafatra miezinezina fa akaiky nyfitsarana" - HM, t. 370. "Nanomboka liana tamin'ny bokin'i Daniela ny olona. Tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-18 sy ny fiandohan'ny taonjato faha-19 no nisehoan'izany Nitarika ho amin'ny finoana ny fa.hantomoran'ny fiavian'i Jesôsy  fanindroany ny fandinihana nataon'izy ireo. Mpandinika ny Baiboly maromaro avy any Angletera, i Joseph Wolff avy any Moyen-Orient, i Manuel Lacunza tany Amerika Atsimo ary i William Miller tany Etazonia no ampahany tamin'ireo olona izay nitory izany hafatra izany. Nandalina ny bokin'i Daniela ireo lehilahy ireo sy ireo mpandinika ny hafatry ny Baiboly mikasika ny andro farany, ary nambarany fa efa akaiky ny fiavian'i Jesôsy . Ny finoana izany no anton'ny asa ataon'ny fiangonana Advantista Mitandrina. ny Andro Fahafito aminIzao andro izao" - SDABC, b. 4, t. 879, nasiam-panamboarana.

Eritrereto ny tombontsoa lehibe ananantsika amin'ny fahafahantsika manao jery todika ny tantara sy mahita ny fahatanterahan'ireo faminaniana ara-tantara nambaran'i Daniela ireo. Ahoana no tokony hanampian'izany antsika hatoky ireo teny fikasan'Andriamanitra rehetra? 

Vakio ny Dan. 12:5-13. Ahoana ny fomba namaranana ny boky?

Teo amin'ny ony Hidekela ny toe-javatra farany ao amin'ny bokin'i Daniela no nitranga (Dan. 12:6); teo no toerana nisehoan'ny fahitana farany nomena azy (Dan. 10:4). Tsy ny teny hebreo fampiasa ho an'ny "ony" anefa no nampiasainy teto fa ny teny hoe "ye'or", izay hoenti-manondro ny "reniranon'i Neily". Mampahatsiahy antsika ny fanafahana izany, ary maneho amintsika fa tahaka ny nanavotan'Andriamanitra ny Isiraely tany Egipta no hanavotany ny vahoakany amin'ny andro farany.

Mahita hafatra manokana mahakasika ny fotoana isika ao amin'ny fiafaran'ny bokin'i Daniela. (1) Ny voalohany dia fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro", izay mamaly ny fanontaniana hoe: "Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo?" - Dan. 12:6. Manondro ireo zavatra asehon'ny fahitana ao amin'ny Dan. 11 ireo "fahagagana" ireo, izay mamelabelatra ny Dan. 7 sy 8. Hitantsika ao amin'ny Dan. 7:25, Apôk. 11:3, sy Apôk. 12:6,14 ary ny Apôk. 13:5 koa ny fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro". Mifandraika amin'ny 1260 taona nitanan'i papa ny fahefana fara tampony ihany koa izany, izay nanomboka tarninby taona 538 hatramin'ny 1798 TrK. Miresaka ny amin'izany fotoana eo amin'ny tantara izany koa ny Dan. 11:32-35, saingy tsy milaza ny faharetany.

Nametraka fanontaniana tahaka izao tamin'ilay Lehilahy mitafy rongony fotsy i Daniela: "hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?" Ireo fe-potoana roa, dia ny 1290 sy ny 1335 andro izany, no mamaly izany fanontaniana izany. Samy manomboka amin'ny fanesorana ny "fanatitra isan'andro" sy ny fampidirana ny "fahavetavetan'ny fandravana" izany. Hitantsika ao amin'ny lesona mamba ny Dan. 8 fa manondro ny fanelanelanana tsy tahaka ataon'i Kristy ny "fanatitra isan'andro", izay nosoloin'ny rafi-pivavahana sandoka. Koa nanomboka tamin'ny taona 508 TrK izany vanim-potoana ara-paminaniana izany, rehefa niova ho Katolika i Clovis mpanjakan'ny Francs. Izany toe-javatra manan-danja izany no nanokatra lalana ho an'ny firaisareny fiangonana sy ny fanjakana, izay nanana ny heriny nandritra ny Vanim-potoana Antenantenany. Nifarana tamin'ny taona 1798 anefa ny 1290 andro, rehefa nosamborin'ireo miaramilan'i Napoleon ny papa. Nifarana tamin'ny taona 1843 ny 1335 andro, ilay fe-potoana ara-paminaniana farany voalaza ao amin'ny bokin'i Daniela. Tamin'izany fotoana izany no nanombohan'ireo mpianatei William Miller nandinika ny hafatra manokana ao amin'ny bokin'i Daniela. Fotoana niandrasana sy nanantenana ny fahantomoran'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany izany.

Zavatra roa no hitantsika manerana ny bokin'i Daniela: enjehina ny vahoakan'Andriamanitra ary hamarinina sy hafahana amin'ny farany. Ahoana no anampian'izany antsika hitoetra ho mahatoky na dia eo aza ireo fitsapana mahazo antsika amin'izao? 

"Mampiseho toe-javatra mifampitohitohy ireo Maraina faminaniana izay mitarika ho co amin'ny fisokafan'ny fitsarana. Marina indrindra izany raha ny mamba ny bokin'i Daniela. Nefa nomena baiko i Daniela hanorona sy hanisy tombo-kase io ampahan'ny faminartiany mikasika ny andro farany io 'mandra-piavian'ny farany'. Raha tsy tonga eo amin'io fotoana io isika dia tsy hisy hafatra mikasika ny fitsarana hotorina, izay nifototra tamin'ny fahatanterahan'ireo faminaniana ireo. Nefa amin'ny andro farany, hoy ny mpaminany, 'maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana" - Dan. 12:4.

Nanafatra ny fiangonana ny apostoly Paoly tsy hiandry ny fiavian'i Kristy ho amin'ny androny. Tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, hoy izy, ka hiseho ilay lehilahin'ota' - 2 Tes. 2:3. Raha tsy aty aorian'ilay fihemorana lehibe, sy rehefa mifarana ny fotoana lavabe hanjakan"ilay lehilahin'ota', dia tsy afaka manantena ny fiavian'ny Tompontsika isika. nay `lehilahin'ota' izay lazaina koa fa `zava-miafin'ny tsy fankatoavan-daleina, ‘zanaky ny fahaverezana, sy `ilay tena mpandika dia mampiseho ny fahefana papaly, izay, araka ny voalaza mialoha ao amin'ny faminaniana, dia hitana ny fahefarty fara-tampony mandritra ny 1260 taona. Nifarana tamin'ny 1798 io fe-potoana io. Tsy nety ho tonga talohan'io fotoana io ny fiavian'i Kristy. Voafaokan'io fampitandremana nataoni Paoly io avokoa ny andro Kristiana rehetra hatramin'ny taona 1798. Ankoatr'io fotoana io dia tsy maintsy hotorina ny hafatra momba ny fiavian'i Kristy fanindroany" HM, t. 370. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

1. lnona no laza mananontanona ny famerana daty mikasika ireo toe-javatry ny andro farany amin'ny hoavy? lnona no hihatra amin'ny finoan'ny olona marobe raha tsy mitranga Izany toe-javatra izany? lnona no ambaran'i Jesôsy ao amin'ny Jao. 14:29, Izay tokony hanampy antsika hahatakatra ny faminaniana mamba ny hoavy? Ahoana no hanampian'izany tenin'i Jesôsy izany antsika tsy ho latsaka ao anatin'ny fandriky ny fanambarana na finoana faminaniana sandoka? 

2. Ny filazantsara momba an'i Jesôsy  no hany fanantenana ananantsika amin'ny hanoratana ny anarantsika ao amin'ny bokin'ny fiainana any an-danitra. Nahoana? Raha tsy misy izany teny fikasana izany, inona moa ny fanantenana ananantsika?